Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 2 Janoary
HERINANDRON’NY 2 JANOARY 2012
Hira 118 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 15 § 1-7, efajoro p. 116 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Isaia 24-28 (10 min.)
No. 1: Isaia 27:1-13 (4 min. na latsaka)
No. 2: Matokia Foana hoe Tia Anao i Jehovah—Isaia 57:15 (5 min.)
No. 3: Inona no Dikan’ny Fiainana?—rs p. 202 § 5–p. 203 § 4 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Asio fampisehoana: Fomba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny volana Janoary, ampiasana an’ilay fomba fitory modely eto amin’ity pejy ity.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
15 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Janoary. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay lahatsoratra mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo. Ampiasao avy eo ireo lahatsoratra voalohany amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary asao ny mpanatrika hilaza izay fanontaniana mahaliana azo apetraka sy izay andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra hafa izy ireo. Ampirisiho ny mpitory hiezaka hanolotra ilay Mifohaza! eny amin’ny faritany be toeram-piasana sy fivarotana. Asao ny mpiandraikitra ny fanompoana hilaza ny fandaharana natao mba hahavitana izany. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana an’ireo gazety, ka rehefa mametraka an’ilay Mifohaza!, dia asehoy hoe ahoana no azo anolorana azy eny amin’ny toeram-piasana na fivarotana.
Hira 86 sy Vavaka