Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Raha misy ankizy ao amin’ilay trano, dia azo atolotra Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, na ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Janoary: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Raha efa manana boky ilay olona, nefa tsy manaiky hianatra Baiboly, dia omeo gazety tranainy izy na bokikely mety hahaliana azy. Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana na ny bokikely Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay? Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Raha efa manana boky ilay olona, nefa tsy manaiky hianatra Baiboly, dia omeo gazety tranainy izy na bokikely mety hahaliana azy.
◼ Amin’ny talata 26 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro ny Fahatsiarovana amin’ny 2013.
◼ Zavatra vaovao misy:
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2011—CD (cdyb11) anglisy, frantsay
Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2012 (es12) anglisy, frantsay, malagasy
Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2012 (ca12) anglisy, frantsay, malagasy
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly—MP3 (mpmy-MG) malagasy