Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 26 Desambra 2011.
1. Inona no ianarantsika avy amin’ny valala? (Ohab. 30:27) [w09 15/4 p. 18, feh. 14]
2. Inona ilay karazana “fifaliana” tsy ahitana fahafaham-po? (Mpito. 2:1) [g 4/06 p. 6, feh. 1-2]
3. Misy mihevitra fa manohana ny fampianarana momba ny lahatra ny tenin’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 3:1-9. Nahoana anefa ilay teniny ao amin’ny Mpitoriteny 9:11 no mampiharihary fa tsy voalahatra ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainana? [w09 1/3 p. 4, feh. 3]
4. Inona no mety ho vokany raha “marina loatra” ny olona iray? (Mpito. 7:16) [w10 15/10 p. 9, feh. 8-9]
5. Nahoana ny Tononkiran’i Solomona 2:7 no mampiseho fa fahendrena ny tsy maimaika rehefa mifidy vady? [w06 15/11 p. 19, feh. 1]
6. Inona no dikan’ny hoe ‘mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotr’ilay’ Solemita sy ny hoe ‘tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelany’? (Tonon. 4:11) [w06 15/11 p. 19, feh. 6]
7. Hazavao fa mampiharihary ny toetran’i Jesosy sy ny zavatra hataony ao amin’ny tontolo vaovao ny anaram-boninahiny hoe “Ray Mandrakizay”, “Mpanolo-tsaina Mahagaga”, ary “Andrianan’ny Fiadanana.” (Isaia 9:6) [w07 15/5 p. 6, feh. 3-5]
8. Iza ankehitriny no mitovy amin’ny firenen’Israely “mpivadi-pinoana”, ary iza no oharina amin’ilay ‘tsorakazo’ hampiasain’i Jehovah mba handringanana azy io? (Isaia 10:5, 6) [ip-1 p. 145, feh. 4-5; p. 153, feh. 20]
9. Nahoana no tena mahagaga ilay faminanian’i Isaia hoe “tsy honenana intsony” i Babylona? Manome toky antsika ny amin’ny inona ny fahatanterahan’io faminaniana io? (Isaia 13:19, 20) [g 11/07 p. 9, feh. 4-5]
10. Oviana i Jesosy no nahazo “ny lakilen’ny ankohonan’i Davida”, ary ahoana no nampiasany azy io? (Isaia 22:22) [w09 15/1 p. 31, feh. 2]