Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 28 Desambra
HERINANDRON’NY 28 DESAMBRA
□ Fianarana Baiboly:
lv toko 14 § 15-19, efajoro p. 167
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Josoa 12-15
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Resaho ilay lahatsoratra hoe “Vonona Hihira ho An’i Jehovah ve Ianao?” Ampirisiho ny rehetra hitondra ilay fihirana vaovao amin’izay, rehefa mivory.
10 min: Ahoana no Havalintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika, momba izay fanoherana fahita eo amin’ny faritany. Ataovy fampisehoana vetivety ny famaliana ny iray amin’izy ireny. (Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 83-87.)
10 min: Manomboha Fampianarana Baiboly. Lazao ny andro natokan’ny fiangonanareo hanasana olona hianatra Baiboly. Inona no vokatra hita teo amin’ny faritany? Manasà mpisava lalana na mpitory iray hitantara na hanao fampisehoana an’izay fomba hita hoe mandaitra.
10 min: Zavatra Atolotra Amin’ny Janoary. Resaho izay mampiavaka an’ilay boky. Manasà mpitory iray ary iaraho midinika aminy hoe ahoana no azo anombohana fampianarana Baiboly amin’ilay boky, rehefa mitory tsy ara-potoana. Ampirisiho ny rehetra mba hanao tanjona ny hanomboka fampianarana, amin’ity volana ity.