Vonona Hihira ho An’i Jehovah ve Ianao?
1 Rehefa manomana fivoriana isika dia tokony homanina koa ireo hira fiderana hataontsika. Ireto misy soso-kevitra:
2 Diniho ny hevitry ny tononkira: Manasongadina ny hevitra ao amin’ilay hira ny andinin-teny fototra sy ireo andininy eny ambany.
3 Averimbereno ireo hira: Azo ampidirina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro ny fianarana an’ireo hira vaovao. Ianaro izay hira hatao amin’ny fivoriana manaraka, sady alefaso ny feon-kira (piano). Afaka mianatra ny hira sasany ianareo, amin’ilay CD Mihirà ho An’i Jehovah—Raki-kira 1.
4 Ho vonona ve ianao amin’ny fivoriana manaraka, rehefa hampiasaina ilay fihirana vaovao hoe Mihirà ho An’i Jehovah? Diniho àry ny hevitry ny tononkira ary averimbereno ireo hira!