FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/04 p. 1
  • Hazòny ho Tsotra ny Masonao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hazòny ho Tsotra ny Masonao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsotra ve ny Masonao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Manana maso “tsotra” ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Inona no Dikan’ilay hoe “Maso ho Solon’ny Maso”?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Arovy ny Masonao
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 9/04 p. 1

Hazòny ho Tsotra ny Masonao

1 Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, fa mety hanan-kery lehibe eo amin’ny fiainantsika manontolo ny masontsika ara-panahy. Hoy izy: “Raha tsotra àry ny masonao, dia hamirapiratra ny tenanao manontolo, fa raha mialona kosa ny masonao, dia ho maizina ny vatanao manontolo.” (Matio 6:22, 23) Mifantoka amin’ny zava-kendrena tokana ny maso tsotra, dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy variana mikatsaka harena. (Matio 6:19-21, 24-33) Inona no hanampy antsika hanana maso tsotra hatrany?

2 Mahaiza mianina: Takin’ny Soratra Masina ny hanomezana izay ilain’ny ankohonana. (1 Tim. 5:8) Tsy mitaky ny hikatsahantsika foana ireo zavatra tsara indrindra sy nivoaka farany anefa izany. (Ohab. 27:20; 30:8, 9) Ampirisihina kosa isika mba hianina amin’ny ‘hanina sy fitafiana ary fialofana’, izany hoe izay zavatra tena ilaina. (1 Tim. 6:8; Heb. 13:5, 6) Hampifantoka ny masontsika amin’ny zavatra iray ihany isika, raha manaraka io torohevitra io.

3 Fahendrena ny tsy hanaovan-javatra na hananan-javatra mitaky fotoana sy fikarakarana be. Halaviro koa ny trosa tsy tena ilaina. Manavesatra antsika mantsy izany. (1 Tim. 6:9, 10) Ahoana no hanalavirantsika izany? Mila misaintsaina amim-bavaka sy mandinika amim-pahatsorana ny zavatra kasainao hatao ianao, sao hanelingelina ny fanompoanao izany. Aoka ianao ho tapa-kevitra hanao ny fanompoana an’Andriamanitra ho ny zava-dehibe indrindra.—Fil. 1:10; 4:6, 7.

4 Tsory ny fiainanao: Tsy ho matimatin-karena ianao raha miezaka hanatsotra ny fiainanao. Hitan’ny rahalahy iray fa nandeha tsara ny fiainam-pianakaviany, na dia tsy nanan-karena be aza izy ireo. Hoy izy: “Afaka manao zavatra bebe kokoa eo anivon’ny fiangonana aho izao, mba hanampiana ireo rahalahy. Miaiky aho fa mitahy ny mpanompony rehetra i Jehovah, rehefa mihevitra ny fivavahana marina ho zava-dehibe kokoa noho ny tombontsoany manokana izy ireo.” Hanatsotra ny fiainanao àry ve ianao, ka hahazo fitahiana bebe kokoa?

5 Tokony hiezaka hatrany isika mba hanohitra ny fitaoman’i Satana, sy ny tontolony tia vola loatra, ary ny tsy fahalavorariantsika. Aoka tsy havelantsika hiriorio àry ny masontsika, fa ampifantohy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra kosa sy amin’ilay fanantenantsika sarobidy, dia ny fiainana mandrakizay.—Ohab. 4:25; 2 Kor. 4:18.

[Fanontaniana]

1. Inona no dikan’ny hoe manana maso tsotra, ary nahoana izany no ilaina?

2. Inona no fomba fihevitra momba ny harena, ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra?

3. Inona no hanampy antsika hanalavitra ireo zavatra mety hanavesatra antsika?

4. Nahoana isika no tokony hitady fomba hanatsorana ny fiainantsika?

5. Nahoana no mitaky ezaka mitohy ny fihazonana ny masontsika ho tsotra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara