Taratasy avy Amin’ny Sampana
Ry mpitory ilay Fanjakana,
Tena tsara ny namaranana ny taom-panompoana 2004, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra.” Ny taom-panompoana 2005 indray izao no atrehintsika. Betsaka ny zavatra hahafinaritra antsika, anisan’izany ilay fandaharana vaovao amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Hisongadina tokoa izy io satria hisy boky fianarana vaovao, ary mpisava lalana maro efa nanatrika ilay sekoly no hanatrika azy io indray.
Nitahy antsika koa i Jehovah, satria 18 ny Efitrano Fanjakana naorina tamin’ny taon-dasa, ary 13 sahady no efa vita tanteraka tamin’ity taona ity. Enga anie isika rehetra hankasitraka sy hikarakara ary hikojakoja ireny toeram-pivavahana ireny. Tokony ho tsapantsika rehetra fa tsy maintsy ho madio sy milamina foana ny Efitrano Fanjakana. Tsy maintsy amboarina koa izay zavatra madinidinika simba.
Nitory tamin-jotom-po isika tamin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Nisy 1 555 no nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny Martsa, ary nahatratra tampon’isa vaovao 78 093 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana.
Mety handia fotoan-tsarotra isika amin’ny ho avy. Tsy mora àry ny mitoetra ho mpitory ilay Fanjakana mahatoky. Mahereza anefa, satria manome toky ny Tenin’Andriamanitra fa ho avy tokoa ny farany.—Hab. 2:3.
Manantena izahay fa “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” isika rehetra, eo am-panombohana ity taom-panompoana 2005 ity.—1 Kor. 15:58.
Ireo rahalahinareo,
Biraon’ny Sampana eto Madagasikara