FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/10 p. 1
  • Tsotra ve ny Masonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsotra ve ny Masonao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Hazòny ho Tsotra ny Masonao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Manana maso “tsotra” ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Hahavita Hanompo Bebe Kokoa Ianao Raha Manana Fiainana Tsotra Foana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Manàna fiainana tsotra sy voalanjalanja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 6/10 p. 1

Tsotra ve ny Masonao?

1. Inona no dikan’ny hoe manana ‘maso tsotra’?

1 Misy vokany eo amin’ny ataontsika ny zavatra ifantohan’ny masontsika. Tena marina ny tenin’i Jesosy hoe: “Koa raha tsotra ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo.” (Mat. 6:22) Mifantoka amin-javatra tokana isika raha manana maso “tsotra”, izany hoe mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ataontsika loha laharana ilay Fanjakana, ary tsy variana amin’ny fananana tsy tena ilaina na zavatra hafa mety hanakantsakana ny fanompoana isika.

2. Inona no mety hanova ny fiheverantsika, nefa inona no hanampy antsika?

2 Ilaina ny mandini-tena: Mety hanova ny fiheverantsika an’izay ilaintsika ny dokam-barotra na ny fijerena an’izay ananan’ny hafa. Mety hisy zavatra tiantsika hatao na hovidina, nefa tena mandany fotoana sy vola na mandreraka be. Tsara àry aloha ny “manao kajy ny amin’izay ho lany”, ka mieritreritra hoe: ‘Hanatsara sa hanelingelina ny fanompoako an’i Jehovah izany?’ (Lioka 14:28; Fil. 1:9-11) Ilaina koa ny mandinika tsindraindray hoe ahoana no mbola azo anatsorana ny fiainana mba hanompoana bebe kokoa.—2 Kor. 13:5; Efes. 5:10.

3. Inona no ianarantsika avy amin’ny anabavy iray nanatsotra ny fiainany?

3 Tsy niala tamin’ilay asany manontolo andro ny anabavy iray rehefa nanomboka nanao mpisava lalana. Ampy hahazoana izay ilainy anefa ny karamany raha niasa tapa-potoana izy. Hoy izy tatỳ aoriana: “Tsy misy mahay manompo tompo roa. Tsy maintsy nampandefitra an’izay tiako aho mba hahazoana an’izay tena nilaiko. Takatro fa ho simba sy tsy ho tiako intsony ny zavatra ananako, ary ho lany andro fotsiny aho raha mikatsaka an’izany.” Afaka nanatsotra ny fiainany sy niova asa izy, ka nahavita nanohy ny asan’ny mpisava lalana.

4. Nahoana no tena ilaina ny hananana maso tsotra hatrany?

4 Vao mainka tena ilaina ny hananana maso tsotra hatrany, raha jerena ny fiainantsika ankehitriny. Mihamanakaiky isan’andro mantsy ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity sy ny fanombohan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (1 Kor. 7:29, 31) Hamonjy antsika sy izay mihaino antsika isika, raha mifantoka amin’ny asa fitoriana.—1 Tim. 4:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara