Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Septambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 2. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Aogositra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra. Aorian’ny fampisehoana tsirairay, dia asongadino vetivety ny zavatra tsara hotahafina amin’ilay izy.
15 min: “Hazòny ho Tsotra ny Masonao.”a Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Asongadino ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
18 min: Mahita ny Asa Tsara Ataontsika Izy Ireo. (1 Pet. 2:12) Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2002, pejy 12-14, fehintsoratra 14-20. Asao ny mpanatrika hilaza hoe manao ahoana ny fihetsiky ny olona eo an-toerana, rehefa mahita ny asa tsara ataontsika.
Herinandron’ny 20 Septambra
10 min: Fampandrenesana. Resaho ny hevitra misongadina amin’ilay taratasy avy amin’ny sampana, hita eo amin’ny pejy voalohany amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity.
15 min: Inona no Zava-bitantsika Tamin’ny Taon-dasa? Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny tatitry ny fiangonana tamin’ny taom-panompoana 2004. Mifantoha amin’ny zavatra mampahery, ary derao ny fiangonana noho ireo zava-bita tsara. Asongadino ny asa mafy vitan’ny mpisava lalana. Milazà tanjona iray na roa azo tratrarina amin’ny taona ho avy.
20 min: Miareta Amin’ny Fanaovan-tsoa. (Gal. 6:10) Manadinadìna mpitory roa na telo, izay mpisava lalana maharitra na mpisava lalana mpanampy tsindraindray. Inona no olana natrehiny, ary ahoana no nandreseny izany? Inona no nanampy azy ireo hiaritra tamin’ny fanaovan-tsoa? Inona no soa azony sy azon’ny hafa, noho ny ezaka nataony tamin’ny fanompoana? Derao ny rehetra noho izay ‘ataony noho ny finoany, sy ny asa mafy ataony amim-pitiavana, ary ny fiaretany.’—1 Tes. 1:2, 3.
Herinandron’ny 27 Septambra
15 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Septambra. Manaova fampisehoana ny fomba fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra sy ny Mifohaza! 8 Septambra.
10 min: Velona ny Tenin’i Jehovah. Lahateny. Misy andian-dahatsoratra hoe “Velona ny Tenin’i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sasany. Natao hanampiana antsika handray soa bebe kokoa amin’ny fandaharana famakiana Baiboly isan-kerinandro amin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy io. Ampiasao Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2004 pejy 24-27, mba hampisehoana ny ilana ireny lahatsoratra ireny. Manome fanazavana ankapobe aloha ilay izy. Avy eo dia manazava ireo andinin-teny sarotra, ilay fizarana hoe “Valin’ny fanontaniana ara-baiboly.” Ary misarika ny saina ho amin’ny fomba hampiharana ireo toko novakina, ilay fanazavana hoe “Lesona ho antsika.” Makà ohatra vitsivitsy, mba hampisehoana fa tena hanampy antsika hahazo tsara kokoa ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra io andian-dahatsoratra io. Ampirisiho ny rehetra hampiasa tsara azy io, rehefa hanomboka hamaky ny Deoteronomia amin’ny herinandro ambony.
20 min: “Ampiasao Tsara ny Baibolinao.”b Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Makà hevitra ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 145, fehintsoratra 2-3, mba hanaovana teny fampidirana. Manaova fampisehoana fohy roa, mba ho fampiharana ireo fanoloran-kevitra. Fitoriana ny voalohany ary fiverenana mitsidika ny faharoa.
Herinandron’ny 4 Oktobra
5 min: Fampandrenesana.
20 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny anti-panahy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.