Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mandritra ny Aogositra sy Septambra. Mety hanao fanitsiana araka izay ilaina ny fiangonana mba hanatrehana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra.” Mandritra ny Oktobra, dia hisy Fivoriana Momba ny Fanompoana feno natao hamerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fivoriambe. Mba hiomanana ho amin’io famerenana io, dia afaka mandray an-tsoratra tsara isika any amin’ny fivoriambe, ka hanamarika ireo hevitra tiantsika hampiharina eo amin’ny fiainantsika sy ny fanompoantsika. Amin’izay isika dia ho vonona hanazava ny fomba nampiharantsika ireo fanoloran-kevitra ireo taorian’ny fivoriambe. Hifampahery isika raha samy mitantara ny soa noraisintsika avy tamin’ilay fampianarana tsara azontsika.
Herinandron’ny 13 Aogositra
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Velabelaro ny “Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra.” Lazao ny datin’ny fivoriamben’ny faritra manaraka, raha efa fantatra, ary ampirisiho ny rehetra hanatrika ny fandaharana manontolo. Ampirisiho ny mpitory hanasa ireo olona liana vao haingana sy ny olona ampianariny Baiboly. Vaovao Farany.
17 min: “Tianao ve ny Hanao Bebe Kokoa?”a Manomeza soso-kevitra momba ny hanitarana ny fitoriana amin’ny olona eo amin’ny faritaninao. Asio firesahana fohy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1997, pejy 26-29.
15 min: “Lanjalanjao ny Fialam-boly.” Lahateny ataon’ny anti-panahy iray. Ampiharo amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2000, pejy 19-20.
Herinandron’ny 20 Aogositra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Mijery Anao Izao Rehetra Izao!”b Lazao izay mety ho fankasitrahana ny asa na ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nataon’ny olona teo an-toerana.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1998, pejy 10, sy ny 15 Janoary 1999, pejy 32.
22 min: “Mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra ny Fahalalam-pomba.” Ataon’ny anti-panahy iray lahateny, mandritra dimy minitra, ny fehintsoratra 1-5. Avy eo dia miara-midinika ny ambin’ilay lahatsoratra amin’ny anti-panahy iray sy mpanampy amin’ny fanompoana iray izy. Resahiny ny fomba hanalavirana fihetsika atao tsy amim-piheverana izay mahatonga antsika tsy hifantoka amin’ny fivoriana sy mampihena ny soa raisintsika. Asongadin’izy ireo fa tena mampahery ny fifaneraserantsika rehefa miahy amim-pitiavana izay hahasoa ny hafa isika.—Fil. 2:4.
Herinandron’ny 27 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aogositra. Manomeza fanoloran-kevitra fohy iray na roa ny amin’ny fomba fanolorana ny boky Fahasambaram-pianakaviana, mandritra ny Septambra.—Jereo ny ohatra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1997, pejy 4, sy Febroary 1999, pejy 4.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Miteny sy Manoratra ‘Tenin’ny Fahamarinana Mahafinaritra sy Mahitsy.’ ”c Hataon’ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana na ny mpitarika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.
Herinandron’ny 3 Septambra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
17 min: “Tena Ilaina ve Ireo Namana Kristianina?”d Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996, pejy 22, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Amin’ny alalan’ny kongregasiona.”
20 min: Raha Misy Milaza Aminao Hoe. Fiaraha-midinika sy fampisehoana. Rehefa milaza zavatra na mametraka fanontaniana tsy noeritreretintsika mialoha ny olona eny amin’ny fanompoana, dia tokony hiezaka hamaly azy isika fa tsy hamadika na hamarana fotsiny an’ilay resaka. Hanampy amin’io lafiny io matetika ny boky Fanjohian-kevitra. Milazà teny fanakianana mahazatra, ary manasà mpitory hampiseho ny fomba hamaliana izany amin’ny fampiasana ireo fanazavana ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Ohatra: ‘Tsy mino an’i Jesosy ianareo.’ (pejy 305) ‘Tsy mampaninona izay fiangonana misy anao.’ (pejy 272) ‘Nahoana ianareo no tsy mitandrina ny Sabata?’ (pejy 368) Ampirisiho ny rehetra hampiasa ilay hoe “Raha misy milaza aminao hoe” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, rehefa misy toe-javatra tsy ampoizina mipoitra eny amin’ny fanompoana.
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
[Fanamarihana ambany pejy]
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.