FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/01 p. 1
  • Tena Ilaina ve Ireo Namana Kristianina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Ilaina ve Ireo Namana Kristianina?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana —Fivorian’ny Fiangonana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Nahoana Isika no Tokony Hivory?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Fankasitrahana Ireo Fiaraha-mivory Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 8/01 p. 1

Tena Ilaina ve Ireo Namana Kristianina?

1 “Ny firaisan-kina no hery.” Io ohabolana malagasy io, dia mamerina fotsiny izay voalazan’ny Baiboly, momba ny zavatra fototra ilain’ny olombelona, dia ny namana. (Ohab. 18:1) Azontsika izany, satria eo ireo namana kristianina. Amin’ny fomba mahasoa inona avy?

2 Eny amin’ny fanompoana: Anisan’ireo soa lehibe indrindra ny fomba anatanjahan’ireo rahalahintsika sy anohanany antsika eny amin’ny fanompoana ho an’ny besinimaro. Nirahin’i Jesosy hitory “tsiroaroa” ny mpianany. (Marka 6:7; Lioka 10:1) Rehefa miara-miasa eny amin’ny saha fanompoana isika, mifanaraka amin’izany ohatra izany, dia hitantsika fa tena marina ny voalazan’ny Mpitoriteny 4:9, 10. Rehefa miara-manao fanompoana isika, ny finoana sy ny fankatoavana ary ny fitiavana asehon’ireo namantsika dia manome antsika herim-po sady manavao indray ny zotom-pontsika.

3 Fanampiana manokana: Mahazo fampaherezana sy tari-dalana koa isika avy amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy, mba hiatrehantsika ny fanerena sy hanoherana fakam-panahy. Mety hampiseho amintsika andinin-teny mahakasika ny zava-manahirana antsika manokana, ny namana kristianina. Mety hivavaka ho antsika mihitsy aza izy ireo, toy ny ivavahantsika ho azy ireny koa. (2 Kor. 1:11) Ary azo antoka fa manosika antsika hanao asa tsara, sy manatanjaka antsika, ny ohatra tsara asehon’izy ireny.

4 Any am-pivoriana: Rehefa manatrika tsy tapaka ny fivorian’ny fiangonana isika, dia tsapantsika fa fitahiana ny manana fisakaizana kristianina. (Heb. 10:24, 25) Betsaka ny fampianarana ara-panahy ao anatin’ny fandaharana, ary mihazona antsika ho akaiky an’ireo mpiray finoana amintsika ny fahatongavantsika mivory. Any isika dia afaka mandre ireo rahalahintsika sy anabavintsika maneho ny finoany. Tsy avy eny amin’ny lampihazo ihany, fa avy amin’ny mpanatrika koa. (Rom. 1:12) Mihamafy ny fisakaizantsika, arakaraka ny ifampiresahantsika, aloha sy aorian’ny fivoriana. Azontsika resahina amin’izany ireo zavatra niainantsika mampitombo finoana. Misy vokany tsara amin’ny toetrantsika ny fifandraisantsika amin-kalalahana amin’ny olona tia an’i Jehovah sy ny Teniny, ary ny asany sy ny vahoakany.—Fil. 2:1, 2.

5 Ilaintsika ireo namana kristianina. Raha tsy eo izy ireo dia ho sarotra kokoa amintsika ny handeha eo amin’ny lalana ety mankany amin’ny fiainana. Noho ny fitiavana sy ny fampaherezana avy amin’izy ireo anefa, dia afaka manohy isika mandra-pahatongantsika any amin’ny tontolo vaovao sy marin’i Jehovah.—Matio 7:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara