Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: “Fampahafantarana ny Anaran’i Jehovah any Amin’ny Tany Rehetra”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mampidira fanazavana momba ny fanambarana tsy ara-potoana, avy ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy faha-93-94.
20 min: Nanao Safidy Nampiseho Fahendrena Izy Ireo. Lahateny miorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1997, pejy faha-19-21, fehintsoratra faha-3-16. Tantarao ny zavatra lazain’ireo mpisava lalana izay mampiseho ny antony ahatsapan’izy ireo fa nolanina tamin’ny fomba novalian-tsoa sy nandraisan-tsoa indrindra ny fiainany. Ampirisiho ny mpanatrika rehetra mba hanombana ny fahafahan’ny tenany hanao ny asan’ny mpisava lalana.
Herinandron’ny 17 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Mampiasà Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka”. Diniho indray ny efatra na iza na iza amin’ireo taratasy mivalona fampiasa eny amin’ny faritany. Mametraha fanontaniana iray, izay valiana ao amin’ny taratasy mivalona tsirairay. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba azo ampiasana ilay fanontaniana mba hanombohan-dresaka sy mety hitarihana fampianarana Baiboly mihitsy aza. Asehoy ny fomba azo anaovana izany amin’ny roa amin’ireo taratasy mivalona.
Herinandron’ny 24 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy zavatra hita teny am-pitoriana.
15 min: “Manehoa Fiheverana ny Tenin’i Jehovah Isan’andro!” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ampirisiho ny rehetra hampiasa tsara ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro — 2000. Asio firesahana ireo fanazavana avy ao amin’ny sasin-teny, pejy faha-3-4. Asao ireo mpitory hitantara ny ezaka manokana ataony, mba handinihana isan’andro ny andinin-teny sy ny fanazavana.
20 min: “Ho Tonga any ve Ianao?” Lahateny sy fitantarana tarihin’ny loholona iray. Ny fiaraha-mivory lehibe dia nitana anjara toerana lehibe mba hanatanjahana ny vahoakan’Andriamanitra, hatramin’ny andron’ny Baiboly ka hatramin’izao androntsika izao. Ampirisiho ny rehetra hanomboka hanao fiomanana dieny izao, mba hanatrehana ireo andro telo manontolo amin’ny fivoriamben’ny distrika amin’ity taona ity. Asao ny mpanatrika hilaza fitantarana izay mampiseho fa novalian-tsoa ara-panahy ny ezaka tamim-pahazotoana nataony mba hanatrehana fivoriambe, tamin’ny lasa.
Herinandron’ny 31 Janoary
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Janoary. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Febroary: ny boky Fahasambaram-pianakaviana. Asehoy ny fomba azo ampiasana ireo fanontaniana telo ao amin’ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-12 amin’ilay boky, mba ho fototra hanombohan-dresaka amin’ny olona iray.
15 min: Ny Valin’ny Fanontaniana Iray Momba ny ‘Fanamarihana’. Lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1999, pejy faha-29-31.
18 min: Ny Fomba Hanampiana ny Hafa Hamantatra ny Fivavahana Marina. Resadresaka ifanaovan’ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay iray sy ny mpitory mahay roa na telo, momba ny fomba mety hampiaiky volana ny olona iray noho ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy mahatakatra mazava tsara ny fahasamihafana eo amin’ny fivavahana hafa sy ny antsika. Diniho ireo lafin-javatra folo hita ao amin’ny Mifohaza! Oktobra-Desambra 1995, pejy faha-20. Hazavao fa ny famantarana ireny lafin-javatra ireny dia afaka manampy ny olona tso-po iray hahita ny fahasamihafana eo amin’ny fanompoam-pivavahana marina sy diso, sy ny ilana hianarana avy amin’ny vahoakan’i Jehovah sy hiarahana amintsika.
Herinandron’ny 7 Febroary
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
17 min: Diniho Indray ny Boky Ny Faminanian’i Daniela. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho ireo zavatra misongadina ao amin’ilay boky vaovao: lohatenin’ireo toko izay manaitra, fanoharana toa hitan’ny maso, faritra voafefy miaraka amin’ireo fanontaniana mampisaintsaina lalina, eo amin’ny faran’ny toko tsirairay, sarintany sy tabilao izay manazava tsipirian-javatra. Diniho ilay fanazavana mampahery ny amin’ny fomba ‘hitsanganan’i’ Mikaela amin’ny fomba manokana. (pejy 288-290). Resaho ny maha zava-dehibe ny fiaretantsika amin’ny maha mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra antsika. (pejy 311-312). Tokony hamaky amim-pitandremana ilay boky isika rehetra, ka hampirisika ireo olona liana mba hanao toy izany koa.
20 min: Miomàna Dieny Izao mba Hanohana ny Lalàn’Andriamanitra Momba ny Ra. (Asa. 15:28, 29). Lahateny ataon’ny loholona mahay iray. Karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra: Aorian’ity fivoriana ity, dia homena karatra vaovao iray avy ireo Vavolombelona vita batisa, ary hahazo Karatra Famantarana ho an’ny ankizy tsirairay, ireo manan-janaka tsy ampy taona mbola tsy vita batisa. Tsy hofenoina anio ireny karatra ireny. Tokony hofenoina amim-pitandremana any an-trano izy ireny, nefa TSY hosoniavina. Hatao aorian’ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna manaraka, eo ambany fanaraha-mason’ny mpitarika ny fianarana ny boky, ny fanaovana sonia sy ny fitsanganana ho vavolombelona ary ny fanisiana daty amin’ireo karatra rehetra. Aoka ho azo antoka fa feno tanteraka ireo karatra, alohan’ny hanaovana sonia. Ireo vavolombelona manao sonia dia tokony hahita maso ilay tompon-karatra manao sonia ny karany. Avy hatrany, dia mandehana any amin’ny Firaisana, haingana araka izay azo atao, mba hanamarinana ilay sonia. Ireo mpitory tsy vita batisa dia mahazo manoratra ny firaketan’ny tenany manokana sy ny an’ny zanany, amin’ny fanamboarany ny fehezanteny avy ao amin’ilay karatra, mba hifanaraka amin’ny tarehin-javatra misy azy sy amin’ny hevitra ekeny mafy. Tokony hanao lisitra fanamarinana ny mpitarika ny fianarana ny boky, mba hahazoana antoka fa mahazo ny fanampiana ilainy mba hamenoana ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra, ireo rehetra iray fianarana boky aminy.