Ho Tonga any ve Ianao?
1 Hoy ny Vavolombelona efa hatramin’ny ela iray, indray mandeha: “Raha tsy mahavonjy ny andro voalohany amin’ny fivoriambe ianao, dia hamoy zavatra be dia be!” Nahoana izy no nihevitra toy izany? Satria ny andro voalohany no fiandohan’ny fanasam-be ara-panahy tondraka, nomanin’ny fandaminan’i Jehovah ho antsika. (Isaia 25:6). Ny fahatongavantsika any, hatrany am-piandohana, dia mampiseho fa miombom-pihetseham-po amin’ny mpanao salamo isika hoe: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” — Sal. 122:1.
2 Tamin’ny taon-dasa, tany amin’ny sasany tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” anefa, dia latsaka be noho ny mpanatrika tamin’ny asabotsy sy ny alahady, ny mpanatrika tamin’ny zoma. Midika izany fa ampahany lehibe tamin’ireo rahalahintsika no diso anjara tamin’ny fandrenesana lahateny tamin’ny fivoriambe, izay nampisehoana fanazavana tena lehibe momba ny teny ara-paminaniana. Namoy ny fiarahana nahafinaritra tamin’ireo mpiray finoana taminy koa izy ireo.
3 Aza avela hanakantsakana ny asanao: Ny fanahiana ny amin’ny hahatandindomin-doza ny asany, no nety ho antony nahatonga ny sasany tsy hanatrika ny zoma. Kanefa, Vavolombelona maro no nahita fa vonona ny hiara-miasa aminy amin’io raharaha io ny mpampiasa azy, raha mangataka andro tsy hiasana mialoha be izy ireo. Ny mpampiasa iray dia niaiky volana aoka izany, noho ny fahatapahan-kevitra hentitry ny anabavy mpisava lalana iray mba hanatrehana ny fivoriana sy ny fivoriambe rehetra, hany ka nandany indray andro manontolo tany amin’ny fivoriambe natrehin’ilay anabavy izy!
4 Tsy tokony hieritreritra mialoha ianao hoe tsy ho vonona hanome anao andro tsy fiasana ny mpampiasa anao. Na koa hanatsoaka hevitra hoe tsy hampaninona ny tsy fanatrehana andro iray amin’ny fivoriambe. Noho ny fiekenao mafy avy amin’ny fo, dia miomàna hampiseho amin’ny mpampiasa anao, amim-pahaiza-mandanjalanja sy avy ao amin’ny Soratra Masina, fa tapany lehibe amin’ny fivavahanao ny fanatrehana fivoriambe. (Heb. 10:24, 25). Avy eo, dia apetraho amin’ny fampanantenan’i Jehovah ny fitokisanao feno, amin’ny fiekena fa na inona na inona hangatahinao eo amin’ny ara-nofo, dia homena anao, raha manohy mihazona ireo zavatra ilaina ara-panahy ho loha laharana eo amin’ny fiainanao ianao. — Matio 6:33; Heb. 13:5, 6.
5 Ny anton-javatra fototra dia ny fankasitrahana “ireo zavatra lehibe kokoa”. (Fil. 1:10, 11, NW; Sal. 27:4). Io no manosika antsika hanao fandaharana mialoha, mba handraisana soa feno avy amin’io fandaharana lehibe avy amin’i Jehovah io. Manomboha manao ny fandaharanao voafaritra tsara dieny izao, ka ho tapa-kevitra fa ho any ianao mandritra ireo telo andro manontolo!