Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Mety koa na iza na iza amin’ny boky 192 pejy, natonta talohan’ny 1986, izay mety hananan’ny kôngregasiôna ao amin’ny tahiry. Ny kôngregasiôna izay tsy manana boky toy izany ao amin’ny tahiriny dia afaka manolotra ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hisy ezaka manokana hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly. Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Manàna bokikely Takina, mba homena ny olona liana ary miezaha hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
◼ Afaka mahazo ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy Karatra Famantarana ho an’ny zanany, ny mpitory vita batisa rehetra tonga ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 7 Febroary.
◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary fara fahelany ny 5 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe: “Ilay Tena Haramagedona — Nahoana? Rahoviana?”
◼ Tokony hanao fandaharana mety ireo kôngregasiôna mba hankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity, ny alarobia 19 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, ny fampandalovana ireo marika amin’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy ny filentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kôngregasiôna tsirairay ny fankalazany manokana ny Fahatsiarovana, dia mety tsy hety foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kôngregasiôna maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany, angamba ny kôngregasiôna iray na mihoatra dia afaka mampiasa toerana hafa amin’io takariva io. Manipy hevitra izahay hoe, raha azo atao, dia tokony hasiana 40 minitra, fara fahakeliny, manelanelana ny fandaharana roa mifandimby, mba hahafahan’ny rehetra handray soa feno avy amin’ilay fotoan-dehibe, ary hamelana fotoana hiarahabana ireo vahiny sy hampaherezana ireo liana vao haingana. Tokony hasiana fiheverana koa ny fifamoivoizana sy ny parking, anisan’izany ny fialan’ny mpandeha sy ny fidirany ao amin’ny fiara. Tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana ho tsara indrindra eo an-toerana, ny fitambaran-doholona.
◼ Hatao ny alahady 16 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana taona 2000. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe “Ny Antony Ilan’ny Olombelona Avotra”. Hisy planina homena. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka, ireo kôngregasiôna tsidihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na manana fivoriamben’ny fizaran-tany na fivoriambe manokana, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hisy kôngregasiôna hanao ilay lahateny manokana alohan’ny 16 Aprily 2000.
◼ Iangaviana mba hanao ny fanafarany izay kôngregasiôna mbola tsy nanafatra ny andinin-teny ho an’ny taona 2000, hapetaka any amin’ny Efitrano Fanjakana. Mbola misy koa ny ho an’ny taona 1999, izay azon’ny tsirairay hafarana, hapetaka any an-tokantrano.