FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/12 p. 9-13
  • Fahitana ny Tena Fiadanana ao Amin’ny Tany Iray Mikorontana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahitana ny Tena Fiadanana ao Amin’ny Tany Iray Mikorontana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • “Rehefa lehibe aho, dia hiditra ho IRA!”
  • Tena fiarovana ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa
  • “Ny basiko ihany no afaka miaro ahy”
  • “Tsy nisy heviny tsotra izao ny zava-drehetra”
  • “Nampitodika anay ho amin’ny Baiboly foana ny Vavolombelona”
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/12 p. 9-13

Fahitana ny Tena Fiadanana ao Amin’ny Tany Iray Mikorontana

“Toy ny soavaly tapa-kofehy tanteraka ilay herisetra ifanaovan’ireo mpifahavalo”, hoy ny tatitra iray efa tamin’ny 1969. Tamin’izay no nanomboka nahazo vahana ilay Korontana, izany hoe ilay fotoan’ny hotakotaka misy ankehitriny any Irlandy Avaratra.

NANJARY fahita matetika ny herisetra sy ny vonoan’olona ifanaovan’ireo mpifahavalo, rehefa nampitombo ny hamafin’ilay ady atao hifehezana an’i Irlandy ireo mpamono olona protestanta sy katolika, dia “ireo olona feno habibiana ao amin’ny ankolafiny roa” amin’ilay fisaraham-bazana ara-politika sy ara-pivavahana. Nanomboka tamin’izay, dia “maherin’ny 3 600 ny olona maty, ary an’arivony maro no nitondra takaitra, tao anatin’ny efa ho 30 taona nisian’ny herisetra”, hoy ny tatitra nataon’ny The Irish Times.

Mazava ho azy fa tsy zava-baovao io ady io. Efa namely an’i Irlandy hatramin’ny taonjato maro izy io. Tato anatin’ireo taona faramparany vao tsapa tany Irlandy Avaratra ireo vokany namoizana ain’olona faran’izay betsaka, saingy efa simban’ilay fahatezerana latsa-paka sy ilay tsy fifanarahana naterak’izy io ny fiainan’ny olona manerana an’i Irlandy.

Ao anatin’izany tarehin-javatra izany, dia efa hatramin’ny 100 taona mahery izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nanoro ny tena vahaolana amin’ireo zava-manahirana namely an’io tany mikorontana io. Tsy inona akory izany vahaolana izany fa ny Fanjakan’Andriamanitra, eo ambany fitantanan’i Jesosy Kristy. (Matio 6:9, 10). Teo am-piandohan’ilay Korontana, tamin’ny 1969, dia efa nisy 876 ny Vavolombelon’i Jehovah tany Irlandy. Ankehitriny, dia mahery lavitra ny 4 500 ny isan’izy ireo, any amin’ny kôngregasiôna maherin’ny 100. Indreto misy fitantarana vitsivitsy avy amin’ny olona sasany izay niala tamin’ny fanaovan-javatra ara-politika sy paramilitaire.

“Rehefa lehibe aho, dia hiditra ho IRA!”

Nihalehibe tao amin’ny fivavahana katolika tao amin’ny Repoblikan’i Irlandy i Michaela. Tany am-pianarana izy dia nampianarina zavatra momba ny tantaran’i Irlandy sy momba ilay fifandonana tamin’i Grande-Bretagne efa hatramin’ny taonjato maro. Tamin’ny fahazazany, dia nitombo tsikelikely tao aminy ny fankahalana lalina ny Anglisy, izay noheveriny ho “mpanao tsindry hazo lena ny vahoaka irlandey”. Niteny toy izao tamin’ny renibeny izy, fony izy folo taona: “Rehefa lehibe aho, dia hiditra ho IRA!” (Ny Tafika Repoblikanina Irlandey). “Nahazo tahamaina izay mbola tsaroako mandraka izao aho”, hoy izy. Fantany tatỳ aoriana fa, hay, tao anatin’ny tafika britanika ny raibeny, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Indray mandeha, dia voatery nijoro teo anoloan’ilay raibeny ilay renibeny mba tsy hitifiran’ireo anisan’ny IRA an’ilay raibeny.

Na izany aza, rehefa lehibebe kokoa i Michael, dia naniry hanao zavatra mba hanampiana ireo Katolika tahaka azy, tany Irlandy Avaratra. “Tamin’izany fotoana izany”, hoy izy, “dia toa ny IRA ihany, tamiko, no manao zavatra hanampiana ny vahoaka katolikan’i Irlandy Avaratra.” Nentanin’izay noheveriny ho hevitra ijoroana ara-drariny izy, ka nanjary anisan’ny IRA, ary dia nahazo fampiofanana momba ny fampiasana fitaovam-piadiana. Maty voatifitry ny paramilitaires protestanta tany Irlandy Avaratra ny telo tamin’ireo namany.

Tatỳ aoriana, dia nanjary nandiso fanantenana an’i Michael ilay ady paramilitaire. Nampikorontan-tsaina azy, ohatra, ilay fifandrafiana mafy sy maharitra teo amin’ireo antoko paramilitaires samy hafa. Fony izy tany am-ponja, noho ny fandikan-dalàna nifandray tamin’ny asan’ny IRA, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hahita ny tena lalana mankamin’ny fiadanana sy ny rariny maharitra. Tsy ela taorian’izay, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika tao an-tranony. Niteraka vato nisakana anefa ny fitsarana an-tendrony efa naharitra ela. Anglisy mantsy ireo Vavolombelona. Sarotra taminy ny nihaino, noho ny fankahalany efa lalim-paka. “Tsy nampiseho foana aho hoe nahafaly ahy ny fahitana azy ireo”, hoy izy, “kanefa nitozo nitsidika ahy sy niresaka tamiko izy ireo, ary nanomboka hitako fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hamarana ny tsy rariny rehetra ara-politika sy ara-tsosialy, izay nanaovako ady mafy ny hamongorana azy.” — Salamo 37:10, 11; 72:12-14.

Tojo toe-javatra sarotra i Michael, indray takariva, rehefa nihaona tamin’ilay lehibeny tao amin’ny IRA, izay nilaza hoe: “Manana asa ampanaovina anao aho.” “Tsapako fa tsy maintsy nanao safidy teo no ho eo aho”, hoy i Michael, “koa nisento mafy aho, ary nilaza hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah aho izao’, na dia mbola tsy vita batisa aza ny tenako tamin’izay fotoana izay. Ny fantatro fotsiny dia hoe te ho mpanompon’i Jehovah aho.” “Tokony hajoro eo amin’ny rindrina ialahy, dia hotifirina”, hoy ny navalin’ilay lehibe. Na dia teo aza izany fandrahonana izany, dia niala tamin’ny IRA i Michael. Nanovo herim-po hanaovana izany izy, tamin’ny namelany ny tenin’i Jehovah hanan-kery tao amin’ny sainy sy ny fony. “Tatỳ aoriana, dia nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah koa ny vadiko sy ny zanako sasany. Manana ny tena fiadanana ato am-ponay izahay ankehitriny. Ary ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah foana izahay noho ny namelany anay hianatra ny fahamarinana sy handray anjara amin’ny fampielezana hafatra mampihavana, ao amin’ny tany iray mikorontana.” — Salamo 34:14; 119:165.

Tena fiarovana ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa

“Nihalehibe tany ambanivohitra, tany amin’ny faritr’i Derry, any Irlandy Avaratra, aho”, hoy i Patrick. “Tamin’ny fahazazako, dia tsy nahalala na inona na inona afa-tsy ilay Korontana aho. Tsy mahagaga raha nisy fiantraikany teo amin’ny fomba fihevitro sy ny fisainako izany.” Nihananana fomba fihevitra mihoa-pampana i Patrick, ary nisy heriny teo amin’izany fiheverany izany ny fanindrahindram-pirenena tia nanao an-kasomparana sy ny fitsarana an-tendrony lalina feno fankahalana ny Britanika. Nisy mpivavaka tao amin’ny ankolafiny roa tamin’ilay ady ara-politika, hitan’i Patrick nandika foto-pitsipika kristianina fototra sy foto-pitsipika momba ny fahamendrehana fototra ananan’olombelona. Vokatr’izany, dia niala tamin’ny fivavahana izy, ka nanjary tsy nino an’Andriamanitra sy tonga Marksista hirihiriny, tatỳ aoriana. — Ampitahao amin’ny Matio 15:7-9; 23:27, 28.

“Ny zavatra tsaroako voalohany indrindra dia ilay fitokonana tsy hihinan-kanina nataon’ireo voafonja repoblikanina tany Avaratra”, hoy i Patrick. “Nanohina ahy lalina izy ireo. Tadidiko ny nananganako saina irlandey ka nanaovako soratsoratra naneho fankahalana Britanika, teny amin’izay rehetra azoko nosoratana. Vao 15 taona monja aho, dia efa anisan’ny mpiambina tamin’ny fandevenana ny iray tamin’ireo nitokona tsy hihinan-kanina izay maty tany am-ponja.” Tahaka ny maro hafa, izay nandray anjara tamin’ilay fisafotofotoana izaitsizy sy ilay fikorontanana tamin’izany fotoana izany, dia nirotsaka tamin’ny rotaka sy ny filaharam-be ho fanehoam-panoherana i Patrick, ho fikatsahana an’izay noheveriny ho rariny sy fitovian-jo teo amin’ny lafiny sosialy. Namboly niandalana fifandraisana akaiky tamin’ny nasiônalista (tia tanindrazana) maro manana fihetsika mihoa-pampana izy. Maro tamin’ireny nasiônalista ireny no naiditry ny manam-pahefana britanika am-ponja.

“Avy eo”, hoy i Patrick, “noho ny antony ara-bola, dia nandany fotoana kelikely tany Angletera aho tamin’ny farany. Fony aho tany, dia nosamborin’ny polisy britanika ny iray tamin’ireo namako, izay teo am-pamitana iraka hanapoahana baomba.” Na dia mbola tena nankasitraka ilay hevitra ijoroan’ny nasiônalista aza i Patrick, dia nanomboka niova ny toe-tsainy. Nanomboka hitany fa tsy marim-pototra, raha ny tena izy, ny fitsarana an-tendrony nananany mahakasika ny Anglisy rehetra. “Nanomboka takatro koa”, hoy izy, “fa tsy tena hamaha ny olana na oviana na oviana ny zavatra ataon’ny paramilitaire, no sady tsy hanaisotra na oviana na oviana ireo tsy rariny nankararirary ny foko. Nisy fandraisana kolikoly be loatra sy tsy fetezan-javatra hafa teo anivon’ireo nitantana ny fikambanana paramilitaire.” — Mpitoriteny 4:1; Jeremia 10:23.

Niverina tany Irlandy Avaratra i Patrick tatỳ aoriana. “Rehefa tafaverina aho, dia nampifankahalala ahy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny namana iray.” Rehefa nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona i Patrick, dia nanomboka hitany ny tena vahaolana amin’ny fifandonana sy tsy fifanarahan’olombelona. Nanao fandrosoana ara-panahy haingana izy, rehefa nanan-kery tao an-tsainy sy tao am-pony ireo foto-pitsipiky ny Baiboly. (Efesiana 4:20-24). “Ankehitriny”, hoy izy, “dia tsy manao tetika handrodanana ny rafitra efa misy aho, fa mitory kosa ilay hafatra momba ny fiadanana avy ao amin’ny Baiboly, eny, mitory izany hatrany amin’ireo faritry ny loyaliste aza, izay tsy ho sahiko nolalovana mihitsy taloha, satria nety haningotra ny aiko. Raha ny marina, tamin’ny fotoana iray izay nisian’ny vonoan’olona be dia be teo amin’ireo mpifahavalo, tao Belfast, dia ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no afaka nivezivezy malalaka teo amin’ireo faritry ny loyaliste sy ny nasiônalista.” Tahaka ireo Vavolombelona hafa tany Irlandy Avaratra, nandritra io fotoana io, dia hitan’i Patrick fa tena fiarovana ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa, sahala amin’ireo Kristianina tany am-boalohany. (Jaona 17:16; 18:36). Hoy ny famaranan-teniny: “Tena mitondra fahafahana tokoa ny mahita fa hampisy ny tena rariny sy ny tena fanafahana amin’ireo fampahoriana mahazo ny olombelona rehetra i Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” — Isaia 32:1, 16-18.

“Ny basiko ihany no afaka miaro ahy”

“Nihalehibe tao amin’ilay ankolafiny hafa amin’ilay fisaraham-bazana ara-politika sy ara-pivavahana aho”, hoy i William. “Vonton’ny fitsarana an-tendron’ny Protestanta aho, ka nankahala mafy izay rehetra mety ho katolika. Nofadiko hatramin’ny fandehanana tany amin’ny fivarotana katolika, raha mbola azoko natao koa, ary indray mandeha ihany no mba nandehanako tany amin’ny Repoblikan’i Irlandy. Niditra tamin’ny fikambanana protestanta maro samihafa, toy ny Ordre d’Orange, aho. Fikambanana iray izay natao hiaro ny fivavahana sy ny fomba fiaina protestanta izy io.” Rehefa 22 taona i William, dia nirotsaka tao amin’ny Ulster Defense Regiment (Rezimanta Miaro An’i Ulster), izay tsy inona fa tapany iray amin’ny tafika britanika. Olona eo an-toerana no antsoina ho miaramila ao amin’io Rezimanta io. Protestanta ny ankamaroan’ireo ao anatin’izy io. Tena vonona ny hamono olona izy mba hiarovana ny lovany. “Nanana basy maromaro aho, ary tsy ho nisalasala hampiasa azy ireo aho raha nisy nilana izany. Nasiako basy iray tao ambany ondako rehefa alina.”

Tonga anefa ny fiovana lehibe iray. “Nanomboka takatro fa nanan-javatra manokana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa niasa teo anilan’ny iray tamin’izy ireo aho, tamin’ny nanavaozana trano tranainy iray. Nisy vokany lalina teo amiko io mpiara-miasa io. Teo am-piaraha-nanorina ilay trano, dia afaka nametraka taminy fanontaniana maro nampiady saina ahy, aho — fanontaniana mahakasika ilay Korontana sy ny fivavahana ary momba an’Andriamanitra. Ny valiny tsotra sy mazava nomeny dia nanampy ahy hahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tena maha izy azy — fitambaran’olona tafaray sy tsy tia herisetra ary tsy momba ny atsy na ny aroa eo amin’ny politika, izay miavaka amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona.” — Jaona 13:34, 35.

Tao anatin’ny efa-bolana nanombohany nianatra ny Baiboly, dia niala tamin’ireo fikambanana ara-pivavahana sy ara-politika rehetra nisy azy i William. “Dingana lehibe izany tamiko”, hoy ny tsaroany, “satria tsy maintsy niala tamin’ireo fomba maro nahazatra ahy efa hatramin’ny ela sy nankamamiko, aho.” Mbola ho avy anefa ny fitsapana azy lehibe indrindra. “Noho ny toe-javatra misy any Irlandy Avaratra, dia nihevitra aho fa ny basiko ihany no afaka miaro ahy. Noheverin’ny paramilitaire-n’ny IRA ho ‘lasibatra ara-dalàna’ aho. Koa tena zava-tsarotra àry ny namela ireny fiadiana ireny.” Nanova tsikelikely ny fomba fiheviny anefa ny torohevitry ny Baiboly, toy ny hita ao amin’ny Isaia 2:2-4. Takany fa, rehefa dinihina tokoa, dia i Jehovah no tena miaro azy, toy izay niarovany an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nafoin’i William àry ny basiny.

“Ny iray amin’ireo zavatra tena mahafaly ahy”, hoy i William, “dia ny hoe: Ankehitriny aho dia manana fifandraisana akaiky sy maharitra amin’ny olona izay ho noheveriko ho tena fahavalo taloha. Afa-tsy izany koa, dia tena loharanom-pifaliana ny fahafahana mitondra ilay hafatra momba ny fanantenana ao amin’ny Baiboly, any amin’izay ‘faritra fady’ ahy taloha. Ny fisaintsainana an’izay nataon’ny fahamarinana ho ahy sy ny ankohonako, dia mahatonga ahy ho velom-pankasitrahana mandrakizay an’i Jehovah sy ny fandaminany.”

“Tsy nisy heviny tsotra izao ny zava-drehetra”

I Robert sy i Teresa dia avy tamin’ny kolontsaina samy hafa tanteraka. “Avy amin’ny fianakaviana protestanta hirihiriny aho”, hoy i Robert. “Nandray anjara tamin’ny zavatra nataon’ny paramilitaire ny sasany tamin’ny havako. Ny tenako manokana dia nirotsaka tao amin’ny Ulster Defense Regiment ao amin’ny tafika britanika, teo amin’ny faha-19 taonako. Ny ankabeazan’izany fotoana izany dia lany tamin’ny fisafoana ny faritra nonenan’i Teresa. Indray alina, dia notendrena ho amin’ny andraikitra hafa aho, fa tsy nasaina nanao ilay fisafoana nahazatra. Tamin’iny alina iny ihany, dia nipoaka ilay Land-Rover saika nandehanako. Miaramila roa no maty, ary nisy roa hafa naratra.”

Nanomboka nanontany tena momba ny hevitry ny fiainana i Robert. “Nino an’Andriamanitra foana aho, saingy rehefa nijery an’i Irlandy Avaratra manontolo aho, dia hitako fa tsy nisy heviny tsotra izao ny zava-drehetra, tamiko. Tena nanomboka nivavaka tamin’Andriamanitra aho. Nanontany an’Andriamanitra aho raha tena nisy izy, ary raha tena nisy izy, dia mba hampiseho ahy ny fomba tsara tokony hampiasako ny fiainako. Tadidiko ny nilazako tamin’Andriamanitra fa tsy maintsy misy fivavahana marina iray any ho any!” Andro vitsivitsy monja taorian’izay, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray nitsidika an’i Robert, ary nametraka zavatra vita an-tsoratra. Rehefa tara fodiana avy nanao fisafoana i Robert iny alina iny, dia nanomboka namaky ilay izy, ka vitany ny famakiana azy tamin’ny dimy ora maraina. “Vetivety dia azoko an-tsaina fa fahamarinana ilay izy”, hoy izy, “ary hitako fa nalaina mivantana avy tao amin’ny Baiboly avokoa ny fanazavana rehetra.” (2 Timoty 3:16). Nanomboka nianatra ny Baiboly izy, ary tsy ela dia nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra.

“Nampitodika anay ho amin’ny Baiboly foana ny Vavolombelona”

I Teresa kosa, tetsy an-danin’izany, dia avy tamin’ny fiaviana katolika, ary nankasitraka lalina ny nasiônalista. “Raha mbola zazavavy kely aho, dia niditra ho Sinn Féin.”b Niaiky toy izao i Teresa: “Izany dia nahatonga ahy ho anisan’ny nanohana ny zavatra nataon’ny paramilitaire. Nanampy tamin’ny fanangonam-bola ho amin’ny ady ara-tafika aho. Nataoko foana izay hahafantaran’ny IRA ny zava-nitranga tao amin’ny faritra nisy ahy. Nandray anjara koa tamin’ny rotaka sy ny fanafihana nitoraham-bato ny polisy sy ny tafika nanao fisafoana, aho.”

Rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany tamin’ny fianakavian’i Teresa, dia taitra koa ny fahalianany hahafanta-javatra. Nisy akony be teo aminy ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. “Nampitodika anay ho amin’ny Baiboly foana ny Vavolombelona mba hahazoana valim-panontaniana”, hoy izy. “Tena nanokatra ny masoko ilay fampanantenana ao amin’ny Daniela 2:44. Takatro fa ny Fanjakan’Andriamanitra no tena fitaovana hanesorana ny tsy rariny rehetra izay niadiako mafy.” Nihanaharikoriko azy ny sasany tamin’ireo habibiana nataon’ireo paramilitaires. Tsy nety azon’i Teresa, ohatra, ny hoe nahoana ny olona manana fangoraham-po sy fahamendrehana no faly tamin’ny vaovao momba ny zavatra iray nataon’ny mpampihorohoro, kanefa nisy miaramila na olon-kafa maty, na nahazo takaitra, tamin’ilay izy, ary nisy fianakaviana novesaran’alahelo sy fahoriam-po mafy noho izany. Nandray tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa izy, ka namela ny foto-pitsipik’Andriamanitra hanitsy ny fisainany. Nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra izy, ary tsy ela dia vita batisa. — Ohabolana 2:1-5, 10-14.

Tafahaona tamin’i Robert i Teresa rehefa samy namonjy fivoriana tany amin’ny iray amin’ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Irlandy Avaratra, izy roa. Hoy ny fanazavan’i Teresa: “Rehefa nihaona voalohany tamin’i Robert aho, dia hitako ho sarotra inoana ny hoe izaho izao no niresaka tamim-pahatoniana sy tamim-pilaminana aoka izany tamin’ny olona iray, izay vao tsy ela akory no mbola ho noraisiko ho anisan’ny fitaovana nampiasain’ny Britanika ho amin’ny ady. Azo antoka fa nanampy ahy hanaisotra ny fankahalana sy ny fitsarana an-tendrony efa lalim-paka, ny Tenin’Andriamanitra.” Hitan’izy sy i Robert fa tsy voazarazaran’ny fankahalana sy ny fitsarana an-tendrony noho ny fahasamihafan’ny fomba mahazatra sy ny kolontsaina izy ireo, fa nanan-javatra maro niombonana kosa izao. Ny mahery indrindra amin’ireny dia ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra. Nivady izy roa. Ankehitriny izy mivady dia miara-miasa eo amin’ny fitondrana ilay hafatr’Andriamanitra momba ny tena fiadanana, any amin’ireo olona avy amin’ny kolontsaina sy ny finoana rehetra, ao amin’io tany mikorontana io.

Nisy hafa nandia zavatra nitovy tamin’izany tany Irlandy. Tamin’ny fihainoana sy ny fanekena ireo fampianaran’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia afa-niala tamin’ny “filosofia sy ny famitahana foana” izy ireo. (Kolosiana 2:8). Izao izy ireo dia mametraka tanteraka ny fitokisany amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly. Faly izy ireo hiresaka amin’izay rehetra vonon-kihaino, ka hilaza amin’izy ireo mahakasika ilay fanantenany momba ny hoavy mahatalanjona iray, izay hahafoana tanteraka ny herisetra eo anivon’ny ankolafin’olona samy hafa, sy ny karazana herisetra hafa. — Isaia 11:6-9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anarana novana.

b Antoko politika mifandray akaiky amin’ny IRA Vonjimaika.

[Sary, pejy 10]

Ankalazaina eny amin’ny rindrina manerana an’i Irlandy Avaratra ny ady ataon’ny “paramilitaire”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara