Enga Anie Isika ka Tsy Hihemotra ho Amin’ny Fandringanana na Oviana na Oviana!
“Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny [ fandringanana, “NW ” ]”. — HEBREO 10:39.
1. Tarehin-javatra nanao ahoana no nitarika ny apostoly Petera hanaiky ho resin’ny tahotra?
TSY maintsy taitra ireo apostoly rehefa nilaza tamin’izy ireo i Jesosy, ilay Mpampianatra malalan’izy ireo, fa hiparitaka avokoa izy rehetra ka handao azy. Ahoana no hetezan’izany, nefa tamin’io ora io indrindra i Jesosy no faran’izay nila fanampiana? Nanantitrantitra toy izao i Petera: “Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.” Lehilahy be herim-po sy feno fahasahiana i Petera, raha ny marina. Rehefa nisy namadika sy nisambotra an’i Jesosy anefa, dia niparitaka ireo apostoly, anisan’izany i Petera. Taorian’izay, rehefa nalaina am-bavany tao an-tranon’i Kaiafa Mpisoronabe i Jesosy, dia nijanonjanona tao an-tokotany i Petera, no sady nitebiteby mafy. Rehefa nadiva hisinda ilay alina namirifiry, dia azo inoana fa nanjary natahotra i Petera sao hovonoina ho faty i Jesosy sy izay olona niaraka taminy. Nihoron-koditra i Petera rehefa fantatry ny mpitazana sasany ho olona niaraka akaiky tamin’i Jesosy. Intelo i Petera no nilaza ny tenany ho tsy nanana fifandraisana tamin’i Jesosy. Nanda ho tsy nahalala azy mihitsy aza izy! — Marka 14:27-31, 66-72.
2. a) Nahoana no tsy nahatonga an’i Petera ho “naman’izay mihemotra” ilay zavatra nataony vokatry ny tahotra, tamin’ilay alina nisamborana an’i Jesosy? b) Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika?
2 Teo amin’ny fiainan’i Petera, dia iny no fotoana iray nampahalemy azy, izay tsy isalasalana fa nanenenany nandritra ny androm-piainany sisa. Nahatonga an’i Petera ho kanosa anefa ve ny zavatra nataony tamin’iny alina iny? Moa ve izany nahatonga azy ho “naman’izay” nolazalazain’ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana, hoe: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny [fandringanana, NW ]”? (Hebreo 10:39). Azo inoana fa hanaiky ny ankamaroantsika hoe tsy mihatra amin’i Petera ireo tenin’i Paoly ireo. Nahoana? Satria nihelina ihany ilay tahotr’i Petera, fahadisoana kely niserana teo amin’ny fiainany ilay izy, rehefa heverina ny herim-po sy ny finoana tsy fahita firy nampiavaka ny fiainany. Toy izany koa ny maro amintsika, satria nisy fotoana teo amin’ny fiainantsika tamin’ny lasa mahamenatra antsika ihany ny mahatsiaro azy — fotoana naharesin-tahotra antsika tamin’ny fomba tsy nampoizintsika, ka tsy nijoroantsika tamim-pahasahiana ho an’ny fahamarinana, tsy araka ny nirintsika. (Ampitahao amin’ny Romana 7:21-23.) Afaka mahazo antoka isika fa tsy mahatonga antsika ho naman’izay mihemotra ho amin’ny fandringanana ny fahadisoana kely mihelina toy izany. Na izany aza anefa, dia mila ny ho tapa-kevitra ny tsy ho tonga karazan’olona toy izany na oviana na oviana isika. Nahoana? Ary ahoana no ahafahantsika misoroka ny fahatongavana ho olona toy izany?
Izay hevitry ny hoe mihemotra ho amin’ny fandringanana
3. Tamin’ny ahoana no nanaiky ho resin’ny tahotra i Elia sy i Jona mpaminany?
3 Rehefa nanoratra momba an’ireo “naman’izay mihemotra” i Paoly, dia tsy ireo izay nety ho sendra namoy vetivety ny herim-pony akory no tiany holazaina. Azo antoka fa fantatr’i Paoly ilay zavatra nahazo an’i Petera sy ny zavatra toy izany nitranga tamin’ny hafa. I Elia, izay mpaminany feno fahasahiana sy tsy niolakolaka, dia nanaiky ho resin’ny tahotra, indray mandeha, ka nandositra hamonjy ny ainy, satria nandrahona ny hamono azy i Jezebela ratsy fanahy, vadin’ny Mpanjaka. (1 Mpanjaka 19:1-4). Mbola mafy kokoa noho izany ny tahotra nahazo an’i Jona mpaminany. Notendren’i Jehovah handeha tany Ninive, izay tanàna nalaza ratsy ho feno herisetra sy faharatsiana, izy. Nandray sambo avy hatrany ho any Tarsisy i Jona, izany hoe ho any amin’ny 3 500 kilaometatra mifanipaka amin’ilay nasaina nalehany! (Jona 1:1-3). Na izany aza anefa, dia tsy misy amin’ireo mpaminany nahatoky ireo, na ny apostoly Petera, azo lazaina ara-drariny ho naman’izay mihemotra. Fa nahoana?
4, 5. a) Amin’ny ahoana ny teny manodidina no manampy antsika hamantatra izay tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “fandringanana”, ao amin’ny Hebreo 10:39? b) Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe: “Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny [fandringanana, NW ]”?
4 Mariho ilay fehezanteny manontolo nampiasain’i Paoly, manao hoe: “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny [fandringanana, “NW” ]”. Inona no tiany holazaina tamin’ny hoe “fandringanana”? Indraindray, dia manondro fandringanana mandrakizay ilay teny grika nampiasainy. Mifanaraka amin’ny teny manodidina io famaritana io, satria vao avy nanome izao fampitandremana izao i Paoly: “Raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.” — Hebreo 10:26, 27.
5 Koa rehefa nilaza tamin’ireo mpiray finoana taminy àry i Paoly hoe “isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny [fandringanana, NW ]”, ny tiany holazaina dia hoe tapa-kevitra izy sy ireo Kristianina nahatoky namaky ny taratasiny, fa tsy hiala amin’i Jehovah sy tsy hitsahatra ny hanompo azy na oviana na oviana. Tsy hitarika afa-tsy ho amin’ny fandringanana mandrakizay tokoa mantsy ny fialana amin’i Jehovah sy ny fitsaharana amin’ny fanompoana azy. I Jodasy Iskariota no olona iray nihemotra ho amin’ny fandringanana toy izany, sahala amin’ireo fahavalon’ny fahamarinana hafa izay ninia nanao zavatra nifanohitra tamin’ny fanahin’i Jehovah. (Jaona 17:12; 2 Tesaloniana 2:3). Anisan’ireo “kanosa” izay hiharan’ny fandringanana mandrakizay ao amin’ny farihy afo ara-panoharana, ny olona toy izany. (Apokalipsa 21:8, Fandikan-teny Katolika). Tsia, tsy maniry na oviana na oviana ho naman’izany isika!
6. Irin’i Satana Devoly hanaraka lalana manao ahoana isika?
6 Maniry ny hihemorantsika ho amin’ny fandringanana i Satana Devoly. Za-draharaha eo amin’ny “fanaovan-javatra feno hafetsen-dratsy” izy, ka fantany hoe matetika no manomboka amin-javatra madinika ny fanarahana lalana manimba toy izany. (Efesiana 6:11, NW, fanamarihana ambany pejy). Raha tsy ahatratrarany ny zava-kendreny ny fanenjehana mivantana, dia mitady hanimba tsikelikely ny finoan’ny Kristianina marina amin’ny fomba an-kolaka kokoa izy. Tiany ho hita ny hoe Vavolombelon’i Jehovah feno fahasahiana sy be zotom-po nanjary nikombom-bava. Andeha hojerentsika izay paikady nampiasainy mba hamelezana ireo Kristianina hebreo, izay nanoratan’i Paoly ny taratasiny.
Ny fomba nanerena ny Kristianina hihemotra
7. a) Nanao ahoana ny tantara nodiavin’ilay kôngregasiôna tao Jerosalema? b) Tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana ny sasany tamin’ireo mpamaky ny taratasin’i Paoly, raha ny amin’ny lafiny ara-panahy?
7 Asehon’ny porofo fa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Hebreo, tokony ho tamin’ny 61 am.f.i., i Paoly. Nisafotofoto ny tantara nodiavin’ilay kôngregasiôna tao Jerosalema. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nirongatra ny fanenjehana feno halozana, ka Kristianina maro tao an-tanàna no voatery niparitaka. Nisy fotoam-pilaminana anefa taorian’izay, ka namela ny Kristianina hitombo isa izany. (Asan’ny Apostoly 8:4; 9:31). Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nisy fanenjehana sy zava-tsarotra hafa tonga nitsitapitapy. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia toa efa niaina indray tao anatin’ny fotoana iray somary nilamina ilay kôngregasiôna. Na izany aza anefa, dia nisy fanerena. Efa ho 30 taona no lasa hatramin’ny nilazan’i Jesosy mialoha ny amin’ny handravana an’i Jerosalema. Azo inoana fa nisy sasany izay nihevitra fa diso aoriana loatra ny farany, ary mety tsy ho tonga amin’ny andro hahaveloman’izy ireo. Ny hafa kosa, indrindra fa ireo vaovao kokoa tao amin’ny finoana, dia mbola tsy voasedran’ny fanenjehana mafy, ary tsy nahalala firy ny amin’ny ilana hananana fiaretana, ao anatin’ny fisedrana. (Hebreo 12:4). Azo antoka fa niezaka nanararaotra ny tarehin-javatra toy izany i Satana. “Fanaovan-javatra feno hafetsen-dratsy” inona no nampiasainy?
8. Toe-tsaina nanao ahoana no nananan’ny Jiosy maro teo anoloan’ilay kôngregasiôna kristianina izay sady vaovao no tsy za-draharaha?
8 Nohamavoin’ireo Jiosy tao Jerosalema sy Jodia ilay kôngregasiôna kristianina izay sady vaovao no tsy za-draharaha. Rehefa tarafina avy amin’izay raketin’ilay taratasin’i Paoly, dia azontsika an-tsaina ihany ireo fanarabiana nahazo ny Kristianina, avy tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy nizahozaho, mbamin’ireo mpanara-dia azy. Mety ho sahalahala amin’izao no nolazain’izy ireo: ‘Manana ilay tempoly lehibe eto Jerosalema izahay, ary efa teo hatramin’ny taonjato maro io! Manana mpisoronabe heni-kaja miasa ao izahay, ary eo koa ireo mpisorona lefiny. Misy fanatitra atao isan’andro. Manana ny Lalàna izahay — Lalàna nampitain’anjely tamin’i Mosesy, no sady nanaovana famantarana lehibe teo an-tendrombohitra Sinay ny nanorenana azy. Io sekta vao niforona io, ireo Kristianina ireo, izay nivadi-pinoana avy tato amin’ny Jodaisma, dia tsy manana an’ireo zavatra ireo na iray aza!’ Nandaitra ve izany fanazimbana izany? Miharihary fa nikorontan-tsaina tamin’izany fanafihana izany ny Kristianina hebreo sasany. Nitondra fanampiana ho azy ireo tamin’ny fotoana tena nilana azy indrindra, ilay taratasin’i Paoly.
Ny antony tsy tokony hihemoran’izy ireo na oviana na oviana ho amin’ny fandringanana
9. a) Loha hevitra inona no manenika ny taratasy ho an’ny Hebreo? b) Tamin’ny heviny ahoana ny Kristianina no nanompo tao amin’ny tempoly iray tsara kokoa noho ilay tao Jerosalema?
9 Nomen’i Paoly antony roa tsy tokony hihemorana ho amin’ny fandringanana ireo rahalahiny sy anabaviny tao Jodia, koa andeha hodinihintsika ny amin’izany antony izany. Manenika ilay taratasy ho an’ny Hebreo ilay antony voalohany, dia ny hoe ambony kokoa ny rafi-panompoam-pivavahan’ny Kristianina. Namelabelatra an’io loha hevitra io i Paoly, ao amin’ilay taratasiny manontolo. Tandindona fotsiny ihany ilay tempoly tao Jerosalema, fa ny tena izy izay lehibe lavitra, dia ny tempoly ara-panahin’i Jehovah, trano “tsy nataon-tànana”. (Hebreo 9:11). Nanana tombontsoa nanompo tao amin’izany fandaharana ara-panahy ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio izany ireo Kristianina ireo. Nanompo teo ambanin’ny fanekena iray tsara kokoa izy ireo, izany hoe ilay fanekena vaovao nampanantenaina hatramin’ny ela, izay manana Mpanalalana ambony noho i Mosesy, dia i Jesosy Kristy. — Jeremia 31:31-34.
10, 11. a) Nahoana no tsy nahatonga an’i Jesosy tsy hahafeno fepetra ho Mpisoronabe tao amin’ilay tempoly ara-panahy ny taranaka nipoirany? b) Amin’ny lafiny inona avy i Jesosy no Mpisoronabe ambony kokoa noho ilay nanompo tao amin’ny tempoly tao Jerosalema?
10 Ireo Kristianina ireo koa dia nanana Mpisoronabe tsara lavitra, dia i Jesosy Kristy. Tsia, tsy taranak’i Arona izy, fa Mpisoronabe “araka ny fanaon’i Melkizedeka” kosa. (Salamo 110:4). I Melkizedeka, izay tsy voarakitra an-tsoratra ny taranaka nipoirany, dia sady mpanjakan’i Salema fahiny no mpisoronabe tao. Araka izany, dia tandindona ara-paminaniana mety tsara mba hampisehoana an’i Jesosy izy, satria ny maha mpisorona an’i Jesosy, dia tsy niankina tamin’izay nety ho firazanan’olombelona tsy lavorary, fa niankina kosa tamin-javatra lehibe lavitra, dia ny fianianana nataon’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra. Tahaka an’i Melkizedeka, i Jesosy dia tsy vitan’ny hoe Mpisoronabe fotsiny, fa Mpanjaka koa, izay tsy ho faty mandrakizay. — Hebreo 7:11-21.
11 Ankoatra izany, dia tsy voatery hanao fanatitra isan-taona tahaka ny mpisoronabe tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, i Jesosy. Ny sorona nataony dia ny ainy lavorary, izay natolony indray mandeha monja. (Hebreo 7:27). Ireo fanatitra rehetra natolotra tao amin’ny tempoly dia aloka fotsiny ihany, sary nampiseho izay natolotr’i Jesosy. Nanjary azo natao ny tena namela marina ny fahotan’ireo rehetra naneho finoana, noho ny sorona lavorary nataon’i Jesosy. Mampahery koa ireo tenin’i Paoly izay mampiseho fa tsy miova io Mpisoronabe io fa ilay Jesosy efa fantatr’ireo Kristianina tao Jerosalema ihany. Nanetry tena sy tsara fanahy izy, ary “mahay miara-mitondra ny fahalementsika”. (Hebreo 4:15; 13:8). Nanana fanantenana ny ho tonga mpisorona lefitr’i Kristy ireo Kristianina voahosotra ireo! Ahoana no hieritreretan’izy ireo kely akory ny hoe hihemotra ho amin-javatra “malemy sady tsy misy na inona na inona” tao amin’ny Jodaisma efa simba? — Galatiana 4:9.
12, 13. a) Inona no antony faharoa nomen’i Paoly ny amin’ny tsy tokony hihemorana na oviana na oviana? b) Nahoana no tokony hampirisika an’ireo Kristianina hebreo tsy hihemotra ho amin’ny fandringanana na oviana na oviana ny fiaretana nasehon’izy ireo tamin’ny lasa?
12 Toy ny hoe mbola tsy ampy ny porofo naroson’i Paoly fa mbola nomeny antony faharoa tsy tokony hihemorana na oviana na oviana ho amin’ny fandringanana ireo Hebreo. Tsy inona akory izany fa ny fiaretana efa nasehon’izy ireo. Hoy no nosoratany: “Tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo”. Nampahatsiahy azy ireo i Paoly fa “natao ho fizaha” izy ireo, ka nalam-baraka sy nampahorina. Natao am-ponja ny sasany; ny hafa niombona alahelo sy nanohana ireo tany am-ponja. Eny, nampiseho finoana sy faharetana fakan-tahaka izy ireo. (Hebreo 10:32-34). Nahoana anefa no nasain’i Paoly ‘hahatsiaro’ izany fahoriana nodiavina izany izy ireo? Tsy hahakivy ve izany?
13 Mifanohitra amin’izany fa ny ‘fahatsiarovana ny andro fahiny’ dia hampahatsiahy an’ireo Hebreo ny fomba nanohanan’i Jehovah azy tao anatin’ny fisedrana. Noho ny fanampiany, dia efa nahatohitra ny maro tamin’ireo fanafihan’i Satana izy ireo. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. (Hebreo 6:10). Eny, tadidin’i Jehovah avokoa ny asa mampiseho fahatokiana nataon’izy ireo, ka nangoniny tao amin’ny fitadidiany tsy manam-petra. Mampahatsiahy antsika an’ilay fampirisihan’i Jesosy ny amin’ny tokony hanangonana harena any an-danitra izany. Tsy misy mpangalatra afaka mangalatra ireny harena ireny; tsy misy kalalao na harafesina afaka mandany azy ireny. (Matio 6:19-21). Raha ny marina, dia tsy mety ho simba ireny harena ireny raha tsy hoe mihemotra ho amin’ny fandringanana angaha ny Kristianina iray. Izany dia handanilany foana izay harena rehetra efa voangony tany an-danitra. Izany ka antony mafonja nomen’i Paoly an’ireo Kristianina hebreo ny amin’ny tsy tokony hanarahan’izy ireo na oviana na oviana izany lalana izany! Nahoana no ho very maina fotsiny ireo taona rehetra nanompoan’izy ireo tamim-pahatokiana? Tena nety sy tsara lavitra ny hiaretana hatrany.
Ny antony tsy tokony hihemorantsika na oviana na oviana ho amin’ny fandringanana
14. Inona avy no zava-tsarotra atrehintsika, izay mitovy amin’ny natrehin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
14 Manana antony tsy tokony hihemorana koa ny Kristianina marina amin’izao andro izao, ary izany dia antony mafonja mitovy amin’ny an’ireo Hebreo. Voalohany, dia aoka hotadidintsika izay fitahiana ananantsika ao amin’ilay endri-panompoam-pivavahana madio nomen’i Jehovah antsika. Miaina amin’ny fotoana iray mitovy amin’ny an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika, satria manao antsika ho fihomehezana sy manaraby antsika koa ireo mpikambana ao amin’ireo fivavahana tiam-bahoaka kokoa, ka mirehareha erỳ amin’ireo tranony ara-pivavahana mijoalajoala sy amin’ireo fombany efa nisy hatramin’ny fahagolan-tany. Manome toky antsika anefa i Jehovah fa ankasitrahany ny endri-panompoam-pivavahantsika. Raha ny marina, dia mandray fitahiana izay tsy mba azon’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika amin’izao andro izao. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana no hetezan’izany?’ Rehefa dinihina tokoa, dia vao nanomboka niasa ilay tempoly ara-panahy tamin’ny fotoana niainan’izy ireo. Tonga Mpisoronaben’izy io i Kristy tamin’ny batisany tamin’ny 29 am.f.i. Nahita ilay Zanak’Andriamanitra, izay nanao fahagagana, ny sasany tamin’izy ireo. Mbola nisy fahagagana hafa koa na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza. Araka ny nambara mialoha anefa, dia nitsahatra ireny fanomezana ireny tamin’ny farany. — 1 Korintiana 13:8.
15. Miaina mandritra ny fahatanterahan’ny faminaniana inona ny Kristianina marina amin’izao andro izao, ary midika ho inona ho antsika izany?
15 Isika anefa dia miaina mandritra ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ilay tempoly goavana ao amin’ny Ezekiela toko faha-40-48, izay tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe.a Hitantsika, ohatra, ny namerenana amin’ny laoniny ilay fandaharana nataon’Andriamanitra ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Voadio tsy misy loto ara-pivavahana sy fanompoan-tsampy amin’ny endriny rehetra, io tempoly ara-panahy io. (Ezekiela 43:9; Malakia 3:1-5). Eritrereto ireo soa nentin’io fanadiovana io ho antsika.
16. Inona no fironana nahakivy natrehin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
16 Nandritra ny taonjato voalohany, dia nanjombona ny hoavin’ilay kôngregasiôna kristianina voalamina. Efa nilaza mialoha i Jesosy fa ho toy ny tany iray vao novolena vary izy io, nefa mbola nofafazana tsimparifary koa, ka saika tsy azo navahana tamin’ny tsimparifary ny vary. (Matio 13:24-30). Ary dia izany tokoa no nitranga. Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, dia efa niroborobo ny fivadiham-pinoana raha mbola niasa ho toy ny sakana farany tsy hisian’ny fanimbana, ny apostoly Jaona efa be taona. (2 Tesaloniana 2:6; 1 Jaona 2:18). Tsy ela taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia nipoitra ny mpitondra fivavahana tamin’ny fitambarany izay nanavaka ny tenany, ary nampahory ny andian’ondry sy nanao fitafiana mampiavaka azy manokana. Niely toy ny areti-mifindra ny fivadiham-pinoana. Nanakivy an’ireo Kristianina nahatoky tokoa izany! Hitan’izy ireo fa ilay fandaharana vao naorina ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio, dia nanjary tototry ny endri-panompoam-pivavahana iray simba. Izany dia nitranga, latsaka ny taonjato iray taorian’ny nanorenan’i Kristy ny kôngregasiôna.
17. Amin’ny heviny ahoana ny kôngregasiôna kristianina amin’ny andro ankehitriny no naharitra kokoa noho ilay tamin’ny taonjato voalohany?
17 Izao dia diniho ny mifanohitra amin’izany. Ankehitriny ny fanompoam-pivavahana madio dia efa naharitra ela kokoa raha oharina amin’ilay fe-potoana nifarana tamin’ny fotoana nahafatesan’ireo apostoly. Nanomboka tamin’ny fotoana namoahana ny nomerao voalohany tamin’ity gazety ity, tamin’ny 1879, dia nitahy antsika i Jehovah, tamin’ny nanomezany antsika fanompoam-pivavahana mihamadio hatrany. Niditra tao amin’ny tempoly ara-panahy i Jehovah sy i Kristy Jesosy, tamin’ny 1918, mba hanadio azy io. (Malakia 3:1-5). Nanomboka tamin’ny 1919, dia nodiovina niandalana ilay fandaharana natao mba hanolorana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra. Nihanazava ny fahatakarantsika ny faminaniana sy ny foto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 4:18). An’iza ny voninahitra avy amin’izany? Tsy an’olombelona tsy lavorary, satria i Jehovah irery ihany, sy ny Zanany, ilay Lohan’ny kôngregasiôna, no afaka miaro ny vahoakany tsy ho simba mandritra izao andro anjakan’ny faharatsiana izao. Aoka àry tsy hohadinointsika na oviana na oviana ny hisaotra an’i Jehovah noho ny namelany antsika handray anjara amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’izao andro izao. Ary aoka isika ho tapa-kevitra mafy ny tsy hihemotra ho amin’ny fandringanana na oviana na oviana!
18. Inona no antony tsy tokony hihemorantsika ho amin’ny fandringanana na oviana na oviana?
18 Tahaka ireo Kristianina hebreo, dia manana antony faharoa handavana ny hakanosana sy ny fihemorana isika, dia ny fiaretana efa nasehontsika. Na nanomboka nanompo an’i Jehovah tato anatin’ireo taona faramparany isika, na efa nanompo azy tamim-pahatokiana hatramin’ny am-polony taona maro, dia efa nahatontosa asa kristianina ny tenantsika. Maro amintsika no niaritra fanenjehana, na fampidirana am-ponja izany, na fandrarana, na fitondrana tamin-kalozana, na famoizana fananana. Misy maro hafa koa niatrika ny fanoheran’ny fianakaviana, fanazimbana, fanarabiana, sy tsy firaikana. Niaritra isika rehetra, ka nanohy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana na dia teo aza ireo zava-tsarotra sy fitsapana eo amin’ny fiainana. Tamin’ny fanaovana izany, dia efa nampiseho faharetana izay tsy hohadinoin’i Jehovah, isika, no sady nanangona harem-be any an-danitra. Azo antoka àry fa tsy izao no fotoana hihemorana ho amin’ity fandehan-javatra tranainy sy ratsy efa nilaozantsika ity! Nahoana no avela tsy hisy vidiny ny asa mafy efa nataontsika? Marina indrindra izany amin’izao andro izao, satria efa ‘kely’ sisa ny fotoana tavela, alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Hebreo 10:37.
19. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratsika manaraka?
19 Eny, aoka isika ho tapa-kevitra ny ‘tsy ho naman’izay mihemotra ho amin’ny fandringanana’! Aoka kosa isika ho “naman’izay mino”. (Hebreo 10:39, NW ). Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa mifanitsy tsara amin’ny tenantsika io filazalazana io, ary ahoana no ahafahantsika manampy ny Kristianina hafa hanao toy izany koa? Handinika an’io raharaha io ny lahatsoratsika manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
Tadidinao Ve?
◻ Inona no hevitry ny hoe mihemotra ho amin’ny fandringanana?
◻ Fanerena inona avy no nozakain’ireo Kristianina hebreo nanoratan’i Paoly ny taratasiny?
◻ Inona avy ireo antony nomen’i Paoly an’ireo Hebreo, ny amin’ny tsy tokony hihemoran’izy ireo ho amin’ny fandringanana?
◻ Inona avy ireo antony tokony hahatapa-kevitra antsika tsy hihemotra ho amin’ny fandringanana na oviana na oviana?
[Sary, pejy 15]
Tsy nahatonga an’i Petera ho “naman’izay mihemotra ho amin’ny fandringanana” ilay tahotra nihelina nahazo azy