Ny Krismasy — Nahoana no Ankalazaina na dia any Atsinanana Aza?
MAMPAHATSIAHY an’i Dadabe Noely amin’ny Krismasy, ny zavatra iray ninoan’ny Tatsinanana fahiny. Izany dia ny finoan’ny Koreanina an’ilay antsoina hoe Chowangshin, ary misy zavatra mitovy amin’izany hita any amin’ny Sinoa sy ny Japoney sasany.
I Chowangshin dia noheverina ho andriamanitra iray niandraikitra ny lakozia, andriamanitry ny afo, izay nisy ifandraisana tamin’ny fivavahan’ny Koreanina fahiny tamin’ny afo. (Tamin’ny andro fahiny, ny Koreanina dia nitondra tamim-pitandremana saribao nirehitra, ka nitandrina mba tsy hahafatesan’izy ireo mihitsy.) Io andriamanitra io dia ninoana fa nanara-maso ny fitondran-tenan’ireo mpianakavy, nandritra ny taona, ary taorian’izay dia niakatra ho any an-danitra, tao anatin’ny fatana sy ny lalan-tsetroka tao an-dakozia.
I Chowangshin, hono, dia nanao tatitra tamin’ny mpanjakan’ny lanitra, tamin’ny faha-23 Desambra, volana araka ny fihodinan’ny volana. Nantenaina ny hiverina tamin’ny faran’ilay taona, teo amin’ny lalan-tsetroka sy ny fatana ihany izy, ka hitondra valisoa sy sazy, arakaraka ny fitondran-tenan’ny tsirairay. Tamin’ny andro fiverenany, dia tsy maintsy nandrehitra labozia tao an-dakozia sy tany an-toeran-kafa tao an-trano ireo mpianakavy. Ny sarin’izany andriamanitry ny lakozia izany dia misy zavatra iray hafa itoviana amin’i Dadabe Noely — tamin’ny loko mena no nampisehoana azy! Fanaon’ny vinantovavy ny nanamboatra ba kiraro koreanina nentim-paharazana, sy ny nanome azy ireo ho an’ny rafozambaviny, tamin’ny sôlstisin’ny ririnina. Izany dia natao ho fampisehoana ny firariany fa ho ela velona ilay rafozambaviny, satria mihalava ny andro aorian’io daty io.
Tsy mahita fitoviana sasany eo amin’ireo hevitra voalaza etsy ambony sy ny Krismasy ve ianao? Mitovy ny tantarany sy ny fombafombany: ny lalan-tsetroka, ny labozia, ny fanolorana fanomezana, ny ba kiraro, ny lahiantitra iray manao akanjo mena, ary ny daty. Na dia izany aza, ny fitoviana toy izany fotsiny dia tsy manazava ny fanekena mora foana ny Krismasy any Korea. Ilay finoana an’i Chowangshin dia saika efa nanjavona, tamin’ny fotoana nidiran’ny Krismasy voalohany tany Korea. Raha ny marina, dia tsy mahalala ny fisian’io finoana io akory ny ankamaroan’ny Koreanina amin’izao andro izao.
Na izany aza, izy io dia mampiseho ny lalana samy hafa narahin’ny fombafomba nifandray tamin’ny sôlstisin’ny ririnina sy ny faran’ny taona, mba hielezana maneran-tany. Tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i., ny fiangonana nanan-kery indrindra teo amin’ny Empira Romanina dia nanova ny anaran’ny Satiornaly, ilay fetin’ny mpanompo sampy romanina nankalazana ny nahaterahan’ny andriamanitra masoandro, ka nampiditra azy io ho anisan’ny Krismasy. Ny fankalazana ny Krismasy dia toy ny famelomana indray ireo fombafomba teo an-toerana, izay nomena anarana hafa fotsiny. Ahoana no netezan’izany?
Ny anjara asan’ny fanolorana fanomezana
Ny fanolorana fanomezana dia fombafomba iray, izay tsy lefy na oviana na oviana. Nandritra ny ela be, ny Koreanina dia nahita fifaliana be tamin’ny fanolorana sy fandraisana fanomezana. Antony iray nahatonga ny fankalazana ny Krismasy ho be mpitia izany.
Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, ho an’ireo miaramila amerikanina nitoby tao Korea, izay naniry hanamafy ny fifandraisany tamin’ny olona, dia ny fiangonana no toerana nihaonana sy nizarana fanomezana sy fanampiana. Tamin’ny andro Krismasy indrindra izany no nitranga. Ankizy maro no nankany am-piangonana, noho ny fitiavana ta hahafanta-javatra fotsiny, ary tany izy ireo no notolorana voalohany fanomezana sôkôlà. Araka ny takatrao mora foana, dia maro tamin’izy ireo tamin’izay no niandry mafy ny Krismasy nanaraka.
Ho an’ireny ankizy ireny, i Dadabe Noely dia miaramila amerikanina iray, nanao satroka ba mena. Milaza toy izao ny Ohabolana 19:6: “Ny olona rehetra samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra.” Eny, tena nandaitra ny fanolorana fanomezana. Araka ny azonao tsoahina avy amin’io andinin-teny io anefa, dia tsy miantoka fisakaizana maharitra ny fanomezana toy izany. Na dia any Korea aza, dia maro ireo izay tsy mampifandray ny fiangonana afa-tsy amin’ny tsiron-tsôkôlà, tamin’ny fahazazany fotsiny. Na izany aza, dia tsy nohadinoina ny Krismasy. Nitombo niaraka tamin’ny fandroson’ny toe-karena haingana tany Korea ny fitiavan-tombony ara-bola, ary fomba tsotra iray nampirisihana ny fandaniana nataon’ny mpanjifa, ny fanolorana fanomezana tamin’ny Krismasy. Nanararaotra ny Krismasy mba hampitomboana ny fahazoan-tombony ireo mpivarotra.
Izany dia mahatonga anao hahatakatra ny momba ny Krismasy any Atsinanana, amin’izao andro izao. Ho fikendrena an’ilay fanamparan’ny olona ny faniriany hividy zavatra amin’ny Krismasy, dia maro ny zavatra vaovao vokarina. Manomboka amin’ny aty fahavaratra ny fiomanana ho amin’ny dokam-barotra. Mahatratra fara tampony ny vola miditra amin’ny faran’ny taona, noho ny fividianan’ny olona fanomezana sy cartes fiarahabana ary mozika, amin’ny Krismasy. Hitondra alahelo mafy ho an’ny tanora tsotra ny dokam-barotra, raha mijanona ao an-trano izy, ka tsy mahazo fanomezana amin’ny Krismasy Alina!
Rehefa manatona ny Krismasy, dia feno olona izay tonga any mba hividy fanomezana, ny fivarotana sy ny tsena any Séoul, ary toy izany koa no mitranga any amin’ny tanàn-dehibe hafa any Atsinanana. Misy fitohanan’ny fifamoivoizana. Feno clients ny hotely, ny faritra fivarotana, ny hotely fisakafoana, ary ny boîtes de nuit. Re ny feon’ny korana anaranam-po, ny hira mafy. Amin’ny Krismasy Alina, dia misy lehilahy sy vehivavy mamo hita mandehandeha eny amin’ny arabe feno fako.
Koa toy izany àry ny Krismasy. Tsy fetin’ireo mitonona ho Kristianina intsony ny Krismasy any Atsinanana. Mazava fa any Korea, toy ny any an-toeran-kafa, dia ny fitiavan-tombony ara-bola no voalohany indrindra nandray soa, amin’io fetin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina io. Ny fitiavan-tombony ara-bola irery ihany àry ve no tokony homen-tsiny ny amin’ny nahatonga ny Krismasy ho tsy mifanaraka amin’ny toe-tsain’i Kristy? Mila mandinika lalina ilay raharaha lehibe voakasika ny Kristianina marina.
Ny niandohan’ny Krismasy
Ny bibidia iray izay nafindra tao amin’ny tranony makarakara vy iray, ao amin’ny toeram-pijerem-biby, dia mbola biby ihany. Ary ho fahadisoana lehibe ny hinoana fa efa folaka izy io, satria fotsiny hoe efa tao anaty tranony makarakara vy nandritra ny fotoana fohy, sy toa mankafy ny fiarahana amin’ireo zanany. Mety ho efa nandre tatitra momba ny mpiasan’ny toeram-pijerena biby notafihin’ny biby ianao.
Amin’ny lafiny sasany, dia afaka milaza toy izany momba ny fankalazana ny Krismasy koa isika. Tamin’ny voalohany izy io dia “biby” tany ivelan’ny Kristianisma. Eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Fifandraisana Amin’ilay Satiornaly Romana”, dia milaza toy izao momba ny Krismasy ny The Christian Encyclopedia (amin’ny fiteny koreanina):a
“Ny Satiornaly sy ny Brumalia, fetin’ny mpanompo sampy, dia niorim-paka lalina loatra tao amin’ny fombafomba tiam-bahoaka, hany ka tsy voaesotry ny Kristianisma. Ny faneken’ny emperora Constantin ny alahady (ilay andron’i Phoebus sy i Mithras ary koa ny Andron’ny Tompo) (...) dia mety ho nitarika ny Kristianina tamin’ny taonjato fahefatra hihevitra ny maha mety ny fanaovana ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra hifanitsy tamin’ny nahaterahan’ny masoandro ara-bakiteny. Ilay fetin’ny mpanompo sampy nahitana korana nanaranam-po sy fotoam-pifaliana, dia be mpitia aoka izany, hany ka faly ireo Kristianina nanana fialan-tsiny hanohizana hankalaza azy, ka tsy nanova firy ny toe-tsaina na ny fomba fankalazana.”
Mihevitra ve ianao fa mety hitranga tsy hisy mpanohitra ny fisehoan-javatra toy izany? Milaza toy izao ihany io encyclopédie io: “Ireo mpitory teny kristianina any Andrefana sy any Proche-Orient, dia nanohitra ny toe-tsaina poaka aty sy tsy mendrika nampiavaka ny fankalazana ny nahaterahan’i Kristy, fa ireo Kristianina any Mezôpôtamia kosa dia niampanga ireo rahalahiny Tandrefana mivavaka amin’ny sampy sy ny masoandro, noho ny fandraisany an’io andro fetin’ny mpanompo sampy io ho anisan’ny fanao kristianina.” Eny tokoa, nisy zavatra tsy nifanaraka tamin’ny fahamarinana hatrany am-piandohana. “Kanefa, vetivety dia tiam-bahoaka ilay fety, ary nanjary niorina mafy aoka izany tamin’ny farany, hany ka na dia ny revôlisiôna protestanta tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo aza, dia tsy afaka nanongotra azy io”, hoy ilay encyclopédie.
Eny, ny fankalazana an’ilay andriamanitra masoandro, izay tsy anisan’ny Kristianisma marina, dia noraisin’ny fiangonana nanan-kery indrindra. Nandray anarana hafa izy io — kanefa, tavela ny endriny nisy fanompoan-tsampy. Ary nanampy tamin’ny fampidirana ny fanompoan-tsampy ho ao amin’ny fiangonana kristianina anarana izy io, ka nandoto ny fahasalamana ara-panahin’ny olona. Manamarina ny tantara fa rehefa niroborobo ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, dia nosoloana fikororosiana ara-pitondran-tena sy ady tamin-kerisetra, ilay fihetsika tany am-boalohany hoe “tiava ny fahavalonao”.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nazava fa na dia teo aza ny anarany hosoka, dia nanome taratry ny fiandohany avy tamin’ny mpanompo sampy, izay ahitana ny korana anaranam-po, ny fisotroana tafahoatra, ny fotoam-pifaliana, ny fandihizana, ny fanolorana fanomezana, ary ny fampihaingoana trano amin’ny maitsoririnina, ny Krismasy. Mba hanatratrarana ny tanjona faran’ny fitiavan-tombony ara-bola — varotra bebe kokoa — dia nohararaotina tamin’ny fomba rehetra azo natao ny Krismasy. Midera azy io ny fampitam-baovao; mahazo fialam-boly fotsiny ny vahoaka. Tany afovoan-tanànan’i Séoul, ny fivarotana iray izay manana fahaizana manokana amin’ny fanaovana akanjo anatiny, dia nanao filazam-baovao tamin’ny televiziona, tamin’ny fampisehoana teo amin’ny magazainy hazo Noely iray voaravaka akanjo anatiny fotsiny. Niharihary ny rivo-piainana mampiavaka ny Krismasy, nefa tsy toy izany ny famantarana ny amin’ny fandraisana an’i Kristy.
Fahaiza-mahataka-javatra araka ny Soratra Masina ny amin’ny Krismasy
Inona no ianarantsika avy amin’ny fiaviana sy ny fizotran-javatra ara-tantara toy izany? Raha tsy nifanitsy hatrany am-piandohana ny fanidiana ny lobaka na ny akanjo ambony iray, dia ny famerenana manidy azy indray no hany fomba hanitsiana ilay tarehin-javatra. Tsy marina ve izany? Na dia eo aza izany fahamarinana izany, dia milaza ny sasany fa, na dia teo aza ny fiandohany avy tamin’ny fanompoan-tsampy atao amin’ny masoandro, dia neken’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ny Krismasy. Koa mihevitra izy ireo fa efa nekena ho ny nahaterahan’i Kristy ilay fety, ary misy heviny vaovao izy io.
Afaka mianatra lesona sarobidy iray avy amin’ny fisehoan-javatra ara-tantara, izay nitranga tany Joda fahiny isika. Tamin’ny 612 al.f.i., ny Jodianina dia nampiditra fanompoan-tsampy natao tamin’ny masoandro ho ao amin’ny tempoly tao Jerosalema. Nekena ve ny fanompoan-tsampy toy izany, noho izy io nentina tao amin’ny toerana voatokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah Andriamanitra? Nanoratra toy izao i Ezekiela mpanoratra ny Baiboly, momba ny fanompoam-pivavahana tamin’ny masoandro natao tao amin’ny tempolin’i Jerosalema: “Indro, teo am-baravaran’ny tempolin’i Jehovah, dia teo anelanelan’ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy (...) nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana. Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’olona? Moa ataon’ny taranak’i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin’ny orony.” — Ezekiela 8:16, 17.
Eny, tsy nekena izany endri-panompoam-pivavahana tamin’ny sampy izany, fa nahatandindomin-doza kosa ny tempoly iray manontolo. Nanenika an’i Joda ny fanao toy izany, ka nandray anjara tamin’ny fihanaky ny herisetra sy ny fikororosiana ara-pitondran-tena, tany amin’izany tany izany. Mitovy amin’izany koa ny eo amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, izay isongadinan’ny fanao niandoha avy tamin’ny Satiornaly, fivavahana amin’ny masoandro, amin’ny Krismasy. Tsara homarihina fa taona vitsivitsy monja, taorian’ny nandraisan’i Ezekiela io fahitana io, dia niharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra i Jerosalema — rava teo an-tanan’ny Babylonianina izy io. — 2 Tantara 36:15-20.
Mety ho nahita ianao fa nahatsikaiky ilay filazalazana an’i Jesosy zaza, nataon’ny manam-pahaizana koreanina iray, izay notantaraina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Ny zava-misy anefa dia hoe misy vidiny lehibe ny toy izany, raha amin’ny olona iray tsy manana fahalalana araka ny marina momba an’i Kristy. Mety hampieritreritra lalina ny olona izay mankalaza ny Krismasy izany. Nahoana? Satria tsy mampiseho marina an’i Kristy ny Krismasy. Raha ny marina, dia manamaizina ny tena toerana tanany ankehitriny izy io. Tsy zaza intsony ao amin’ny fihinanam-bilona i Jesosy.
Imbetsaka ny Baiboly no manasongadina fa efa Mesia izao i Jesosy, dia ilay Mpanjaka maherin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Apokalypsy 11:15). Vonona izy ny hamarana ny fahantrana sy ny fahoriana, izay tsy nohadinoin’ny olona sasany, mandritra ny fotoan’ny Krismasy, rehefa manome fanampiana izy ireo.
Raha ny marina, ny Krismasy dia tsy nandraisan’ireo tanin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, na ireo tany hafa, soa, anisan’izany ireo any Atsinanana. Nampivily ny saina tsy ho amin’ilay hafatra kristianina marina, momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity kosa izy io. (Matio 24:14). Manasa anao izahay hanontany ny Vavolombelon’i Jehovah ny amin’ny fomba hahatongavan’ny farany. Ary afaka mianatra avy amin’izy ireo ianao, momba ireo fitahiana maharitra, izay hanaraka izany eto an-tany, eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka efa manapaka. — Apokalypsy 21:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miorina amin’ny The New Schaff-Herzog Encyclopedia of Religious Knowledge.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Nanampy tamin’ny fampidirana ny fanompoan-tsampy ho ao amin’ny fiangonana kristianina anarana ny Krismasy
[Sary, pejy 5]
Ankizy maro no nankany am-piangonana, noho ny fitiavana ta hahafanta-javatra fotsiny sy handray fanomezana sôkôlà. Niandry mafy ny Krismasy manaraka indray izy ireo
[Sary, pejy 7]
Krismasy Alina any amin’ny afovoan-tanànan’i Séoul, any Korea
[Sary, pejy 8]
Tsy zazakely intsony i Jesosy, fa ilay Mpanjaka maherin’ny Fanjakan’Andriamanitra