FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/12 p. 3-4
  • Ny Krismasy any Atsinanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Krismasy any Atsinanana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Krismasy — Nahoana no Ankalazaina na dia any Atsinanana Aza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Tokony hankalaza ny Noely ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Midika ho Inona ho Anao ny Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny noely — Nahoana izy io no malaza aoka izany any Japana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/12 p. 3-4

Ny Krismasy any Atsinanana

• ROANJATO TAONA LASA TEO HO EO IZAY, dia nitsidika an’i Pékin, any Chine, ny manam-pahaizana koreanina iray nitana toerana ambony. Rehefa nibanjina sary hoso-doko iray teo amin’ny valindrihan’ny katedraly iray izy, dia nahita sarin’i Maria nitrotro an’i Jesosy zaza. Hoy ny nolazainy momba io sary hoso-doko nanaitra io:

“Niampofo zaza iray toa narary, dimy na enin-taona teo ho eo, ny ramatoa iray. Toa tsy nahazaka ny lohany izy, toy ny hoe tsy tantiny ny nijery ny zanany, noho ny alahelony azy. Ary terỳ amin’ny farany aorian’izy ireo, dia nisy matoatoa maro be sy anjely zazakely nanidina teny. Rehefa nibanjina azy ireo teo amboniko aho, dia toy ny hoe hianjera teo amiko foana izy ireo. Taitra aho, ary naninjitra ny tanako mba hisambotra azy ireo.”

IZANY dia nitranga, ela be taorian’ny nanombohan’ny Fanavaozana tany Eoropa, ela be taorian’ny vanim-potoana maizin’ny Moyen Âge. Ho an’ny ankamaroan’ny Tatsinanana anefa, dia tsy nahazatra ny Kristianisma, tahaka an’ilay sary hoso-doko ihany. Niova izany toe-javatra izany! Isaky ny fotoan’ny Krismasy, dia aseho ny sarin’i Jesosy zazakely. Efa nanjary zatra ny sary toy izany ny any Atsinanana, ary arabe maro any izao no mitovy amin’ireo any Eoropa.

Tamin’ny takarivan’ny 25 Novambra 1998, iray volana talohan’ny Krismasy, ny Champs-Élysées any Paris dia namirapiratan’ny jiro maherin’ny 100 000, teo amin’ireo hazo 300 manamorona io arabe malaza io. Toy izany koa fa teny amin’ny arabe iray ao afovoan-tanànan’i Séoul, any Korea, dia nisy hazo Noely goavana iray nasehon’ny magazay lehibe iray, ary nanomboka nampamirapiratra ny alina tao amin’io tanàn-dehibe io. Tsy ela dia voaravaka fampihaingoana amin’ny Krismasy ny arabeny.

Nanolotra fandaharana nifandray tamin’ny Krismasy ny televiziona sy ny radio ary ny gazety, isan’andro. Nentanin’ny fihetseham-po amin’ny Krismasy ilay tany iray manontolo, ka nanjary seriny erỳ nandray ny faran’ny taona. Voaravaka haingana ireo fiangonana tao Séoul, izay nahagaga ny mpitsidika maro ny isany. Araka izany, i Korea sy ny tany hafa any Atsinanana dia vonton’ny toe-tsain’ny Krismasy, tokony ho amin’ny fotoana izay anaovan’i Etazonia ny fankalazana ny Thanksgiving Day (fety ara-pivavahana any Etazonia), amin’ny faramparan’ny Novambra.

Tsy heverina ho anisan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ny ankamaroan’ireo tany any Atsinanana. Ohatra, 26,3 isan-jaton’ny mponina any Korea monja no milaza tena ho Kristianina. Any Hong Kong, dia 7,9 isan-jato no toy izany, any Taïwan, dia 7,4 isan-jato, ary any Japon, dia 1,2 isan-jato monja. Mazava fa tsy Kristianina ny ankamaroan’ny Tatsinanana, nefa toa tsy mampaninona azy ireo ny mankalaza ny Krismasy. Raha ny marina, dia toa mafana fo kokoa amin’izy io izy ireo matetika, raha oharina amin’ny Tandrefana. I Hong Kong, ohatra, dia malaza noho ny fankalazany Krismasy manetriketrika, na dia Bodista na Taoista aza ny ankamaroan’ny mponina ao aminy. Na dia any Chine aza, izay 0,1 isan-jato monja no milaza tena ho Kristianina, dia tena vetivety dia mihatiam-bahoaka ny Krismasy.

Nahoana no ankalazaina hatraiza hatraiza aoka izany ny Krismasy any Atsinanana? Nahoana ny olona, izay tsy manaiky an’i Jesosy ho Mesia, no mankalaza koa ny Krismasy, izay heverin’ny ankamaroan’ireo milaza tena ho Kristianina ho ny daty nahaterahan’i Jesosy? Tokony hanahaka ny fomba fijeriny ny Krismasy ve ny Kristianina marina? Ho hitantsika ny valiny, rehefa mandinika ny nahatongavan’ny Krismasy ho be mpitia any Korea, tany tranainy iray any Atsinanana, isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara