FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/4 p. 3-5
  • Ny Fianakaviana — Mila Vonjy!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fianakaviana — Mila Vonjy!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona ilay loza?
  • Mitombo ny ankohonana tsy misy afa-tsy ray na reny
  • Haharitra Ihany ve ny Fanambadianareo?
    Mifohaza!—2006
  • Ny fisaraham-panambadiana: Inona marina no lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manaiky ny fisaraham-panambadiana sa tsia?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Voafandrika ao Anatin’ny Fanambadiana Tsy Misy Fitiavana
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/4 p. 3-5

Ny Fianakaviana — Mila Vonjy!

“DIA nivady izy, ka sambatra mandrakizay doria.” Mihavitsy dia mihavitsy ireo fanambadiana ahitana io tarehin-javatra tonga lafatra io. Ilay fampanantenana tamin’ny andro fampakaram-bady, ny hifankatia ‘na an-kasoavana na an-karatsiana raha mbola samy ho velona koa’, dia matetika tokoa no fomba fiteny fotsiny. Ny fahafahana hanana fiainam-pianakaviana sambatra dia toa filokana tsy misy fanantenana.

Teo anelanelan’ny 1960 sy 1990, dia nitombo avo roa heny mahery ny taham-pisaraham-panambadiana any amin’ny ankamaroan’ireo tany tandrefana mandroso. Nitombo avo efatra heny izy io any amin’ny tany sasany. Ohatra, isan-taona dia fanambadiana tokony ho 35 000 no miorina any Soeda, ary tokony ho ny antsasak’izy ireo no ho rava, ka mahafaoka ankizy maherin’ny 45 000. Betsaka kokoa aza ireo olon-droa miray trano nefa tsy mpivady izay misaraka, ka misy fiantraikany eo amin’ny ankizy an’aliny maro. Mihamahazo ny firenena rehetra maneran-tany ny fironana mitovy amin’izany, araka ny hita ao amin’ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-5.

Marina fa tsy vaovao eo amin’ny tantara ny fianakaviana rava sy ny faharavan’ny fanambadiana. Ny Fehezan-dalàn’i Hammourabi tamin’ny taonjato faha-18 al.f.i. dia nampiditra lalàna izay namela hisara-panambadiana tany Babylona. Na dia ny Lalàn’i Mosesy, naorina tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i. aza, dia nanome lalana hisara-panambadiana teo amin’ny Isiraely. (Deoteronomia 24:1). Kanefa, mbola tsy nalemy kokoa noho ny amin’izao taonjato faha-20 izao ny fatoram-pianakaviana. Maherin’ny folo taona lasa izay, ny mpanoratra an-gazety iray dia nanoratra toy izao: “Rehefa afaka 50 taona, dia mety tsy hanana fianakaviana araka ny heviny mahazatra intsony isika. Mety ho nosoloana fitambaran’olona karazany hafa izy io.” Ary ny fironana hita nanomboka tamin’izay dia toa manamafy ny heviny. Niharatsy haingana aoka izany ny zava-naorina ny amin’ny fianakaviana, hany ka mihamanjary mifanentana ny fanontaniana hoe “Ho tafita velona ve izy io?”

Nahoana no sarotra aoka izany ho an’ny mpivady maro ny mifikitra amin’izy samy izy sy ny mihazona fianakaviana tafaray? Inona no tsiambaratelon’ireo izay nifikitra tamin’izy samy izy nandritra ny fiainana lava be, ka faly nankalaza ny taona nitsingerenan’ny mariaziny volafotsy sy ny mariaziny volamena? Marihina kely eto fa, tamin’ny 1983, dia nisy lehilahy iray sy vehivavy iray, hono, tany amin’ny repoblika sovietikan’i Azerbaïdjan teo aloha, nankalaza ny faha-100 taona nitsingerenan’ny fampakaram-badiny — ilay lehilahy 126 taona, ary ilay vehivavy 116 taona tamin’izay.

Inona ilay loza?

Any amin’ny tany maro, ny fanitsakitsaham-bady, ny fampijaliana ara-tsaina na ara-batana, ny fandaozana ny ankohonana, ny alkaolisma, ny tsy fahafahana manao firaisana, ny aretin-tsaina, ny fananana vady roa, ary ny fahandevozana amin’ny zava-mahadomelina, dia antony sasany mahatonga fisaraham-panambadiana ara-dalàna. Kanefa, ny antony ankapobe kokoa dia hoe niova tanteraka ny fihetsika fototra eo anoloan’ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana mahazatra, indrindra fa tao anatin’ireo am-polony taona faramparany. Nihanihena ny fanajana ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana izay noheverina ho masina nandritra ny ela be. Ireo mpierina mpamorona mozika, sarimihetsika, tantara mitohy ao amin’ny televiziona, sy ireo boky be mpitia dia nanindrahindra ny antsoina hoe fahalalahana hanao firaisana, ny fahalotoam-pitondran-tena, ny fitondran-tena tsy voafehy, ary ny fomba fiaina feno fitiavan-tena. Niteraka kolontsaina izay nandoto ny saina sy ny fon’ny tanora sy ny antitra koa izy ireo.

Nasehon’ny fitsapan-kevitra iray tamin’ny 1996 fa ny 22 isan-jaton’ny Amerikana dia milaza fa mety hahatsara ny fanambadiana indraindray ny mangala-pitia kely. Ny nomerao manokana iray amin’ny gazety lehibe indrindra any Soeda, ny Aftonbladet, dia nampirisika ny vehivavy hisara-panambadiana satria hoe “vao mainka hanatsara ny fiainany izany”. Ny psikôlôgy sy ny manam-pahaizana momba ny olombelona tiam-bahoaka sasany dia nanombantombana mihitsy aza fa ny olona dia efa ‘voalahatry ny fivoarana miandalana mialoha’ mba hiova vady isaky ny taona vitsivitsy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia milaza izy ireo fa voajanahary ny fananana vadikely sy ny fisaraham-panambadiana. Milaza mihitsy aza ny sasany fa ny fisarahan’ny ray aman-dreny dia mety hahasoa ny ankizy, ka hanomana azy ireo hiatrika amim-pahombiazana ny fisaraham-panambadian’ny tenany indray andro any!

Tanora maro no tsy maniry intsony ny hiaina ao amin’ny fiainam-pianakaviana mahazatra, tsy misy afa-tsy ny ray sy ny reny ary ny ankizy. Fomba fihevitra be mpitia ny hoe “Tsy mahita ny tenako miara-miaina amin’ny olona iray ihany mandritra ny androm-piainako rehetra aho”. “Ny fanambadiana dia sahala amin’ny Krismasy, angano fotsiny. Tsy mino azy io tsotra izao aho”, hoy ny zatovolahy danoà iray, 18 taona. “Ny fihetseham-pon’ny olona dia hoe, nahoana aho no hisahirana hiara-miaina amin’ny [lehilahy] ary hanasa ny ba kirarony”, hoy ny nambaran’i Noreen Byrne ao amin’ny Konsilim-pirenena Momba ny Vehivavy any Irlandy. “Miaraha milalao fitia aminy fotsiny (...) Mihamaro ireo vehivavy manapa-kevitra fa tsy mila lehilahy izy ireo mba hahatafitana velona.”

Mitombo ny ankohonana tsy misy afa-tsy ray na reny

Manerana an’i Eoropa, io fihetsika io dia nampitombo haingana ny isan’ny vehivavy miteraka tsy manambady. Ny sasany amin’ireny mitaiza irery ny zanany ireny dia zatovo izay mihevitra fa tsy fahadisoana ny fananana anaka tsy nampoizina. Ny sasany aminy dia vehivavy maniry hitaiza irery ny zanany. Ny ankamaroany kosa dia reny miara-mipetraka amin’ilay rain-janany mandritra ny fotoana kelikely, tsy misy fikasana ny hanambady azy. Ny gazetiboky Newsweek dia namoaka lahatsoratra lehibe, tamin’ny taon-dasa, momba ilay fanontaniana hoe: “Maty ve ny Fanambadiana?” Nanambara izy io fa mitombo haingana ny tahan’isan’ny zaza teraka ivelan’ny fanambadiana any Eoropa, ary toa tsy misy miraharaha akory. I Soeda no mety ho loha laharana, satria ny antsasaky ny zaza rehetra any dia teraka ivelan’ny fanambadiana. Any Danemark sy Norvezy, dia efa manakaiky ny antsasany izany, ary any Frantsa sy Angletera, dia eo amin’ny zaza 1 ao anatin’ny 3 no teraka ivelan’ny fanambadiana.

Any Etazonia, dia nihena be ny isan’ny fianakaviana misy ray sy reny, tao anatin’ireo am-polony taona vitsivitsy farany. Milaza toy izao ny tatitra iray: “Tamin’ny 1960, (...) dia ny 9 isan-jaton’ny ankizy rehetra no niaina tao amin’ny tokantrano tsy nisy afa-tsy ny ray na ny reny. Tamin’ny 1990, dia efa tafakatra ho 25 isan-jato izany tahan’isa izany. Amin’izao andro izao, dia ny 27,1 isan-jaton’ny zaza amerikana rehetra no teraka ao amin’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny, tahan’isa izay mitombo hatrany. (...) Nanomboka tamin’ny 1970, dia nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny. Tandindomin-doza aoka izany ny fianakaviana mahazatra amin’izao andro izao, hany ka mety ho efa eo ambavahoanan’ny fanjavonana izy io, hoy ny mpanao fikarohana sasany.”

Any amin’ireo tany izay namoizan’ny Eglizy Katolika ny ankabeazan’ny fahefany ara-pitondran-tena, dia mitombo ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny. Latsaka ny antsasaky ny ankohonana italiana no misy reny sy ray ary zanaka, ary mpivady tsy manan-janaka sy ankohonana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny no misolo toerana ny fianakaviana mahazatra.

Mampirisika ny olona tsy hanambady ny fandaharana ny amin’ny fanampiana ara-tsosialy any amin’ny tany sasany, raha ny marina. Ny reny mitaiza irery ny zanany ary mandray fanampian’ny fanjakana, dia hamoy izany, raha manambady. Mahazo fanampiana ara-bola fanampiny hikarakarana ny zanany ny reny mitaiza irery ny zanany, any Danemark, ary any amin’ny fiaraha-monina sasany, ny reny tsy ampy taona dia mahazo vola fanampiny ary aloa ny hofan-tranony. Araka izany, dia tafiditra ny resaka vola. Milaza i Alf B. Svensson fa ny fisaraham-panambadiana iray any Soeda dia mandany ny volan’ny mpandoa hetra, eo anelanelan’ny 250 000 dolara sy 375 000 dolara andoavana ny fanampiana ara-bola, sy vola fanampiana amin’ny hofan-trano, ary ny fanampian’ny fanjakana.

Ireo fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana dia toa tsy manao zavatra firy na tsy manao na inona na inona mba hiezahana hampitsahatra io fironana mandrava eo amin’ny fianakaviana io. Pastora sy mpikambana ao amin’ny klerjy maro no miady amin’ny zava-manahirana mahazo ny fianakaviany manokana, noho izany, ka mahatsapa ho tsy afaka manampy ny hafa. Ny sasany aza toa manohana mihitsy ny fisaraham-panambadiana. Nanao tatitra ny Aftonbladet tamin’ny 15 Aprily 1996, fa ny pastora Steven Allen avy any Bradford, any Angletera dia namorona fankalazana fisaraham-panambadiana manokana iray, izay lazainy fa tokony hampiasaina ho fotoam-pivavahana ofisialy ho amin’ny fisaraham-panambadiana, any amin’ny fiangonana britanika rehetra. “Izy io dia fotoam-pivavahana fanasitranana mba hanampiana ny olona iray hanaiky sy hizatra amin’izay nitranga taminy. Izy io dia manampy azy hahatakatra fa mbola tia azy Andriamanitra ary manafaka azy amin’ilay alahelo.”

Koa aiza àry no hiafaran’ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana? Misy fanantenana ny amin’ny hahatafitany velona ve? Afaka miaro ny firaisan-tsainy ve ny fianakaviana tsirairay eo ambany fandrahonana goavana toy izany? Diniho, aza fady, ny lahatsoratra manaraka.

[Tabilao, pejy 5]

FANAMBADIANA ISAN-TAONA AMPITAHAINA AMIN’NY FISARAHAM-PANAMBADIANA, ANY AMIN’NY TANY SASANY

TANY TAONA FANAMBADIANA FISARAHAM-PANAMBADIANA

Alemaina 1993 442 605 156 425

Aostralia 1993 113 255 48 324

Cuba 1992 191 837 63 432

Danemark 1993 31 507 12 991

Estonia 1993 7 745 5 757

Etazonia 1993 2 334 000 1 187 000

Federasionan’i Rosia 1993 1 106 723 663 282

Frantsa 1991 280 175 108 086

Japon 1993 792 658 188 297

Kanada 1992 164 573 77 031

Maldives 1991 4 065 2 659

Norvezy 1993 19 464 10 943

Porto Rico 1992 34 222 14 227

République tchèque 1993 66 033 30 227

Royaume-Uni 1992 356 013 174 717

Soeda 1993 34 005 21 673

(Miorina amin’ny Diary Momba ny Isan’ny Mponina, Firenena Mikambana, New York 1996)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara