Manasa Anao Hiaraka Aminay Amin’ny Fisehoan-javatra Manokana Iray
Asabotsy 11 Aprily 1998
MANASA anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mankalaza aminy ny fanomezan’Andriamanitra ny Zanany, i Jesosy Kristy. Io fanomezana io dia nanokatra ho an’ny olombelona ny fanantenana hifaly amin’ny fiainana mandrakizay. — Jaona 3:16.
Amin’itỳ taona itỳ, dia hankalazaina amin’ny asabotsy 11 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie araka ny volana ao amin’ny Baiboly, io daty io. Hamarino amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, ny toerana sy ny fotoana marina hanaovana ilay fivoriana.