Manaiky ny fisaraham-panambadiana sa tsia?
TAMIN’NY JONA 1986, dia mpandatsa-bato roa tamin’ny dimy no nanohana ny fitanana ny fandrarana tsy hisara-panambadiana any amin’ny Repoblikan’i Irlande, tany farany any Eoropa Andrefana manohitra an’io fanao io.
Na dia ao aza ny fileferana be, ny hevitry ny ankamaroan’olona ny amin’ny raharaha manahirana momba ny fisaraham-panambadiana dia toa avy amin’ny fiaviany ara-tsosialy sy ara-kolon-tsaina indrindra. Mandray anjara koa ny foto-javatra hafa toy ny firazanana, ny fanabeazana sy ny faritra iainana ara-piaraha-monina. Ny fivavahana na ny tsy fisian’ny fivavahana indrindra anefa no mandray anjara raikitra.
Ahoana no fiheveranao ny fisaraham-panambadiana? Moa ve ny mpivady hita ho tsy mifanentana sy ory rehefa miaraka tokony homen-dalana hamarana ny fahoriany amin’ny fisaraham-panambadiana? Ahoana no havalinao? Ary ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, fiheverana inona no hanorenanao ny valin-teninao?
Fiheverana mifanipaka maro
Amin’ny olona an-tapitrisany maro manaraka ny fitsipika katolika, dia tsy azo saintsainina akory aza izany hoe fisaraham-panambadiana. Araka ny Firaketana katolika (anglisy), “tsy mety hisy fisarahana tanteraka mihitsy [mamela hanambady indray] amin’ny fanambadiana kristiana, fara faharatsiny aorian’ny ahatanterahany”. Manaiky hanafoana fanambadiana iray anefa ny Eglizy katolika araka ny fepetra sasany, ary miely aoka izany io fomba io. Izao no notantarain’ny Denver Post tamin’ny aprily 1986 momba izany: “Be dia be aoka izany ny fangatahan’ny katolika eto amin’ny faritany fanafoanana fanambadiana, hany ka voatery nampiasa “ordinateur” sy mpiasa amboniny ny arsevekan’i Denver, ka izany dia mitondra fandaniana eo amin’ny 250 000 dôlara, mba hahavitana izany asa mavesatra izany.” Nanazava ny tatitra nony avy eo fa “ny arsevekan’i Denver dia tokony hikarakara fangatahana fanafoanana 700 tsy vita, ka izany dia milaza fa tratra aoriana telo taona ny fanaovana azy”.
Ny protestanta, voazarazara ho antokom-pivavahana an-jatony maro eo amin’izao tontolo izao, dia mitandrina fitambaran-didy sy fitsipika raha ny amin’ny fisaraham-panambadiana. Amin’ny ankapobeny anefa, ny fahefana protestanta dia tsy manome lalana hisaraka raha tsy noho ny antony lehibe. Mety hiovaova be dia be arakaraka ny antokom-pivavahana eo aminy anefa ny atao hoe antony lehibe. Heverina ho azo ekena mandrakariva ny fahadisoana toy ny fanitsakitsaham-bady, ny fikapohana na ny fanariana, nefa tsy voafetra ho amin’izany velively ny lisitra. Ny fihetsiketsehana ara-pivavahana sasany izao dia manomana fombafomba fisaraham-panambadiana izay, tsy misy hafa amin’ny fampakaram-bady, dia arahin’ny vavaka sy ny hira. Amin’ny fombafomba karazan’izany, hoy ny fitantaran’ny New York Times dia “foana ny voady tamin’ny fampakaram-bady. Ireo mpivady dia mamerina ny peratra mariaziny any amin’ny mpitondra fivavahana izay mamarana ny fotoam-pivavahana amin’ny fanambarana fa foana ilay fanambadiana, rehefa avy eo dia mifandray tanana izy roa”.
Ny Jiosy kosa dia manaja lovatsofina ampiharin’ny tribonaly ara-pivavahana. Manome lalana hisara-panambadiana ny lalàn’ireo raby, na rehefa mifanaiky hanao izany ny mpivady, na noho ny takaitra ara-batana na fitondrantena mahatafintohina. Tsy manjary tena ara-dalàna anefa ny fisaraham-panambadiana raha tsy rehefa manoratra “guet” na taratasy fanamarinana ny fisaraham-panambadiana ilay lehilahy, ka indraindray dia miteraka fifanolanana izany rehefa tsy mety manome an’io taratasy io ny lehilahy tafintohina sasany na mitady hiady varotra ny amin’izany. “Noho izany antony izany, dia vehivavy Jiosy tia fivavahana an’arivony maro no mijaly satria tsy afaka manambady fanindroany”, hoy ny nambaran’i Andrew Stein, prezidàn’ny Filan-kevitry ny tanànan’i New York, tamin’ny kabary nataony teo anoloan’ny mpihaino izay raby sy mpahay lalàna indrindra no nahaforona azy. Raha tsy misy ny “guet”, dia noheverina ho tsy ara-dalàna ny fanambadian’ny vehivavy fanindroany. Ny zanaka rehetra nateraka tamin’ny fanambadiana toy izany, any Isiraely, dia heverina amin’izao andro izao ho “mamzêr”, izany hoe zazasary.
Tsy mora kokoa akory ny zavatra ho an’ny olona tsy manana fivavahana na tsy mino ny fisian’Andriamanitra izay azo inoana fa miankina amin’ny lalàna. Ny lalàna momba ny fisaraham-panambadiana tokoa dia miovaova arakaraka ny tany ary indraindray aza arakaraka ny faritany. Ny fikambanana iray dia nanisa antony 50 mahatonga ho afaka hisara-panambadiana ara-dalàna any amin’ny toerana maro any Etazonia. Ireto ny sasany amin’izany: “ny fitondrantena tsy mendrika sy ny fahasiahana”, “fanambadiana tsy azo antenaina loatra fa haharitra” ary “ny fandavan’ny vehivavy tsy hanaraka ny vadiny mifindra fonenana ho any amin’ny fanjakana hafa any Etazonia”. Rehefa niseho vao haingana ny fisaraham-panambadiana lazaina hoe amin’ny fifanarahana, dia ny hevitra ny amin’ny tsara sy ny ratsy mihitsy no nanjavona.
Tarehin-javatra mbola mahavery hevitra foana
Maro be amin’ireny lalàna sy fitsipika mifanipaka ireny no lazaina fa notsoahina avy amin’ny Baiboly. Nefa moa ve izany naharo ny fanambadiana sy ny fahasambaran’ny olombelona? Ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana — fisaraham-panambadiana iray isaky ny fanambadiana roa any amin’ny tany sasany — dia mampiharihary zavatra. Raha ny marina, ireny lalàna ireny dia tsy hoe tsy nahomby fotsiny raha ny amin’ny fanamafisana ny fatoram-panambadiana, fa nampisongadina koa ny fahoriana sy ny fanaintainan’ny olona an-tapitrisany maro koa izany.
Ireo izay maniry amim-pahatsorana hanao zavatra amim-pahitsiana àry dia hahita soa tokoa amin’ny fitadiavana izay tena ampianarin’ny Baiboly tokoa ny amin’io raharaha io.