FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/3 p. 6-7
  • Fomba Iray Tsara Kokoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Iray Tsara Kokoa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tontolo iray hisian’ny hatsaran-toetra mafy orina
  • Firaiketana Amim-pototra — Inona Izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Inona ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/3 p. 6-7

Fomba Iray Tsara Kokoa

NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia manahy ny amin’ny fikororosian’ny toe-piainana ara-panahy eo amin’izao tontolo izao sy ny faharatsiam-pitondran-tena ary ny fisalasalana momba ny fivavahana miely patrana eo amin’ny fitambaran’olona. Ho vokatr’izany dia antsoina hoe mpiraikitra amim-pototra izy ireo indraindray. Izany ve anefa izy ireo? Tsia. Na dia manana hevitra ara-pivavahana ekeny mafy aza izy ireo, dia tsy mpiraikitra amim-pototra amin’ilay heviny nanjary nampiasana azy io. Tsy manery ireo mpitarika ara-politika mba hampandrosoana fomba fiheverana sasany izy ireo, ary tsy mampiasa fihetsiketsehana sy herisetra mba hanoherana ireo izay tsy miray hevitra aminy. Nahita fomba iray tsara kokoa izy ireo. Manahaka an’i Jesosy Kristy, Mpitarika azy, izy ireo.

Miaiky mafy ny Vavolombelon’i Jehovah fa misy ny fahamarinana ara-pivavahana, ary izy io dia hita ao amin’ny Baiboly. (Jaona 8:32; 17:17). Kanefa ny Baiboly dia mampianatra ny Kristiana mba ho tsara fanahy, ho tsara, halemy fanahy sy hahalala ny antonona — dia toetra izay tsy mamela ny firehetana tafahoatra. (Galatiana 5:22, 23, NW; Filipiana 4:5, NW ). Ao amin’ny Jakoba, boky ao amin’ny Baiboly, ny Kristiana dia ampirisihina mba hamboly “ny fahendrena izay avy any ambony” izay lazalazaina fa “madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa”. Nanampy teny toy izao i Jakoba: “Ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana.” — Jakoba 3:17, 18.

Tadidin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nanahy mafy ny amin’ny fahamarinana i Jesosy. Nilaza toy izao tamin’i Pontio Pilato izy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Na dia niaro tamin-kerim-po ny fahamarinana aza izy, dia tsy nitady hanery ny hafa hanaiky ireo hevitra nekeny mafy. Nanintona ny sain’izy ireo sy ny fon’izy ireo kosa izy. Fantany fa ny Rainy any an-danitra, izay Andriamanitra “tsara sy mahitsy”, dia hanapaka ny amin’izay fomba sy fotoana hanafoanana ny lainga sy ny tsy rariny tsy ho eto ambonin’ny tany. (Salamo 25:8). Noho izany, dia tsy nitady hisakana ireo izay tsy niray hevitra taminy izy. Mifanohitra amin’izany fa ireo mpitondra fivavahana ortodoksa tamin’ny androny no nanandrana nanao fanerena tamin’i Jesosy. — Jaona 19:5, 6.

Manana hevitra ekena mafy momba ireo foto-pampianarana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary maneho hatsaran-toetra mafy orina izy ireo eo amin’ny raharaha mahakasika ny fitondran-tena. Sahala amin’ny apostoly Paoly, izy ireo dia miaiky mafy fa tsy misy afa-tsy “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”. (Efesiana 4:5). Fantatr’izy ireo koa ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14). Na dia izany aza, dia tsy manandrana manery ny hafa hanaraka ireo zavatra inoany izy ireo. Manahaka an’i Paoly kosa izy ireo ka “mangataka indrindra” an’izay rehetra maniry ‘hihavana amin’Andriamanitra’. (2 Korintiana 5:20). Io ilay fomba tsara kokoa. Izy io dia fomban’Andriamanitra.

Hafa dia hafa noho izany ny firaiketana amim-pototra ara-pivavahana, araka ny ampiasana ilay teny amin’izao andro izao. Ireo mpiraikitra amim-pototra dia mampiasa tetik’ady maro — tafiditra amin’izany ny herisetra — mba hanerena ny fitambaran’olona hanaiky ny fotopoto-pitsipiny. Amin’ny fanaovana izany, dia tonga tapany tsy azo esorina amin’ny fandehan-javatra ara-politika izy ireo. Nilaza anefa i Jesosy fa tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:19; 17:16; Jakoba 4:4). Mifanaraka amin’ireo teny ireo no itanan’ny Vavolombelon’i Jehovah fialanalanana tanteraka eo amin’ireo adim-politika. Ary araka ny neken’ilay gazety italiana hoe Fuoripagina, dia “tsy manery na inona na inona amin’iza na iza izy ireo; malalaka ny olon-drehetra na hanaiky na handa izay lazain’izy ireo”. Inona no vokatr’izany? Ilay hafatra mitory fihavanana momba ny Baiboly izay entin’ny Vavolombelona dia manintona ny karazan’olona rehetra, na dia ireo mpiraikitra amim-pototra taloha aza. — Isaia 2:2, 3.

Tontolo iray hisian’ny hatsaran-toetra mafy orina

Eken’ny Vavolombelona fa ny olombelona dia tsy afaka mamaha ireo olana izay mampanahy ny mpiraikitra amim-pototra. Tsy azonao terena ny olona iray mba hino an’Andriamanitra na hanaiky ireo zavatra inoan’ny tenanao manokana. Ny fieritreretana fa azo atao ny zavatra toy izany dia nitarika ny sasany hanao ireo zavatra mampihorohoro ratsy indrindra teo amin’ny tantara, toy ny Kroazada sy ny Inquisition tamin’ny Moyen Âge, ary ny “fanovam-pinoana” an’ireo Indiana tany Amerika. Raha mitoky amin’Andriamanitra anefa ianao, dia ho vonona ianao ny hamela ny raharaha eo an-tanany.

Araka ny Baiboly, dia nasian’Andriamanitra fetra ny fotoana hamelany ny olombelona handika ny lalàny ka hahatonga fijaliana sy fahoriana. Efa ho tapitra izany fotoana izany. Efa manjaka i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary tsy ho ela io Fanjakana io dia hanaisotra ireo fitondram-panjakan’olombelona ka handray an-tanana ny fitondrana ny olombelona isan’andro. (Matio 24:3-14; Apokalypsy 11:15, 18). Ny ho vokatr’izany dia paradisa iray haneran-tany izay hisian’ny fiadanana sy ny fahitsiana tondraka. Amin’izany fotoana izany dia tsy hisy intsony fisalasalana ny amin’ny fomba tokony hanolorana fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina. “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Ny hatsaran-toetra maharitra mandrakizay toy ny hatsaram-panahy miharo fitiavana, ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hatsaram-po dia handresy ka hahasoa ny olona rehetra mankatò. Raha niandrandra izany fotoana izany ny mpanao salamo, dia nanao teny miendrika tononkalo toy izao: “Mihaona ny [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. Ny fahamarinana mitsimoka amin’ny tany; ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. Eny, Jehovah hanome ny tsara; ary ny tanintsika hahavoka-javatra. Ny rariny hialoha Azy sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dàlana.” — Salamo 85:10-13.

Na dia tsy afaka manova izao tontolo izao aza isika, isam-batan’olona isika dia afaka mamboly hatsaran-toetra araka an’Andriamanitra, na dia amin’izao andro izao aza. Araka izany, dia azontsika iezahana ny ho tonga ilay karazan’olona izay irin’Andriamanitra ho mpivavaka aminy ao amin’izany tontolo vaovao izany. Amin’izay isika dia ho anisan’ny mpandefitra izay noresahin’ny mpanao salamo hoe: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11). Manohana sy mitahy ireo izay manao ny sitrapony Andriamanitra, ary mampanantena zavatra mahatalanjona ho amin’ny hoavin’izy ireo izy. Hoy ny apostoly Jaona: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17.

[Sary, pejy 7]

Manasa ny rehetra mba hahafantatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Jiro eo amin’ny pejy faha-3, 4, 5, sy 6: Printer’s Ornaments/by Carol Belanger Grafton/Dover Publications, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara