FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/3 p. 4-5
  • Firaiketana Amim-pototra — Inona Izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Firaiketana Amim-pototra — Inona Izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fihetsika manoloana izao androntsika izao
  • Famantarana ny mpiraikitra amim-pototra iray
  • Ny Fielezan’ny Firaiketana Amim-pototra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fomba Iray Tsara Kokoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona
    Mifohaza!—2010
  • Ny Fivavahana ve no Fototry ny Zava-manahirana ny Olombelona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/3 p. 4-5

Firaiketana Amim-pototra — Inona Izany?

TAIZA no niandoha ny firaiketana amim-pototra ( fondamentalisme)? Tamin’ny faran’ilay taonjato lasa teo, dia nanova ny zavatra ninoany ireo teolojiana malala-tsaina, mba hifanarahana amin’ny fitsikerana ambony ny Baiboly sy amin’ireo teoria siantifika toy ny evolisiona. Ho vokatr’izany dia voahozongozona ny fatokian’ny olona ny Baiboly. Ho setrin’izany, ireo mpitondra fivavahana tsy tia fiovana tany Etazonia dia nanorina ilay nantsoin’izy ireo hoe ireo fototra amin’ny finoana.a Tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia namoaka ady hevitra momba ireny fototra ireny izy ireo tao anatin’ny boky mitohitohy mitondra ny lohateny hoe The Fundamentals: A Testimony to the Truth (Ireo Fototra: Fanambarana ho An’ny Fahamarinana). Avy amin’io lohateny io no niavian’ilay fitenenana hoe “firaiketana amim-pototra” na “fondamentalisme”.

Nandritra ny tapany voalohany amin’ny taonjato faha-20, dia nanaovana resabe tsindraindray ny firaiketana amim-pototra. Ohatra, tamin’ny 1925, ireo mpiraikitra amim-pototra ara-pivavahana dia nampiakatra fitsarana ny mpampianatra iray nantsoina hoe John Scopes avy any Tennessee, Etazonia. Nanjary fantatra tamin’ny hoe fitsarana Scopes ilay izy. Inona no heloka vitany? Nampianatra ny evolisiona izy, ary izany dia nanohitra ny lalàm-panjakana. Tamin’izany andro izany, dia nisy nino fa tsy haharitra ela ny firaiketana amim-pototra. Tamin’ny 1926, dia nilaza ny gazetiboky protestanta iray atao hoe Christian Century, fa izy io dia “poaka aty sy voatr’olombelona” ary “toetra tsy ananany mihitsy ny fahavitan-javatra manorina sy ny fahatezana”. Diso toy inona moa izany filazana izany!

Hatramin’ireo taona 1970, dia tao amin’ny vaovao tsy tapaka ny firaiketana amim-pototra. Hoy ny Profesora Miroslav Volf, ao amin’ny Fuller Theological Seminary, any Californie, Etazonia: “Tsy vitan’ny hoe nateza fotsiny ny firaiketana amim-pototra, fa niroborobo koa.” Amin’izao andro izao, ilay teny hoe “firaiketana amim-pototra” dia mihatra, tsy amin’ireo fihetsiketsehana protestanta fotsiny, fa amin’ireo ao amin’ny fivavahana hafa koa, toy ny Fivavahana Katolika, ny Silamo sy ny Jodaisma ary ny Hindoisma.

Fihetsika manoloana izao androntsika izao

Nahoana no miely ny firaiketana amim-pototra? Ireo izay mandinika azy io dia milaza fa, fara fahakeliny, ny ampahan’izy io dia avy amin’ny fisalasalana momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana amin’izao androntsika izao. Tamin’ireo taona taloha kokoa, ny ankamaroan’ny fitambaran’olona dia niaina tao anatin’ny rivo-piainana nisian’ny tsy fisalasalana momba ny fitondran-tena niorina tamin’ireo zavatra ninoana nentim-paharazana. Ankehitriny, ireny zavatra inoana ireny dia iadiana hevitra na lavina. Avara-pianarana maro no milaza marimarina fa tsy misy Andriamanitra ary ny olombelona dia irery eo amin’izao rehetra izao tsy miraika aminy. Mpahay siansa maro no mampianatra fa ny olombelona dia vokatry ny kisendrasendran’ny evolisiona, fa tsy avy amin’ny asan’ny Mpamorona be fitiavana iray. Manjaka ny toe-tsaina baranahiny. Mamely an’izao tontolo izao ny fahaverezan’ny hatsaran-toetra ara-pitondran-tena eo amin’ny ambaratonga rehetra eo amin’ny fitambaran’olona. — 2 Timoty 3:4, 5, 13.

Manembona mafy an’ireo tsy fisalasalana fahiny ny mpiraikitra amim-pototra, ary ny sasany amin’izy ireo dia mikely aina mba hamerina ny fiaraha-monina misy azy sy ny fireneny ho amin’izay heveriny fa fototra ara-pitondran-tena sy ara-pampianarana mety. Manao izay rehetra azony atao izy ireo mba hanerena ny hafa hiaina mifanaraka amina fehezan-dalàna ara-pitondran-tena sy rafitra zavatra inoana ara-pampianarana “araka ny tokony ho izy”. Ny mpiraikitra amim-pototra iray dia miaiky mafy dia mafy fa marina ny azy ary diso ny an’ny hafa. Ao amin’ilay bokiny hoe Fundamentalism, ny Profesora James Barr dia nilaza fa ny firaiketana amim-pototra “matetika dia heverina ho teny mitory fankahalana sy fanamavoana, toa manondro fahateren-tsaina, kiry, fisakanana ny fahalalana tsy ho an’ny besinimaro, tsy fivelaran-tsaina”.

Koa satria tsy misy olona tia ny antsoina hoe tery saina, kirina, na hoe tsy mivelatra ara-tsaina, dia tsy miray hevitra ny rehetra ny amin’ny hoe iza no mpiraikitra amim-pototra na iza no tsy izy. Misy anefa lafiny sasany izay mampiavaka ny firaiketana amim-pototra ara-pivavahana.

Famantarana ny mpiraikitra amim-pototra iray

Mazàna ny firaiketana amim-pototra ara-pivavahana dia fiezahana mba hiarovana izay heverina fa fomban-drazana tany am-boalohany, na zavatra inoan’ny kolontsaina iray ara-pivavahana, sy mba hanoherana izay tsikaritra fa toe-tsaina ivelan’ny fivavahana ananan’izao tontolo izao. Izany akory tsy milaza fa manohitra izay zavatra rehetra maoderina ireo mpiraikitra amim-pototra. Misy mampiasa ireo fampitan-kevitra maoderina amin’ny fomba tena mandaitra mba hampandrosoana ny fomba fiheviny. Kanefa dia miady amin’ny fanaovana ny fitambaran’olona ho tsy ara-pivavahana, izy ireo.b

Misy mpiraikitra amim-pototra sasany tsy vitan’ny hoe tapa-kevitra fotsiny ny hiaro rafitra nentim-paharazana momba ny fampianarana na fomba fiaina ho an’ny tenany, fa tapa-kevitra koa hanery ny hafa hanaiky izany, hanova rafitra ara-tsosialy mba hifanarahan’izany amin’ireo zavatra inoan’ny mpiraikitra amim-pototra. Ny mpiraikitra amim-pototra katolika àry dia tsy hianina amin’ny fandavana ny fanalana zaza fotsiny. Azo inoana fa hampihatra fanerena eo amin’ireo mpanao lalàna eo amin’ny taniny izy, mba hampamoaka lalàna mandrara ny fanalana zaza. Tany Polonina, araka ny voalazan’ilay gazety hoe La Repubblica, dia nanao “ ‘ady’ izay nampiasany ny fahefany sy ny heriny rehetra” ny Eglizy Katolika mba hampanekena lalàna iray mandrara ny fanalana zaza. Rehefa nanao izany ireo fahefana tao amin’ny eglizy, dia niasa mitovy tanteraka amin’ireo mpiraikitra amim-pototra. Ny Christian Coalition protestanta any Etazonia dia manao “ady” mitovy amin’izany.

Ireo mpiraikitra amim-pototra dia miavaka indrindra indrindra amin’ireo hevitra ara-pivavahana lalim-paka ekeny mafy. Araka izany, ny mpiraikitra amim-pototra protestanta iray dia hiaro amim-piekena mafy fa tokony ho ara-bakiteny ny filazana ny hevitry ny teny ao amin’ny Baiboly, azo inoana fa tafiditra amin’izany ilay finoana fa ny tany dia noforonina tao anatin’ny andro ara-bakiteny enina. Ny mpiraikitra amim-pototra katolika iray dia tsy misalasala ny amin’ny maha-tsy mety diso ny papa.

Takatra mora foana àry ny antony mahatonga ilay teny hoe “firaiketana amim-pototra” hampahatsiahy firehetana tafahoatra tsy ombam-pisainana, sy ny antony mahatonga ireo tsy mpiraikitra amim-pototra hatahotra rehefa mahita ny fielezan’ny firaiketana amim-pototra. Amin’ny maha-isam-batan’olona, dia mety tsy hiray hevitra amin’ireo mpiraikitra amim-pototra isika, ary mety ho tsiravina amin’ireo fanodinkodinana ara-politika ataony sy ireo asany feno herisetra indraindray. Mety hihorohoro marina tokoa ireo mpiraikitra amim-pototra ao amin’ny fivavahana iray noho izay ataon’ireo mpiraikitra amim-pototra ao amin’ny fivavahana hafa! Na dia izany aza, dia olona misaina maro no manahy ny amin’ireo zavatra izay mahatonga ny fielezan’ny firaiketana amim-pototra — ny fitomboan’ny fileferana loatra amin’ny fitondran-tena, ny fahaverezan’ny finoana, ary ny fandavana ireo zavatra ara-panahy eo amin’ny fitambaran’olona maoderina.

Ny firaiketana amim-pototra ve no hany fihetsika azo asetry izany fironana izany? Raha tsy izany no izy, dia inona no safidy hafa azo atao?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ireto avy ireo lazaina fa Hevi-dehibe Dimin’ny Firaiketana Amim-pototra, izay nofaritana tamin’ny 1895: “1) ny maha-ara-tsindrimandry tanteraka ny Soratra Masina sy ny maha-tsy mety diso azy io; 2) ny maha-andriamanitra an’i Jesosy Kristy; 3) ny niterahan’ny virjiny an’i Kristy; 4) ny fanavotana nataon’i Kristy teo ambony lakroa tamin’ny naha-mpisolo toerana azy; 5) ny fitsanganan’i Kristy ara-batana sy ny fiaviany manokana fanindroany ara-batana eto an-tany”. — Studi di teologia (Fianarana ny Teolojia).

b Ny hoe “fanaovana ho tsy ara-pivavahana” dia midika hoe manantitrantitra ireo zavatra ivelan’ny fivavahana, mifanohitra amin’ireo zavatra ara-panahy na masina. Ny ivelan’ny fivavahana dia tsy miraharaha ny amin’ny fivavahana na ireo zavatra inoana ara-pivavahana.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Tamin’ny 1926, ny gazetiboky protestanta iray dia nilazalaza ny firaiketana amim-pototra ho “poaka aty sy voatr’olombelona” ary “toetra tsy ananany mihitsy ny fahavitan-javatra manorina sy ny fahatezana”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara