Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
‘Aoka Hazava eo Imason’ny Olona ny Fahazavanareo’
HOY i Jesosy tamin’ny mpianany, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” Nanohy ny teniny izy tamin’ny fampirisihana mafy azy ireo hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 5:14-16.
Any Italia, dia voamariky ny olona ny asa soa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ohatra, ny fitondran-tena tsara ananan’izy ireo rehefa manatrika ireo fivoriambeny isan-taona dia mitondra fiderana an’Andriamanitra, araka ny hamarinin’izao tatitra manaraka izao:
▪ Efa an-taonany maro ny vehivavy iray any Terni, Italia, no nanampy ny zanany vavy hitana toeram-pialana hetaheta iray eo akaikin’ny kianja ao amin’io tanàna io. Nitantara toy izao izy: “Nahamarika tsy fitoviana goavana aho teo amin’ireo izay tonga hijery lalao baolina kitra sy ireo solontena tao amin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tao. Maotina kokoa ireo Vavolombelona teo amin’ny fiakanjony, ary nanao ny marina sy feno fanajana izy ireo. Nanontany tena matetika aho hoe ahoana no ahafahan’ny olona avy amin’ny firazanana samihafa hifanaraka tsara toy izao.
“Indray andro dia nanakana ahy teny an-dalana ny Vavolombelona iray ary nanontany raha fantatro ny anaran’Andriamanitra. Tsy fantatro ilay izy, ary satria fantatro fa olona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanaiky ny hotsidihiny aho. Nanana fanontaniana aho momba ny toetran’ny maty, dia fanontaniana izay novaliany avy ao amin’ny Baiboly. Tsy nisalasala aho nanaiky fianarana ny Baiboly, ary tapa-bolana tatỳ aoriana, dia nanomboka nanatrika fivoriana aho.
“Tamin’ny voalohany dia nanohitra ahy ny zanako vavy, kanefa nanova ny fihetsiny ny fitondran-tenako sy ny fahatapahan-kevitro. Efa sivy volana lasa izay no nanombohako nianatra. Amin’izao andro izao, ny zanako vavy sy ny vadiny dia manao teny fankasitrahana an’ireo Vavolombelona izay mividy zavatra ao amin’ny fivarotany. Raha ny amiko, dia natao batisa aho tamin’ny fivoriambe iray tao amin’io kianja io.”
▪ Taorian’ny fivoriambe iray tao Roseto degli Abruzzi, dia nanao izao fanamarihana izao ny mpitantana toeram-pitobiana an-kalamanjana iray: “Nomarihiko fa tena manao ny marina eo amin’izay rehetra ataony ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny herinandro lasa teo, dia nisy 40 tamin’izy ireo teto amin’ny toeram-pitobiana an-kalamanjana iadidiako, ary tsy nampitranga zava-manahirana izy ireo. Mifanohitra amin’izany aza fa, izy ireo no hany tonga milaza aminao raha misy olona fanampiny mihoatra mijanona ao amin’ny fiara-pilasiany na ao an-dainy. Amiko, dia ireo no clients tsara indrindra mety ho azonao.”
▪ Taorian’io fivoriambe io ihany, dia izao no nolazain’ny mpitantana hotely fatoriana iray: “Milamindamina avokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy be kotaba izy ireo, ary mandeha matory aloha be. Tena tsara fanahy sy manao ny marina ary mitondra tena tsara tokoa izy ireo. Hahafinaritra raha sahala amin’izy ireo avokoa ny olon-drehetra. Ny hafa dia mangalatra ny zava-drehetra — ireo vazy, ireo fitoeran-tain-tsigara, ary na dia ny taratasy fivoahana sy ny siramamy aza! Mbola tsy nisy zavatra toy izany nitranga taminareo. Rehefa maka glace avy ao anaty vata fampangatsiahana ny zanakareo amin’ny takariva, dia tsy misahirana hanamarina izay nalain’izy ireo aho. Ataony kajy izay tokony homeny ahy, dia tonga mandoa vola avy hatrany izy ireo. Matoky tanteraka azy ireo aho. Hahafinaritra toy inona moa raha sahala amin’izany ny hafa! Raha mba Vavolombelon’i Jehovah avokoa mantsy ny vahiny rehetra ato amin’ny hoteliko.”
Fantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah any Italia, toy ny any amin’ny faritra maro hafa amin’ny tany. ‘Tsara fitondran-tena izy ireo eo amin’ny jentilisa’ ka amin’izany dia mitondra fiderana ho an’ilay Andriamanitra marina tompon’ilay anarana entin’izy ireo. — 1 Petera 2:12.