Ny Fielezan’ny Firaiketana Amim-pototra
FIRAIKETANA AMIM-POTOTRA ( fondamentalisme) — vao am-polony taona vitsivitsy lasa izay, izy io dia tsy inona fa fihetsiketsehana nataon’ny vitsy an’isa tao amin’ny Fivavahana Protestanta. Niova tokoa ny tarehin-javatra! Nanoratra i Bruce B. Lawrence, mpivaofy teny momba ny fivavahana, fa, 30 taona lasa izay, dia vitsy ny ho nahatsinjo mialoha hoe, amin’ny faran’ny taonjato faha-20 anie ny firaiketana amim-pototraa dia hanjary foto-dresaka lehibe aoka izany sy tafahoatra mihitsy aza ho an’ny fampitam-baovao sy ho an’ny fikarohan’ny oniversite.
Izany anefa no nitranga. Mampahatsiaro lalandava ny asan’ny mpiraikitra amim-pototra, ireo tatitra an-gazety momba ny fihetsiketsehana feno herisetra eny amin’ny arabe, vonoana olona, fihetsiketsehana anoherana ny fanalana zaza, tetik’ady ara-politika ataon’ny antokon’olona mpivavaka mpanao tery vay manta, ary fandoroana ampahibemaso boky heverina ho miteny ratsy an’Andriamanitra. Nilaza ilay gazety italiana momba ny toe-karena mpivoaka isan-kerinandro hoe Mondo Economico fa saiky hatraiza hatraiza ny firaiketana amim-pototra dia “voarohirohy amin’ny fanafihana amin’ny anaran’Andriamanitra”.
Matetika ireo mpiraikitra amim-pototra no lazalazaina ho mpanao zavatra mihoa-pampana sy mirehitra tafahoatra, mahatonga fikomiana sy manatontosa fanafihan’ny mpampihorohoro. Velom-panahiana ny olona manoloana ny fitomboan’ny antoko toy ny Comunione e Liberazione ao amin’ny Fivavahana Katolika Romana, sy ny Gush Emunim ao amin’ny Jodaisma, ary ny Christian Coalition ao amin’ny Fivavahana Protestanta any Amerika Avaratra. Nahoana no miely ny firaiketana amim-pototra? Inona no manosika azy io? Sao dia io “ilay valy fatin’Andriamanitra”, araka ny soso-kevitr’i Gilles Kepel, sosiology frantsay?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny mpiraikitra amim-pototra iray dia olona izay mitana amin’ny fomba hentitra ireo fari-pitsipika ara-pivavahana nentim-paharazana, nisy hatramin’izay. Hodinihina amin’ny fomba feno kokoa ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny dikan’ny hoe “firaiketana amim-pototra”.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Nina Berman/Sipa Press