Ny Baiboly Gothique — Zava-bita Miavaka Iray
IREO Goths dia konfederasiona iray tao amin’ireo foko germanique, azo inoana fa niandoha tany Scandinavie. Tamin’ireo taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, izy ireo dia nifindra monina tany amin’ny farany atsimo toy ny Ranomasina Mainty sy ny renirano Danube, hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Empira Romana mihitsy.
Ny asa haisoratra voalohany natao tamin’izay mety ho fiteny germanique dia ny Baiboly Gothique. Amin’izao andro izao, dia tsy misy afa-tsy sombintsombiny amin’io fandikan-teny iio. Mitoetra ho fandikan’ny Soratra Masina tsy manam-paharoa sy sarobidy anefa izy io. Nahoana?
I Ulfilas — Misionera sady mpandika ny Baiboly
Ny mpandika io Baiboly io dia i Ulfilas, izay fantatra koa tamin’ny anarany gothique hoe Wulfila. Araka ny voalazan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Philostorgius, i Ulfilas dia taranaka babo azo tamin’ny fanafihana nataon’ny Goths tany Kapadokia, izay tapany atsinanan’i Torkia amin’izao fotoana izao. Teraka tamin’ny 311 am.f.i. tany ho any izy, ka notendren’i Eusèbe avy tany Nicomedia, 30 taona tatỳ aoriana, ary nampiofanina mba hiasa toy ny misionera teo amin’ireo Goths.
“Mba hampianarana sy hampitomboana ny isan’ireo olona novany finoana”, hoy i Will Durant, mpanoratra tantara, “dia nadikany tamim-paharetana ny Baiboly rehetra, afa-tsy ny Bokin’ny Mpanjaka ihany, avy tamin’ny fiteny grika ho amin’ny fiteny gothique.” (The Age of Faith). Amin’izao andro izao, ankoatra ny sombiny iray amin’ny bokin’i Nehemia, ny hany sora-tanana hafa amin’ny Baiboly Gothique mbola tsy potika dia ny tapany amin’ny Soratra Grika Kristiana.
Tsy fanoratra ny fiteny gothique. Noho izany, i Ulfilas dia niatrika zava-tsarotra teo amin’ny fandikan-teny, dia zava-tsarotra izay nitaky fahaizana mahita hevitra hafakely. Nolazain’ireo mpanoratra tantaram-piangonana fahiny fa izy no namorona ny abidy gothique misy famantarana 27, izay miorina voalohany indrindra amin’ny abidy grika sy latina. Ambonin’izany, marihin’ny The New Encyclopædia Britannica fa “izy no namorona fitenenana manokana fampiasan’ny Kristiana amin’ny fiteny germanique, ka ny sasany amin’izany dia mbola ampiasaina”.
Tantaran’ny Baiboly Gothique tany am-boalohany
Namita ny fandikan-teny nataony talohan’ny 381 am.f.i. i Ulfilas, ary maty roa na telo taona tatỳ aoriana. Ny fitiavan’ny besinimaro ny asa nataony dia hamarinin’ny The Encyclopedia Americana, izay milaza fa “ilay fandikan-teny dia mazàna nampiasain’ireo Goths izay nifindra monina tany Espaina sy Italia”. Raha tsaraina amin’ny isan’ireo sombintsombiny sisa tavela tokoa, dia hita fa nisy kopia maro natao tamin’io Baiboly Gothique io. Azo inoana fa sora-tanana maromaro no natao tao amin’ireo scriptoria tany Ravenne sy Vérone, tany amin’ny faritra nanorenan’ireo Goths ny fanjakany. Ireo scriptoria dia efitrano tao amin’ny monasitera izay nanoratana sy nanaovana kopia an’ireo sora-tanana.
Tonga tamin’ny fiafarany tamin’ny naha-firenena azy ny Goths, tamin’ny 555 am.f.i. tany ho any, rehefa nandresy indray an’i Italia ny emperora Justinien I, avy tany Byzance. Taorian’ny fialan’ny Goths, hoy i Tönnes Kleberg, “ny fiteny gothique sy ireo fomban-drazana gothique tany Italia dia nanjavona, zara raha namela soritra. Tsy nisy nilana azy intsony ireo sora-tanana tamin’ny fiteny gothique. (...) Tamin’ny ampahany lehibe, dia natokana izy ireo ary nokikisana mba hanesorana ilay soratra. Ireo hodi-biby fanoratana izay lafo vidy dia nampiasaina indray avy eo mba hanoratana foto-kevitra vaovao.”
Sora-tanana sisa tavela
Tsy voafafa tsara ny sasany tamin’ireny sora-tanana ireny, ka namela ny soratra tany am-boalohany mbola hita nanjavozavo. Maromaro tamin’ireny palimpsestes ireny, araka ny iantsoana azy ireo, no hita sy niezahana novakina. Tamin’ny fomba niavaka, dia voatahiry tsy simba ilay Kodeksa Argenteus malaza izay mirakitra ny Filazantsara efatra milahatra toy izao: Matio, Jaona, Lioka sy Marka.
Io kodeksa kanto io dia noheverina fa niandoha tany amin’ny scriptorium tany Ravenne, tany am-piandohan’ny taonjato fahenina am.f.i. Antsoina hoe Kodeksa Argenteus, izany hoe “Boky Volafotsy”, izy io, noho izy nosoratana tamin’ny ranomainty volafotsy. Ny raviny vita tamin’ny hodi-biby fanoratana dia voaloko volomparasy, izay milaza fa izy io dia azo inoana fa natao ho an’ny andriana iray. Misy soratra volamena mandravaka ireo andalan-teny telo voalohany amin’ny Filazantsara tsirairay, ary koa eo amin’ny fiandohan’ny fizarana samy hafa. Ny anaran’ireo mpanoratra ny Filazantsara voasoratra amin’ny volamena koa eo ambonin’ireo “andohalambo” efatra mifanitsy izay mipetraka eo ambanin’ny tsanganan-tsoratra tsirairay amin’ilay soratra. Izy ireny dia manome fakan-teny ho amin’ny andinin-teny mifanitsy ao amin’ny Filazantsara.
Famerenana amin’ny laoniny ny soratra ao amin’ny Baiboly Gothique
Taorian’ny faharavan’ny firenena gothique, dia nanjavona ilay Kodeksa Argenteus sarobidy. Tsy hita indray io mandra-pahalalan’ny rehetra azy, teo antenatenan’ny taonjato faha-16, tao amin’ny monasiteran’i Werden, any akaikin’i Cologne, any Alemaina.
Tamin’ny taona 1569, dia navoaka ny fandikana gothique an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Izany dia nitarika ny saina ho amin’ilay Baiboly nakana azy io. Niseho tamin’ny sora-pirinty voalohany ilay anarana hoe Kodeksa Argenteus, tamin’ny 1597. Avy tany Werden io sora-tanana io dia tonga tao amin’ireo zavakanto nangonin’ny emperora tany Prague. Tamin’ny faran’ny Guerre de Trente Ans (ady ara-pivavahana naharitra 30 taona) tamin’ny 1648 anefa, dia nentin’ireo Soedoa mpandresy niaraka tamin’ny harena hafa ilay kodeksa. Hatramin’ny 1669 io kodeksa io dia nitana toerana raikitra tao amin’ny Tranom-bokin’ny Oniversiten’i Uppsala, any Soeda.
Tany am-boalohany ny Kodeksa Argenteus dia voaforon’ny raviny 336, ka ny 187 amin’izany dia ao Uppsala. Nisy raviny iray — ilay farany amin’ny Filazantsaran’i Marka — hita tamin’ny 1970 tany Speyer, any Alemaina.
Hatramin’ny fotoana nisehoan’ilay kodeksa indray, dia nanomboka nandinika ilay soratra ireo manam-pahaizana manokana mba hampiharihariana ny hevitry ny fiteny gothique efa maty. Tamin’ny fampiasana ireo sora-tanana rehetra nisy sy ireo fanandramana rehetra teo aloha mba hamerenana tamin’ny laoniny ilay soratra, ilay manam-pahaizana manokana alemanina atao hoe Wilhelm Streitberg dia nanambatra sy namoaka tamin’ny 1908 ny “Die gotische Bibel” (Ny Baiboly Gothique) misy soratra grika sy gothique eo amin’ny pejy mifanatrika.
Amin’izao andro izao, dia ny manam-pahaizana manokana indrindra no liana amin’io Baiboly Gothique io. Ny nanaovana azy io sy ny nankamamiana azy io tany am-piandohan’ny fandikana ny Baiboly anefa dia manaporofo ny faniriana sy ny fahatapahan-kevitr’i Ulfilas hanana ny Tenin’Andriamanitra voadika amin’izay natao hoe fiteny maoderina tamin’izany. Niaiky tamin’ny fomba nety izy fa tamin’izay fomba izay ihany no nahafahan’ny vahoaka gothique nanantena hahatakatra ny fahamarinana kristiana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Courtesy of the Uppsala University Library, Sweden