Ry Ray Aman-dreny, Mila Fiheverana Mampiseho Fahaizana Manokana Ireo Zanakareo
”Ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao.” — SALAMO 128:3.
1. Ahoana no azo ampitahana ny fanolokoloana ireo voly amin’ny fanabeazana ireo zanaka?
AMIN’NY lafiny maro, ireo ankizy dia mitsiry sy mitombo tahaka ireo voly. Noho izany, dia tsy mahagaga raha miresaka ny amin’ny vadin’ny lehilahy iray ho toy “ny voaloboka mahavokatra” ny Baiboly ary mampitaha ireo zanany amin’ny ‘zanak’oliva manodidina ny latabany’. (Salamo 128:3). Ny mpamboly iray dia hilaza aminao fa tsy mora ny manolokolo voly tanora maro be, indrindra rehefa ratsy ny toe-tany sy ny toetran’ilay tany hovolena. Toy izany koa, amin’izao “andro farany” sarotra izao, dia tena sarotra ny manabe zanaka mba hahatonga azy ho olon-dehibe mahay mandanjalanja sy matahotra an’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:1-5, NW.
2. Inona mazàna no ilaina mba hahazoana vokatra tsara?
2 Mba hijinjana vokatra tsara, dia mila tany lonaka sy hainandro ary rano ny mpamboly iray. Ambonin’ny fambolena sy ny fanongotana ny ahidratsy, dia tsy maintsy maka fepetra izy mba hiarovana amin’ny fanimban’ireo bibikely sy hanaovana fikarakarana ho fiarovana hafa. Mety hisy fotoan-tsarotra mandritra ny fe-potoam-pitomboan’ny voly, hatramin’ny fijinjana mihitsy. Toy inona moa ny alahelo rehefa hita fa ratsy ny vokatra! Kanefa, toy inona ny fahafaham-po mety ho tsapan’ny mpamboly iray, rehefa voajinja ny vokatra tsara taorian’ny asa mafy be dia be natao! — Isaia 60:20-22; 61:3.
3. Ahoana no itovian’ireo voly amin’ireo ankizy eo amin’ny maha-zava-dehibe azy, ary karazana fiheverana inona no tokony ho azon’ireo zanaka?
3 Azo antoka fa mbola sarobidy kokoa noho ny vokatra azon’ny mpamboly iray ny fiainan’olombelona mahomby sy mahavoka-tsoa iray. Noho izany, dia tsy mahagaga raha mitaky fotoana sy ezaka be kokoa mihitsy aza ny fanabeazana zaza iray amim-pahombiazana noho ny fanolokoloana fambolena miroborobo iray. (Deoteronomia 11:18-21). Ny zazakely iray nambolena tao amin’ny zaridainan’ny fiainana, raha voatondraka sy voakolokolo tamim-pitiavana sy nomena fefy mahasoa tsy azo ihoarana, dia ho afaka hitsiry sy hivelatra ara-panahy na dia ao anatin’ny tontolo iray marary ara-pitondran-tena aza. Raha entina amin’ny fomba ratsy na ampahorina anefa ilay zaza, dia hilofika anaty izy ary mety ho faty ara-panahy. (Kolosiana 3:21; ampitahao amin’ny Jeremia 2:21; 12:2.) Tsy azo lavina fa samy mila fiheverana mampiseho fahaizana manokana ny ankizy rehetra!
Fiheverana isan’andro raha mbola zazakely
4. Karazana fiheverana inona no ilain’ireo zanaka “raha mbola zazakely” izy?
4 Tsy maintsy manome fiheverana saiky tsy an-kijanona ho an’ny zaza vao teraka iray ireo ray aman-dreny. Moa ve anefa tsy mila afa-tsy fiheverana ara-batana na ara-nofo fotsiny isan’andro ilay zazakely? Nanoratra toy izao ho an’i Timoty mpanompon’Andriamanitra ny apostoly Paoly: “[Raha mbola zazakely, NW ] hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena”. (2 Timoty 3:15). Noho izany, ny fiheveran-dray aman-dreny azon’i Timoty raha mbola zazakely mihitsy izy dia ara-panahy koa. Oviana anefa no manomboka ny maha-zazakely?
5, 6. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ireo any am-bohoka? b) Inona no manaporofo fa tokony hiahy ny amin’izay hahasoa ny zaza any am-bohoka ireo ray aman-dreny?
5 Ny teny grika (breʹphos) nampiasain’i Paoly eto dia mihatra koa amin’ny zaza iray any am-bohoka. Nilaza tamin’i Maria havany toy izao i Elizabeta, renin’i Jaona Mpanao Batisa: “Raha voa ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny [zazakely, NW ] [breʹphos] ato an-kiboko.” (Lioka 1:44). Araka izany, na dia ny zaza any am-bohoka aza dia antsoina hoe zazakely, ary asehon’ny Baiboly fa afaka manao zavatra ho setrin’izay mitranga eny ivelan’ny kibo izy ireo. Noho izany, moa ve ny fikarakarana alohan’ny fahaterahana, izay ampirisihana hatao matetika amin’izao andro izao, tokony hahatafiditra ny fiheverana izay hahasoa ara-panahy an’ilay zazakely ao am-bohoka?
6 Zavatra tsy maintsy heverina izany, satria misy porofo mampiharihary fa ny zaza ao am-bohoka dia afaka, na handray soa amin’izay reny, na ho simba noho izany. Ny mpitarika mpitendry zavamaneno iray dia nahatsapa fa nahazatra ny sofiny tamin’ny fomba nahagaga ireo feon-kira maro samihafa nanaovany famerenana, indrindra fa ny tapany notendrena tamin’ny violoncelle. Rehefa nolazainy an-dreniny, izay manam-pahaizana manokana amin’ny fitendrena violoncelle, ny anaran’ireo feon-kira, dia nambaran’io fa ireo feon-kira ireo indrindra no nanaovany famerenana fony izy nitondra vohoka azy. Toy izany koa fa mety hiharan’ny vokatra manimba ireo zaza ao am-bohoka rehefa zatra mijery tantara mitohy ao amin’ny televiziona ny renin’izy ireo. Araka izany, dia niresaka ny amin’ny “fanandevozan’ny tantara mitohy hatrany am-bohoka” ny gazety ara-pitsaboana iray.
7. a) Ahoana no nanomezan’ny ray aman-dreny maro fiheverana ny amin’izay hahasoa ireo zanany tany am-bohoka? b) Fahaizana manao zavatra inona avy no ananan’ny zaza iray?
7 Noho ny fahatakaran’ny ray aman-dreny maro ny soa entin’ny fandrisihana manorina ho an’ireo zazakely, dia manomboka mamaky teny sy miresaka ary mihira mamin’ny zanany izy ireo na dia alohan’ny hahaterahan’izy io aza. Afaka manao toy izany koa ianao. Na dia mety tsy hahazo ny teninao aza ny zanaka kelinao, dia azo inoana fa handray soa izy amin’ny feonao mampitony sy ny teo-peonao maneho fitiavana. Aorian’ny nahaterahany, dia hanomboka hahazo ny teninao ilay zaza, angamba aloha be kokoa noho izay heverinao aza. Ao anatin’ny roa na telo taona monja, ny zaza iray dia mianatra fiteny be kojakojany iray amin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny olona mampiasa azy io fotsiny. Afaka manomboka mianatra ny ‘fiteny madion’ny’ fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ny zazakely iray. — Zefania 3:9, NW.
8. a) Voaporofo fa inona no tian’ny Baiboly holazaina rehefa milaza izy fa nahalala ny Soratra Masina “raha mbola zazakely” i Timoty? b) Inona no hita fa marina momba an’i Timoty?
8 Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa ‘nahalala ny Soratra Masina raha mbola zazakely’ i Timoty? Voaporofo fa ny tiany holazaina dia hoe i Timoty dia nandray fampiofanana ara-panahy, fa tsy hoe nanomboka tamin’ny fotoana fahazazany fotsiny. Izany dia mifanaraka amin’ny hevitr’ilay teny grika hoe breʹphos, izay manondro zaza vao teraka iray, amin’ny ankapobeny. (Lioka 2:12, 16; Asan’ny Apostoly 7:19). Nahazo fampianarana ara-panahy avy tamin’i Eonika reniny sy i Loisa renibeny i Timoty, nanomboka tamin’ny fotoana ela indrindra tadidiny. (2 Timoty 1:5). ‘Ny hazo no vanon-ko lakana, hono, dia ny tany naniriany no tsara’, hoy ny fitenenana. Azo antoka fa nihatra tamin’i Timoty izy io. ‘Nozarina tamin’ny lalana tokony halehany’ izy, ary vokatr’izany dia tonga mpanompon’Andriamanitra tsara dia tsara. — Ohabolana 22:6; Filipiana 2:19-22.
Fikarakarana mampiseho fahaizana manokana ilaina
9. a) Inona no tokony hohalavirin’ireo ray aman-dreny ny fanaovana azy, ary nahoana? b) Arakaraka ny hitomboan’ny zanaka iray dia inona no ilain’ireo ray aman-dreny hatao, ary ohatra inona no tokony harahin’izy ireo?
9 Mitovy amin’ny voly koa ireo zanaka satria tsy ary manana toetra mitovy avokoa izy rehetra, na hoe mandray tsara ny fomba fikarakarana mitovy izy ireo. Hanaja ireo fahasamihafana ary hanalavitra ny fampitahana ny zanaka iray amin’ny iray hafa ireo ray aman-dreny hendry. (Ampitahao amin’ny Galatiana 6:4.) Raha tianareo ny hivelaran’ireo zanakareo ho tonga olon-dehibe salama tsara amin’ny lafiny rehetra, dia ilainareo ny mandinika ireo lafin-toetra mampiavaka azy ka hanolokolo ireo tsara ary hanongotra ireo ratsy. Ahoana raha mahatsikaritra fahalemena na fironana tsy mety ianareo, angamba fironana hanao ny tsy marina, fitiavana fatratra zavatra ara-nofo na fitiavan-tena? Ahitsio amin-katsaram-panahy izany, tahaka ny nanitsian’i Jesosy ny fahalemen’ireo apostoliny. (Marka 9:33-37). Anaovy teny fiderana manokana tsy tapaka ny zanaka tsirairay, noho ireo lafin-toetra mampahatanjaka azy ireo sy ireo lafin-toetrany tsara.
10. Inona no tena ilain’ireo zanakareo, ary ahoana no azo hanomezana azy io?
10 Izay tena ilain’ireo zanaka dia fiheverana manokana feno fitiavana. Naka fotoana i Jesosy mba hanomezana an’ireo ankizy madinika fiheverana manokana toy izany, na dia nandritra ireo andro farany feno zavatra natao tamin’ny fanompoany aza. (Marka 10:13-16, 32). Ry ray aman-dreny, araho izany ohatra izany! Amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena dia makà fotoana hiarahana amin’ireo zanakareo. Ary aza menatra mampiseho tena fitiavana marina aminy. Sakambino izy ireo, tahaka ny nataon’i Jesosy. Fihino sy orohy amin-kafanana sy amim-pitiavana izy ireo. Rehefa nanontaniana ireo ray aman-drenin’ireo olon-dehibe tanora mahay mandanjalanja, ny amin’ny torohevitra azon’izy ireo omena ny ray aman-dreny hafa, dia izao no anisan’ny valin-teny nomena matetika indrindra: ‘Tiavo be dia be izy ireo’, ‘ampitomboy ny fifanajana’, ‘tena henoy izy ireo’, ary ‘aoka ianareo hijery ny zavatra araka ny tena izy’.
11. a) Ahoana no tokony hiheveran’ireo ray aman-dreny ny fanomezana fiheverana mampiseho fahaizana manokana ny zanak’izy ireo? b) Amin’ny fotoana toy inona no mety hahafahan’ny ray aman-dreny hanana fifampiresahana sarobidy amin’ireo zanany?
11 Afaka ny ho fifaliana ny fanomezana fiheverana mampiseho fahaizana manokana toy izany. Toy izao no nosoratan’ny ray nahomby iray: “Fony mbola kely kokoa ireo zanakay roa lahy, dia fahafinaretana ny fanomanana azy ireo hatory, sy ny famakiana zavatra ho azy ireo, sy ny fandrakofana tsara azy ireo, ary ny fiarahana nivavaka tamin’izy ireo.” Ny fotoana iarahana toy izany dia manome fahafahana hifampiresaka, ary sady afaka hampahery ny ray aman-dreny no afaka hampahery ny zanaka. (Ampitahao amin’ny Romana 1:11, 12.) Nihaino ny zanany telo taona nangataka an’Andriamanitra mba hitahy an’i “Wally” ary nahazo fampaherezana lehibe ireo ray aman-dreny rehefa takany fa ireo rahalahy tany Malawi no tiany hambara. Niharam-panenjehana izy ireo tamin’izay fotoana izay. Hoy ny vehivavy manambady iray: ‘Fony vao efa-taona monja aho, dia nampian’ny reniko mba hitadidy andinin-teny sy hanao hiran’ilay Fanjakana. Natao izany nandritra ny fotoana nijoroako teo ambony seza mba hamafa ireo lovia voasasany.’ Afaka misaintsaina ireo fotoana hahafahanareo hanao fifampiresahana sarobidy amin’ireo zanakareo ve ianareo?
12. Inona no homen’ireo ray aman-dreny kristiana amim-pahendrena an’ireo zanany, ary fomba fanaovan-javatra inona avy no azo ampiasaina?
12 Mandamina fandaharam-pianarana tsy tapaka ireo ray aman-dreny kristiana hendry. Na dia mety hampiasa ilay fomba fanao miorina amin’ny fanontaniana sy valiny aza ianareo, ho azonareo atao ve ny hanampy fifampiresahana mahafinaritra, indrindra ho an’ireo zanaka kely kokoa, amin’ny fampifanarahana ireo fotoam-pianarana amin’ny tarehin-javatra misy? Hety ny hampidiranareo fanaovana sary ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly, na filazana fitantarana ao amin’ny Baiboly, na fihainoana tatitra iray nasainareo nomanin’ilay zanaka. Ataovy izay azonareo atao mba hahatonga ny Tenin’Andriamanitra hanintona sy hahaliana an’ireo zanakareo, hany ka hampitombo faniriana mafy azy io izy ireo. (1 Petera 2:2, 3). Hoy ny ray iray: ‘Fony mbola kely kokoa ireo ankizy dia niara-nandady tamin’izy ireo teo amin’ny gorodona izahay, ary nanao fampisehoana tantara nahatafiditra olo-malaza ao amin’ny Baiboly. Tian’ny ankizy ilay izy.’
13. Inona no maha-sarobidy ireo fotoana anaovana fanazaran-tena, ary inona no mety hanaovanareo fanazaran-tena mandritra izany fotoana izany?
13 Mitarika ho amin’ny fifampiresahana sarobidy koa ireo fotoana anaovana fanazaran-tena, satria izy ireny manampy ireo tanora hiomana ho amin’ny tarehin-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Ny anankiray tamin’ireo zanak’i Kusserow — izy 11 dia nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra nandritra ny fanenjehana nataon’ny Nazia — dia nilaza toy izao momba ny ray aman-dreniny: “Nasehony anay ny fomba hanaovan-javatra sy ny fomba hiarovanay tena amin’ny alalan’ny Baiboly. [1 Petera 3:15]. Matetika izahay dia nanana fotoana nanaovana fanazaran-tena izay nampipoirana fanontaniana sy nanomezana valiny.” Nahoana raha manao zavatra mitovy amin’izany? Azonareo atao ny manao fampisehoana mikasika ny fanompoana, ka maka ny toeran’ny tompon-trano amin’izany ny ray na ny reny. Na mety hiresahana ny amin’ireo fakam-panahy tena misy eo amin’ny fiainana ilay fotoana anaovana fanazaran-tena. (Ohabolana 1:10-15). “Afaka manorina fahaizana manao zavatra sy fatokian-tena ao amin’ny ankizy iray ny fanazaran-tena amin’ny tarehin-javatra sarotra”, hoy ny fanazavan’ny vehivavy iray. “Ilay fanazaran-tena dia mety hahatafiditra ny fakana ny toeran’ny namana iray manolotra sigara na zava-pisotro misy alkaola na zava-mahadomelina ho an’ny zanakareo.” Ireny fotoana ireny dia ho afaka hanampy anareo hahita mazava ny fihetsiky ny zanakareo ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany.
14. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ireo resaka amim-pitiavana sy amim-pangoraham-po ataonareo miaraka amin’ireo zanakareo?
14 Mandritra ny fifampiresahana amin’ny zanakareo, dia ataovy izay handrisihana azy hanana fihetsika tsara, amin’ny fomba mampiseho fangoraham-po sahala amin’ny an’ilay nanoratra ireto teny ireto: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” (Ohabolana 3:1, 2). Moa ve tsy hanohina ny fon’ny zanakareo izany, raha hazavainareo amim-pitiavana fa mitaky fankatoavana ianareo satria hitarika ho amin’ny fananany fiadanana sy taona ela iainana izany — raha ny marina dia fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hisian’ny fiadanana? Anehoy fiheverana ny toetra maha-izy ny zanakareo, rehefa manjohy hevitra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ianareo. Ataovy amim-pahatsorana izany, ary hitahy ny fiezahanareo i Jehovah. Azo inoana fa hitondra vokatra tsara dia tsara sy soa maharitra ny resaka miorina amin’ny Baiboly maneho fitiavana sy fangoraham-po toy izany. — Ohabolana 22:6.
15. Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny manampy ireo zanany handamina zava-manahirana?
15 Na dia tsy mitranga mandritra ny fotoam-pianarana nokasainareo aza ny fifampiresahana toy izany, dia aoka ianareo tsy ho voahelingelin’ny raharaha hafa. Henoy amim-pitandremana, tsy izay lazain’ny zanakareo fotsiny fa ny fomba hilazany ilay hevitra koa. “Jereo ilay zanakareo”, hoy ny manam-pahaizana manokana iray. “Omeo ny fiheveranao feno izy. Ilainareo ny mahatakatra tsara ny heviny fa tsy ny mandre izany fotsiny. Tena zava-dehibe ho an’ny fiainan’ireo zanany ny fikelezan’ireo ray aman-dreny aina hanao izany ezaka fanampiny izany.” Amin’izao andro izao, ireo ankizy dia matetika no tojo zava-manahirana lehibe any an-tsekoly sy any an-toeran-kafa. Amin’ny maha-ray na reny anareo, dia ataovy izay hiresahan’ilay zanaka tsy amim-pihambahambana ary ampio izy hihevitra ireo zavatra araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Raha tsy azonareo antoka ny fomba handaminana ilay zava-manahirana, dia manaova fikarohana ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, NW ). Na manao ahoana na manao ahoana, dia omeo ny fiheverana rehetra mampiseho fahaizana manokana ilaina ny zanakareo mba handaminana ilay zava-manahirana.
Ankamamio ny fotoana hiarahanareo
16, 17. a) Nahoana ireo tanora no mila indrindra fiheverana mampiseho fahaizana manokana sy fampianarana amin’izao andro izao? b) Inona no ilain’ireo zanaka hofantarina rehefa fehezin’ny ray aman-dreniny izy ireo?
16 Amin’izao andro izao, ireo tanora dia mila fiheverana mampiseho fahaizana manokana bebe kokoa noho ny hatramin’izay, satria miaina amin’ny “andro farany” isika, ary “fotoan-tsarotra” izao. (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:3-14). Ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka dia samy mila ny fiarovana omen’ny fahendrena marina izay “maharo ny ain’ny manana azy”. (Mpitoriteny 7:12). Koa satria mahatafiditra ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny fahalalana miorina amin’ny Baiboly ny fahendrena araka an’Andriamanitra, dia ilain’ireo zanaka ny fampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka. Noho izany, dia mianara ny Soratra Masina miaraka amin’ireo zanakareo. Lazao amin’izy ireo ny amin’i Jehovah, hazavao amim-pitandremana ireo zavatra takiny, ary ataovy izay hisian’ny fiandrasana mahafaly, dia ny fahatanterahan’ireo fampanantenany lehibe. Resaho ny zavatra toy izany ao an-tokantrano, sy rehefa miara-mandeha amin’ireo zanakareo ianareo — raha ny marina dia amin’ny fotoana mety rehetra. — Deoteronomia 6:4-7.
17 Fantatr’ireo mpamboly fa tsy maniry tsara eo amin’ny toe-javatra mitovy ny voly rehetra. Mila fikarakarana mampiseho fahaizana manokana ireo voly. Toy izany koa fa samy hafa ny ankizy rehetra, ary mila fiheverana mampiseho fahaizana manokana sy fampianarana ary fifehezana izy ireo. Ohatra, ny fijery mampiseho tsy fankasitrahana avy amin’ny ray na reny iray, dia mety ho ampy mba hanapahana ny lalan-dratsin’ny zanaka iray, kanefa dia mety hila fifehezana mafy kokoa ny hafa iray. Ilain’ireo zanakareo rehetra anefa ny mahafantatra ny antony tsy nahafaly anareo tamin’ny teniny na zavatra nataony sasany, ary tokony samy hiara-miasa ny ray sy ny reny mba tsy hiovaova ny fifehezana. (Efesiana 6:4). Tena zava-dehibe indrindra ny hanomezan’ireo ray aman-dreny kristiana fitarihana mazava izay mifanaraka amin’ny Soratra Masina.
18, 19. Inona no andraikitr’ireo ray aman-dreny kristiana amin’ireo zanany, ary inona no azo inoana fa ho vokany raha vita tsara izany asa izany?
18 Tsy maintsy manao ny asa fambolena sy fanolokoloana amin’ny fotoana mety ny mpamboly iray. Raha mangataka andro na manao tsirambina ny voliny izy, dia hijinja kely na tsy hijinja na inona na inona. Eny, ireo zanakareo dia “voly” eo am-pitomboana, izay mila fiheverana mampiseho fahaizana manokana dieny izao, fa tsy amin’ny volana manaraka, na amin’ny taona ho avy. Aza mamela handalo ireo fahafahana sarobidy hampandrosoana ny fitomboan’izy ireo ara-panahy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary hanongotana ireo hevitra araka an’izao tontolo izao izay afaka hampilofika sy hamono azy ireo ara-panahy. Ankamamio ny ora sy andro hanananareo tombontsoa holanina miaraka amin’ireo zanakareo, satria mihelina ireny fotoana ireny. Miasà mafy mba hanolokoloana ao amin’ny zanakareo ireo toetra araka an’Andriamanitra ilaina mba hananana fiainana sambatra amin’ny maha-mpanompo mahatokin’i Jehovah. (Galatiana 5:22, 23; Kolosiana 3:12-14). Tsy asan’olon-kafa izany; asanareo izany, ary afaka manampy anareo mba hanao izany Andriamanitra.
19 Omeo lova ara-panahy manana amby ampy ireo zanakareo. Mianara ny Tenin’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo, ary manàna fialam-boly mahasoa miaraka. Ento any amin’ny fivoriana kristiana ireo zanakareo ary ataovy eo anilanareo izy eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Aoreno, ao amin’ireo zanaka malalanareo, ilay karazana toetra maha-izy izay ahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah, ary tena azo inoana fa hitondra fifaliana lehibe ho anareo izy ireo, amin’ny fiainana any aoriana. Raha ny marina dia “hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao”. — Ohabolana 23:24, 25.
Valisoa sarobidy iray
20. Inona no fanalahidin’ny fahatongavana amin’ny fahombiazana ho an’ny ray na reny manabe zatovo?
20 Asa nanendrena sarotra tontosaina sy lavitra ezaka ny fanabeazana anaka. Nantsoina hoe fandaharam-panabeazana 20 taona ny fanolokoloana ireny ‘zanak’oliva manodidina ny latabatrareo ireny’ mba hahatongavany ho olon-dehibe matahotra an’Andriamanitra sy mamokatra ny voan’ilay Fanjakana. (Salamo 128:3; Jaona 15:8). Mazàna dia manjary mafy kokoa io fandaharam-panabeazana io rehefa mahatratra ireo taona maha-zatovo ireo zanaka, rehefa mitombo ny fanerena mihatra amin’izy ireo matetika, ary hitan’ny ray aman-dreny fa ilaina ny manamafy ny ezaka ataony. Tsy miova anefa ny fanalahidin’ny fahombiazana: ny mihaino tsara sy ny ho mafana ary ny hahay hahatakatra ny fiheviny. Tadidio fa tena mila fiheverana manokana ireo zanakareo. Azonareo atao ny manome azy ireo fiheverana toy izany, amin’ny fampisehoana tena fiahiana feno fitiavana marina, ho tombontsoan’izy ireo. Mba hanampiana azy ireo, dia tsy maintsy mikely aina ianareo amin’ny fanomezana ny fotoana sy ny fitiavana ary ny fiahiana izay tena ilainy.
21. Inona no mety ho valisoan’ny fanomezana fiheverana mampiseho fahaizana manokana an’ireo zanaka?
21 Afaka mitondra fahafaham-po betsaka lavitra noho izay mety ho vokatra tondraka azon’ny mpamboly iray, ny valisoa raisinareo noho ny ezaka nataonareo hikarakarana ireo vokatra sarobidy nankinin’i Jehovah taminareo. (Salamo 127:3-5). Noho izany àry, ry ray aman-dreny, dia manohiza manome fiheverana mampiseho fahaizana manokana an’ireo zanakareo. Ataovy izany ho tombontsoan’izy ireo ary ho voninahitr’i Jehovah, Raintsika any an-danitra.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no azo ampitahana ny fanolokoloana ireo voly amin’ny fanabeazana ireo zanaka?
◻ Karazana fiheverana inona no tokony ho azon’ny zanaka iray isan’andro raha mbola zazakely izy?
◻ Fikarakarana mampiseho fahaizana manokana inona no ilain’ireo zanaka, ary ahoana no azo anomezana azy io?
◻ Nahoana no manome fiheverana mampiseho fahaizana manokana an’ireo zanakareo?