‘Ny Raviny Iray Monja dia Afaka Mamaky ny Haizina, toy ny Kintana Iray’
AMIN’IZAO andro izao, ireo fandikan-tenin’ny Soratra Masina dia saiky azon’ny rehetra ampiasaina. Ady aman’aina anefa matetika ny ady natao tamin’ny Baiboly.
Ao amin’ilay boky hoe Fifteenth Century Bibles, dia nanoratra toy izao i Wendell Prime: “Telopolo taona taorian’ny famoronana ny fanaovana pirinty, dia teo am-perinasa tamin’ny fomba nahomby tanteraka ny Inquisition tany Espaina. Tamin’ireo olona 342 000 nosaziny tao amin’io tany io, dia 32 000 no nodorana velona. Ny fananana Baiboly no nitondra azy ireo tany amin’ny lelafon’ny fanaovana ho maritiora. Nahatsiravina nitovy tamin’izany koa io fitaovana fandringanana io tany Italia, tany avaratra sy tany atsimo. Ireo arseveka, nampian’ny Inquisition, dia afo nandevona ho an’ny Baiboly sy ny mpamaky azy. Nataon’i Néron izay hamirapiratan’ny Kristiana sasany toy ny fahazavana teo amin’izao tontolo izao, tamin’ny fandrehetana azy ireo voazaitra tao anaty kitapo voahosotra godorao, sy tamin’ny fampiasana azy ireo ho toy ny fanilo mba hanazavana ny toeram-pilibany. Ireo arabe tany amin’ireo tanànan’i Eoropa anefa dia nirehitra nidedadeda noho ireo Baiboly nanaovana afon-dasy. Ny Baiboly anefa dia tsy sahala amin’ireo mpamaky azy izay azo nampahantraina, nampiboridanina, nampijalijalina, notapahina ratsambatana sy nailiky ny tany ama-monina. Na dia ny ravina iray sisa tavela aza dia afaka mamaky ny hamaintin’itỳ haizina itỳ, toy ny kintana iray.” (Izahay no manao sora-mandry.)
Izay lazalazain’i Prime mpanoratra dia tena niseho tokoa tamin’ilay pejin’ny Baiboly natao an-tsary eto. Izy io dia ny pejy farany, izany hoe ilay pejy famaranana ny boky, izay misy soratra mampahafantatra ny mpandika teny. Ireo tsanganan-tsoratra roa mifanitsy erỳ ambony dia ireo andininy farany amin’ny Apokalypsy, na ny bokin’ny Fanambarana.
Mikasika io boky io, dia izao no ambaran’ny The Cambridge History of the Bible: “Ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny catalan nataon’i Bonifacio Ferrer, dia natao pirinty tany Valence tamin’ny 1478; nopotehin’ny Inquisition avokoa izay kopia rehetra nisy, talohan’ny 1500, kanefa nisy raviny iray sisa tavela any amin’ny tranom-bokin’ny Fikambanana Espaniola any Amerika.” (Izahay no manao sora-mandry.)
Nanamarika toy izao koa i Wendell Prime: “Ho an’ireo mpitondra fivavahana raiki-tahotra, dia tsy nisy Baiboly tsara afa-tsy ny Baiboly may ihany. Ireny afo masina ireny dia ho natetika lavitra sy ho namirapiratra lavitra raha nisy Baiboly nataina bebe kokoa. Tany amin’ny toerana maro dia tsy nisy Baiboly nanaovana afon-dasy satria fotsiny niambina tsara aoka izany ireo manam-pahefana, hany ka tsy nisy ny Baiboly hodorana.” Na dia teo aza izany ezaka mafy izany mba hanafoanana ny Baiboly natao ho an’ny sarambabembahoaka, dia nisy kopia maro nieren-doza tamin’ny fanapotehana. Nanampy teny toy izao i Prime: “Nisy Baiboly voaro noho izy ireny nentin’ireo natao sesitany, na noho izy ireo nafenina toy ny vatosoa sy metaly sarobidy tamin’ny fotoana nisy fahoriana sy loza.”
Nanoratra toy izao i Isaia mpaminanin’Andriamanitra: “Ahitra ny nofo rehetra (...) Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay.” (Isaia 40:6, 8). Nandritra ireo taonjato, dia nisy olona sesehena tia ny Baiboly sy mpandika teny be herim-po maro, nanao vivery zavatra maro sy nijaly mafy noho ny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka niantoka mihitsy ny fiarovana azy anefa raha izay fiezahan’olombelona fotsiny. Ny amin’io fiarovana io, dia isaorantsika ilay Mpanao ny Baiboly, dia i Jehovah.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Courtesy of The Hispanic Society of America, New York