Efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny iheveranao azy ve ny fotoana?
TELO andro talohan’ny nahafatesany, dia feno tokoa ny fandaharam-potoanan’i Jesosy tany Jerosalema, dia tamin’ny andro iray izay niharihary ho ilay misy heviny lehibe dia lehibe ho an’ny kristiana velona ankehitriny. Nampianatra tao amin’ny tempoly izy, tamin’ny fialana tamin’ireo fanontaniana feno fitaka maro be nentin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy namandrihana azy. Farany, dia namely ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo tamin’ny filazana nanindrona iray nampahafantatra azy ireo ho mpihatsaravelatsihy sy menarana ho any amin’ny Gehena, izy. — Matio, toko faha-22, 23.
Rehefa niala teo an-kianjan’ny tempoly izy, dia niteny taminy toy izao ny iray tamin’ny mpianany: “Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!” Tsy taitra akory i Jesosy niteny taminy hoe: “Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” (Marka 13:1, 2). Avy eo i Jesosy dia nandao farany ny tempoly, nidina nankeo amin’ny lohasaha Kidrona, namakivaky izany, ary nananika ny kisolasolan’ny Tendrombohitra Oliva.
Rehefa nitanina ny tara-masoandro faran’ny tolakandro teo amin’io tendrombohitra io izy, tandrifin’ny tempoly teo ambonin’ny Tendrombohitra Moria manapaka ny lohasaha, dia nanatona azy mangingina ry Petera, Jakoba, Jaona, ary Andrea. Nibahana tao an-tsain’izy ireo ny teny nolazainy ny amin’ny haharavan’ny tempoly. Nanontany toy izao izy ireo: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao [fanatrehanao, MN] sy ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN].” (Matio 24:3; Marka 13:3, 4). Tena zava-dehibe iankinan’ny aina ho antsika ny valim-panontaniana nomeny azy ireo tamin’io tolakandro io, teo an-tendrombohitra Oliva. Izany dia afaka manakana antsika tsy hiandry ela loatra vao hieritreritra ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”.
Roa sosona ny fanontanian’izy ireo. Ny lafiny iray dia momba ny farany ho an’ny tempoly sy ny fandehan-javatra jiosy; ny iray kosa nahakasika ny fanatrehan’i Jesosy ho avy amin’ny maha-Mpanjaka azy sy ny fifaranan’ity fandehan-javatra ankehitriny ity. Samy voafaoka tao amin’ny valintenin’i Jesosy ireo fanontaniana ireo, araka ny nomeny ao amin’ny Matio 24 sy 25, Marka 13, ary Lioka 21. (Jereo koa Apokalypsy 6:1-8.) Momba ny fifaranan’ity tontolo na fandehan-javatra ankehitriny ity, i Jesosy dia nilazalaza toetra mampiavaka maromaro izay, raha raisina miaraka, dia hahaforona famantarana iray misy lafiny maro hanaporofoana ny andro farany. Eo am-pahatanterahana ve izany famantarana iray misy lafiny maro izany? Moa ve izany mametraka antsika amin’ny andro farany resahina ao amin’ny Baiboly? Moa ve ny fahatanterahany mampitandrina antsika fa mety ho efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny iheverantsika azy ny fotoana?
Ny lafiny iray amin’ilay famantarana iray misy zavatra maro loha nomen’i Jesosy dia izao: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” (Matio 24:7). Tamin’ny 1914, dia nanomboka ny Ady lehibe voalohany. Nampiomanina avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany folo taona izany. Nahoana? Tamin’ny Desambra 1879, izany hoe teo amin’ny 35 taona nialoha, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) dia nilaza, niorina tamin’ny fanisan-taonan’ny Baiboly, fa ny 1914 dia ho taona fototra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Moa ve io ady io, dia ilay ady voalohany teo amin’ny ambaratonga maneran-tany tokoa, izay nahatafiditra firenena 28 tamin’ny farany, ary nahafaty olona 14 tapitrisa, nety ho fanombohan’ireo fisehoan-javatra nanatanteraka ilay famantarana misy lafiny maro nomen’i Jesosy momba ny farany? Nanaraka azy ve ireo lafiny hafa amin’ilay famantarana?
Ao amin’ny “Fanambaran’i Jesosy”, dia voalaza mialoha ny amin’io ra mandriaka io. Eto, dia misy soavaly mena sy ny mpitaingina azy ‘manaisotra ny fihavanana amin’ny tany’. (Apokalypsy 1:1; 6:4). Nitranga tokoa izany tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918. Ary vao fanombohana fotsiny ny Ady lehibe voalohany. Tamin’ny 1939, dia nanaraka ny Ady lehibe faharoa. Firenena sivy amby dimampolo no nirotsaka tao amin’izany ady izany, ary teo amin’ny 50 tapitrisa ny olona maty. Nandritra ireo 45 taona nanaraka ny Ady lehibe faharoa, dia mihoatra ny 125 ny ady natao, ka nahafaty olona maherin’ny 20 tapitrisa izany.
Ny lafiny iray hafa amin’ilay famantarana dia ny hoe: “Hisy mosary”. (Matio 24:7). Nisy mosary nihanaka nandritra sy taorian’ny Ady lehibe voalohany. Misy tatitra iray mirakitra lisitra mosary lehibe mihoatra ny 60 hatramin’ny 1914, namoizana ain’olona an-tapitrisany maro dia maro. Ambonin’izany, na dia ankehitriny aza dia ankizy 40 000 no maty isan-taona noho ny faharatsian-tsakafo sy ny aretina azo sorohina.
“Hisy horohorontany lehibe”. (Lioka 21:11). Nampihovitrovitra ny tany izy ireny taorian’ny nanombohan’ny Ady lehibe voalohany. Tamin’ny 1915, dia nisy horohorontany nanala ain’olona 32 610 tany Italia; tamin’ny 1920, dia nisy iray hafa nahafaty olona 200 000 tany Shina; tamin’ny 1923, tany Japana, dia 99 300 no maty; tamin’ny 1935, tany amin’ilay antsoina hoe Pakistan ankehitriny, dia 25 000 no namoy ny ainy; tamin’ny 1939, tany Tiorkia, dia 32 700 no maty; tamin’ny 1970, tany Peroa, dia 66 800 no maty; tamin’ny 1976, tany Shina, dia 240 000 (misy milaza hoe 800 000) no maty; tamin’ny 1988, tany Armenia, dia 25 000 no namoy ny ainy. Tena marina tokoa fa nisy horohorontany lehibe hatramin’ny 1914!
“Areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:11). Nandritra ny 1918 sy 1919, dia nisy olona teo amin’ny 1 000 000 000 nararin’ny gripa espaniola, ary maherin’ny 20 000 000 no maty. Nefa vao fiandohana fotsiny izany. Ao amin’ny tontolon’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, dia manohy manakilema sy mamono olona an-jato tapitrisany maro ny tazo, ny “Schistosomiasis”, ny hajambana avy amin’ny renirano, ny aretin-kibo mampivalana mafy, ary ireo rofy maro hafa. Fanampin’izany, ny aretim-po sy ny homamiadana dia maka ain’olona an-tapitrisany maro amboniny. Ny aretina azo avy amin’ny firaisana dia mandripaka ny olombelona. Mampihorohoro amin’izao andro izao ny loza mahafaty avy amin’ny SIDA, tombanana ho mahavoa olona iray vaovao isa-minitra, ary tsy ahitam-panafana.
“Fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna”. (Matio 24:12, MN). Mihanaka amin’ny fomba tsy hay tohaina ny tsy firaharahana lalàna hatramin’ny 1914, ary mirongatra izany amin’izao fotoana izao. Vonoana olona, fisavihana, fandrobana, adin-jiolahim-boto — ireo no matoam-baovao amin’ny gazety sy ny radiao ary amin’ny vaovao an-tsary ao amin’ny televiziona. Mandripaka tsy voasakana ny herisetra madinidinika. Tany Etazonia, dia nisy lehilahy mitam-piadiana nandefa bala zato avy tamin’ny basy fohy haingam-piasa iray tamina fitambarana ankizy mpianatra maromaro — maty ny 5 ary naratra mafy ny 29. Tany Angletera, dia nisy lehilahy adaladala iray nandripaka olona 16 tamin’ny basy fohy AK-47. Tany Kanada indray nisy lehilahy iray tsy tia vehivavy nankany amin’ny Montreal University ary nahafaty 14 tamin’ireo vehivavy tao. Ny olona toy izany dia sahala amin’ny amboadia sy ny liona ary ny bibidia, izay biby tsy misaina, teraka ho fisambotra sy famono. — Ampitahao amin’ny Ezekiela 22:27; Zefania 3:3; 2 Petera 2:12.
“Ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” (Lioka 21:26). Fotoana fohy taorian’ny nipoahan’ny baomba ataomika voalohany, dia nilaza toy izao momba ny hoavy i Harold C. Urey, manam-pahaizana momba ny siansa ataomika: “Hihinana ao anatin’ny tahotra isika, hatory ao anatin’ny tahotra, hiaina ao anatin’ny tahotra, ary ho faty ao anatin’ny tahotra.” Ny tahotra ny ady noklehera dia nampian’ny tahotra ny heloka bevava, ny mosary, ny fivadibadihan’ny toekarena, ny fikororosiana ara-pitondrantena, ny faharavan’ny fiainam-pianakaviana, ny fandotoana ny tany. Raha ny marina, ireo vaovao ratsy avoaka eo anoloantsika amin’ny alalan’ny gazety sy ny vaovao an-tsary amin’ny televiziona isan’andro, dia mampiely ny tahotra hatraiza hatraiza.
Ny apostoly Paoly koa dia nanoratra ny amin’ny toe-piainana hanjaka amin’ny andro faran’ity fandehan-javatra ity. Ny famakiana ny teniny dia tsy misy hafa amin’ny famakiana ireo vaovao isan’andro. “Aoka ho fantatrao izao”, hoy ny nosoratany, “fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.” — 2 Timoty 3:1-5.
Maharitra tsy miova ve ny zavatra rehetra “hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”?
Nanambara mialoha, lafiny hafa amin’ny andro farany, ny apostoly Petera: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” — 2 Petera 3:3, 4.
Amin’izao andro izao, izay iavian’ny andro farany, dia olona maro be no manatanteraka ny teny ara-paminaniana nosoratan’i Petera amin’ny fanarabiana sy ny fitenenana hoe: ‘Eisy! efa nitranga daholo ireo zavatra rehetra ireo taloha. Fiverimberenan’ny tantara fotsiny izany.’ Noho izany dia mandà ny fampitandremana izy ireny ary manohy “mandeha araka ny filany”. “Araka izay iriny” no ijereny fotsiny ny fahatanterahan’ireo faminaniana izay mampahafantatra mazava ny andro farany. — 2 Petera 3:5, MN.
Na dia izany aza, ireo lafin-javatra samy hafa mahaforona ilay famantarana misy zavatra maro loha nambaran’i Jesosy mialoha dia tsy mbola tanteraka indray niaraka tao anatin’ny vanim-potoana fohy toy izao sy tamin-kery toy izao, sy nisy fiantraikany nahataka-davitra toy izao mihitsy teo aloha. (Jereo indray, ohatra, ny Matio 24:3-12; Marka 13:3-8; Lioka 21:10, 11, 25, 26.) Ary tianay ny hisarika ny sainao mba hijery indrindra lafiny hafa iray mampiavaka ny andro farany lazalazaina ao amin’ny Apokalypsy.
Aoka isika hiverina any amin’ny Apokalypsy 11:18. Milaza izy io fa rehefa manomboka manapaka ny Fanjakan’i Kristy, ka tezitra ireo firenena, ary tonga ny fotoam-pitsarana, dia amin’izay i Jehovah no ‘hanimba izay manimba ny tany’. Moa ve tsy simban’ny fandotoana ny tontolo iainana amin’izao andro izao? Marina fa nampiasa ny loharanon-karena eo amin’ny tany mandrakariva ny olona mba hampanan-karena azy. Nefa, tamin’ny fanaovana toy izany, dia tsy teo amin’ny toerana nanimbana ny tany amin’ny maha-planeta azo onenana azy izy ireo. Ankehitriny, noho ny haitao siantifika nitombo hatramin’ny 1914, dia manana an’io hery io ny olombelona, ary amin’ny fangoronan-karena amim-pitiavan-tena, dia manimba ny tany tokoa izy ireny, mandoto ny tontolo iainana, ary manao izay hahatandindomin-doza ny fahafahan’ny tany hanampy amin’ny fahavelomana.
Manao toy izany amin’ny fitomboana mampahatahotra izao ny fitambaran’olona tia vola sady tia fatratra zavatra ara-nofo. Ireto ny sasantsasany amin’ireo voka-dratsiny: orana asidra, fanafanana ny planeta, fahabangana eny amin’ny sosona ôzônina, fako miavosa, antontam-pako manapoizina, famonoana ahidratsy sy famonoana katsentsitra samy mampidi-doza, faikan-javatra noklehera, menaka simba, fitobiam-pako tsy voakarakara, fandrahonana ireo karazam-biby sisa, farihy ritra, rano ambanin’ny tany voaloto, ala simba, tany voaloto, vohon-tany kaohin’ny riaka, ary setroka miteraka fahavoazana ho an’ny hazo sy ny vokatry ny tany ary koa amin’ny fahasalaman’ny olona.
Milaza toy izao ny profesora Barry Commoner: “Inoako fa izao fandotoana mitohy atao amin’ny tany izao, raha tsy sakanana, dia hanimba ny fahamendrehan’ity planeta ity amin’ny maha-toerana iainan’ny olombelona azy. (...) Ny fahasahiranana dia tsy avy amin’ny tsy fahalalana ara-tsiansa, fa avy amin’ny fitiavan-karena an-tsitrapo.” Milaza toy izao ilay boky hoe “Ny toetr’izao tontolo izao 1987 (anglisy) ao amin’ny pejy faha-5: “Nanomboka nandrahona ny maha-azo onenana ny tany mihitsy ny ambaratongan’asan’ny olombelona.” Nampitondraina ny lohateny hoe “Fifaninanana natao hamonjena ny planeta” ny fandaharana mitohitohy lehibe indrindra iray ho an’ny televizionam-bahoaka nisy fifanakalozan-kevitra tany Etazonia tamin’ny 1990.
Tsy hampitsahatra ny fandotoana na oviana na oviana ny olombelona; Andriamanitra no hanao izany rehefa hanimba izay manimba ny tany izy. Andriamanitra sy Kristy Jesosy Mpitari-tafiny any an-danitra dia hanao izany amin’ny fampiharana ny fitsarany amin’ireo firenena tia fatratra zavatra ara-nofo, amin’ny ady farany ao Haramagedona. — Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21.
Farany, dia mariho ity lafiny lehibe indrindra amin’ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany manaraka ity: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity.” (Matio 24:14, MN). Io vaovao tsara io dia manambara fa efa manjaka any an-danitra izao ny Fanjakan’Andriamanitra ary tsy ho ela dia hanao zavatra mba handringanana ity fandehan-javatra ratsy ity ka hamerina paradisa eto an-tany. Notorina ny filazantsara teo aloha, nefa tsy mbola nahatratra ny tany onenana manontolo mihitsy izany. Hatramin’ny 1914, anefa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia efa nanao izany, na dia teo aza ny fanenjehana nambaran’i Jesosy mialoha — fandraran’ny fitondram-panjakana, herisetram-bahoaka, fampidirana am-ponja, fampijaliana, ary fahafatesana maro be.
Tamin’ny 1919, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah 4 000 nitory io vaovao tsara io. Nitombo hatrany ny isan’izy ireo, hany ka tamin’ny taon-dasa, dia nihoatra ny 4 000 000 no nitory tany amin’ny tany 212, tamin’ny fiteny eo amin’ny 200, nizara Baiboly, boky, ary gazety an-jato tapitrisany maro, nitarika fampianarana Baiboly an-tapitrisany maro tany an-tokantranon’olona, ary nanao fivoriambe maro tany amin’ireo kianja malalaka any amin’ny faritra rehetra maneran-tany. Tsy azo natao mihitsy izany fitoriana goavana ny filazantsara izany talohan’ny 1914. Ny fahatanterahany amin’ny ambaratonga izay namitana azy dia nitaky fanontam-printy haingam-piasa amin’ny andro ankehitriny, fanamorana ny fivezivezena, ôrdinatera, milina “fax”, ary koa ny fandefasana entana an-tsambo sy fanamorana fifandraisana izay amin’izao androntsika izao ihany vao misy.
Nampitandremana ny amin’ny fandringanana azy ho avy ilay Jerosalema tamin’ny andron’i Jeremia; naneso fotsiny ny mponina tao aminy, nefa efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny niheverany azy ny fotoana. Amin’izao andro izao, dia manakoako ny fampitandremana mbola lehibe kokoa momba ny fandringanana ao Haramagedona, miaraka amin’ny porofo manaitra. (Apokalypsy 14:6, 7, 17-20). An-tapitrisany maro no minia tsy mihaino. Mandeha anefa ny fotoana; efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny iheveran’izy ireo azy izany. Efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny iheveranao azy ve izany?
[Sary, pejy 7]
Tamin’ny andron’i Jeremia, dia efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny niheveran’izy ireo azy ny fotoana.