Izao no fotoana tokony hitadiavana an’i Jehovah
“Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra.” — SALAMO 14:2.
1, 2. a) Ahoana no hahitan’ny maro an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina? b) Ahoana no ahafantarantsika fa mahalala ny tsy firaharahan’ny taranak’olombelona i Jehovah?
AMIN’IZAO andro izao, i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia lavin’ireo tsy mino an’Andriamanitra sy ireo misalasala ny amin’ny fisiany ary ireo mpanompo andriamani-diso mbamin’ny olona an-tapitrisany maro izay mihambo ho mino an’Andriamanitra nefa mandà azy amin’ny asany. (Titosy 1:16). Maro no mino sahala amin’i Nietzsche, filôzôfa alemanina tamin’ny taonjato faha-19, fa “maty Andriamanitra”. Moa ve i Jehovah tsy mahalala izany tsy firaharahana feno hadalana izany? Tsia, satria nanome tsindrimandry an’i Davida izy mba hanoratra toy izao: “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara”. — Salamo 14:1.
2 Nanohy toy izao i Davida: “Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra”. Eny, ilay Tompo Andriamanjaka dia mahalala ireo izay mitady hahafantatra sy hanompo azy. Araka izany, ny fitadiavantsika azy amim-pitandremana izao dia iankinan’ny aina. Izany dia hidika na, fiainana mandrakizay na, fahafatesana mandrakizay. — Salamo 14:2; Matio 25:41, 46; Hebreo 11:6.
3. Inona no fahafahana misy ho amin’ny hoavy?
3 Noho izany, dia afaka mahita isika hoe nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hanampiantsika ny hafa hitady an’i Jehovah izao. Mbola misy olona an-tapitrisany maro tsy nifanena mihitsy tamin’ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah na nandre ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana”. Ary tsy fantatsika hoe mbola ho be lavitra toy inona ny isan’ireo “olona betsaka” alohan’ny “fahoriana lehibe”. Kanefa, ho an’ny maro kokoa, dia azo antoka fa ao ny fahafahana hitady sy hahita an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny hoavy akaiky, dieny mbola tsy diso aoriana loatra. Ny fanontaniana izao dia hoe: Inona no azontsika atao mba hanampiana olona sesehena fanampiny hahita an’Andriamanitra? — Matio 24:14, MN; Apokalypsy 7:9, 14.
4, 5. Eo amin’ny fitadiavany andriamanitra iray, inona no tian’ny maro kokoa?
4 Eo am-pikarohana ny olona maro eo amin’izao tontolo izao, eo am-pikarohana inona anefa? Vitsy dia vitsy no tena mitady ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah. Aleon’ny maro andriamanitra iray mifanentana amin’ny fanirian’ny tenany sy ny fitompoany teny fantatra. Izao no nambaran’ilay mpanao fitsapana hevi-bahoaka amerikana atao hoe George Gallup: “Tsy mahita fahasamihafana loatra eo amin’ny mpiangona sy ny tsy mpiangona tokoa ianao raha ny amin’ny fanambakana sy ny tsy fandoavan-ketra ary ny halatralatra madinika, satria indrindra be dia be ny fivavahana ara-tsôsialy”. Nilaza koa izy fa “maro no manamboamboatra fotsiny fivavahana iray izay mampiadana sy mahafinaritra azy (...) Nisy niantso izany hoe fivavahana ‘à la carte’ na araka izay tiana.”
5 Hiteny ny hafa hoe: “Mety amiko ny fivavahana misy ahy”. Raha ny marina, ilay fanontaniana dia tena tokony ho toy izao: “Mety amin’Andriamanitra ve ny fivavahana misy ahy?” Marina fa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy hindoisma dia afapo amin’ny fankamasinana ireo sariny sy sampiny. Hitan’ny olona milaza tena ho kristiana maro be fa ampy ho azy ireo ny andriamanitra Telo Izay Iray tsy manana anarana iray. Ary mino an’i Allah ny miozolimanina na silamo maherin’ny 900 tapitrisa. Etsy an-daniny koa, dia milaza ireo tsy mino an’Andriamanitra an-tapitrisany maro fa tsy misy Andriamanitra.
Ireo izay mila fanampiana
6. Inona no hitan’ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana maro?
6 Ahoana anefa ny amintsika izay mamaky tsy tapaka ity gazety ity? Nitady ilay Andriamanitra marina isika ary nahita azy. Noporofointsika fa marina ny teny ao amin’ny Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”. Tamin’ny fiarahana tamim-paharisihana tamin’ny kongregasiona kristiana, dia nanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra isika, ary tsapan’ny tenantsika ny fomba nanatonan’i Jehovah akaiky kokoa antsika. — Jaona 6:44, 65.
7. Ahoana no ahafantarantsika fa misy olona maro mbola liana ny ho tonga marisika ao amin’ny fahamarinana?
7 Na dia izany aza, dia fantatsika fa mbola misy olona maro faly miaraka indraindray amin’ny vahoakan’i Jehovah kanefa tsy mbola nanao asa hentitra mba hanatonana akaiky kokoa an’i Jehovah amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Ahoana no ahafantarantsika izany? Tamin’ny 1990, dia nisy olona efa ho folo tapitrisa nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Firy anefa no manambara amim-paharisihana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana? Maherin’ny efatra tapitrisa monja. Izany dia midika fa misy olona eo amin’ny enina tapitrisa eo ho eo tia ny fahamarinana sy faly miaraka amintsika, kanefa tsy mbola nanomboka nanolotra ny fiteny madion’ny fahamarinana tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Tsy isalasalana fa, amin’ny toe-javatra maningana dia misy olona maro miresaka ny amin’i Jehovah sy ny fanapahan’ny Fanjakany. Kanefa dia mbola tsy nampahafantatra mazava ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Ireo koa dia tiantsika hampiana. — Zefania 3:9, MN; Marka 13:10.
8, 9. a) Mampirisika antsika hanao inona i Jehovah? b) Nahoana no tsy fahendrena ny tsy hiraharahana ny torohevitr’i Jehovah?
8 Maniry hampirisika azy ireo isika ho tonga Vavolombelon’i Jehovah marisika sy sambatra eo amin’ny tapany farany amin’ilay asa goavana tanterahina maneran-tany izao. Mba mariho ange ny fanasan’i Jehovah amim-pitiavana ao amin’ny Ohabolana 1:23 manao hoe: “Miverena hianareo hihaino ny fananarako; indro, haidiko aminareo ny fanahiko, ary hampahafantariko anareo ny teniko”. (Ampitahao amin’ny Jaona 4:14.) Mampahery tokoa ny mahafantatra fa i Jehovah dia hamaly ny fanaovantsika dingana hentitra mba hampifandraisana ny tenantsika amin’ny anarany sy ny fanompoana azy! Azo antoka fa tsy irintsika ny ho tafiditra ho anisan’ireo voalazalazan’ny Ohabolana 1:24, 25 hoe: “Efa niantso Aho, fa nandà hianareo; efa naninjitra ny tànako Aho, fa tsy nisy nitandrina; fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, sady tsy nety nanaiky ny anatro hianareo”.
9 Izay manao tsirambina ny torohevitr’i Jehovah mba hitady azy dieny mbola mety ho hita izy, ka mampihemotra ny fanapahan-keviny mandra-pahitany tokoa ny fanombohan’ny fahoriana lehibe, dia hahita fa niandry ela loatra izy ireo. Ny fomba toy izany dia hampiseho tsy fahampiam-pinoana sy fahendrena ary ho fanaovana tsinontsinona ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory. — 2 Korintiana 6:1, 2, MN.
10. Nahoana no mampidi-doza ny tsy firaikana sy ny tsy firaharahana?
10 Mba hanazavana ny ilàna hanaovana asa haingana, moa ve ianao tsy hanaraka ny torohevitra tsara omen’ny dokotera raha tsy efa voan’ny pnemônia na tevika “double” (aretin-tratra mahery)? Sa kosa raha vao mahamarika ny soritr’aretina voalohany ianao? Koa nahoana no hiandry ela kokoa vao hampisaraka ny tenanao amin’izao tontolo izaon’i Satana marary sy hiandany amin’i Jehovah sy ny Vavolombelony? Ny vokatry ny tsy firaikana, ny tsy firaharahana ary ny fanaovana tsirambina dia voazava ao amin’ny Ohabolana 1:26-29: “Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. (...) Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. Satria nankahala ny fahalalana izy ary tsy nifidy ny fahatahorana an’i Jehovah”. Enga anie isika tsy ho anisan’ireo ‘mitady an’i Jehovah’ rehefa diso aoriana loatra!
11. Inona no fanampiana azon’ireo mitady hanompo an’Andriamanitra raisina?
11 Ny sasany izay mamaky ity gazety ity dia mety mbola ho eo an-dalam-pitadiavana ilay Andriamanitra marina. Faly izahay fa maharitra amin’ny fitadiavana ataonao ianao. Mivavaka izahay mba hanosika anao hanao asa hentitra fanampiny hijoroana mafy ho an’ny fahamarinana ny fahalalanao ny Baiboly. Matokia fa ny kongregasiona tsirairain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia vonona ny hanampy anao amin’ny fikarohana ataonao. — Filipiana 2:1-4.
Fotoana ho an’ny zotom-po sy ny asa
12, 13. Nahoana isika no mila manao asa mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana marina?
12 Nahoana no tena zava-dehibe ny hanaovantsika rehetra asa mba hampifandraisana ny tenantsika amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahana marina aminy? Satria ny fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao dia voatokana ho amin’ny fiafarana lehibe iray. Mivadika haingana kokoa noho ny fahafahan’ny olona mamaky azy, ireo pejin’ny tantara. Tsy izao no fotoana tokony tsy hombana ny atsy na ny aroa, na tsy hiraikana. Nilaza mazava i Jesosy hoe: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka [mampihahaka, MN]”. Hoy koa izy hoe: “Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy ary ny anjely masina”. — Matio 12:30; Lioka 9:26.
13 Izao no fotoana ho an’ny zotom-po sy ny asa! Fantatsika hoe mizotra ho aiza ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao, ary manangasanga erỳ am-paravodilanitra i Haramagedona. Na dia izany aza, ny antso dia ny hitadiavana an’i Jehovah izao, alohan’ny ‘andron’ny fahatezerany’, raha mbola mety ho hita izy. Ho diso aoriana loatra amin’ny fahoriana lehibe. — Zefania 2:2, 3; Romana 13:11, 12; Apokalypsy 16:14, 16.
14. Inona no antony ananantsika mba hitadiavana an’Andriamanitra?
14 Marina tokoa fa tokony ho eo am-pitadiavana sitraka amin’Andriamanitra izao ny taranak’olombelona manontolo. Nambaran’ny apostoly Paoly tamin’ny fomba mety izany ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:26-28: “Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka [hitsapatsapa izy mba, MN] hahita Azy, kanefa, tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika”. Io fitenenana farany io hoe “fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika” dia manome antsika antony mety, mbola hitadiavana an’Andriamanitra. Noho ny hatsaram-pon’i Jehovah ho an’izay tsy mendrika akory, dia misy eto amin’ity faritra azo iainana tery nefa iankinan’ny aina amin’ny bolantany kely ity isika. Tsy tokony ho velom-pankasitrahana an’ilay Tompo Andriamanjaka eo amin’izao rehetra izao ve isika? Ary moa ve isika tsy tokony hampiseho ny fankasitrahantsika amin’ny teny lazaina mihitsy? — Asan’ny apostoly 4:24.
15. a) Inona no heverin’ilay mpanoratra tantara atao hoe Arnold Toynbee fa fikasan’ny fivavahana ambony kokoa? b) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahafahana hanome voninahitra an’Andriamanitra?
15 Nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Arnold Toynbee: “Ny tena fikasan’ny fivavahana ambony kokoa iray dia ny hampita ny torohevitra ara-panahy sy ny fahamarinana, izay toetrany lehibe indrindra, any amin’ny fanahy maro araka izay tratrany, mba hahafahan’ny tsirairay amin’ireny fanahy ireny, amin’izany, hanatanteraka ny antony marina nanaovana ny Olombelona. Ny antony marina nanaovana ny Olombelona dia ny hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hampifaly Azy mandrakizay”. (Ny Fandinihan’ny mpanoratra tantara iray ny Fivavahana (anglisy), pejy faha-268-269). Mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitady azy sy mahazo fahalalana marina ny aminy sy ny fikasany aloha isika. Noho izany, dia mifanentana indrindra ny antson’i Isaia hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.” — Isaia 55:6, 7.
Fanampiana azo ampiharina inona no azontsika omena?
16. a) Zava-tsarotra inona no atrehin’ny kongregasiona kristiana? b) Amin’ny fomba azo ampiharina inona no azontsika anampiana ny hafa hanompo an’i Jehovah?
16 Ireo olona liana an-tapitrisany maro izay mbola tsy mpitory marisika dia zava-tsarotra mitaky ezaka betsaka ho antsika rehetra. Inona no ataontsika loholona, mpikarakara momba ny asa, mpitory maharitra sy mpitory tsotra eo amin’ny lafin’ny fampiharana mba hanampiana ireo tia ny fahamarinana ireo ho tonga mpandray anjara marisika amin’ny fanompoam-pivavahana marina miaraka amintsika? Fomba iray hanomezana fanampiana azo ampiharina any amin’izay ilàna izany, dia ny fitsidihana ny tokantranony ary ny fitondrana azy any amin’ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana mba hahafahany koa handray soa avy amin’ny fanahin’i Jehovah tsy tapaka. Ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Hebreo, eo amin’ny toko faha-10, andininy faha-24 sy 25, dia ilaina maika dia maika amin’izao andro izao toy ny tamin’izany: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” Ampirisihinay izay rehetra maniry hanandrana ny hatsaram-pon’Andriamanitra mba hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy tapaka any amin’ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo eo an-toerana.
17. Raha tsy maintsy manampy mpianatra ny Baiboly handroso amin’ny fikarohany an’i Jehovah ianao, fanontaniana inona avy no mila valiny?
17 Raha miara-mianatra ny Baiboly amin’olona manatrika ny fivoriana tsy tapaka isika, moa ve azontsika ampiana izy io mba hahafeno fepetra ho mpitory ny vaovao tsara? (Jereo ny boky Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, pejy faha-97 ka hatramin’ny faha-99.) Ary rehefa tonga mpitory tsy vita batisa izy, moa ve itarintsika ny fanasana azy mba hiaraka amintsika tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ampahibemaso sy fampianarana ary fiverenana mitsidika sasany ataontsika? (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1990, pejy faha-31.) Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa mahafeno fepetra ny vaovao toy izany, moa ve isika mampirisika azy ireny amin’ny famelana azy mihitsy hahita ny vokatra manorina avy amin’ny asa fitoriana ataontsika? — Matio 28:19, 20.
Jehovah, mendrika ny hotadiavina
18. Ahoana no nanehoan’i Jehovah ny famindrampony tamin’ny taranak’olombelona?
18 Noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia tsy mitadidy ny fahotantsika sy ny tsirambina nataontsika tamin’ny lasa i Jehovah raha mibebaka sy maneho finoana isika. Mariho ny tenin’i Davida hoe: “Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika”. — Salamo 103:10-14; Hebreo 10:10, 12-14.
19. Inona no fampaherezana ho an’ireo izay nety ho nihataka tamin’ny fahamarinana?
19 Jehovah dia Andriamanitra tena mpanao soa sy be famindrampo. Raha manatona azy amim-panetren-tena sy amim-pibebahana isika, dia hamela heloka sy hanadino izy. Tsy mitahiry lolompo maharitra izay miteraka fampijaliana mandrakizay any amin’ny afobe izy. Tsia, fa araka ny nilazan’i Jehovah hoe: “Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao”. Tokony ho fampaherezana tokoa izany ho an’izay nety ho nihataka tamin’ny fahamarinana ka nanao tsirambina ny fifandraisany tamin’i Jehovah! Ampirisihina koa izy ireo hikaroka an’i Jehovah izao ary hiverina hiaraka amim-paharisihana amin’ny vahoaka mitondra ny anarany. — Isaia 43:25.
20, 21. a) Ohatra mampahery inona no ananantsika teo amin’ny Joda fahizay? b) Inona no tsy maintsy nataon’ny mponin’ny Joda mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah?
20 Manana ohatra mampahery ny amin’izany isika mikasika an’i Asa mpanjaka tao amin’ny Joda fahizay. Namongotra ny fanompoam-pivavahan-diso tao amin’ny fanjakany izy, saingy nisy sisan-javatra avy amin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy mbola tavela. Milaza amintsika izay nambaran’ny mpaminany Azaria tamin’i Asa ho fampahatsiarovana ny fitantarana ao amin’ny 2 Tantara toko faha-15, andininy faha-2 hatramin’ny faha-4: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy. Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an’Andriamanitra marina (...) Fa raha niverina tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy [navelany ho hitany ny tenany, MN]”.
21 Tsy nanao fangalampiery tamin’i Asa mpanjaka akory i Jehovah, fa “navelany ho hitany ny tenany”. Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpanjaka tamin’izany hafatra izany? Mamaly toy izao ny andininy faha-8 sy faha-12 ao amin’io toko io ihany: “Ary raha ren’i Asa izany teny izany (...), dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra (...) sady nanavao ny alitaran’i Jehovah izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’i Jehovah. Ary nanao fanekena hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy [Joda]”. Eny nikaroka an’i Jehovah tamim-pitandremana “tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra” izy ireo. Inona no vokatr’izany ho an’ilay firenena? Milaza amintsika toy izao ny andininy faha-15: “Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin’ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an’i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy, ary Jehovah nanome azy fiadanana tamin’ny manodidina azy fahizay”.
22. Inona no mampirisika antsika ho marisika amin’ny fanompoana an’i Jehovah izao?
22 Ankehitriny, moa ve tsy fampaherezana ho antsika rehetra izany mba hanaovana asa hentitra mikasika ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah? Fantatsika fa misy ny fahafahana ho an’ny olona an-tapitrisany maro kokoa hidera an’i Jehovah. Tsy isalasalana fa ny maro amin’ireo dia eo am-panaovana fiovana eo amin’ny fiainany mba hamenoana ireo fepetra takin’ny Soratra masina mikasika ny fanompoana an’i Jehovah. Ny hafa dia eo am-pitomboana amin’ny fahatakarana lalina sy ny finoana, ary tsy ho ela dia ho voatosika hizara amin’ny hafa ny fiteny madio, amin’ny fitondrana any aminy fahatakarana amin’ny antsipiriany ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Ary nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hikarohantsika rehetra an’i Jehovah amin’izao mbola mety hahitana azy izao? Satria tena antomotra ny tontolony vaovao nampanantenaina! — Isaia 65:17-25; Lioka 21:29-33; Romana 10:13-15.
Tadidinao ve?
◻ Iza no mampiseho tsy firaharahana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina?
◻ Hatraiza ny fivavahana matetika no manan-kery eo amin’ny fitondrantena?
◻ Misy fahafahana hitombo toy inona eo amin’ny Vavolombelona miasa?
◻ Nahoana no izao no fotoana ho an’ny zotom-po sy ny asa?
◻ Nahoana i Jehovah no mendrika ny hotadiavina?
[Sary, pejy 10]
Maro amin’ireo naman’ny Vavolombelon’i Jehovah izay nanatrika ny Fahatsiarovana no afaka ho tonga mpanompon’Andriamanitra
Mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1990: 9 950 058
Tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 1990: 4 017 213
[Sary, pejy 12]
Tamin’ny andron’i Asa mpanjaka, dia nitodika tany amin’i Jehovah ilay firenena