Efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny niheveran’izy ireo azy ny fotoana!
NY TAONA dia ny 609 al.fan.ir. Ny toerana dia Jerosalema. Ny mpitantara dia i Jeremia mpaminany. Izy io dia nanambara mialoha ny handravana io tanàna masina tsy foiny io, dia i Jerosalema, fandravana ho avy satria niodina tamin’i Jehovah ireo Jiosy ary nanolo-tena hanaraka fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamani-diso. Rafitra nanao fanompoam-pivavahana feno fahavetavetana ny amin’ny lahy sy ny vavy teny amin’ny fitoerana avo izy ireo, nanolotra fanatitra aidina ho an’ireo andriamanitra sampy, nivavaka tamin’ny volana sy ny kintana, nandoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala, ary nanao sorona ny zanak’izy ireo ho an’i Moloka. — 1 Mpanjaka 14:23, 24; Jeremia 6:15; 7:31; 8:2; 32:29, 34, 35; Ezekiela 8:7-17.
Tamin’izy ireo, i Jeremia dia mpiantso loza, mpitompo teny fantatra, ary tsy mankasitraka ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra. Nandritra ny 38 taona naninjitra no nampitandreman’i Jeremia azy ireo; nandritra ny 38 taona naninjitra no nanarabian’ny mponina tao Jerosalema azy. Hatramin’izany fotoana izany ny olona no efa nanilika an’i Jehovah, tamin’ny filazana fa tsy hery iray tsy maintsy ianteherana izy. Hoy izy ireo: “Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy” ary koa “Jehovah efa nahafoy ny tany, ary Jehovah tsy mahita.” — Zefania 1:12; Ezekiela 9:9.
Nitory ny amin’ny handravana an’i Jerosalema ny mpaminany Jeremia sy i Ezekiela, nefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Noho izany, ireo Isiraelita tsy nahita tamin’ny androny ny fahatanterahan’ny fahitana toy izany na iray aza, dia nilaza toy izao: “Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra.” Nefa izao no navalin’i Jehovah izany: “Akaiky ny andro (...) Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy.” — Ezekiela 12:22-25.
Tamin’ny 609 al.fan.ir., dia tonga ny fotoana ho an’i Jehovah mba hanatanterahana ny teniny. Taorian’ny nampanakoakoan’i Jeremia ilay fampitandremana nandritra ny efa ho efapolo taona, dia nataon’ny tafika babyloniana fahirano ny tanànan’i Jerosalema. Valo volana tatỳ aoriana, dia rava ny manda, may ny tempoly, ary nentina ho babo tany Babylona ny ankamaroan’ny vahoaka. Araka ny nambara mialoha, dia noravana tamin’ny alalan’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ilay tanàna. — 2 Mpanjaka 25:7-17; 2 Tantara 36:17-20; Jeremia 32:36; 52:12-20.
Marina izay voalazan’i Jeremia, fa diso kosa ny an’ny olona. Efa lasa lavitra tsy araka ny niheverany azy ny fotoana! Tsy natao ho an’ny taona mbola lavitra be ilay fahitana. Natao ho amin’ny andron’izy ireo izany.
Tsy tantara fe tantara fotsiny izany. Izay nitranga tamin’i Jerosalema dia ara-paminaniana. Nanambara mialoha zavatra ho avy izy io. Ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny andro ankehitriny dia maka ny anaran’i Kristy ary mihambo ho manana fifandraisam-panekena amin’Andriamanitra; kanefa manaraka ny dian’ireo mponina tany Jerosalema fahiny izy ireo. Amin’ny ankapobeny, ny fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mampianatra foto-pampianaran’ny mpanompo sampy, simban’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, manohana tetika ara-politika, manohana ireo adin’izao tontolo izao, manaraka ny evaolisiona ary mandà an’Andriamanitra tsy ho Mpamorona, minia tsy mahita ny fanaovana sorona zaza am-bohoka an-tapitrisany maro eo ambonin’ny alitaran’ny fifanarahana, ary manaraka ny filôzôfian’ny olombelona amin’ny ankapobeny, amin’ny filazana fa angano sy tantara foronina ny Baiboly.
Toy ny nanesoan’ny mponina tao Jerosalema an’i Jeremia, dia toy izany koa fa maneso ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ny fivavahana lazaina fa kristiana. Lavina toy ny tsinontsinona ny fampitandremana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny amin’ny fandravana ho avy ao Haramagedona. ‘Tsy mihevitra ny tany Andriamanitra’, hoy ny fivavahana lazaina fa kristiana. ‘Avelao izy hanapaka ny lanitra; isika no hanapaka ny tany. Ary raha tonga Haramagedona, dia tsy ho amin’ny taranaka misy antsika no hitrangan’izany. Efa rentsika hatrizay izany tantara izany. Tsy hiharan’izany isika!’
Moa ve izy io fiverimberenan’ny tantara? Natao ho amin’ny fotoana hafa ve izy io rehefa an-tapitrisany maro no hahita fa efa lasa lavitra kokoa tsy araka ny niheveran’izy ireo azy ny fotoana?