“Miorina mafy ao anatin’ny andiany iray” ireo any Tchad
Tahaka ireo kristiana namany manerana ny tany, ny Vavolombelon’i Jehovah any Tchad dia mankasitraka ireo fivoriambe atao isan-taona nalamina mba hampahery azy ireo ara-panahy. Indro misy fitantarana momba ny dia natao hanatrehana andro fivoriambe manokana maromaro tany amin’ny faritra atsimon’io tany tsy voahodidina afa-tsy tany hafa ao afovoan’i Afrika io.
Noho ny fahasahiranana ateraky ny elanelan-tany sy ny dia, mazàna ireo fivoriambe any Tchad dia atao ho an’ny antokon’olom-bitsy, ary miankina amin’ny toetr’andro ny fotoana anaovana azy ireny. Manomboka amin’ny volana jona ka hatramin’ny volana septambra, vanin-taona isian’ny orana dia mahatonga ny dia ho sarotra ary ho tsy azo atao any amin’ny toerana sasany. Atao aorian’ny faran’ny fotoan’ny oram-be ireo andro fivoriambe manokana. Mety tsara ho an’ny fivoriamben’ny distrika izay lehibe kokoa ireo andro fety amin’ny faran’ny taona. Ary alohan’ny hanombohan’ny orana indray amin’ny volana jona no atao ny fivoriamben’ny fizaran-tany maharitra roa andro.
NAFANA sady mando iny alahady tolakandro iny. Nisy olona 184 nameno hipoka ny Efitrano Fanjakanan’i N’Djamena, renivohitr’i Tchad. Na dia teo aza ny hafanana, dia variana nihaino tsara ny lahateny fototra hoe “Aoka isika hiorina mafy amin’ny fanahy iray” izy ireo. Ny marainan’io izy ireo dia faly nanatrika ny nanehoan’ny olona telo ny fanolorany tena ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny batisa amin’ny rano. Izany no voalohany tamin’ireo andro fivoriambe manokana enina nahazoanay sy ny mpiandraikitra mpitety faritany avy eto an-toerana tombontsoa hokarakaraina.
Nankasitrahan’ireo Vavolombelona 267 eto Tchad indrindra ny lohatenin’io fitohitohizana fivoriambe io hoe “Aoka isika hiorina mafy ao anatin’ny andiany iray”. Monina lavitra ireo kristiana namany hafa any amin’ny tany hafa izy ireo. Na dia izany aza anefa, ny fahazoany sakafo ara-panahy mitovy sy ny fikarakarana azy amin’ny fomba mitovy dia mampirisika azy hanohy hiara-miasa amim-piraisan-tsaina amin’ireo rahalahiny maneran-tany. Nampahery azy ireo koa mba hiorina mafy hanohitra ny fitaomana an-kolaka avy amin’ny tontolon’i Satana sy ny rivo-maherin’ny fanenjehana na ny fanoherana ny torohevitra azo ampiharina tamin’io fandaharana io.
Tany N’Djamena
Ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany eto Tchad dia naorina tany N’Djamena tamin’ny 1964. Izao izy io dia manana mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maherin’ny 90. Nahafinaritra ny nijery ny mpanatrika ka nahitana maro be aoka izany izay nanompo tamim-pahatokiana hatramin’ny niantombohan’ny asa teto Tchad. Nisy rahalahy iray nanana vady telo fony izy nianatra voalohany momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy ela izy dia nahita ny nilàny hampifanaraka ny fiainany tamin’ny fari-pitondrantenan’ny Baiboly. Novadiny ara-dalàna ilay vadiny voalohany ary nisarahany ireo roa hafa, nefa nanao fandaharana mba hikarakarana azy ireo izy. Natao batisa tamin’ny 1973 izy ary hatramin’izay dia nandray anjara tamin’ny asa foana.
Nandalo fitsapana mafy ny finoany ny loholona iray nandray anjara tamin’ny fandaharana. Tamin’ny 1975, dia naneren’ny fitondram-panjakana tamin’izany ny fandraisana anjara tamin’ny fombafomba nifototra tamin’ny fivavahana tamin’ny maty; na iza na iza tsy nanoa izany dia novonoina ho faty. Rehefa niorina mafy tamin’ny finoany ilay rahalahy ka tsy nety nampandefitra izany, dia nanomboka nitady azy ireo manam-pahefana. Ny fiovan’ny fitondram-panjakana tamin’ny fotoana sarotra indrindra ihany no nahavonjy azy.
Teny an-dalana ho any Pala
Taorian’i N’Djamena, dia nanomboka amin’izay ny dia nianatsimo mba hiandraiketana ireo fivoriambe dimy farany. Efa nandeha tamin’iny lalana iny matetika izahay nefa tamin’ny andro maina ihany. Izao, amin’ny faran’ny volana septambra sady fiafaran’ny vanin-taona isian’ny orana, dia maitso sy mandrobona fatratra ny zavatra rehetra. Fotoana nahafinaritra hanaovana dia tamin’izay. Tsy nandalo afa-tsy sahana ampemby izahay. Nihamasaka izao ny sampahon’ireo tahony lava teny amoron-dalana. Tsy ho ela dia hojinjaina izy ireo, hohamainina ary hotehirizina ao amin’ireo trano tany kitsoloha fitehirizam-boa hita ombieny ombieny eny ambanivohitra. Ny ampemby no foto-tsakafon’ny ankamaroan’ny mponina eto Tchad. Izy io dia totoina ao anaty laona hazo lehibe amina fanoto izay mazàna lava noho ilay olona mampiasa azy. Avy eo ilay koba dia afangaro rano mangotraka sy omena bikana baolina ary hanina miaraka amin’ny filotra (sauce) natao tamina “okra” na voanjo.
Nihanahita sahana landihazo hatrany izahay arakaraka ny nandehananay nianatsimo. Koa satria lemaka ny tany any amin’io faritra io, dia toy ny hoe nahatratra ny faravodilanitra ireo saha feno voninkazo namony. Tsy ho ela dia ho eny an-tsaha ny fianakaviana manontolo mba hioty ny landihazo. Ny landihazo no vokatry ny tany aondrana betsaka indrindra eto Tchad, ary nisy landihazo 133 000 taonina notazana tamin’ny 1988. Rehefa tonga ny faran’ny tolakandro, dia efa nandalo ny Farihin’i Léré izahay. Eto ny tany dia voaforona havoana ary mahafinaritra tokoa, indrindra fa tamin’io fotoana amin’ny taona io. Koa satria izahay teo amin’io toerana io tamin’ny fotoana tena nety ho amin’izany, dia afaka nividy besisika vao avy nojonoina sy nendasina teny amoron-dalana teny mihitsy. Izy io dia sakafo izay ho nampirehareha ny tompon-trano iray ny nandroso azy ho an’ny vahininy.
Ny zavatra iray manasarotra kokoa ny dia amin’io vanin-taona io dia, raha sendra avy ny orana, dia asiana fefy nitsivalana teo amin’ny lalana mba hampijanonana ny fandehan’ny fiara. Nahoana? Mba hiarovana ny lalana. Natahotra àry izahay rehefa nahita ny lanitra teo anoloanay nivadika tampoka ka nanjary mainty toy ny ranomainty. Tsy naniry tokoa ny hilasy teny ambany orana teny amoron-dalana izahay. Fa ny zava-dehibe kokoa noho izany dia ny tsy hahatratraranay ilay fivoriambe manokana nanaraka. Soa ihany fa tsy nahatratra ny lalana nisy anay ilay tapany natevim-be indrindra tamin’io orana farany io. Na dia voatery niandry nandritra ny fotoana sasany tamin’ny fefy maromaro aza izahay, hariva be iny aliny iny izahay dia tonga soa aman-tsara tany Pala, tanàna misy olona eo amin’ny 32 000 eo ho eo. Endrey izany hafaliana niandry anay! Nampiseho fahitana ireo kintana sy ny Vahindanitra tsara indrindra ny lanitra tsy nisy volana taorian’ilay orana, fahitan-javatra nahazendana izay tsy hitan’ny ankamaroan’ny mponina an-tanàn-dehibe mihitsy. Izany dia nampahatsiahy anay ny antony tokony hiorenanay mafy — mba hanome voninahitra ilay Mpamorona lehibe an’izao rehetra izao mahatalanjona.
Kongregasiona kely roa sy antokon’olona mitokana iray no niara-nivory tao Pala. Nanao dia an-tongotra 100 km mahery mba ho any amin’io fivoriambe io ny rahalahy tanora telo. Koa satria kely ireo fivoriambe atao any atsimo ary vitsy ny loholona, dia noraisina feo ny tapany sasany tamin’ilay fivoriambe natao tany N’Djamena ary nalefa tany. Izany dia nanome antoka ny hisian’ny fandaharana tsara dia tsara na dia vitsy aza ny mpanatrika. Faly izahay fa nisy mpirotsaka hatao batisa iray.
Ilay antokon’olona be zotom-po any Kélo
Taorian’izay dia nisy dia fohy nankany Kélo, izay nahitana mpanatrika 194 tamin’ny fandaharana ny alahady. Fianakaviana maro nisy ankizy kely maro no nanao dia an-tongotra 30 km mahery mba hanatrika tany. Olona nanolo-tena vaovao roa no tokony hatao batisa. Mandritra ny vanin-taona tsy isian’ny orana, dia zava-manahirana matetika ny fanaovana batisa raha tsy atao eo akaikin’ny renirano iray ny fivoriambe, hany ka tsy maintsy natao batisa tao anaty barika ny olona sasany. Nanamora zavatra anefa ny nahatongavanay tany tamin’ny faran’ny vanin-taona isian’ny orana. Na dia izany aza, dia voatery nandeha fiara tamin’ny lalana 20 km mahery izahay mba hahitana toerana mendrika ho an’ny fanaovana batisa.
Ny iray tamin’ireo nirotsaka hatao batisa dia ankizivavy iray izay voasedra mafy ny finoany. Nampanantenain’ny fianakaviany ho vadin’ny lehilahy iray tsy liana ny hianatra Baiboly akory izy. Ambonin’izany dia naleon’io lehilahy io ny fanambadiana araka ny fombafomba ara-poko toy izay ny fanambadiana ara-dalàna. Noho izy io vonona ny handoa vodiondry betsaka, dia nanery ny zanany mafy ny fianakaviany. Voatery nifindra vetivety tany an-toeran-kafa mihitsy izy mba handosirana io fanambadiana tsy araka ny Soratra masina notadiavin’ny fianakaviany hatao io. Nihazona mafy ny finoany izy nandritra izany rehetra izany ary nandroso tsara. Hatramin’ny nanaovana batisa azy, dia nitsahatra ny fanoheran’ny fianakaviany. Misaotra an’i Jehovah izahay fa manana olo-mahatoky toy izany eo anivonay.
Ny rahalahy eto dia manana antony maro hafa maha-velom-pankasitrahana an’i Jehovah. Nijaly noho ny ady an-trano nahery i Tchad, ary avy eo, tamin’ny 1984, noho ny mosary namely mafy. Mahatsiaro ny loholona iray avy eto an-toerana fa nisy fotoana nandritra ilay mosary izay nijereny ny mpanatrika tao amin’ny Efitrano Fanjakana ka nanontaniany tena raha mbola hisy ho velona ihany tamin’izy ireo volana vitsivitsy aorian’io. Nanome sakafo anefa ny fandaminan’i Jehovah ho fanampiana azy ireo ka hanamaivanana ny toe-javatra nahonena nisy azy. Hita taratra eo amin’ny fanompoany amim-jotom-po izao ny fankasitrahan’izy ireo izany. Misy fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra mahery any Kélo. Nandritra ny volana oktobra 1989, dia maherin’ny ampahatelon’ny mpitory ilay Fanjakana any no nandamina ny raharahany mba hahafahany handray anjara amin’ny asa fitoriana manontolo andro.
Ny fanandraman-javatra hitany nandritra ny mosary dia nampianatra azy fa tsy maintsy ho malala-tanana koa izy. Tamin’ny herintaona dia nanjary narary tampoka ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona ary maty. Fianakaviana misy zaza sivy no navelany, ary vao volana vitsivitsy monja ny kely indrindra taminy. Niatrika ny faneren’ny fianakaviany mba handray anjara tamin’ny fomba fanao amin’ny fisaonana mifandray amin’ny fivavahana amin’ny maty ny vadiny. Nanome azy ny fanohanana nilainy ireo rahalahy, hany ka nahatohitra ilay fanerena mafy izy. Avy eo dia niara-niasa ny kongregasiona mba hanorenana trano ho azy sy ho an’ireo zanany kely ary ambonin’izany, mba hanampiana azy ireo ara-nofo tamin’ny fomba maro samihafa. Izany dia nanome fanambarana tsara dia tsara tao an-tanàna ka nampiseho ny vokatra tsaran’ny kristianisma rehefa ampiharina. — Asan’ny apostoly 20:35.
Koumra, Doba ary Bongor
Koumra no tanàna nijanonanay nanaraka. Ireo lalana fasika miharo karaobato madinika 300 km dia nanamora ny dianay. Teny an-dalana dia namakivaky ny tanànan’i Moundou izahay, foibe misy ireo orinasa vaventy misy olona maherin’ny iray hetsy. Olona fitopolo no nanatrika tao Koumra. Nisy rahalahy tanora iray izay tsy nankany am-pianarana mihitsy niteny teny ambony lampihazo. Nohazavainy ny fomba nanampian’ny fandaharana natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana mba hampianarana mamaky teny sy manoratra azy ka nanomezan’izany azy ny fatokiana nilainy. Izao izy dia mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona efatra.
Taorian’ny andro fivoriambe manokana tany Koumra, dia niverina ho any N’Djamena izahay ka i Doba no hijanonanay manaraka mba hanatrika ny fivoriambe fahadimy tany. Tratran’ny orana farany ny sasany tamin’ireo mpanatrika ka tsy maintsy niandry teny amoron-dalana nandritra ny alina. Kanefa dia tonga ara-potoana tamin’ny fiandohan’ny fandaharana tany Doba avokoa ny tsirairay avy. Iraika amby dimampolo no nanatrika ary iray no nirotsaka hatao batisa.
Ny toerana nijanonanay farany dia i Bongor. Faritra mamboly vary ny any ary talanjona noho ny tany lemaka izahay. Nahatratra 630 ny totalin’isan’ireo nahare ilay fandaharana rehetra tany Tchad niaraka tamin’ireo mpanatrika tany Bongor. Ary raha ampiana ireo roa naroboka tany ny totalin’isan’ireo olona natao batisa dia nahatratra sivy.
Ny fiverenanay tany N’Djamena dia namarana ny dia nisy efa ho 2 000 km nataonay. Nahafinaritra ny niaraka tamin’ny mpanompon’Andriamanitra izay nihazona mafy ny finoany nandritra ny taona maro, ary koa ny nahita rahalahy vaovao maro mandroso tsara. Ny zotom-pony ho amin’ny fanompoana no tena mampahery. Nandritra ny volana oktobra 1989, dia nisy tampon’isa vaovao tamin’ny isan’ny mpitory 267 teto Tchad, izay nahaforona fitomboana 20 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa.
Tafaray na dia lavitra aza
Nahatonga anay hahatakatra ny fiezahana tsy maintsy atao mba hanaparitahana ny vaovao tsara ao amin’ny tany misy fiteny maherin’ny 200 ny dia nataonay namakivaky ilay tany. Na dia ny teny frantsay sy ny teny arabo aza no tenim-pirenena any Tchad, tamin’ireo andro fivoriambe manokana tsirairay avy dia tsy maintsy nadika ho amin’ny teny hafa iray avy amin’ny teny frantsay ny fandaharana. Na dia izany aza, dia mbola nisy maro tamin’ireo tonga teo amin’ny toeran’ny fivoriambe no tsy nahay ny tenin’ilay faritra, hany ka mbola nanahirana ihany ny nanampy azy hahazo ny fandaharana.
Tany amin’ireo toerana rehetra notsidihinay dia nandray anay tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny ireo rahalahinay sy anabavinay. Ny sakafo mazàna dia baolina natao tamin’ny ampemby na kobam-bary niaraka tamin’ny filotra nasiana zava-manitra araka ny voalaza tetsy aloha. Indraindray dia nisy ankizivavy nitondra ny sakafo tambony vilia fisaka voasarona lamba marevaka loko. Nololohaviny tamim-pahaiza-mihetsika ilay vilia, ary tsy afaka ny tsy hidera ny fahaizany mihetsika ianao.
Miozilimana ny ankamaroan’ny mponin’ny faritra avaratr’i Tchad; katolika na protestanta na mpivavaka amin’ny fanahy (esprits) kosa ny olona any atsimo. Manohana ny foto-kevitry ny fahalalahana ara-pivavahana ny fitondram-panjakana ary faly izahay afaka miara-mivory amin-kalalahana.
Ny fandaharan’ny andro fivoriambe manokana dia nanampy ny antokon’ireo Vavolombelona vitsy any Tchad hankasitraka fa na dia lavitra azy amin’ny toerana aza ireo rahalahiny any amin’ny faritra hafa amin’ny tany, dia tafaray aminy marina ao anatin’ny andiany iray izy ireo. Izany dia nahatonga azy ireo ‘hiorina mafy amin’ny fanahy iray’ na dia eo aza ny fanerena sy fanoherana manjo azy. — Filipiana 1:27, MN.