FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/1 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy — Mitovy amin’ny hafa ve eo anatrehan’Andriamanitra?
  • Mitohy ny fandrahonana avy amin’ny ra
  • Ny fiheveran’ny papa ny raharaha miaramila
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Aoka isika hampiseho fanajana ny ra amim-pitiavam-pivavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Azo Ekena Ihany ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/1 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy — Mitovy amin’ny hafa ve eo anatrehan’Andriamanitra?

Any amin’ny faritanin’i Queensland any Aostralia, dia raran’ny lalàna ny fandrian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy — na dia mitokana sy eo amin’ny olona samy manaiky izany aza. Tsy ela izay, dia nijoro hanohitra mafy izany lalàna izany ny antokom-piangonana lehibe iray ao amin’io faritany io; notadiaviny tsy hoheverina ho toy ny heloka ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy.

Araka ny gazety The Courier-Mail, io Antoko sady ara-pivavahana no ara-tsosialy ary ara-pitsarana iombonana io dia voaforon’ny mpikambana anglikana, katolika, loterana, batista ary avy amin’ireo fiangonana mikambana sy “Quaker” (Fikambanan’ireo mpinamana). Manantitrantitra io antoko io fa mifototra amin’ny tsy fahalalana sy ny fanavakavahana ireny lalàna manohitra ireo lehilahy mandry amin’ny lehilahy, ka nanambara hoe: “Ny fanohananay io toerana tananay io dia mifototra amin’ny finoana fa mitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’Andriamanitra ka tokony hitovy eo anatrehan’ny lalàna. Mino izahay fa tsy misy maha-ambony na ambany noho ny olona mandry amin’ny tsy mitovy aminy ny olona iray mandry amin’ny lahy na amin’ny vavy tahaka azy.”

Na dia marina aza fa mitovy avokoa ny olona rehetra, inona no fiheveran’Andriamanitra momba ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy? Ao amin’ny Baiboly, dia melohina ho tsy araka ny natiora sy mendrika ny hahazo ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy rehetra ka mitarika ho amin’ny fahafatesana. Izany dia marina tsy teo amin’ny Isiraely fahizay ihany fa tamin’ny andron’ny kristiana koa. (Levitikosy 18:22; Romana 1:26, 27) Mazava ilay fanamelohana ary tsy mila ny hohazavaina akory: “Ny mpijangajanga, (. . .) [sy ny lehilahy ampiharana fomba tsy araka ny natiora, MN], sy ny sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy, MN] (. . .) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 6:9, 10.

Tsy hanao tabataba be momba ny tokony tsy hiheverana ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy ho heloka ny kristiana marina fa mampirisika ireo lasa andevon’io fanao manala baraka an’Andriamanitra io mba hiala amin’izany amin’ny fitodihana any amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra.

Mitohy ny fandrahonana avy amin’ny ra

Ny famotopotorana natao vao haingana dia nampiharihary fa nisy fahadisoana an-jatony maro nataon’ny Vokovoko mena amerikana teo am-pikarakarana ra voaloton’aretina. Saika ny antsasak’ireo famarana ra 12 ka hatramin’ny 15 tapitrisa ampiasaina any Etazonia isan-taona no avy amin’ny Vokovoko mena amerikana. Rehefa misy famarana ra avoaka ka hita fa voaloton’aretina, dia tsy maintsy ampahafantarina izany ny FDA (Food and Drug Administration, na ny Birao miandraikitra ny momba ny sakafo sy ny fanafody), sampana iray ampiasain’ny fitondram-panjakana federaly amerikana. Manambara anefa ny The New York Times fa misy mpanara-maso federaly iray nanohitra ny Vokovoko mena ka nilaza fa matetika izy io no tsy nanaraka izany. Nanantitrantitra izy fa ny fikarohana natao tao amin’ireo antontan-taratasiny dia nampiharihary fanaovan-javatra 380 nikarakarana ra voaloton’aretina tsy nanaovana tatitra tany amin’ny fitondram-panjakana mihitsy. Ambonin’izany, tamin’ireo fisehoan’ny SIDA 228 izay nety ho azo avy tamin’ny fampidirana ra, dia hitan’ilay mpanara-maso fa 4 monja no nanaovan’ny Vokovoko mena tatitra tany amin’ny FDA.

Na dia mbola maro aza no mihevitra ny fampidiran-dra ho mahavonjy aina, ny ra ampidirina dia tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’olona an’arivony maro isan-taona. Kanefa, ireo manompo an’Andriamanitra marina, amin’ny fankatoavana ny lalàny momba ny ra, dia voaro koa amin’ny loza ateraky ny fampidiran-dra. Nanome baiko toy izao Andriamanitra: “Aza mihinana azy hianao, fa aidino amin’ny tany toy ny rano izy; (. . .) mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’i Jehovah hianao.” — Deoteronomia 12:23-25.

Ny fiheveran’ny papa ny raharaha miaramila

Tamin’ny herintaona ny papa dia nihaona tamin’ny mpianatra ho miaramila 7 000 tany amin’ny toby Cecchignola any Roma. Tamin’izany dia nanontany ny papa ny manamboninahitra tanora efatra raha toa ka azo ampifanarahina amin’ny fieritreretana kristiana ny raharaha miaramila. Izao marina no tena nanontaniany, araka ny L’Osservatore Romano, gazetin’ny tanànan’i Vatican: “Azon’ny olona iray atao ve ny sady ho kristiana mahatoky no ho miaramila mahatoky?” Ho valin’izany, dia hoy ny papa hoe: “Tsy misy zava-manahirana fototra na tsy fahafahana hampifanaraka ny faniriana lalina ho kristiana sy ny faniriana lalina hanao ny raharaha miaramila. Raha jerena amin’ny fomba manorina io farany io, dia mety ho zavatra tsara tarehy sy mendrika ny hatao ary tsara dia tsara izy io.”

Azo ampifanarahina amin’ny fialanalanana notanan’ny kristiana voalohany ve izany fomba fihevitra izany? Ao amin’ny bokiny hoe An Historian’s Approach to Religion (Ny fijerin’ny mpanoratra tantara iray ny fivavahana), i Arnold Toynbee dia manonona an’i Maximilianus, martiora tamin’ny taonjato fahatelo izay nilaza toy izao rehefa norahonan’ny fitsarana tany Roma ho faty noho izy nanda ny hilatsaka hanao ny raharaha miaramila: “Tsy hanompo ao aho. Azonareo tapahina ny lohako, fa tsy hanompo ny fahefan’ity Tontolo ity aho; Andriamanitra no hotompoiko.” Nahoana izy no nanda ny handray anjara tamin’ny raharaha miaramila na dia teo anoloan’ny fahafatesana aza? Satria noheveriny fa ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy dia tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao”. Ambonin’izany, dia nihevitra izy fa ara-panahy ny ady ataon’ny kristiana, araka ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto hoe: “Izahay (. . .) dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay.” — Jaona 17:16; 2 Korintiana 10:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara