FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/8 p. 30
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fandinihana indray”
  • Azon-doza mahafaty
  • Tsy misy zava-miafina mihitsy
  • Inona no Hanampy Ahy Tsy Hijery Sary Vetaveta?
    Mifohaza!—2007
  • Ny Loza Ateraky ny Boky sy Sary Vetaveta
    Mifohaza!—2003
  • Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?
    Manontany ny Tanora
  • Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/8 p. 30

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

“Fandinihana indray”

Milaza ny Genesisy 1:1 fa “tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”. Hatramin’ny taonjato iray mahery, ireo mpahay siansa mpanohana ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona dia nanda ny fahamarinan’io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io. “Maro amin’izy ireny anefa ankehitriny no mandinika indray an’io fanambarana tranainy dia tranainy sy mahery tokoa io ho fanohanana ny fisian’ny Mpamorona iray”, hoy ny nosoratan’ny gazety kaliforniana iray (The Orange County Register).

Tantarain’io gazety io ohatra fa ao amin’ny bokiny hoe Evolution: Une théorie en crise, ny biolojista kanadiana iray, Michael Denton, dia nanantitrantitra fa hatramin’ny fotoana namoahan’i Darwin ny L’origine des espèces ka mandraka ankehitriny, dia tsy nisy porofo nanohana ny tsangan-keviny mihitsy.

Ny Register koa dia naka teny avy ao amin’ny Ny zava-miafina momba ny niandohan’ny aina: fijerena indray ireo tsangan-kevitra ankehitriny (anglisy), boky nosoratan’olona mpahay siansa telo. Araka ny filazan’izy ireo, hoy ilay gazety, dia tsy nety hipoitra avy amin’ny kisendrasendra ny aina ary “ ‘Mpamorona any ambadiky ny habakabaka’ no fanazavana azo ekena indrindra ny amin’ny niandohan’ny aina”. Nanamafy izany hevitra izany ilay lahatsoratra ka nanao izay hanamarihana fa “tononina matetika ny fanambaran’ilay” astronoma britanika atao hoe Fred Hoyle “ilazana fa ny fieritreretana hoe nipoitra avy amin’ny kisendrasendra ny sela voalohany dia mitovy amin’ny finoana fa ny tafio-drivotra mitsoka eo amin’ny vangovangom-piaramanidina tonta dia ho afaka hahaforona indray ‘jambo jet’ tena vaovao avy amin’ireo korontam-by ireo”.

Amin’ny mpahay siansa sasany, dia porofoin’ny zava-misy tsy mety hisy fahadisoana ny fisian’ny Antony mahatonga tampony. Fa inona no holazaina ny amin’ireo izay mikiry mandà ny fisian’ny mpamorona iray? Ho tsara ny hisaintsainan’izy ireny ireto tenin’Isaia mpaminany ireto: “Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy?” — Isaia 29:16.

Azon-doza mahafaty

Tamin’ny janoary lasa teo dia novonoina teo amin’ny seza misy aratra tao amin’ny tranomaizina afovoany any Floride (Etazonia) Theodore Bundy. Fantatra fa meloka ho nahafaty vehivavy 36 izy, nefa mihevitra ny pôlisy fa tafakatra ho eo amin’ny zato angamba ny isan’ny niharam-pahavoazana noho ny nataony.

Talohan’ny hamonoana azy dia niaiky i Bundy tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy fa ny sary maloto no nandray anjara be dia be tamin’ny nahatonga azy hanao heloka bevava. Araka ny filazan’i James Dobson, izay nanadinadina azy, “teo amin’ny faha-12 na 13 taonany, dia nanomboka nahita zavatra vita an-tsoratra maloto izy tao amin’ireo “drugstores”, na dia teny amoron-dalana aza, ka nanjary tsy afaka tamin’izany izy, azon-doza”. — Daily News.

Ny fiaiken’i Bundy dia mitovy amin’ny fanambaran’i Arthur Bishop, mpamono olona hafa iray novonoina tamin’ny taona lasa satria nisavika sy nahafaty zazalahy kely dimy. Araka ny voalazan’ny gazety kaliforniana iray any San Diego (The Tribune), dia nilaza i Bishop fa “nisy vokany ‘nanimba’ teo aminy ny sary sy soratra maloto fony izy mbola kely, ka niteraka ny fikororosiany”. Nilaza i Bishop fa, tamin’ny fitsarana azy, dia nanambara toy izao ny psykology iray: “Rehefa misy olona za-dratsy aminy [amin’ny sary sy soratra maloto], dia mitombo ny filany, miharatsy ny fihetseham-pony ara-dalàna ary mirona hanao izay hitany izy ireny.” Niaiky toy izao i Bishop: “Izany no nitranga tamiko. Nandry tamin’ny lehilahy aho, voasintona hanao fitondrantena maloto tamin’ny ankizilahy, mpamono olona, ary ny sary sy soratra maloto no niteraka ny fietreko.”

Na dia nisy mpamono olona niaiky ny amin’ny vokatra manimban’ny sary maloto aza, dia maro no mihevitra azy mandrakariva ho fialam-boly tsy mampaninona. Tena mihatra amin’izy ireny ny fampitandremana alefa ao amin’ny Isaia 5:20, manao hoe: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina.”

Tsy misy zava-miafina mihitsy

Ny gazety kanadiana iray (The Toronto Star) dia manonona ny tenin’i Phyllis Smith, minisitry ny Fiangonana tafatambatra, izay mihevitra fa toa mampihozongozona ny finoan’ny mpitondra fivavahana sasany ny fanontaniana lazain’ireo marary tsy azo sitranina. “Manontany zavatra momba ny zava-miafin’ny fiainana sy ny fahafatesana tsy misy mahay mamaly mihitsy ireo eo am-bavahoana, hoy ny nambarany. Tsy misy tokony hahavoahozongozona antsika amin’ny fieritreretana fa tokony hahay hamaly ny fanontaniana rehetra isika.” Araka ny filazan’i Phyllis Smith, rehefa misy fanontaniana ara-panahy sarotra lazaina, dia “tsy voatery hiaro an’Andriamanitra” ireo mpitondra fivavahana.

Na dia marina aza fa tsy mahay mamaly ny fanontaniana rehetra momba ny fiainana sy ny fahafatesana ny olona sasany, ny Baiboly kosa dia mamaly izany. Moa ve ireo milaza tena ho minisitr’Andriamanitra tsy tokony hahafantatra izay ambaran’ny Teniny? Izao no nolazain’ny apostoly Petera tamin’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.” (1 Petera 3:15). Tsy sarotra tamin’ireo kristiana voalohany mihitsy ny nahatakatra ny hoe manao ahoana ny toeran’ny maty sy izay tehirizin’ny hoavy ho azy ireny. Fantany ireto teny voasoratra ao amin’ny Mpitoriteny 9:5 ireto: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” Nanome toky toy izao ny mpianany i Jesosy: “Avy ny ora izay handrenesan’ny ao am-pasana fahatsiarovana rehetra ny feony ka hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29, MN ). Ho an’ny minisitra kristiana marina, dia tsy misy zava-miafina mihitsy amin’ny fiainana sy ny fahafatesana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara