Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve nanao teny mampiseho fanavakavaham-pirazanana ny apostoly Paoly tamin’ny fanekena ny fanakianana natao tamin’ny vahoaka kretana tamin’ny fitambarany?
Tsia, tsy nanaiky ho voatarika hanaratsy foko na firenena iray manontolo hafa noho ny azy i Paoly.
Ny nahatonga an’io fanontaniana eo ambony io dia ny fanamarihana nataon’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy. Navelany tao Kreta, nosy lehibe iray tao Mediterane, io mpianatra io mba ‘handamina izay mbola tsy tanteraka sy hanendry loholona amin’ny isan-tanàna’. Rehefa avy nitanisa ny sasany amin’ireo toetra takina amin’ny loholona i Paoly dia nanome azy izao torohevitra izao: “Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ny voafora — tsy maintsy hotampenam-bava ireo — izay mampivadika mpianakavy maro.” — Titosy 1:5, 10, 11.
Manohy toy izao i Paoly eo amin’ny Tit 1 andininy faha-12: “Hoy ny anankiray amin’ireny, izay mpaminany teo aminy: ‘Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.’ ” Ary hoy ny teny anampiny eo amin’ny andininy faha-13: “Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana.”
Mpandika teny maro no mametraka ny fehezantenin’i Paoly hoe “Marina izany vavolombelona [fanambarana, MN ] izany” eo amin’ny andalan-tsoratra misy ny tenin’ny mpaminany kretana iray notononiny. Ny hafa kosa mampanomboka fehintsoratra vaovao amin’ny andininy faha-13a. Na ahoana na ahoana, fanambarana inona no somary neken’i Paoly?
Azo antoka fa tsy nanaiky izay rehetra nety ho fanevatevana mampiseho fanavakavaham-pirazanana natao tamin’ny Kretana amin’ny fitambarany izy, satria fantany fa tao Kreta dia nisy kristiana tsara dia tsara nankasitrahan’Andriamanitra sy nohosorany tamin’ny Fanahiny masina (Asa. 2:5, 11, 33). Ampy isa ny kristiana be fandavan-tena tao mba hahaforona kongregasiona “isan-tanàna”. Na dia tsy tanteraka aza ireny kristiana ireny dia azo antoka fa tsy mpandainga na kamo be tenda, satria raha izany no izy, dia ho nanaisotra ny fankasitrahany azy ireo Jehovah (Filipiana 3:18, 19; Apokalypsy 21:8). Azo inoana koa fa tany Kreta, sahala amin’ny any amin’ny firenena rehetra amin’izao androntsika izao, dia misy olona tso-po malahelo noho ny toe-piainana mampahonena manjaka manodidina azy ireo ary vonona ny handray tsara ny hafatra kristiana. — Ezekiela 9:4; jereo Asa. 13:48.
Hita tany Kreta koa anefa ny olona tsy nanana fitondrantena ambony. Noheverin’i Paoly àry fa nety ny nakana ny tenin’ny poeta (mpaminany na mpitondra teny) kretana iray, tsy isalasalana fa Epiménide, velona tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ny nankasitrahan’i Paoly anefa dia ny fampiharana io filazalazana io tamin’ny sokaji-mponina kretana sasany.
Tiany ny hiresaka ny amin’ny ‘olona mpamitaka’ sy “mpitaria foana” nanana fifandraisana tamina kristiana nahatoky ka nanandrana ‘nampivadika mpianakavy maro’. Ireny olona mpamitaka sy mpikomy ireny dia tena mendrika ny holazaina fa “mpandainga” sy “biby ratsy”, sahala amin’ny hafa koa tany ivelan’i Kreta (2 Timoty 3:6, 13). Ambonin’izany, raha nanaiky ho voafitaka sy nanaraka fitondrantena toy izany ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona, dia nila ny ‘hotenenina mafy’, ka izany dia hanampy azy ho tonga ohatra amin’ny asa tsara sy ny “teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina”. — Titosy 2:6-8.
Misy fampitandremana ho an’ny tsirairay avy amintsika eo. Mety ho hita be dia be manodidina antsika tokoa ny fitompoan-teny fantatra amin’ny firazanana na ny firenena toy izao na izao (jereo Jaona 7:47-52). Tsy isalasalana fa efa nandre mpifanila trano, mpiara-mianatra na mpiara-miasa nanao fanamarihana manindrona momba ny olon-kafa isika, toy ny hoe: ‘Mangatsiaka sy tsy mihontsina ny Tavaratra’, na: ‘Kamo ny Tatsimo, iza no tsy mahalala izany!’, na koa: ‘Tsy fahendrena ny hametrahana ny fitokiana amin’ireny hafa firenena ireny.’
Aoka isika hitandrina mba tsy hametaka amin’ny firazanana na firenena iray, marika azo inoana fa tsy marina na tafahoatra. Mety ho sariaka sy mafana fo ny firenena iray, fa tsy ho be teny na tsy mora mamatotra fisakaizana amin’ny vahiny kosa ny iray hafa. Aoka tsy hohadinointsika anefa fa tsy isalasalana fa manana rahalahy kristiana eo anivon’io antokom-pirazanana na firenena io isika, ary misy maro hafa ao izay mbola tsy tonga kristiana marina, kanefa manana toetra mahate-hidera sy mangetaheta ny fahamarinana.
Nosoritan’ny apostoly Petera fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. (Asa. 10:34, 35.) Tsy isalasalana mihitsy fa nanaiky io hevitra io i Paoly ary hita taratra teo amin’ny zavatra nosoratany sy teo amin’ny teniny izany. Tokony ho toy izany ny amintsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Fandikan-teny Eokimenikan’ny Baiboly sy ny Teny velona (soratra nataon’i Kuen).