Mandre ny “fihiram-baovao” ny tanin’ny “vorona dipoavatra”
RAHA vao mangiran-dratsy dia miakatra manerana an’i Libéria ny fitoreoreo mangan’ny “vorona dipoavatra”. Hatramin’ny taranaka maro, dia manaitra ny tantsaha ho amin’ny andro fiasana vaovao eo amin’ny hainandron’ny trôpika ny kiakiakany. Io vanobe, miely aoka izany any Libéria io, no nahatonga ilay tany hahazo ny anaram-bositra hoe “tanin’ny ‘vorona dipoavatra’ ”.
Mampahatsiahy zavatra hafa anefa ny anarana hoe Libéria. Tamin’ny 1822, dia nisy andevo afaka nandao an’i Amerika mba ho any amin’ny kontinantan’ny razambeny. Nanorim-ponenana teo amin’ny vavaranon’i Mesurado, teo amin’ny toerana izay ho tonga Moronvia, izy ireo. Nisy fitambaran’olona hafa koa nipoitra tao Buchanan, Greenville sy Harper. Nanao fifanekena tamin’ny mpanjakan’ireo foko teratany ireo mpiavy. Nentin’ireny andevo taloha ireny niaraka taminy ny “negro-spiritual”; ireny hira ireny, izay nampiaraka foto-kevitra araka ny Baiboly tamin’ny figadon-kira afrikana, dia nampiseho ny hetahetam-pahafahana nananan’izy ireo. Noho izany antony izany no nahazoan’ny fikambanany ny anarana hoe Libéria tamin’ny 1824. Tamin’ny 1847, dia tonga ny repoblikan’ny mainty hoditra voalohany tany Afrika izy io.
Tsy ela anefa izay dia re tao amin’io tany io ny fihiram-baovao iray. Tsy ny an’ny “vorona dipoavatra” akory izany na ny an’ireo andevo afaka, fa miventy azy ny olona mihamaro izay mandray am-po ity fananaran’ny mpanao salamo ity: “Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah; mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.” (Salamo 96:1, 10). Eny, io hira io dia mankalaza ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina, izay Jesosy Kristy no Mpanjaka. Ventesin’ireo ho tonga mpandova ny fitondram-panjakan’i Jehovah any an-danitra izany. Miaraka amin’ireo namany, dia ambarany amim-pifaliana ny “vaovao tsara” momba an’io Fanjakana io any amin’ny firenena rehetra, anisan’izany Libéria, mandritra ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” diavintsika amin’izao andro izao (Matio 24:3, 14, MN ). Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa no nandrenesana voalohany ny tonon’izany hira izany tao amin’ny tanin’ny “vorona dipoavatra”? Inona no vokatr’io kalo mampihetsi-po io teo amin’ireo izay nandray azy?
Tonga tany Libéria ny “fihiram-baovao”
Tamin’ny 1946, Harry Behannan, mpitendry pianô mainty hoditra nanan-talenta izay niseho sehatra nanerana an’i Eoropa, dia niala tamin’ny raharahany tamin’ny naha-mpahay mozika mba ho tonga misionera. Nandritra ny enim-bolana, dia nitory irery tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah izy, nitety isan-trano mba hampiely ny fahamarinan’ilay Fanjakana. Nametraka boky 500 mahery izy ary nahazo namana maro. Avy eo, dia nampalahelo fa matin’ny aretina trôpikaly ny rahalahy Behannan. Tsy nangina anefa ny “fihiram-baovao”, satria nandimby an’io rahalahy io ny misionera hafa.
Tamin’ny 1947, George Watkins (mpanandranandrana ady totohondry) sy Willa Mae vadiny, dia tonga nitory tao Monrovia, renivohitr’i Libéria. Tamim-paharetana sy zotom-po be no nampianarany Liberiana nanetry tena ‘hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy’. (Matio 28:19, 20.) Tamin’ny septambra 1948, dia olona 15 no nandray anjara niaraka tamin’izy ireo tamin’ny fanompoana ilay Fanjakana. Tamin’izany no niforonan’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Libéria.
Niely haingana ny fitoriana ilay Fanjakana tany atsimo nanaraka ny moron-tsiraka, hatrany amin’ny seranan’i Harper, tany Kakata sy tany amin’ireo vohitra eny amin’ny manodidina, ary koa teo amin’ireo mpaka ranom-pingotra tao amin’ny saha fambolena Firestone, izay niteny kissi. Tamin’ny 1952, dia nosokafana tany Libéria ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny taona nanaraka, dia naorina ny Efitrano Fanjakana voalohany mbamin’ny trano iray ho an’ny misionera tany Monrovia, arabe McDonald. Fotoana nahavariana tokoa izany! Amin’izao andro izao, dia olona 1724 no midera an’i Jehovah ao amin’io tany io. Mahazo vokatra tsara dia tsara izy ireo eo anivon’ny mponina sariaka sy manetry tena ary tia mampiantrano vahiny any Libéria.
Ny “fihiram-baovao” — anakamamina amin’izao andro izao
Ireo Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny foko 16 lehibe indrindra any Libéria, mbamin’ireo misionera sy kristiana tonga miasa any amin’izay ilàna izany kokoa, dia miray feo izao mba hampanakoako ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy ela izay, dia nandodona kokoa ny antso nataon’ny Vavolombelona liberiana ho an’ireo izay mikatsaka ny fahamarinana. Ny tsirairay avy aminy tokoa dia manokana 27 ora isam-bolana amin’ny fitoriana, amin’ny antsalany, ary nitombo avo telo heny mahery ny isan’ny mpanompo manontolo andro tao anatin’ireo dimy taona farany. Nitondra fitahiana izany fiezahana izany, na ho azy ireo na ho an’ny hafa. Hifankahalala amin’ny sasany amin’ireny kristiana ireny isika.
Nandamina ny fotoanany i Emmanuel mba hikarakarana ny ankohonany nisy olona maro sady nanao ny asa manontolo andro tany Gardnersville. Tafahaona tamin’i Varney sy Lucinda izy ka nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo. Nihevitra anefa ireo olona ireo fa fahotana ny niova finoana. Nasehon’i Emmanuel izay voalazan’ny boky Comment raisonner momba izany. Nindramin’izy ireo taminy ilay boky, namaky tapany hafa koa tamin’izany izy, ary nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana. Tsy ela tatỳ aoriana, dia nanao ny dingana voalohany teo amin’ny fanompoana kristiana izy ireo. Teo anelanelan’izany, ny tompon-tranony (mpitondra fivavahana), izay nahamarika ny fiovan-toetran’izy ireo, dia nanasa azy ireo hampiasa ny efitrano fandraisam-bahininy hanaovan’izy ireo fianarana Baiboly. Rehefa avy nanatrika fivoriamben’ny distrika io lehilahy io dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Nangataka fianarana ny Baiboly manokana àry izy.
Rehefa nandray tsara ny “fihiram-baovao” i Tamba, mpanao azy ho tsindrian-javatra taloha tao amin’ny faritanin’i Loffa, dia nisy vokany nanafaka teo aminy izany. Velom-panahiana noho ny fahasalaman’ny zanany izy, ka nanontany ireo fanahy. Nanome toky azy ireo fa tsy ho faty ny zanany, nefa nilaza fa nitady hamono azy ny vadiny. Tamin’ny alalan’ny fanomezana sy ny sorona, dia niangavy ireo fanahy i Tamba mba hamono ny vadiny; amin’izany dia tsy hitondra fahavoazana ho an’ilay zanaka ravehivavy. Inona no nitranga nanaraka izany? Maty ilay zanany; tsy naninon-tsy naninona kosa ny vadiny. Sosotra sy diso fanantenana i Tamba ka nanaisotra ny zavatra rehetra momba ny spiritisma nananany. Tao anatin’ny fahoriany, dia nanohina azy mafy ny hafatra momba ny fanantenana fananganana amin’ny maty sy ny paradisa an-tany ho avy. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy, nanadio ny fiainany ary nanolo-tena ho an’i Jehovah. Hatramin’izay dia nanampy ny fianakaviany sy olon-kafa sivy nanodidina azy hanao toy izany koa izy.
Nanova fiainan’olona tso-po maro maro ny “fihiram-baovao”. Mpilalao baolina nalaza i Herbert, ka izany dia nahatonga azy hahazo vatsim-pianarana ho any amin’ny oniversiten’i Monrovia sy toerana tao amin’ny fiandraiketan-draharaha. Rehefa fantany anefa izay lazain’ny Baiboly momba ny fitiavana fifaninanana, dia niala tamin’ny raharahany ara-panatanjahan-tena izy (Galatiana 5:26). Mifaly amin’ny raharaha vaovao ataony izy izao, dia ny fanompoana manontolo andro.
Indray andro i James dia nanontany an’ilay Vavolombelona niara-nianatra ny Baiboly taminy ny amin’izay azony natao mba hanafahan-tena amin’ny fanandevozan’ny “marijuana” (karazan-drongony). Araka ny namporisihana azy hataony, dia nivavaka tamin’i Jehovah i James mba hanampy azy hitsahatra tsy hampiasa zavatra mahadomelina. Rehefa afaka tapa-bolana teo ho eo, dia tsy nahatohitra ny faniriana hifoka indray izy. Rehefa nody an-tongotra nankany an-tranony izy, dia nahadona mafy tsora-by ka nivoa-dra betsaka teo amin’ny handriny. Nahatsiaro ny vavaka nataony izy ka tsy niverina intsony mihitsy tamin’ny fanaony taloha. Mpitory maharitra mandavantaona izy ankehitriny sady mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona.
Ren’i Samuel, lehilahy be taona avy amin’ny fokon’i Krahns koa ny antso nalefa tao amin’ny “fihiram-baovao”. Filoha tao amin’ny “comté”-n’i Montserrado izy taloha. Inona no nahatarika azy hiala tamin’ny raharaha nandraisan-karama be mba hidirana ao amin’ny fanompoana manontolo andro? “Ny nanaitra ny saiko, hoy ny nambaran’i Samuel, dia ny hoe izay rehetra lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ampianariny ary ataony dia nifanaraka tamin’izay novakiko tao amin’ny Baiboliko mihitsy.” Nanampy teny izy fa nahita teo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny fitiavana nolazalazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 13:34 sy 35. Ambonin’izany, dia nasain’i Samuel nomarihina fa, mifanohitra amin’izany, ireo mpiray finoana taminy taloha dia “niady sy nifanditra foana noho ny raharaha ara-bola, ary izany dia hatrany am-piangonana”. Mpitory maharitra mandavantaona izao i Samuel.
Mihamafy ny “fihiram-baovao”
Ireo fivoriamben’ny distrika alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona dia fotoana mahafaly indrindra ahafahan’izy ireo midera an’i Jehovah amin’ny hirany. Hatramin’ny taona vitsivitsy anefa izao dia sarotra ny mahita any Libéria trano ampy fahalalahana mba handraisana ny Vavolombelona rehetra sy ny olona rehetra liana ny fahamarinana ao amin’io tany io. Tamin’ny 1986, dia fivoriambe roa no natao tao amin’ny hany efitrano nety tamin’izany, kanefa niharihary ho tery loatra izy io ho an’ny mpanatrika izay tafakatra ho 4 000 mahery tamin’ny fitambarany. Ahoana no hatao amin’ny 1987? Vita tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ny fitambaran-toerana fanaovana fanatanjahan-tena Samuel K. Doe, satria nanampy tamin’ny fanorenana azy i Chine. Ho ampy hanofana ireo toerana ireo anefa ve ny volanay?
Koa satria ara-panabeazana ny fandaharanay, dia nampanantena anay ny tale fa hampanofa aminay ny kianja amin’ny sarany mirary tokoa. Tokony ho tapa-bolana monja talohan’ny datin’ny fivoriambe anefa, dia tiany ny hampitombo ny hofany. Inona no nitranga? Vao avy nanao toriteny nirehidrehitra tao amin’ilay kianja ny televanjelisitra amerikana fanta-daza iray, ary nahatsiravina ny nanaovan’ny olona ilay toerana; rakotry ny potipoti-javatra ny tokotany. Nomena toky ny tale fa hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny omalin’ny fivoriambe, dia 500 mahery tamin’izy ireny no nanadio tanteraka ny kianja. Taorian’io fihaonambe io, dia re ny tale sinoa nilaza fa sarobidy noho ny hofan’ny toerana ny fiezahanay hitana ireo toerana ho madio.
Nahitana fahombiazana ilay fivoriambe. Ny lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra, iza no tena azo ametrahana ny fitokiana?” dia nahavory mpanatrika 5 852, tampon’isa. Toy inona moa ny fifaliana nahita olona 101 natao batisa ka nampiseho tamin’izany fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy! Teo amin’ny toerana nanaovana ny fivoriambe mihitsy no natao ny fandrobohana, tao amin’ny dobo anankiroa azo nesorina — voalohany tany Libéria!
Koa satria mihamaro ny olona mandray tsara ny “fihiram-baovao”, dia niharihary fa tsy ampy ireo toerana voalohany tao amin’ny arabe McDonald, tao Monrovia. Na dia ny trano fanampiny tany Sinkor aza dia tsy ampy nitehirizana ny boky momba ny Baiboly nahasahana izay nilain’ny Liberiana ara-panahy. Novidina sy nohavaozina ny trano avo fonenana iray teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana tao Paynesville. Tamin’ny 28 martsa 1987 no nitokanana ny trano vaovaon’ny sampana. Noho ireny toerana tsara sady midadasika ireny, dia ampy fitaovana tsara ireo mpanompon’i Jehovah ao Libéria mba hiatrehana ny fitomboan’ny fahalianan’ny mponina.
Asa inona no mbola tokony hotontosaina any Libéria? Tsara dia tsara ny fahatsinjovana fitomboana, araka ny asehon’ny isan’ny mpanatrika rehetra tamin’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1988. Olona 8 600 tokoa no tonga tao amin’io fankalazana io, izany hoe avo dimy heny noho ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Miasa amin-jotom-po ireo Vavolombelona ao Libéria mba hisetrana ny zava-tsarotra. Mitarika fampianarana ny Baiboly 3 000 mahery isam-bolana izy ireo. Mivavaka izahay mba hisian’ny olona maro eto Libéria mbola hamaly ny antson’ny “fihiram-baovao” ka hiaraka amin’ny “olona betsaka” mihamaro hatrany izay midera an’i Jehovah. — Apokalypsy 7:9, 10.
[Efajoro, pejy 28]
Isan-trano any Libéria
Manatona trano iray vita amin’ny rantsan-kazo sy fotaka nohamainina izahay. Tsy nandondòna izahay fa nanamarika ny fahatongavanay tamin’ny fiantsoana hoe: “Kpô, kpô, kpô!”
Rehefa tsy nahazo valiny izahay dia nankany ambadiky ny trano ka nahita tao, fianakaviana nipetraka tao amin’ny “lakozia”, trano bongo iray naorina tao an-tokotany. Mangotraka moramora eo ambony afo kitay ny diberana palma mena sady marihitra ao anaty vilany. Eo am-pandoaram-bary ilay reny ary niteny tamin’ny ankizy mba hitondra seza ho anay.
Naka toerana izao ny mpianakavy. Nipetraka teo amin’ny dabilio iray izy ireo ka nihaino anay tamim-pitandremana raha mbola namelabelatra tamin’izy ireny ny hafatra momba ilay Fanjakana izahay. Tamim-pifaliana no nandraisany anankiray tamin’ilay bokikely hoe Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!, ary nanao fandaharana izahay mba hiverina hitsidika azy ireo. Rehefa nitsangana mba hiainga anefa izahay, dia nanasa anay hisakafo izy ireo.
[Sarintany/Sary, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
SIERRA LEONE
LIBÉRIA
COMTÉ DE LOFFA
COMTÉ DE MONTSERRADO
Monrovia
Kakata
Buchanan
Greenville
Harper
GUINÉE
CÔTE D’IVOIRE
OCÉAN ATLANTIQUE
Km 0 100 200 300
Mi 0 100 200
[Sarintany]
AFRIQUE