Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra Masina: Nahoma 1:1 ka hatramin’ny 3:19
Mety hisy ny famonjena rehefa hamaly Andriamanitra
“FA REHEFA afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy.” (Salamo 37:10). Ho tanteraka ireo teny ireo; ahitana porofo mahery ny amin’izany ao amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Nahoma sy Habakoka. Ireo lehilahy be herim-po ireo dia namita ny fanangonana ireo faminaniany tao amin’ny fanjakan’ny Joda, tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
Hodinihintsika aloha ny faminanian’Andriamanitra nampitaina tamin’ny alalan’i Nahoma. Fianarana inona no raketiny?
Azo antoka ny famalian’Andriamanitra
Mitaky fifikirana aminy irery Jehovah (Eksodosy 20:5). Tao amin’ny fanambarana fanamelohana an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, dia nasehon’i Nahoma fa hampihatra ny famaliany ireo fahavalo tsy manolotra azy fifikirana toy izany izy. Jereo, mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, miempo ny havoana ary mientanentana ny tany! Iza no hahatohitra ny firehetan’ny fahatezerany? — 1:1-6.
Afaka manao an’i Jehovah ho fialofantsika isika. Miaro an’ireo izay mitady fialofana ao aminy tokoa Andriamanitra. Rehefa ringana ireo fahavalony, dia tsy hiverina fanindroany ny fahoriana. Misy vaovao tsaran’ny fiadanana ho an’ny Joda, satria tsy ho voasakantsakana intsony ny fanompoam-pivavahana marina. — 1:7 ka hatramin’ny 2:3.
Tsy hahomby ny tsy marina. Izany no fianarana avy amin’izay nitranga tamin’i Ninive. Ny fitondrana tamin-kalozana nampihariny tamin’ireo babo dia nahatonga azy homena anarana hoe “tanàna mpandatsa-dra”. Sahala amin’ny lava-diona, io tanàna voaro mafy io dia toa nandry fahizay tao anatin’ny mandany avo be. Araka ny didin’Andriamanitra anefa, dia hiharan’ny efa nataony tamin’i No-Amona, na Teba, teo amin’i Neily, i Ninive. Noho ny fahotany, dia horavana ilay renivohitr’i Asyria. Tanteraka io faminaniana io rehefa nanafika an’i Ninive ny tafika nitambatr’i Nabopolasara, mpanjakan’i Babylona sy Syaksara Mediana, tamin’ny 632 alohan’ny fanisan-taona iraisana. — 2:4 ka hatramin’ny 3:19.
Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra Masina: Habakoka 1:1 ka hatramin’ny 3:19
FANTATR’I Habakoka fa amin’ny fotoana voatendriny dia hiditra hamely ireo mpampahory lozabe Jehovah, fa ‘ho velon’ny fahatokiany hatrany kosa ny marina’. (2:4, MN.) Inona koa no fianarana azo tsoahina avy amin’io faminaniana io?
Ny famonjena ho an’ireo izay mino
Mihaino ny antson’ireo mpanompony i Jehovah. Hoy ny fanontanian’i Habakoka: “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao!” Tsy misy rariny mihitsy ary tafihin’ny ratsy fanahy ny marina. Mandre anefa Andriamanitra ka, ho fiasana fanasaziana, dia ‘atsangany ny Kaldeana’. Ahoana anefa no azony ampiasana fanjakana mpiady? Andrasan’ilay mpaminany ny valin-tenin’Andriamanitra izay heveriny fa ho fananarana. — 1:1 ka hatramin’ny 2:1.
Ireo izay marina sy mahatoky ihany no mbola ho velona. Nanome antoka an’i Habakoka ny amin’izany Jehovah. Na dia toa lava aza ny fotoana, amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra dia “tsy maintsy ho tanteraka” ny fahitana ara-paminaniana. Tsy hahatratra ny zava-kendreny ny fahavalo mieboebo izay mandroba ireo firenena. Tsia, tsy maintsy hosazina ny Kaldeana. — 2:2-5, MN.
Lozan’ny ratsy fanahy!
Aoka isika hitandrin-tena amin’ny harena tsy marina, ny herisetra sy ny fanompoan-tsampy. Tsy maintsy hiharan-doza tokoa izay mampitombo ny tsy azy, izay mahazo harena amin’ny fomba ratsy, izay manorina tanàna amin’ny fandatsahan-dra, izay mampisotro ny hafa amin’ny kapoaky ny faharesena mahamenatra amin’ny alalan’ny herisetsa ary izay mahametraka ny fitokiany amin’ny sampy tsy manana aina. Hofoanan’Andriamanitra ny asan’ireny olona ireny. Amin’ny farany ny tany manontolo dia hahita ny voninahitr’i Jehovah ka tokony hangina ho fanajana ny rehetra, eo anoloan’izany. — 2:6-20.
Aoka isika hiantehitra amim-paharetana amin’i Jehovah mba hahavonjy. Tamin’ny vavaka no nahatsiarovan’i Habakoka ireo fisehoan’ny herin’i Jehovah taloha. Ankoatra ny zavatra hafa, Jehovah dia namakivaky ny tany ary tamim-pahatezerana no namelezany ireo firenena. Nivoaka hamonjy ny olony koa izy. Very hevitra i Habakoka ka tapa-kevitra ny ‘hiandry ny andro fahoriana’. Tsy mampaninona ireo fotoana ratsy tsy maintsy diaviny, fa hifaly amin’i Jehovah izy ary hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena azy. — 3:1-19.
[Efajoro, pejy 24]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ Nahoma Nahoma 1:4 — Faritra tsara tarehy sy lonaka Basana sy Karmela ary Libanona. Raha niharatsy ireo faritra ireo, dia loza aman’antambo ho an’ny olona niankina taminy. Mampiseho ny hamafin’ny fandatsahan’i Jehovah ny fahatezerany izany.
○ 1:10 — Nihevi-tena ho tsy azo idirana toy ny tsilo misaringodringotra i Ninive, ary mamon’ny fanirian-daza. Ho main’ny afo mora foana toy ny mololo anefa izy. Sahala amin’izany, amin’izao androntsika izao ireo fahavalon’ny olon’Andriamanitra dia tsy hahatohitra ny fitsaran’i Jehovah mivaivay.
○ 2:7 — Tamin’ny fotoana nanafihana an’i Ninive, dia nisy ranonorambe nahatonga an’i Tigra ho tondraka. Safotry ny rano ny tapany tamin’ny tanàna ary nirodana ny tapany tamin’ny manda. Tsy sarotra tamin’ireo mpanafika mihitsy àry ny naka ilay renivohitra asyriana.
○ 2:12-14 — Sahala amin’ny biby dia, ny Asyriana dia nampihorohoro sy nanafika mandrakariva ireo firenena hafa. Toa marika nahafantarana ny fireneny koa ny liona. Nahitana sary sokitra mampiseho liona maro be tao amin’ny sisan-javatra rava avy amin’i Ninive.
○ 3:3, 4 — Sahala amin’ny vehivavy janga, Ninive dia namitaka ireo firenena tamin’ny fanomezan-tokim-pisakaizana azy sy tamin’ny fampanantenana ny hanampy azy ireo. Tsy ela anefa ireny firenena voafitaka ireny dia nijaly teo ambany zioga fampahoriany, araka ny hita tamin’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda. — 2 Tantara 28:16, 20, 21.
[Efajoro, pejy 25]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ Habakoka Habakoka 1:2-4 — Noho izy nino an’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy mandefitra eo anoloan’ny ratsy, dia voatosika i Habakoka hanontany azy hoe nahoana no nanjaka ny faharatsiana. Niriny ny hanitsiana ny fiheviny (2:1). Rehefa manontany tena isika hoe nahoana no leferina ny zavatra sasany, ny fitokiantsika ny fahamarinan’i Jehovah dia tokony hanampy antsika toy izany hitana ny fijoroantsika ka hiandry an’Andriamanitra. — Salamo 42:5, 11.
○ 2:5 — Ireo Babyloniana dia aseho ho toy ny lehilahy iray nampiasa ny fiadiany mba hanafihana ireo firenena. Sahala amin’ny Sheola sy ny fahafatesana izay liana ny hahazo olona mandrakariva, io lehilahy io dia mbola naniry hahazo fandresena ara-tafika ihany (jereo Ohabolana 30:15, 16). Toy ny azon’ny fisotro mahery izy satria niakatra tany amin’ny lohany ny fandreseny. Nisy farany anefa ny fandreseny rehefa nianjera Babylona tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
○ 3:13 — Matetika ny vahoaka voafidy sy voahosotr’Andriamanitra, ny firenen’Isiraely, no nandray soa tamin’ny hery mahavonjin’i Jehovah (Salamo 28:8, 9). Rehefa tonga ny fotoana, dia nivoaka avy amin’io firenena io ny Mesia, ny ‘taranaky’ ny ‘vadin’Andriamanitra’ any an-danitra (Genesisy 3:15). Toy izany koa, Jehovah dia hamonjy amin’ny fanafihan’i Satana sy ireo firenena ny mpikambana farany amin’izany ‘taranaka’ izany, dia ny sisa amin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy. — Apokalypsy 12:17.
[Sary, pejy 24]
Sary nataon’ilay arkeology atao hoe A. Layard, mampiseho lapa asyriana iray.
[Sary nahazoan-dalana]
Nahazoan-dalana noho ny hatsaram-panahin’ireo mpiandraikitra ny British Museum (Londres).