Izao tontolo izao vaovao: ny Paradia hita indray!
NIAINA tao anatin’ny faritra kanto ireto mpivady vao: saha midadasika feno voninkazo, hazo, vorona sy biby hafa, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava dia paradisa. Endrey izany fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy amin’ny Mpamorona azy ireo, ary mari-pitiavana re izany! Kanefa ‘niaina sambatra mandrakizay’ tao ve izy ireo? Indrisy! tsy izany; vetivety dia nafoiny io fonenana io. Inona no antony?
Tsy maintsy nandao an’io toerana paradisa io izy ireo noho ny tsy namboleny fankasitrahana noho izay rehetra nataon’ny Rainy ho azy ireo. Ny mbola ratsiratsy kokoa ihany, dia tonga hatramin’ny fikomiana taminy sy ny tsy fankatoavana azy izy ireo tamin’ny fihinanana tamin’ny voan’ny hazo iray, kanefa, mba hitsarana ny tsy fivadihany, Andriamanitra dia nanome lalana azy ireo mba hioty amin’ny voan’ny hazo hafa rehetra, afa-tsy io ihany. — Genesisy 2:15-17; 3:6, 7.
Fa nahoana no nosazina mafy toy izany izy ireo noho ny fahadisoana izay, amin’ny ankapobeny, dia toa bitika dia bitika? Hanampy antsika hahatakatra izany angamba ny fanoharana iray. Aoka hataontsika hoe nandray tale manana filazan-toetra tsara ny tompon’ny magazay iray. Maniry ny hahazo antoka ny amin’ny tsy fivadihany io lehibe io ka nomeny azy ireo fanalahidin’ny magazay, sady nilazany izy mba tsy hamoa mihitsy ny vata sarihina iray, raha tsy tiany ny ho voaroaka. Indray andro, rehefa irery ilay tale, dia tsy nahatohitra ny fahalianana hahafanta-javatra: novohany ilay vata sarihina. Tratran’ilay tompon’ny magazay izy ka noroahiny.
Ny Paradisa very
Inona no fifandraisan’izany amin’izay nitranga tamin’ireo mpivady vao, Adama sy Eva, noresahinay terỳ ambony? Noroahin’ny Rainy avy amin’ny fonenany kanto izy ireo rehefa avy nihinana tamin’ny voankazo nandrarana. Tany ivelan’ny zaridainan’i Edena, dia tsy maintsy niaina teo amin’ny tsilo izy ireo. Nafoiny ny fahatanterahana sy fahafahana hiaina mandrakizay. Nanjary tsy tanteraka izy ireo tamin’izay ka nanatona ny fahafatesana. Tatỳ aoriana, ireo zanany dia nandova ny tsy fahatanterahan’izy ireo sy maha-mpanota azy ary ny fahafatesana. — Romana 5:12.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona”. Noho izany antony izany, tamin’ny andron’i Noa, dia nahatonga safodrano izy mba hanadiovana ny tany. Olona valo monja no afaka tamin’izany: Noa, ireo zanany telo lahy mbamin’ny vadin’ireo. Nomanin’izy ireo izay ho azo antsoina hoe diany ho any amin’izao tontolo izao hafa, tamin’ny fanatanterahana ireo toromarik’Andriamanitra sy tamin’ny fanorenana sambo fiara makadiry ho afaka hampialoka azy ireo, dia izy sy karazam-biby maro, tsy resahina intsony ny tahirin-tsakafo ampy (Genesisy 6:5-7, 13-22). Araka izany, dia voafaokan’ny ranon’ny safodrano ilay saha nonenan’i Adama sy Eva. Very ny Paradisa ... nefa tsy ho mandrakizay akory!
Ny Paradisa hita indray
Taonjato maro no lasa vao tonga ny andro nanirahan’Andriamanitra ny Zanany lahitokana teto an-tany mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Izany fanaovan-javatra izany dia manokatra ho an’ireo izay maneho finoana an’i Jesosy Kristy, fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Nanambara koa i Jesosy fa haorina indray ny Paradisa. Rehefa niala aina teo amin’ny hazo fijaliana tokoa izy, dia izao no nolazainy tamin’ny jiolahy iray izay niaritra fanasaziana tahaka ny azy teo anilany: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:43, MN.
Haorina indray ny paradisa aorian’izay mahazatra ny miantso azy hoe faran’izao tontolo izao. Naminany ny amin’ny farany toy izany i Jesosy rehefa namaly ity fanontanian’ny mpianany ity: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Niresaka ny amin’ny ady, ny mosary, ny horohorontany, ny areti-mandringana, ny fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna sy ny fitoriana maneran-tany ho fanohanana ilay Fanjakana izy. Hita nanomboka tamin’ny 1914 ireo lafiny amin’ny famantarana ireo sy ny hafa koa (Matio 24:3-14, MN ). Manambara ny fahataperan’izao tontolo izao ankehitriny sy ny hanorenana indray ny Paradisa eto an-tany izany.
Nanohy ny faminaniany tamin’izao teny izao i Jesosy: “Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:32-35). Araka ny asehon’ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly koa, vetivety foana sisa dia haorina indray ny Paradisa. Ho toy inona anefa io izao tontolo izao vaovao manangasanga eny am-paravodilanitra io?
Izao tontolo izao vaovao — hafa tanteraka!
Hosoloana ny Fanjakan’Andriamanitra ireo fitondram-panjakana ankehitriny (Daniela 2:44). Izay rehetra hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao dia hahita ny rariny sy fiadanana haharitra eo ambany fiandrianan’i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”. (Isaia 9:5, 6.) Koa satria ho naringan’i Jesosy ireo olona ratsy fanahy manapaka eo amin’ny olombelona sy tsy miraharaha lalàna, dia ny “tsy manan-tsiny” sy ny tia filaminana ihany no haharitra (Ohabolana 2:21, 22; Apokalypsy 19:11-21; 16:14-16). Eny, ireo ho tafita velona dia ho olona manetry tena sy tia fihavanana. Fahamaivamaivanana re izany!
Tsy ho hita intsony ao amin’izao tontolo izao vaovao ny fanavakavaham-pirazanana sy ny fitompoan-teny fantatra isan-karazany. Raha ny marina, dia olona maro be no efa nanomboka nanafa-tena tamin’izany. Iza moa izany? Dia ny Vavolombelon’i Jehovah. Fa nahoana no hafa toy izany izy ireny? Satria mianatra amim-paharisihana ny Baiboly izy, mampihatra izany eo amin’ny fiainany, ary maneho fifankatiavana eo amin’izy samy izy (Jaona 13:34, 35; Asa. 10:34, 35). An-tapitrisany maromaro izao ny Vavolombelona maneran-tany. Ambonin’izany, ny Baiboly dia manambara fa amin’ny farany ireo mpivavaka amin’i Jehovah eto an-tany dia hahaforona ‘vahoaka maro be tsy ho tambo isaina, avy amin’ny firenena, ny firazanana, ny fokom-pirenena sy ny fiteny rehetra’. — Apokalypsy 7:9, Jerosalema.
Tsy haka ain’olona intsony ny ady. Tsy hisy fandaniam-bola be intsony mba hikarakarana fitaovam-piadiana noklehera na nifanekena, na herin’ny tafika. Ho anisan’ny zavatra efa lasa ny fikomiana, ny adim-poko sy ny herisetra amin’ny endriny rehetra (Isaia 2:4). Tsy hisy hilàna azy intsony ny fanazaran-tenan’ny tafika sy ny raharaha miaramila. Tena ho fifaliana lehibe tokoa ny andro hampitsaharan’Andriamanitra ny ady! — Salamo 46:8, 9.
Hanjaka ny tena fiadanana. “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:10, 11.
Hosoloana fahatondrahan-javatra ny mosary. Any amin’ny toerana maro, dia misy mpamboly mahantra mahita fahasahiranana amin’ny “tsilo”, ary miady amin’ny tany tsy mahavokatra, ny fitomboan’ny efitra, ny fahamainana, ny fanafihan’ny valala mpanimba. Hiova tanteraka anefa izany toe-javatra izany (Isaia 35:1, 6, 7). Inona no haterak’izany? Fitomboan’ny vokatra be dia be (Salamo 72:16)! Hanao “fanasana” Jehovah amin’ny famaranana ny tsy fahampian-drano sy sakafo. — Isaia 25:6.
Hanana asa handraisan-tsoa be dia be ny tsirairay avy. Ho toy inona moa ny fahafinaretana hanorina trano, hamboly hazo fihinam-boa na hikarakara zaridaina! Ary hahafinaritra ny hipetraka eo amin’ny alokaloky ny aviavin’ny tena ka hihinana ny voany fy! — Mika 4:4.
Honina ao amin’ny trano tsara karazana tokoa ny rehetra. Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no mahita fahoriana monina ao amin’ny trano bongo na ny trano kely ratsy maloto. Izany indrindra no hita atsy Afrika ahitana Mainty hoditra an-tapitrisany maro miala avy any ambanivohitra. Matetika ny fonenan’izy ireny dia trano vita amin’ny feta na ny tanimanga sy tafo fanitso. Tsy azo antoka ny toe-piainana ara-pahasalamana ary sarotra ny manana fiainana mitokana ao. Ao amin’izao tontolo izao vaovao kosa anefa ny olona dia hanorina trano kanto ka honina ao. — Isaia 65:21, 22.
Hafahana amin’ny aretina mahafaty toy ny SIDA ny olona ka hahita fahasalamana tonga lafatra. Nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ny mpaminany iray ka niresaka ny amin’ny fotoana tsy hisian’olona hilaza intsony hoe: “Marary aho.” Ambonin’izany, ao amin’izao tontolo izao vaovao efa antomotra “dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”. — Isaia 33:24; 35:5, 6.
Ho efa nanjavona ny fahafatesana, ny ranomaso sy ny fiantohan-draharaha amin’ny fandevenana malaza (Apokalypsy 21:4). Ary ireo maty an’arivony tapitrisa maro? Fony olombelona teto an-tany i Jesosy dia nanangana olona maromaro. Ohatra, indray andro izy dia nifanena tamin’ny mpandevina nilahatra nanaraka vatampaty nandrian’ny zazalahy iray vao maty, avy ao amin’ny tanànan’i Naina. Rehefa avy nilaza teny fampaherezana vitsivitsy tamin-dreniny nidonam-pahoriana izay mpitondratena i Jesosy, dia nanonona izao teny izao: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Dia nitsangana ny maty (Lioka 7:11-17)! Indray mandeha koa, dia nilaza izao fampanantenana izao izy: “Avy ny ora ka izay rehetra ao amin’ny fasana fahatsiarovana (...) dia hivoaka avy ao.” (Jaona 5:28, 29, MN.) Koa satria Andriamanitra namorona kintana sy zavatra eny amin’ny lanitra an-davitrisany lavitrisa maro ka “miantso azy rehetra amin’ny anarany avy”, dia azo antoka fa tsy ho sarotra aminy mihitsy ny hanangana olona an-davitrisany vitsivitsy. — Isaia 40:26.
Ho ao ve ianao?
Ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany dia tsy ny hahafatesan’ny olombelona akory, fa ny hifaliany mandrakizay amin’ny zavatra tsara dia tsara hatolony azy amim-pitiavana. Manandrama vetivety maka sary an-tsaina ny fahasambarana hiara-hiaina sambatra amin’ny fianakavianao ao amin’izao tontolo izao vaovao! Alao sary an-tsaina ny ankizy miara-milalao amim-pilaminana amin’ny biby masiaka ankehitriny (Isaia 11:6-9). Eritrereto ny fifaliana hiaina amim-piadanana ao amin’ny fonenana mahafinaritra iray, hanao asa hitondra soa be dia be sy hanana sakafo tondraka. Eny, eritrereto ny hoe hanao ahoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany.
Ho ao ve ianao? Tsy isalasalana mihitsy fa izany no ho izy raha mahazo fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra ianao ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Vonona tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hametraka ny finoanao amin’ny fikasana tsy mety dison’Andriamanitra. Matokia fa ho tafaorina tsy ho ela ny Paradisa, satria akaiky dia akaiky ny izao tontolo izao vaovao!