FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/2 p. 7
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mendrika ny hotahafina
  • Satroboninahitra mahatafintohina
  • Ny Zava-miafina Momba ny Volamena
    Mifohaza!—1998
  • Volamena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Satroboninahitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitadiava Zava-tsarobidy Noho ny Volamena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/2 p. 7

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Mendrika ny hotahafina

Ny taratasy iray navoaka vao haingana tao amin’ny gazety amerikana (New Haven Register) dia nirakitra fanamarihana araka ny tena izy momba ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no azo novakina tao amin’io taratasy natao ho an’ny mpanoratra filoha io: “Vao avy nanao ny fivoriambe fanaony isan-taona tao amin’ny Coliseum ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny antokon’olona rehetra nivory tao, dia tsy nisy nandrasana sy notadiavina tahaka azy ireo. Tsy mbola nadio mihitsy toy ny talohan’ny nanombohan’ny fihaonamben’izy ireo ary tsy nisy loto toy ny taorian’ny niaingany ny Coliseum, raha tsy tamin’ny fivoriambeny teo aloha.”

Momba ny fivoriambe iray nalamin’ny Vavolombelona taona vitsivitsy izay, dia nanampy teny ny mpanoratra ilay taratasy hoe “Vavolombelona 75 000 no tafavory tao amin’ny Yankee Stadium, fa 20 000 hafa kosa no nihaino tany ivelany noho ny fanamafisam-peo, tamin’ny fety ara-pivavahana iray nampitolagaga ny mponin’i New York. Polisy roanjato, isa ilaina ara-dalàna mba hanaraha-maso ny vahoaka toy izany, no teo an-toerana tamin’ny andro voalohany, nefa roa monja no nirahina tamin’ireo andro nanaraka. Nasain’ny tanànan’i New York nankeny an-toerana ny tompon’andraikitra amin’ny sampan-draharaha momba ny fahasalamana, ny fampisakafoana olona maro sy ny polisy, mbamin’ny mpamonjy trano may mba handinika io fandaminana mahita fahombiazana sarotra inoana io ka haka hevitra avy aminy. Na dia teo an-toerana aza no nisakafo ireo mpanatrika, dia tsy nahitana na dia poti-javatra kely aza teo amin’ny tany taorian’ny niaingan’izy ireo. Na nanaraka izay rehetra mety ho karazana fahatoratoranana amin’ny fivavahana hafa ny tena na mandà amin’ny ankapobeny izay rehetra mety ho zavatra inoana, (...) dia voatery ny tena midera ny fandavan-tena, ny fahadiovana, ny fitondrantena faka tahaka ary ny fomba fiaina tsaran’ireny olona ireny. Ho tsara ny hanahafantsika rehetra sy ny hampisehoantsika ireo toetra tsara mahagaga hita eo amin’ireny olona manetry tena sy be fandavan-tena ireny.”

Na dia maro aza no mihevitra fa maningana ny fitondrantenan’izy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahafantatra fa ny kristiana marina dia tokony ho “velon’ny Fanahy” sy “handeha araka ny Fanahy”. Ny fanahin’Andriamanitra no miteraka ao amin’izy ireny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. Tena mendrika hotahafina tokoa ireo toetra ireo. — Galatiana 5:22, 23, 25.

Satroboninahitra mahatafintohina

An-jatony maro avy ny mponina tao Málaga, any Espaina, nanohana ny fangatahana fanampiana hanaovana satroboninahitra volamena voasokitra ho an’i “Notre-Dame-de-l’Espérance”, ny virijina nankamasinina tao amin’ilay tanàna. “Volamena iray grama ho an’ny [virijina]”, izany no fomba fiteny nampiasaina nandritra ny roa taona mba hahazoana fanomezana. Kavina, meday, peratra mariazy ary nify volamena koa aza no natolotra, avy eo dia narendrika. Tamin’izany no nahazoana volamena tsara 1,5 kilao, ampy nanamboarana satroboninahitra volamena mafonja natao ho an’ilay tsangambato.

Nomena satroboninahitra “Notre-Dame-de-l’Espérance” tamin’ny jona 1988 tamin’ny fotoan-dehibe nalaza notarihin’ny eveka iraky ny papa sy lehiben’ny arseveka espaniola maromaro. Mihoatra ny iray anefa ny katolika nahita hokianina ny amin’io fanomezana satroboninahitra io. Ny gazety espaniola iray (El País) dia mitantara fa tao amin’ny taratasy iray nisokatra, dia seminarista eo amin’ny roapolo no nanontany toy izao: “Amin’ny fombafombantsika tsinontsinona, moa ve isika tsy vato fahatafintohinana indray ho an’ireo mpino sy tsy mpino?” Nisy antokon’olona katolika koa nanonona ny teny nalefan’ny papa vao haingana ho an’ireo eveka momba ny tokony hanoroana hevitra ny mpivavaka mba “hahafoy ny harenany ho an’ireo mahantra indrindra”. Nampahafantariny tamin’izany fa ‘io fombafomba marevaka sy “mediatique” io sy ny satroboninahitra lafo be dia nandona mafy ny fieritreretan’izy ireo’.

Tsy mahagaga loatra raha hitan’ny olona tso-po ho tsy ara-dalàna ny andravahana sary tsy manana aina. Ny tenan’Andriamanitra koa aza tsy mankasitraka an’io fanao io. Taonjato maro lasa izay, dia nanameloka ny Isiraelita izy noho izany antony izany koa. Izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminaniny: “Nataony ho reharehany ny hasoan’ny firavany; nanamboarany ny sampiny maharikoriko izany.” (Ezekiela 7:20, Maredsous). Noho izany antony izany, ireo izay tia fahamarinana dia manaraka ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia ny ‘handosirana ny fanompoan-tsampy’. — 1 Korintiana 10:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara