Izao tontolo izao vaovao iray: akaiky dia akaiky!
EO am-bavahoana izao tontolo izao! Tena izany tokoa ve no izy? Maka fotoana handinihana amim-pitandremana ny toe-piainana maneran-tany.
Ampy dia ampy hanafoanana imbetsaka ny mponina amin’ny tany ny fiadiana noklehera. Mirehitra ny ady an-trano any amin’ny tany maro toa an’i Angola na Mozambika. Afrika Atsimo, Sri Lanka mbamin’ny firenena hafa koa dia rotidrotehin’ny adim-poko. Maka ain’olona maro koa ny fampihorohoroana sy ny mosary.
Ary ny areti-mandringana SIDA? Raha niresaka ny amin’ny “pesta mainty vaovao” ny Sunday Times, gazety mivoaka atsy Afrika Atsimo, dia nanoratra toy izao tao amin’ny fanontany tamin’ny 25 oktobra 1987: “Voatombana tsara kokoa ankehitriny ny vokatra mahatsiravin’ny SIDA eto Afrika: ao amin’ny tany sasany, dia tombanana fa olona enina amin’ny folo no mety ho faty noho izany manomboka izao ka hatreo amin’ny 1994.”
Miteraka fahatsiarovana tahotra ny toe-piainana toy izany hatraiza hatraiza. Tsapa ankehitriny ny fahamarinan’ireto teny ireto, notononin’i Harold Urey, nahazo ny loka Nobel, taona vitsivitsy lasa izay: “Hihinana ao anatin’ny tahotra isika, hatory ao anatin’ny tahotra, ho velona ao anatin’ny tahotra ary ho faty ao anatin’ny tahotra.” Ny zavatra mbola miavaka kokoa ihany dia ny nanambaran’i Jesosy Kristy, ilay mpaminany lehibe indrindra teto an-tany, fa amin’ny andro farany ho an’izao tontolo izao ankehitriny dia “ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. — Lioka 21:26.
Na dia ao aza izany rehetra izany, dia olona maro no tsy mba mijaly noho ny tahotra. Ny mifanohitra amin’izany aza no hita: mifaly izy ireo. Inona no antony? Fantany fa madiva hanjavona ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny (fa tsy ny planeta mihitsy akory), ary haorina tsy ho ela intsony ny izao tontolo izao vaovao iray. Ahoana no nahazoany izany finoana mafy izany? Tamin’ny fandinihana ny fahatanterahan’ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly.
Izao, ohatra, no navalin’i Jesosy rehefa nanontaniana azy ny hoe inona no ho famantarana ny fanatrehany sy ny fahataperan’izao tontolo izao. Hoy izy: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” Ny Ady Lehibe voalohany, izay nipoaka tamin’ny 1914, dia niteraka ny fandripahana olona maro be tsy mbola nisy toy izany mihitsy tamin’izay fotoana izay noho ny ady. Teo amin’ny 9 tapitrisa no maty tamin’ireo miaramila, tsy resahina intsony ny sivily an-tapitrisany maro niharam-pahavoazana! Mbola nandripaka kokoa ihany anefa ny Ady Lehibe Faharoa, satria nahafaty olona maherin’ny 55 tapitrisa! Nomarihin’i Jesosy fa izany ady izany dia harahin’ny mosary, ny horohorontany, ny areti-mandringana sy ny tsy firaharahana lalàna. — Matio 24:7-13; Lioka 21:10, 11.
Paoly, apostoly kristiana, dia nanambara tsy nisy diso koa ny toe-piainana maneran-tany diavintsika. Izao no nosoratany: “Any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.” (2 Timoty 3:1-5). Teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no nahafahan’i Paoly nilaza mialoha ny toe-piainana ankehitriny tsy nisy diso toy izany.
Izao kosa no nambaran’ny tenan’i Jesosy mihitsy momba ny andro farany: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:31). Olona an-tapitrisany maro no manao tsianjery ilay vavaka hoe “Rainay Izay any an-danitra”, nampianarin’i Jesosy, ka mivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 6:9, 10). Tsy fantatr’izy ireny anefa izay tokony havaly rehefa anontaniana azy izay tena hataon’io Fanjakana io. Mpianatra ny Baiboly marisika an-tapitrisany maro kosa anefa no nianatra fa io Fanjakana io no hanafoana an’izao tontolo izao ankehitriny, efa nisy hatramin’ny an’arivony taona maromaro, ka hanorina mafy izao tontolo izao vaovao iray izay hitondra soa tsy tambo isaina ho an’ny olombelona. Ahoana anefa no hanaovany izany, ary rahoviana?