FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 3
  • Nahoana no tokony hiseho hahay hankasitraka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no tokony hiseho hahay hankasitraka?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay mora heverina ho tsy mahagaga
  • Mety handroaka ny alahelo ny fankasitrahana
  • “Misehoa ho mahay mankasitraka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Antony hafa koa tokony hisehoana hahay hankasitraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Asehoy fa Mahay Misaotra Ianao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • “Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 3

Nahoana no tokony hiseho hahay hankasitraka?

TOPAZO maso ny fonon’ity gazety ity. Izany dia tsy maintsy mampahatsiahy antsika fa misy zava-tsoa maro be mifanohitra amin’ny faharatsiana sy ny fahantrana hita hatraiza hatraiza.

Tia zavatra tsara tarehy ve ianao? Eritrereto ny avana miseho aorian’ny orambaratra sy ny firindra milamina sy mahafinaritr’ireo lokony. Hevero ny riana manerinerina na ny biby mikarenjy miaraka amin’ny zanany kely. Alao sary an-tsaina ny zaridaina mahafinaritra iray feno voninkazo na ny vary be dia be jinjaina. Mahazatra ny olona maro be ny mahita ireny zavatra ireny. Ary ianao, ahoana no fiheveranao izany?

Izay mora heverina ho tsy mahagaga

Mandrakariva, arakaraka ny anandramana zavatra iray no ahitantsika azy ho tsy manaitra ka mora ny mihevitra izany ho tsy mahagaga. Vao mainka toa miavaka kokoa ihany io fahazaran-dratsy io amin’izao taonjato faha-20 ihazakazahan’ny zavatra rehetra izao. Hatramin’izay anefa, ny olona tsy tanteraka dia tsy mba maka fotoana akory handinihana ireo soa ananany, sy hieritreretana ireo antony tokony hahaizany mankasitraka.

Mifanohitra amin’izany, Davida mpanao salamo, nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, dia matetika no naneho ny fankasitrahany tamin’ny alalan’ny hira. Fanehoam-pankasitrahana miavaka ireto teny manaraka ireto, nalaina avy amin’ny tononkira nataony ho an’Andriamanitra:

“Rehefa jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao,

Sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,

Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?

Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?

Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao izy;

Ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony,

Dia ny ondry aman-osy sy ny omby rehetra,

Ary ny bibi-dia koa

Mbamin’ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,

Izay mandeha amin’ny làlan-dranomasina.

Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!” — Salamo 8:3, 4, 6-9.

Mety handroaka ny alahelo ny fankasitrahana

Ny fankasitrahan’ilay mpanao salamo ny zavatra kanto dia nanampy azy handroaka ny alahelony rehefa tonga teo anoloan’ny fisehoan-javatra tsy nahafinaritra na tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra izy. Mety ho toy izany koa ny aminao. Ahoana no hahatongavana amin’izany? Amin’ny fiezahana hankamamy bebe kokoa ireo zavatra mahafinaritra maro manodidina antsika. Amin’izany no hampitomboanao ny fahasambaranao sy ny an’ny olona akaiky anao.

Koa nahoana no tsy avela ireo zava-mahatalanjona sy ireo zavatra tsara dia tsara hitanao isan’andro hiteraka ao aminao fahatsapana fankasitrahana lalina an’ilay Mpamorona antsika malala-tanana? Aoka isika izao handinika antony hafa tokony hisehoana ho velom-pankasitrahana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara