FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 4-6
  • Antony hafa koa tokony hisehoana hahay hankasitraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Antony hafa koa tokony hisehoana hahay hankasitraka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Indroa nafahana tamin’ny fahafatesana
  • Ny fomba fiady nahatalanjona nampiasain’Andriamanitra
  • Fankasitrahana nihelina
  • “Misehoa ho mahay mankasitraka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahoana no tokony hiseho hahay hankasitraka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Fiampitana ny Ranomasina Mena
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 4-6

Antony hafa koa tokony hisehoana hahay hankasitraka

MIHOATRA noho ny firenena hafa rehetra, ny Isiraelita fahizay dia nanana antony tsara tokony hampisehoana ny fankasitrahany ny Mpamorona. Fa nahoana?

Sahala amin’ny olon-kafa, dia rariny tokoa raha hiseho ho velom-pankasitrahana ny Isiraelita noho ny zava-mahatalanjona tsy tambo isaina amin’ny famoronan’Andriamanitra. Misy antony hafa iray nanampy izany koa anefa: nifidy azy ireny tokoa ny Tsitoha mba ho tonga vahoakany ary niahy azy ireny indrindra (Amosa 3:1, 2). Aoka hodinihintsika ny antony miavaka vitsivitsy tokony ho niteraka ny fankasitrahany.

Indroa nafahana tamin’ny fahafatesana

Alao sary an-tsaina ny fankasitrahan’ny ray aman-dreny isiraelita rehetra tamin’ilay alina nanan-tantara tamin’ny 14 Nisana, taona 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana! Tamin’io alina io, ny anjelin’Andriamanitra dia nampamono “ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy”. Nandalo fotsiny anefa izy teo ambonin’ny tranon’ny Isiraelita izay namafy tamin’ny tatao sy ny tolam-baravarany, ran’ny biby novonoina tamin’ny Paska. Tapaka ny fanginana rehefa “nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana”. Tao amin’ireo fianakaviana isiraelita anefa, dia tsy naninona ny lahimatoa rehetra tsy foy. — Eksodosy 12:12, 21-24, 30.

Tatỳ aoriana kely, dia tsy maintsy ho safononoky ny fankasitrahana ny Isiraelita rehefa nahita an’i Jehovah nandray anjara tamin’ny fomba mahagaga rehefa nanaraka azy akaiky ny tafika egyptiana notarihin’i Farao ka toa voasakana teo amin’ny ranomasina Mena izy ireny. Tazany aloha ny andrirahona izay nitari-dalana azy ireny, nankany aoriana ary nampiadana aoka izany ny fandehan’ny mpanenjika azy. Rehefa naninjitra ny tanany teo ambony ranomasina i Mosesy, dia hitany tamim-pahatalanjonana ny rano nisaraka ary ny fanambanin’ny ranomasina niova ho tany maina noho ny rivotra mahery avy tany atsinanana nalefan’i Jehovah hitsoka nandritra ny alina. Tsy nilaina ny hanantitranterana mba hampiaikena ny Isiraelita hiditra avy hatrany tao amin’ny lalana hahavonjy vao nataon’Andriamanitra ho azy ireo.

Tamin’izay no nitranga ny antony hafa koa nahavelom-panahiana. Nitsofoka teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina ny Egyptiana, natoky fa hahatratra ny Isiraelita. Nefa rehefa teo anelanelan’ireo rindrin-drano ny Egyptiana rehetra, dia nanomboka niala ny kodiaran’ireo kalesy ka vetivety dia niteraka fifanjevoana tsy hay lazalazaina. Rehefa tonga soa aman-tsara teny ampita ny Isiraely rehetra, dia nasain’i Jehovah naninjitra ny tanany indray i Mosesy, dia “nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro”. Inona no vokany? Na Farao nieboebo na ireo lehilahy anisan’ny nahery indrindra tao amin’ny tafiny nirehareha dia maty an-drano daholo (Eksodosy 14:19-28; Salamo 136:15). Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fankasitrahana lalina tsapan’ny Isiraelita ho an’i Jehovah?

Ny fomba fiady nahatalanjona nampiasain’Andriamanitra

Na dia nameno fankasitrahana azy aza ny fanafahana azy ireo avy any Egypta sy ny namakivakiany ny ranomasina Mena tsy hay hadinoina, dia mbola tokony hahita fotoam-pisedrana maro ny Isiraelita alohan’ny hahatongavana ao amin’ny Tany nampanantenaina. Ny fisehoan-javatra niainany tao anatin’ireo 40 taona nivahiniana tany an’efitra anefa dia tokony ho nanome azy ireo antony amboniny tokony hahatsapana fankasitrahana manokana an’i Jehovah.

Rehefa avy nita an’i Jordana ny Isiraelita dia tonga tany amin’ny tany nomen’Andriamanitra azy ireo rehefa ela ny ela. Vetivety foana izy ireo dia hanatrika fomba fiady mahatalanjona hampiasain’i Jehovah ho azy ireo. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana? Tamin’ny fandresena sy ny fandravana ny tanàna kananita voalohany ho hitan’izy ireo, dia: Jeriko (Josoa, toko faha-6). Ny fomba fiady nampiasain’Andriamanitra, ny fampanodidinana an’i Jeriko ny Isiraelita nitondra ny fiaran’ny fanekena, dia tsy nahazatra fara faharatsiny! Nanodidina ny tanàna isan’andro ireo lehilahy nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito, dia nanodidina izany impito izy. Rehefa nitsoka ny anjomara ireo mpisorona, dia “nanakora mafy” ny Isiraelita ka “nirodana tamin’izay ny mànda”! (Andininy faha-20.) Ny tranon-dRahaba sy ny tapany tamin’ny manda nanohana azy ihany no hany nitsangana. Nirodana ny mandan’io tanàna toa tsy ho azo resena io, nefa tsy nandefa na dia zana-tsipika iray monja aza i Josoa sy ny tafiny! Tsy isalasalana fa ny fianjeran’i Jeriko dia nahaforona antony hafa iray miavaka koa ho an’ny Isiraelita mba hahatsapana fankasitrahana an’Andriamanitra.

Nampiasa ny fomba fiadiny mahatalanjona Jehovah tamin’ny toe-javatra niavaka hafa iray koa. Rehefa avy nitady fihavanana tamin’ny Isiraelita ny mponina tany Gibeona, dia nila ady taminy ny mpanjaka amorita dimy. Nanampy azy ireo i Josoa, ary imbetsaka Jehovah no nandray anjara tamin’ny ady tamin’ny fomba mahagaga. Nampifanaritahan’Andriamanitra ny Amorita ary “nony nandositra teo anoloan’ny Isiraely teo am-pidinan’i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy”. Be lavitra ny fandravan’ny havandra noho ny nataon’ny sabatry ny Isiraelita teo amin’ny laharan’izy ireny. — Josoa 10:1-11.

Tamin’izay, no nitenenan’i Josoa “teo imason’ny Zanak’Isiraely” tamin’i Jehovah hoe: “Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; ary hianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’i Aialona.” Inona no nitranga tamin’izay? “Dia nijanona ny masoandro, hoy ny tohin’ny fitantarana, ary nijanona koa ny volana, mandra-pamalin’ny olona ny fahavalony.” — Josoa 10:12, 13.

Fisehoan-javatra mahatalanjona re izany! Samy antony vaovao lehibe tokony hisehoana ho velom-pankasitrahana izany ho an’ny vahoakan’i Jehovah.

Fankasitrahana nihelina

Nahatsiaro fankasitrahana ny Isiraelita isaky ny avy nahita ny fisalovanan’i Jehovah. Azo inoana fa niteny anakampo ny tsirairay avy tamin’izy ireo tamin’izay fa tsy hohadinoiny na oviana na oviana ireo zavatra hitan’ny masony. Nahagaga anefa fa nihelina izany fankasitrahana izany. Matetika tokoa ny Isiraelita no niseho ho tsy nahay nankasitraka ka “nanolotra azy teo an-tànan’ny jentilisa Izy [Andriamanitra], ka izay nankahala azy no nanapaka azy”. — Salamo 106:41.

Niseho ho namindra fo tokoa anefa Jehovah rehefa niala tamin’ny lalan-dratsiny sy ny tsy fahaizany nankasitraka ny Isiraelita ory ka nitady ny fanampiany: “Nijery ny fahoriany ihany Izy, raha nandre ny fitarainany; dia nahatsiaro ny fanekeny Izy ka nanenina araka ny haben’ny famindrampony.” (Salamo 106:44, 45). Hatrany hatrany, ny Andriamaniny be indrafo dia nanafaka azy ireny tamin’ny mpampahory azy ary namerina azy teo amin’ny fankasitrahany.

Na dia naneho faharipo tamin’izy ireny aza Andriamanitra ary naniraka mpaminany imbetsaka mba hanitsy ny fomba fisainany, dia niharihary fa tsy azo nahitsy ny Isiraelita. Tamin’ny farany, dia tonga teo amin’ny fetrany ny faharetan’i Jehovah ka, tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia navelany ny Babyloniana handresy ny firenen’ny Joda. Izay tsy matin’ny miaramilan’i Nebokadnezara mpanjaka dia nentina ho babo tany Babylona.

Nitondra fiafarana nampidi-doza ho azy ny tsy fahaizany nankasitraka foana sy ny fivadihany tamin’Andriamanitra. Ary izany rehetra izany, dia na dia tao aza ireo antony tsy tambo isaina tokony hanehoany fankasitrahana.

Ahoana no azon’ny kristiana amin’izao andro izao analavirana ny fitoviana amin’ny Isiraelita izay niseho ho tsy nahay nankasitraka an’i Jehovah ka nanadino izay rehetra nataony ho azy ireo, tsy nisy fiheverana ny fanehoany hatsaram-po tamin’ny olombelona amin’ny ankapobeny? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara