“Mahasoa mba hitarihana ny fiainantsika isan’andro”
IO fanamarihana io, avy amin’ny vehivavy Kanadiana iray monina any Toronto dia nahakasika ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower. “Mahita fahafinaretana amin’ny famakiana azy ireny aho ary mahita fa ireo foto-kevitra dia ahitana fianarana tokoa, mampahery ary indrindra, tena mahasoa mba hitarihana ny fiainantsika isan’andro.”
Hoy ny teny nanampiny: “Na dia manana diplaoman’ny oniversite aza aho, dia voatery miaiky amin-kenatra tokoa fa betsaka kokoa ny zavatra fantatro tamin’ireo bokinareo noho ny tamin’ireo taona nianarako rehetra. Nankasitrahako indrindra ilay boky hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra. Tsy misy mihitsy zavatra vita an-tsoratra nahomby sahala amin’ireo mba hampisy heriny manorina teo amin’ny fiainako; nanampy ahy be dia be izy ireo. Tiako ny misaotra anareo noho izany.”
Ilay boky resahin’io vehivavy Kanadiana io, Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra, dia manome torohevitra hentitra natao handaminana ireo fahasahiranana sy hahitana fahafinaretana ao anatin’ny fanambadian’ny tena, araka ny nanomanan’Andriamanitra azy. Mba hahazoana anankiray amin’izany, dia ampy ny mameno ny tapakila famaliana eto ambany sy ny mamerina izany aminay miaraka amin’ny sarany 600 FMG.
Aza fady mba alefaso amiko, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana ny zavatra, ny boky mifono baoritra 192 pejy hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra. Ampiarahiko amin’ity ny vola 600 FMG.