FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/8 p. 28-31
  • Misy varavarana mivoha ho any amin’ireo nosy San Blas

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy varavarana mivoha ho any amin’ireo nosy San Blas
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Fihaonana tamin’ny Sahilas
  • Fitsidihana tao amin’ny nosin’ny Amboa
  • Isan-trano bongo tao Achutupu
  • Ny lokon’ny fitafiana “cuna”
  • Vita ny fanirahana!
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/8 p. 28-31

Misy varavarana mivoha ho any amin’ireo nosy San Blas

TONDRAKA ny toerana kely fipetrahan’ny fiaramanidina nanaraka ny moron-dranomasina ka teo amboniny no nihodinkodina ny fiaramanidina manana maotera roa nitondra anay. Nampahafantatra anay ny mpamily fa noheveriny ho fampisehoana fahamalinana kokoa ny tsy fipetrahana. Rehefa avy nanatona indray anefa izy, dia tapa-kevitra ny hipetraka ihany. Rehefa nahakasika ny tany ilay fiaramanidina dia nisavoana imbetsaka teo amin’ny toerana feno fasika miharo karao-bato ary nanainga rano niparasaka be. Rehefa tsy nihetsika izy tamin’ny farany, dia azonay ny ainay. Avy eo dia nisolo fifaliana ny fanahianay rehefa nahita ireo namanay niandry anay.

Avy any Ustupu izy ireo. Tokony ho iray kilaometatra avy eo amin’ny moron-tsiraka no misy an’io nosy io ary anisan’ny fitambara-nosin’i San Blas, nosikely 350 eo ho eo, mitomandavana manaraka ny moron-tsiraka avaratra atsinanan’i Panama hatreo amin’ny sisin-tany kolombiana. Ny teratany, eo amin’ny 50 000, dia Indiana amin’ny antokon’ny “cuna”. Izahay kosa dia tonga tamin’ny naha-iraka.

Fihaonana tamin’ny Sahilas

San Blas dia comarca, na fizaram-paritany tao amin’ny Repoblikan’i Panama. Ny nosy tsirairay avy dia notapahin’ny Sahilas-ny, karazana filan-kevitra teo an-toerana voaforon’ny mpikambana lehilahy be taona indrindra tao amin’ny fitambaran’olona. Misy solontenan’ny Sahilas tsirairay avy mahaforona fikambanana atao hoe Caciques izay mitondra ny comarca manontolo.

Mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ao San Blas ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 1969; eo amin’ny 50 izao ny olona manatrika ireo fivoriana ataony (Matio 24:14). Tsy nomen-dalana hitory anefa izahay tao amin’ny nosy sasany. Ny Sahilas tao Ustupu, faharoa amin’ireo nosy raha ny amin’ny isan’ny mponina, dia naniry vao haingana ny hihaona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanapahana ny amin’ny fanekena ny asanay ho ara-dalàna. Toa ‘namoha varavarana’ ho anay Jehovah. — 1 Korintiana 16:9.

Tamin’ny fivoriana nialoha, dia nampahafantatra ny zavatra nitana ny sainy ireo lehibe teo an-toerana. Nomarihin’izy ireo fa efa miisa ho efatra ny fivavahana eo amin’ilay fitambaran’olona (ny katolika, ny batista, ny Fiangonan’Andriamanitra ary ny mormona), izay samy manana trano fivavahana lehibe, ka ny sasany mamela amin’izao ny azy. Vitsy aoka izany anefa ny tany ao amin’ny nosy, hany ka mijery tsara ireo lehibe vao mamela antokom-pivavahana hafa iray hiorina.

Tamin’ny alalan’ny mpandika teny, dia nohazavainay fa ao amin’ny tany maherin’ny 200 ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandray anjara amin’izay hahasoa ny fitambaran’olona satria manaja fitsipi-pitondrantena ambony. Nanome antoka an’ireo lehibe izahay fa hatramin’izao ireo fivoriana dia hatao any an-tokantranon’ny Vavolombelona ary, raha nanjary nilaina ny hanorenana efitrano fivoriana manokana, dia tsy ho hita fa rava izany, satria tsara tohana ireo fivorianay.

Rehefa afaka ora iray niadian-kevitra, dia nanapa-kevitra ireo filoha fa hitondra ny raharaha ao amin’ny fivorian’ny Sahilas hanaraka, izay atao aoriana kokoa, amin’io herinandro io. Tsy maintsy miandry àry izahay.

Fitsidihana tao amin’ny nosin’ny Amboa

Tsy niandry fotsiny tamin’izao izahay, fa nanapa-kevitra ny hitory tao amin’ny nosin’i Achutupu, na nosin’ny Amboa koa. Niloko marevaka mena sy manga ny sambonay, La Torre del Vigia (Ny Tilikambo Fiambenana), ary misy maotera ivelany. Nandeha tsara izy io raha oharina amin’ny cayucos, na lakana maro mifatotra amin’ny moron-drano. Taorian’ny dia naharitra 45 minitra somary nisamboaravoara, dia tonga tany Achutupu izahay.

Nosikely tropikaly miavaka i Achutupu, ahitana palmie adoladolan’ny rivotra sy torapasika. Nefa satria miisa ho 2 000 ny mponina, dia hita ho be loatra. Hita hatraiza hatraiza ny laharan-trano bongo ka lalana ety tsy voaisy akoravato no hany manasaraka azy ireny. Mitovy daholo ireo trano bongo. Vita tamin’ny tsontsoraka nakambana tamin’ny rantsan-kazo madinika ny rindrina ary tsy mihoatra ny 1,50 metatra; tafo matevina sy avo vita amin’ny palmie no nasarona azy. Efitra malalaka iray monja ho an’ny fianakaviana manontolo no tao anatiny. Tsy nisy varavarankely, kanefa ny elanelany amin’ny hazo mahaforona ny rindrina dia mamela ny hidiran’ny rivotra sy hazavana ampy.

Nanapa-kevitra izahay fa alohan’ny hampielezana ny hafatra momba ny Baiboly isan-trano, dia hanaraka ny fanao eo an-toerana izahay, izany hoe hangata-dalana amin’ireo filohan’ny vohitra. Nankany amin’ny tranom-pokonolona, trano lehibe teo afovoan’ny vohitra, àry izahay.

Maizina ny tao anatiny, kanefa noho ny masonay efa zatra haizina, dia hitanay niavaka ny laharan-dabilio hazo voalahatra manaraka boribory manodidina faritra banga. Maka toerana ny sarin’ireo Sahilas nalaza taloha. Mampahatsiahy ny ao anatin’ny eglizy ny haizina sy ny sary ary ny fanginana. Lehilahy dimy no tao anatiny, ny sasany nitsotra tao anaty fandriana harato mihantona, ny hafa nipetraka teo ambony dabilio. Niharihary fa ireo no filohan’ny vohitra.

Bolivar, anankiray tamin’ireo Vavolombelona niaraka taminay hatrany Ustupu, dia nanazava tamin’ny fitenim-paritany ny zava-nokendren’ny fitsidihanay. Avy hatrany, dia noraisina tamim-pitiavana izahay ary nomen-dalana hitsidika ireo tantsaha.

Isan-trano bongo tao Achutupu

Olona sariaka sy sambatra ny Indiana cuna. Rehefa mandalo eny amin’ny arabe izahay, dia mihazakazaka eo anoloanay ny ankizy sady miantsoantso hoe “Mergui! Mergui!”, ka ny dikany dia hoe “vahiny”. Tian’izy ireo ny handray tanana anay. Voamarikay fa vitsy ny lehilahy; araka ny nohazavaina taminay, ny ankamaroany dia lasa nikarakara ny sombin-tany teny amin’ny nosy lehibe indrindra.

Nasaina izahay hiditra na taiza na taiza nisehoanay. Nanasa anay hipetraka teo amin’ny seza hazo mavesatra voakapa an-tanana ilay vehivavy tompon-trano, ary nivory nanodidina ny sisa tamin’ny mpianakavy mba hihaino amim-pitandremana. Talohan’ny handehananay, dia notolorana fisotro misy kakaô, kafe, na voankazo tao amin’​ny faritany izahay, rehefa avy eo dia notolorana rano tamin’ny vera izahay mba hanotsanam-bava. Araka ny fanao eo an-toerana, dia nety ny nandrorana ny rano teo amin’ny tany. Vetivety dia ho hainay ny tsy hisotro afa-tsy kely monja isaky ny trano bongo tamin’ny fitadidiana fa mbola tsy maintsy mankany amin’ny trano maro hafa izahay.

Nisy fisehoan-javatra nahagaga anay teo am-pidirana ao amin’ny trano bongo iray: sary sokitra kely eo amin’ny dimampolo vita tamin’ny hazo, tsy nitovy habe, no nitandahatra teo anoloan’ny varavarana. Nohazavain’i Bolivar taminay fa natao hampanalavirana ny fanahy ratsy ireo. Tamin’izay no tonga teo am-baravarana ilay vehivavy tompon-trano ka nilaza taminay fa marary ny vadiny, ary dia takatray ny antony naha-teo ireo sary ireo, satria matetika ny aretina no nolazaina fa avy amin’ny demonia.

Rehefa nampidirin-dravehivavy izahay, dia nahita ilay marary nandry teo amin’ny fandriana harato mihantona, ka nihantona teo amboniny tamin’ny kofehy kely ny tsipìka bitika am-polony maro, ary nanambana azy ny tady nohenjanina teo amin’ny zana-tsipìka mena loha. Heverina ho fampitahorana ireo fanahy ratsy ireny tsipìka ireny. Eo amin’ny tany dia misy voatavoarivolahy boribory maromaro misy sary kely, pipa sy voan-kakaô mafana. Lazaina fa afaka mampitony ny fanahy ireo zavatra ireo. Niezaka hampahery ireo nampiantrano anay i Bolivar tamin’ny filazana tamin’izy ireo fa nampanantena ny hanaisotra ny aretina rehetra Andriamanitra, ary dia nandray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly vitsivitsy izy ireo. Tao indray koa dia tokony hahazo ny fisotro sy rano amin’ny vera nahazatra izahay.

Ny lokon’ny fitafiana “cuna”

Ny nanintona ny maso tao amin’ireo nosy, dia ny fitafiana milokon’ny Cuna. Raha manaraka ny lamaodin’ny tandrefana ankehitriny ny lehilahy eo amin’ny fitafiana, ny vehivavy kosa dia tsy niala tamin’ny fomba fitafiny nentim-paharazana: saly mena, akanjo ambony fohy tanana sy zipo halohalika. Miloko marevaka mandrakariva ny tapany ambony amin’ny akanjo ambony. Ny ambany dia ny mola izay matetika vidin’ny mpizaha tany sy ampiasainy andravahana rindrina. Izany dia bemirain-damba miloko mahaforona sarim-borona, hazandrano sy biby fahita eo an-toerana. Ny zipo dia lamba matroka misoratra marevaka mahitsizoro fotsiny, atao sikina. Fohy volo ny ankamaroan’ny vehivavy cuna; zazavavy mpitovo vitsivitsy monja no manalava volo.

Hita avy hatrany ho tia mitondra firavaka be dia be ny vehivavy. Be mpanao tokoa ny kavina volamena, ny rojo, ny haba sy ny kavin’orona. Matetika dia ny vehivavy no mitondra, amin’izany endriny izany, ny harem-pianakaviana rehetra izay mety hahatratra an’arivony dôlara maromaro. Ireny vehivavy indiana ireny dia miavaka koa amin’ny fehin-dranjo sy sandry vita amin’ny vakana madinika mivolon-daoranjy, mavo na miloko hafa, 5 ka hatramin’ny 15 santimetatra ny sakany. Ampidiriny amin’ny kofehy lava ny vakana ary ahodidiny sady tereny amin’ny tanana aman-tongony izany, ka mahaforona sary mampiseho fahaizana izy amin’ny fampifanelanelanana ireo loko eo amin’ny kofehy. Avonany mafy ireny fehy ireny mba hitanana azy mandritra ny volana maromaro misesy ka tsy esoriny na dia rehefa misasa aza izy. Ny hosotra farany amin’ny firavahany dia tsipika mainty andokoana na anaovana tombokavatsa ny tavany, avy eo amin’ny handrina mankeo amin’ny orona ary tapaka eo amin’ny molotra ambony.

Hafohezinay eo ny fitsidihana nahaliana nataonay tany Achutupu, satria tianay ny ho tonga ara-potoana any Ustupu mba hanajana ny fotoana nifanaovanay tamin’ny Sahilas. Teo amin’ny fefiloha fijanonan’ny sambo, dia mponin’ny nosy maro no niandry mba hangataka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly taminay. Faly izahay nanome azy ireny izay nanananay.

Vita ny fanirahana!

Hitanay ho hipoka ilay efitranom-pokonolona rehefa tafaverina tao Ustupu izahay: olona an-jatony maro no naniry hahafantatra na hekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah na tsia. Nahaliana anay koa ilay raharaha. Tao anatin’ny fotoam-pivoriana, dia nasehon’ny prezidà ny hevitra ny amin’ny hanomezan-dalana ny Vavolombelon’i Jehovah hanao ny fivavahany ao amin’ny nosy. Niemponempona ny fonay rehefa nasaina hilaza ny heviny ny mpihaino. Roa monja no nanohitra; nanaiky ny ankamaroany.

Ho famaranana, dia tapa-kevitra ny kongresy fa hanome lalana anay amin’ny fomba ofisialy hanao ireo fivoriana sy hitory isam-baravarana ary hampanoratra io didim-pitsarana io ao amin’ny antontan-taratasy. Tamin’izany no nahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho ny fivavahana voalohany hanana fanomezan-dalana an-tsoratra hampihatra ny fanompoam-pivavahany tao amin’ny nosy. Ny hafa rehetra dia nekena am-bava fotsiny. Faly sy velom-pankasitrahana aoka izany izahay noho io fandresena io!

Manantena izahay fa hamoha ny varavarana ho an’ny vaovao tsara ao amin’ny nosy San Blas rehetra io fanapahan-kevitra io. Azonay atao ara-drariny ny maneho ny fifalianay tahaka izao nataon’ny mpanao salamo izao: “Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; aoka ho ravoravo ny nosy maro.” — Salamo 97:1.

[Sarintany, pejy 28]

(Jereo ny gazety)

PANAMA

Panama

Fitambara-nosin’i San Blas

Hoalan’i Panama

Ranomasin’i Antilles

KOLOMBIA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara