Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Mpanao hatsikana ho an’i Kristy ve?
“Miainga mba hitety faritany ireo mpanao hatsikan’ny Filazantsara”, hoy ny lohatenin’ny Church Times, gazetim-piangonana any Angletera, mba hanambarana ny fandalovana isan-taonan’ny teatira mandehandeha an’ny Tafi-piangonana teny amin’ny moron-dranomasin’i Angletera sy ny tanin’i Galles samy hafa? Ny Tafi-piangonana, sampan’ny Fiangonana any Angletera, dia noforonina, zara raha nisy taonjato iray mahery izay, mba hitoriana ny filazantsara amin’ireo “atao sesitany sy mpanao heloka bevava any amin’ireo faritanàna ambany ao Westminster”.
Mbola irin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Tafi-piangonana ihany amin’izao andro izao ny “hanomezana ho an’ny fitoriana ny filazantsara ny toerana tokony ho azy”. Io fampisehoana mandehandeha io dia natao hampahafantarana ny Filazantsara amin’ny “fomba mahatsikaiky amin’olona tsy nanana fahafahana firy hihevitra an’Andriamanitra ka tsy ho nieritreritra mihitsy ny hanatrika fihaonambem-pivavahana ao am-piangonana na ao amin’ny efitranon’ny paroasy”. Araka ny filazan’ny Church Times, ny “mpanao hatsikan’ny Filazantsara”, manao izay tsy hahafantarana azy rehefa misy fampisehoana dia manantena, noho ny “hatsikany ara-pivavahana, hampijanona ny mpandalo fara faharatsiny mba hihainoany kely”
Nefa raha marina fa nahasintona ankizy maro ny mpanao hatsikana nanao izay tsy hahafantarana azy, ireo hatsikana sy ny fizarana baolina maimaimpoana, ny olon-dehibe kosa dia tsy voasakana tsy hanontany tena hoe inona no ifandraisan’io fanao io amin’ny fitoriana ny filazantsara natombok’i Jesosy.
Marina fa nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Izahay dia natao ho fizàhan’izao rehetra izao (...). Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy.” (1 Korintiana 4:9, 10). Fa inona no tiany holazaina? Moa ve izy niresaka ny amin’ny hanaovana hatsikana na fampihomehezana mba hanintonana ny mpandalo? Tsia. Nolazalazain’i Paoly kosa ny fomba itsaran’izao tontolo izao ny kristiana, ka iheverany azy ho adala “atao ho fihomehezana sy ambaniana ampahibemaso” noho ny finoany sy ny fampianarany, raha raisina ny tenin’ny Rakibolana Vaovaon’ny teolojian’ny Testamenta Vaovao (angl.).
Mifanohitra amin’ny ataon’ny “mpanao hatsikan’ny Filazantsara” ao amin’ny Tafi-piangonana, Jesosy Kristy dia nampianatra ny vahoaka “toy izay manana fahefana”. Voamariky ny fahatsorana ny fanompoany ary tsy nisy hafetsen-dratsy toyo ny fanao amin’ny dokambarotra. Hoy ny fanazavan’i Jesosy: “Araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” Koa inona no vokatra azony? “Maro no nino Azy.” — Matio 7:29; Jaona 8:28, 30.
‘Mitambesatra eo amin’ny fieritreretana’
Niaiky tsy ela izay i Eugene Stockwell, prezidàn’ny Filan-kevitry ny fanakambanam-pinoana, voatendry ho amin’ny asa misionera sy fitoriana ny Filazantsara maneran-tany, ny amin’ny anjara nampiseho fihatsarambelatsihy noraisin’ny klerjy tao anatin’ireo ady lehibe roa. Izao indrindra no nambarany tamin’ny fihaonamben’ny fanakambanam-pinoana natao tany Varsovia, any Pologne: “Ireo ady lehibe roa tato anatin’ity taonjato ity dia nipoaka teo anivom-pirenena manana lovantsofina kristianisma ka matetika ny filatsahana ho miaramila teo aminy dia nahazo tsodrano avy amina mpitondra Fiangonana kristiana. Enta-mavesatra ho an’ny fieritreretan’ny kristiana izany.”
Hoy ny teny nanampin’i Eugene Stockwell: “Nohamafisina tamim-pirehetana fa nanohana ny anankiray tamin’ny antoko-mpiady Andriamanitra (...). Mora tamintsika kristiana loatra ny nampiasa ny finoantsika hanohanana ny herisetra.” Nambarany koa fa ny Ady Lehibe Faharoa “dia nampiseho niharihary ny tsy fahaizantsika amin’ny maha-firenena ‘kristiana’, miaina ny finoantsika, dia finoana asehontsika matetika tokoa amin’ny teny fa lavintsika mazava dia mazava amin’ny atao”.
Moa ve io ‘entana mitambesatra eo amin’ny fieritreretana’ io nahaforona fianarana ho an’ny klerjy sy ho an’ireo izay milaza tena ho kristiana? Araka ny filazan’ny Sampan-draharahan’ny filazam-baovaon’ny fanakambanam-pinoana, dia niaiky toy izao ny prezidà Stockwell: “Miresaka ny amin’ny fitiavana ny fahavalontsika isika, kanefa dia mamono mahafaty azy. Miresaka ny amin’ny fanolorana ny takolaka anankiray isika, kanefa dia manao izay hahatototry ny fitaovam-piadiana antsika. Miresaka fiadanana toa an’eritreritra fotsiny isika, ary miditra hanao ady tsy azo saintsainina. Miresaka ny amin’ny finoana an’Andriamanitra isika, kanefa, raha ny marina, dia manankina ny finoantsika amin’ny fiadiana fandringanana.”
Ny klerjy mpiandany sy ny ondriny dia tena sahala amin’ireo “mpitaria foana” tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, izay nilaza toy izao ny amin’izy ireny: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany.” — Titosy 1:10, 16.
Hajia “mahatafintohina”
Ny fitantanan-draharahan’ny paositra atsy Afrika Atsimo dia nikasa ny hamoaka, ny 19 novambra 1987, hajia efatra fahatsiarovana, momba ny Baiboly. Ny anankiray tamin’ireny hajia ireny, 1 750 000 ny indray natonta, dia nasiana soratra hoe “Ny Tenin’Andriamanitra”. Tamin’ny teny grika ary “Ny Tenin’i Jehovah” amin’ny teny hebreo.
Taloha kelin’ny daty famoahana anefa, dia nahary telegrama ireo biraon’ny paositra nandidy azy ireo mba hamerina ny tahiry amin’io hajia io. Inona no antony? Araka ny filazan’ny The Star, gazety iray any Johannesburg dia “hitan’ny fitambarana jiosy ortodoksa ho mahatafintohina io hajia io”. Hoy ny teny nanampin’ilay gazety: “Nanambara i David Hazdan, raby ao Johannesbourg, fa ny anaran’Andriamanitra soratana manontolo, dia mandrakariva tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ny fisehoan-javatra ara-pivavahana manokana.”
Noho io lovantsofina jiosy io koa no mahatonga mpandika tenin’ny Baiboly maro hifady amin’izao andro izao ny fampiasana ny teny hoe Jehovah ka hanolo azy amin’ny anaram-boninahitra fotsiny toy ny hoe “Tompo’ na “Andriamanitra”. Tsy mahagaga loatra ny nanambaran’i Jesosy izao manaraka izao tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny: “Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo [lovantsofinareo, MN ].” — Matio 15:6.