Fanontanian’ny mpamaky
■ Inona moa no nataon’i Jesosy mba ‘hanamboarana fitoerana’ tany an-danitra ho an’ny mpianany?
Fotoana fohy talohan’ny hanorenana ny Sakafo harivany, dia nanambara tamin’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy fa handao azy ireo izy. Mazava ho azy fa te-hilaza izy hoe aorian’ny fahafatesany izay hitranga amin’io andro io ihany dia tsy maintsy hiverina any an-danitra izy. Tamin’izay dia nanontany azy i Petera raha afaka ny hanaraka azy izy. Hoy ny navalin’i Jesosy tamin’izay: “Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra [hanomana, MN ] fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” — Jaona 14:1-3.
Inona moa izany “fitoerana” tokony homanina ho an’ny apostoly izany? Ny fomba nandikan’ny sasany ny Jaona 14:2 dia mahatonga hihevitra fa Jesosy dia niresaka ny amin’ny “toeram-pialan-tsasatra” ho an’ny apostoly mandritra ny diany mankany an-danitra, na ny amin’ny efitrano maro ho hitan’izy ireo any rehefa tonga izy. Izao anefa no ambaran’i Vine ny amin’ny teny hita ao amin’ny soratra grika: “Tsy misy na inona na inona amin’io teny io milaza fa mety hisy efitrefitra ny lanitra, tsy manisy fitenenana ny amin’ny toeram-pialan-tsasatra eny an-dalana koa akory izany.” Manondro toerana onenana fotsiny io teny io. Tao amin’ny fampanantenany àry, ny noresahin’i Jesosy dia fonenana any amin’ny faritra ara-panahy izay hankanesany any amin’ny Rainy. — Efesiana 1:20; 1 Petera 1:4; 3:21, 22.
Fa amin’ny heviny ahoana moa Jesosy no hoe hanomana fonenana ho an’ireo mpianany nahatoky? Taorian’ny nahafatesany ho sorona, dia nankany an-danitra i Jesosy mba hitondra tany amin’Andriamanitra ny vidin’ny rany, ka ny handray soa voalohany indrindra amin’izany dia ireo izay hantsoina hiara-handova aminy ny fiainana any an-danitra. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika.” (Hebreo 9:12, 24-28; Romana 6:5; 8:17). Araka izany, rehefa nanambara tamin’ireo apostoliny i Jesosy fa handeha “hanomana fitoerana” ho azy ireo, dia azo antoka fa ny noeritreretiny dia ny fotoana ‘hisehoany eo anatrehan’Andriamanitra ho azy ireo’. Aorian’io fikarakarana io vao ho afaka hanaraka azy any an-danitra ireo apostoliny sy ny olombelona hafa. — Filipiana 3:20, 21.
Moa ve i Jesosy tsy maintsy mbola nanao zavatra hafa koa mba hanomanana fitoerana ho azy ireo? Tamin’ny fotoana voatendry, dia handray ny fiandrianana i Jesosy ary niady tamin’i Satana izay horoahina avy any an-danitra miaraka amin’ireo demoniany (Apokalypsy 12:7-9). Hitranga izany fisehoan-javatra izany alohan’ny hanombohan’ny fananganana ho any an-danitra ireo apostoly sy ny olona hafa nitafy hosotra izay natory tao amin’ny fahafatesana (1 Tesaloniana 4:14-17). Tsy fantatsika anefa raha nieritreritra koa ny amin’ny fandroahana an’i Satana i Jesosy rehefa nilaza tamin’ireo mpianany fa ‘hanomana fitoerana’ ho azy ireo.
Toy izany koa, tsy fantatsika raha mbola nisy zavatra hafa koa tokony ho nataon’i Jesosy mba hanomanana toerana any an-danitra ho an’ny kristiana voahosotra. Azontsika antoka anefa fara faharatsiny fa nanokatra ny lalana ho an’ireo mpianany voahosotra i Jesosy tamin’ny fanolorana an’Andriamanitra ny vidin’ny ‘rany sarobidy’. (1 Petera 1:19, MN.) Tamin’izany ny rany dia nanao izay hampanan-kery ny fanekena vaovao nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny kristiana voahosotry ny fanahy.