FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/8 p. 24-26
  • Fizarana 7: Ny farany indrindra amin’ireo herim-panjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fizarana 7: Ny farany indrindra amin’ireo herim-panjakana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ‘tandroka kely”
  • Ny tandroka telo
  • Fanjakana roa sosona
  • Fanapahana maneran-tany vaovao
  • Iza no Mahatsangana Hanohitra ny Andrianan’ny Andriana?
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Iza no Hanapaka ny Tany?
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Goavana ara-paminaniana iray: hilaza inona ny fianjerany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 7
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/8 p. 24-26

Fizarana 7: Ny farany indrindra amin’ireo herim-panjakana

Fony nosoratana ny bokin’ny Apokalypsy, taonjato sivy ambin’ny folo lasa teo ho eo izay, dia azo natao ny namaky tao fa “mpanjaka”, na herim-panjakana dimy, no efa nifandimby: Egypta, Asyria, Babylona, ny Empira mediana sy persiana ary Grisia. ‘Teo’ ny fahenina, dia Roma; mbola tsy tonga kosa anefa ny fahafito (Apokalypsy 17:10). Iza moa io Herim-panjakana Fahafito io? Ahoana no nahaterahany? Inona no hitranga ao aoriany? Mamaly ireo fanontaniana lehibe ireo ny lahatsoratra asehontsika izao.

IREO fisehoan-javatra lehibe nanamarika ny tantaran’izao tontolo izao 2500 taona dia voambara ao amin’ilay boky miely patrana indrindra eto an-tany. Kanefa, amin’ireo olona manana an’io boky io, ny Baiboly, dia azo lazaina hoe vitsy no mahazo an-tsaina ny amin’ny fahalalana mahatalanjona raketiny.

Taonjato dimy mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, Daniela mpaminany dia nitantara fahitana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra nampisehoana ireo herim-panjakana, nanomboka tamin’ny androny, tamin’ny endriky ny biby lehibe. Ny tsirairay avy tamin’ireny biby ireny dia nanana ireo toetoetra nampiavaka ny herim-panjakana nasehony. Araka izany, ny Empira romana nahery dia nolazalazaina tamin’ny endriky ny biby goavana “mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra”. Nanampy teny toy izao ny amin’ny Daniela: “Ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.” — Daniela 7:2-7.

Ny ‘tandroka kely”

Rehefa nandeha ny fotoana, ny Empira romana, tamin’ny farany, dia nahafaoka ireo nosy Britanika, ny tapany lehibe indrindra amin’i Eoropa sy ny hantsana mediteraneana manontolo hatreo amin’ny hoala (golfe) Persika, mandalo amin’i Babylona. Nanaraka izany, io empira mahery io dia nivaky ho tany maromaro, dia ireo “tandroka folo” hitan’i Danielaa. Nanohy ny teniny toy izao ilay mpaminany: “Ny tandroka hafa iray, kely, dia nipoitra teo amin’izy ireo ary nendahina teo anoloany ny telo tamin’ireo tandroka voalohany.” (Daniela 7:8). Inona no dikan’izany?

Manazava izany amintsika toy izao i Daniela: “Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany [ny Empira romana]; ary hisy iray koa [ny ‘tandroka kely’] hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy io ary handresy mpanjaka telo.” (Daniela 7:24). Iza moa ny ‘tandroka kely’ sy ny mpanjaka telo tokony haetriny?

Ny nosy iray, tany amin’ny farany avaratra andrefana amin’ny Empira romana, dia nihataka nandritra ny ela be tamin’ny raharahan’izao tontolo izao. Izao no nambaran’ny mpanoratra tantara iray ny amin’izany: “Tsy fanjakana lehibe i Angletera tamin’ny taonjato faha-16. Kely kokoa noho ny an’i Hollande ny hareny; vitsy lavitra noho ny an’i Frantsa ny mponina ao aminy; ary tsy mahatahotra kokoa noho ny an’i Espaina ny herin’ny tafiny, anisan’izany ny tafika an-dranomasina.” Nampitombo ny fitambaran-tsambony nandroba ireo zanatanin’i Espaina mbamin’ny harena be notaterin’ny sambony goavana ireo jiolahin-tsambony.

Ny tandroka telo

Tamin’ny 1588, Philippe II tany Espaina dia namaly ireo fanafihana tsy ankijanona nataon’i Angletera tamin’ny fandefasana hamely azy, ny “Armada tsy azo resena”. Io tafika an-dranomasina io, voaforon’ny sambo 130 ary nisy lehilahy 24000 mahery, dia nizotra moramora nanatona an’i Manche. Ho simba tao amin’ny rivotra nifamaly sy ny tafiodrivotra nahatsiravina tany Atlantika izany. Nanoratra ilay mpanao tantara atao hoe Carlton Hayes fa izany fisehoan-javatra izany dia “nanamarika tamin’ny fomba raikitra ny fifindran’ny fahamboniana amin’ny tafika an-dranomasina, avy eo amin’i Espaina mankeo amin’i Angletera”. — Modern Europe to 1870.

Tamin’ny taonjato faha-17 i Hollande dia nanana ny fitaterana an-dranomasina amin’ny varotra lehibe indrindra teto amin’izao tontolo izao. Nanapaka tao amin’ireo ranomasina ny sambony. Nifampivarotra tamin’ny tany lavitra izy. Kanefa, noho ireo zanataniny nihamaro, dia handresy i Angletera amin’io lafiny io koa.

Tamin’ny taonjato faha-18, dia nifanandrina tany amin’ny faritany lavitra toa an’i Amerika Avaratra sy India ry Angletera sy Frantsa. Hiteraka ny fanekem-pihavanana tany Paris, nosoniavina tamin’ny 1763, izany. Araka ny nosoratan’i William Willcox tao amin’ny Ny kintan’ny Empira: fandinihana ny amin’ny herim-panjakana iray: Grande-Bretagne (anglisy), na dia toa fifanarahana aza io fanekem-pihavanana io, “raha ny marina, dia nekeny hatreo ny hananan’i Grande-Bretagne toeran’ny fanjakana eoropeana nahery teo amin’izao tontolo izao nanjana-tany”.

Nisy mpanoratra tantara hafa nanao famakafakana toy izany koa: “Rehefa taonjato roa no niadiany tamin’i Espaina sy Hollande ary Frantsa, dia hita ho ny fanjakana lehibe indrindra tamin’ny varotra sy ny fanjanahan-tany teto amin’izao tontolo izao i Grande-Bretagne tamin’ny 1763.” (Modern Europe to 1870). “Tamin’ny 1763, ny Empira britanika dia nanomboka nitaingina izao tontolo izao, toy ny Empira romana vaovao, saingy mitatra kokoa.” “Nivoaka avy ao amin’ireo ady teo antenatenan’ny taonjato izy [Grande-Bretagne], nanana ny empira nidadasika indrindra sy nahery indrindra — sady nankahalaina indrindra — teto amin’izao tontolo izao.” (Tafika an-dranomasina sy empira, angl., nataon’i James Stokesbury). Eny, nitombo ny ‘tandroka kely’. Tonga ny Herim-panjakana Fahafito teo amin’ny tantaran’ny Baiboly izy io.

Niditra tao Neily ny Anglisy ary nita an’i Zambèze. Nandroso nankany Birmania ambony izy, nankany avaratr’i Bornéo sy ireo nosy any Pasifika. Ambonin’izany, dia nozanahany Kanada, Australia, Nouvelle-Zélande ary ny moron-tsiraka atsinanana amin’i Amerika Avaratra. “Toby voafefy ny Empira romana, hoy ny nosoratan’i James Morris, fa ny Empira britanika kosa nitatra maneran-tany.” (Pax Britannica). Tonga ny nidadasika indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona io empira io, ka nahafaoka teo amin’ny ampahefatry ny mponina ao aminy. Nolazaina fa tsy nilentika mihitsy teo amin’ny Empira britanika ny masoandro.

Fanjakana roa sosona

Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa io Herim-panjakana Fahafito io dia “nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry”. (Apokalypsy 13:11.) Nahoana no tandroka roa? Satria nampiraisin’ny fiteny, ny politika ary ny fotopoto-pitsipika niombonana ny Empira britanika sy ny firenena amerikana vao niforona ka tsy ela dia niara-niasa. Tamin’ny lafiny maro, dia tonga herim-panjakana roa sosona miteny anglisy izy ireo.

Tao amin’ilay boky voatonona etsy ambony, dia nasain’i William Willcox nomarihina fa tamin’ny taonjato faha-19 i Etazonia dia “tafasaraka tamin’i Eoropa noho ny tafika an-dranomasina britanika”. Hoy ny teny nanampiny: “Nandritra ny taonjato iray Etazonia dia nety ho tonga fanjakana lehibe tsy manana miaramila na tafika an-dranomasina — afa-tsy nandritra ny ady an-trano nifanaovan’ny tavaratra sy ny tatsimo — nahalalana ny fanjakana lehibe hafa rehetra.” Afaka ny nitokana i Amerika “satria toy ny ampingany fiarovana tamin’ireo fanjakana eoropeana ny Royal Navy”. Tatỳ aoriana, i Etazonia dia ho tonga fanjakana ara-tafika lehibe koa.

Ny ohatra manaitra ny amin’ny fiaraha-miasa anglisy amerikana dia omena antsika amin’izay nitranga ny 6 jona 1944, daty fiolahana teo amin’ny tantaran’ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa. Tamin’io andro io, dia miaramila 156000 anisan’ny tafika nikambana (anglisy, amerikana sy hafa) no niondrana nankany Normandie. Nitarika ny ady ny marosaly anglisy iray, Montgomery, ka jeneraly amerikana, Eisenhower, no mpitari-tafika. Afa-tsy izany koa, ny baomba ataomika izay hamarana ny ady natao tamin’i Japon dia ho vokatry ny fiezahana niarahan’ny mpahay siansa anglisy sy amerikana natao.

Araka ny nolazain’ny gazety mivoaka isan’andro iray (Los Angeles Times tamin’ny 5 may 1986), na dia tamin’ny fotoana tsy nisy ady aza, Etazonia sy Grande-Bretagne dia niara-niasa “tamin’ny lafiny sarotra toy ny fanazavana sy ny haitao noklehera”. Narahin’i Kanada, Aostralia ary Nouvelle-Zélande izy ireo tatỳ aoriana, ka “nizara ny bolan-tany ho faritra anomezana andraikitra nanankinana tamin’ny tsirairay avy ny fanangonana fanazavana sy nanekeny hampita amin’ny hafa ireo filazana miafina indrindra”. Araka ny voalazan’io gazety io, na dia “tsy ny tsara indrindra foana aza” ny tatitra nataon’izy ireo”, dia “miavaka kokoa amin’ny endriny manorina fa tsy mandrava”.

Nahazo ny fahaleovan-tenany ny ankamaroan’ny zanatany britanika ka anisan’ny Commonwealth amin’izao andro izao. Tsy misy intsony angamba ny Empira, fa mbola mitoetra ihany ny Herim-panjakana anglisy amerikana. “Kelikely” anefa sisa ny androny, rehefa eritreretina ireo taonjato nampiharan’ny herim-panjakana teo alohany, dia Roma, ny fanapahany. — Apokalypsy 17:10.

Fanapahana maneran-tany vaovao

Ny faminanian’i Daniela momba ireo herim-panjakana dia tanteraka tao anatin’ny 2500 taona nisian’ny tantara: nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’izao androntsika izao, tapahin’ny Herim-panjakana Fahafito. Afaka matoky ny tapany sisa amin’ny faminaniana àry isika. Ny mahagaga indrindra, dia ny tsy fanasiany fitenenana mihitsy ny amin’ny herim-panjakan’olombelona hafa. Asehon’ny Apokalypsy koa fa tsy tokony hisy afa-tsy fito amin’izanyb. Noho izany, inona no hitranga?

Ny toko faha-7 amin’ny bokin’i Daniela, izay miresaka ny amin’ireny herim-panjakana ireny, dia mitantara fisehoan-javatra mbola mahagaga kokoa ihany; izany dia fiovana tanteraka eo amin’ny fomba itondrana ny tany. Ireo fitondram-panjakan’olombelona tsy nahomby dia natao ho foana mba hanome toerana ho an’ny fitondram-panjakana any an-danitra izay hiasa ao anatin’ny rariny.

Ny fahitana azon’i Daniela dia nahatonga azy ho afaka hahita ny seza fiandrianana kanto any an-danitra an’ny “Fahagola”, Jehovah Andriamanitra, izay teo anatrehany no nitondrana “toy ny zanak’olona”, an’i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny matyc. Hoy ny fitantaran’i Daniela: “Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava [fa tsy mba tahaka ireo fanjakan’olombelona mangozohozo].” — Daniel 7:9, 10, 13, 14.

Taona maro talohan’izay i Dniela dia efa nanana fahitana ara-paminaniana ny amin’ireo herim-panjakana ireo ihany koa. Izao no vakintsika: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay (...). Fa ireo fanjakana [fanjakan’olombelona] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay (...): marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny.” — Daniel 2:44, 45.

Io Fanjakana io, izay fitondram-panjakana avy amin’Andriamanitra, dia tsy inona fa ilay nasain’i Jesosy nangatahina tamin’ny vavaka rehefa nilaza izy hoe: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.

Tena ho sambatra tokoa ny mponina amin’ny tany eo ambany fanapahan’io fitondram-panjakana io. Hosoloana ny rariny sy ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ambony ny fanambakana sy ny fomba fanaovan-javatr’olombelona tsy tanteraka. Hodinihintsika ny fomba hanapahan’io Fanjakana io ao amin’ny lahatsoratra hanaraka iray karazana amin’ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny tandroka, izay mety ho fiadiana mahatahotra, dia matetika no ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hampisehoana ny olona na ny taranak’andriana eo amin’ny fahefana. — Deoteronomia 33:17; Zakaria 2:1-4; Apokalypsy 17:3, 12.

b Resahin’ny Apokalypsy 17:1 (MN ) ny amin’ny “bibi-dia” izay “mpanjaka fahavalo, nefa avy amin’ireo fito”. Hamelabelatra ny amin’io Herim-panjakana Fahavalo io, izay tokony hiara-hisy amin’ny Fahafito ny lahatsoratra iray hanaraka.

c Eo amin’ny im-80 no ahitana ny fitenenana hoe “Zanak’olona” ao amin’ireo Filazantsara, ary hatrany hatrany izany dia manondro an’i Jesosy Kristy. — Jereo Matio 26:63, 64.

[Sary, pejy 26]

Ny fiara-miondrana tamin’ny 6 jona 1944 dia ohatra manaitra ny amin’ny fiaraha-miasa anglisy amerikana.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary U. S. Coast Guard

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara