FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/8 p. 26-29
  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tafika romana
  • Ireo arabe sy ireo anaram-boninahitra
  • Ny Empira sy ny kristianisma
  • Ry Kaisara
  • Ny fitotongan’ny Empira romana
  • Roma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka Roa
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Kaisara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanjakana Romanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/8 p. 26-29

Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina

Teo ambanin’ny Empira romana no teraka ny kristianisma. Hanampy antsika àry izany ny fahalalana kokoa an’i Roma fahagola mba hahalala mazava kokoa ny hodidina nitorian’i Jesosy mbamin’ny toe-piainana nanjaka teo amin’izao tontolo izao fantatra fahizay, rehefa nanitatra ny kristianisma ny mpianany voalohany.

TEO ambany fifehezan’ny Empira romana, izay Herim-panjakana Fahenina eo amin’ny tantaran’ny Baiboly no teraka Jesosy ary nitory ireo apostoliny. Ilay herim-panjakana nodimbiasany, Grisia, dia namela ho lova fiteny iraisam-pirenena — ny grika iombonana na koïnê — izay nahatonga hety ny fampielezana ny fampianarana kristiana nanerana io faritr’izao tontolo izao manontolo. Roma kosa no nanomana ireo fepetra sy ireo fomba fifamoivoizana izay hanatsotra ny fampielezana haingana ny fahamarinana kristiana.

Roma, tanàna kelin’ny Latium, no nipoiran’ny Empiran’izao tontolo izao ngeza indrindra fahagolan-tanin’ny Baiboly. Ny sarinosy italiana aloha no nanitarany ny fahefany. Ravany avy teo ilay tanàna matanjak’i Kartago teo amin’ny indrany avaratr’i Afrika. Nanaraka izay dia babony Espaina sy Makedonia ary Grisia. Tamin’ny taona 63 talohan’ny fanisan-taona no azony Jerosalema ary tamin’ny 30 talohan’ny fanisan-taonantsika ihany koa no nataony lasa provinsa romana Egypta. Teo amin’ny fara tampony, io empira matanjaka io dia nitatra hatrany Britania (izay fomba fiantso an’i Angletera fahizay) ka hatrany Egypta, ary hatrany Portogaly ka hatrany Mesopotamia izay nisy an’i Babylona fahagolan-tany. Nanampatra ny fahefany nanodidina an’i Mediteranea manontolo Roma, ka nantsoin’ny Romana àry izy io hoe Mare Nostrum (Ranomasintsika).

Mbola maro ankehitriny ny azo zahana amin’izay tavela avy tamin’io Empira goavana io: ny tambohon’i Hadriano any Angletera; ilay lakandrano mampitolagaga ao Segovia any Espaina; any atsimon’i Frantsa, ny teatira fahagolan’i Orange sy ireo kianjan’i Arles. Azo itsangatsanganana ireo faharavana manginginan’ilay tanàna fahizain’i Ostia akaikin’i Roma ary azo igagana Pompey atsimon’i Napoly. Ao Roma, dia azo vinanina ireo vahoaka nikotaba nifanesika tao amin’ny Koliseo na mandinika ny vavahady miandohalambon’i Titosy; ampahatsiahivin’io rakitry ny lasa io ny nandravan’i Titosy an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taonantsika ka efa 35 taona talohan’izay no naminanian’i Jesosy azy.

Tao Roma fahagola, ireo mpanan-karena dia nonina anaty trano goavana ary nanana mpiasa amin’andevo an-jatony maro, indraindray. Ireo nahantra kosa nifatratra anaty trano iombonana nitandahatra amorona arabe naloto sy niolakolaka. Tsy nisy azo nantsoina hoe fokonolona an-tsalany. Nizaran’ny fitondram-panjakana vary sy lanonana maimaimpoana ireo, mba hisorohana ny rotaka; ny hetra nangonina avy tamin’ny provinsa no nenti-nanana izany.

Ny tafika romana

Ilay tafika romana malaza dia nitsinjara ho legiona. Ny legiona tsirairay avy izay niisa tokony ho lehilahy 4 500 ka hatramin’ny 7 000, dia tafika iray manontolo. Teo anatrehan’ny Emperora tokana ny filohany no nampamoahina. Ny legiona kosa dia nitsinjara ho sentoria 60 izay mazàna no niisa ho lehilahy zato teo ho eo. Nibaiko ny sentoria ny sentoriona izay adikan’ny fandikan-teny malagasy mahazatra hoe “kapiteny”. Sentoriona no lehibeny tamin’ireo miaramila efa-dahy nahafaty an’i Jesosy. Hoy io manamboninahitra io, rehefa nahita an’ireo fahagagana niseho teo: “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.” (Matio 27:54; Jaona 19:23). Sentoriona hafa koa, dia Kornelio no tsivoafora voalohany lasa kristiana. — Asan’ny Apostoly 10:22.

Ireo legiona dia samy nanana faneva izay toa sarivongana kely hazo na metaly izay nisy asany an’eva toy ny an’ireo saina amin’ny andro maoderina. Manisa ny fanevany ho an’ireo miaramila romana izay niaro azy mandra-pahafatiny. Azo amakiana toy izao ao amin’ny Encyclopédie britannique mikasika izany: “Notahirizina amin-kaja ara-pivavahana tao amin’ireo tempoly tao Roma ireny faneva ireny. Tsy nahalana ny fahitana jeneraly nibaiko ny hanipazana ny faneva hankao anivon’ny laharan’ireo fahavalo mba hampitombo zoto an’ireo miaramila izay nampientaniny tamin’izay mba hampody indray an’izay nataon’ireo ho ilay zava-masina indrindra an-tany.”

Ireo arabe sy ireo anaram-boninahitra

Nampifandraisan’ny Romana ho empira maneran-tany ireo firenena nanjakany. Namboatra arabe izy mba hahamora tratrarina avokoa izay faritra rehetra tao amin’ny Empira. Ary marina fa nosokoin’ny dia tokoa ny olona fahizany. Ampy fotsiny hanamarina izany ny lisitr’ireo Jiosy sy preselyta nanatrika ny firavoravoan’ny Pentekosta tao Jerosalema tamin’ny taona 33. Niavian’ireo daholo na Media tany avaratra atsinanana na Roma sy Afrika Avaratra tany andrefana ary izao toerana maro hafa rehetra izao tanelanelan’ireo tendrony roa ireo. — Asan’ny Apostoly 2:9-11.

Maro ireo arabe nosoritin’ny Romana mbola miasa ihany mandrakizao. Toy izany no mbola azo anarahana ny araben’i Apio, ao atsimon’i Roma, izay nodiavin’i Paoly rehefa nankany Roma izy. (Asan’ny Apostoly 28:15, 16). Nisy nilaza fa ireo arabe romana dia “nanolotra fomba fifamoivoizana tsy nahita mpisongona afa-tsy ny lalamby.” — The Westminster Historical Atlas to the Bible.

Matetika ny Romana no nampaharitra ny fanao manokan’ireo firenena nitambatra ho empirany goavana. Noho izany matetika no nitondran’ireo manam-pahefana tao anaram-boninahitra samy hafa. Izany no anambaran’i Rendle Short ao amin’ny Ireo zavatra hita maoderina sy ny Baiboly (angl.) fa na ireo “mpanoratra tantara romana” aza tsy sahy nisetra ny “hilaza ny tena fomba fanonona marina an’ireny olona ambony ireny”. Ambarany kosa anefa fa Lioka, iray amin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly, “dia nanao foana izay hanarahana ny marina indrindra” teo amin’io sehatra io. Toy izany, ohatra, no iantsoan’i Lioka an’i Heroda hoe “tetrarika”, fa Heroda Agripa “mpanjaka”, ary ireo governoran’i Tesalonika hoe “politarika” fa Sergio Paolo, governoran’i Kyprosy, kosa hoe “prokonsoly”. (Jereo Lioka 3:1; Asan’ny Apostoly 25:13; Asan’ny Aspotoly 17:6; Asan’ny Apostoly 13:7; fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, famoahana anglisy misy fizahan-teny.) Indraindray dia tsy nisy afa-tsy vola farantsakely na soratsoratra hita tetsy sy teroa nanamarina fa tena nampiasa tokoa ny anaram-boninahitra mifanandrify ho an’ny vanim-potoana nifanitsy ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Manome porofo fanampiny indray io fikaliana sy fahitsian-teny io fa tena araka ny marina tokoa no itateran’ny Baiboly an’ireo tena fisehoan-javatra nikasika ny fiainana sy ny fotoanan’i Jesosy Kristy.a

Ny Empira sy ny kristianisma

Tao Roma dia nahitana kongregasiona kristiana anisan’izay niroborobo indrindra. Izy io angamba naorin’ireo Jiosy sy proselyta sendra tao Jerosalema ny Pentekosta taona 33 ary nody tany Roma rehefa avy nandray ny kristianisma (Asan’ny apostoly 2:10). Io kongregasiona io no nanoratana ny epistily ho an’ny Romana teo amin’ny taona 56. Tonga tao Roma koa Paoly tato aoriana ka nigadra tao nandritra ny roa taona sy nanao fanambarana feno tamin’izay rehetra tonga nitsidika azy tao amin’ny trano nitanana azy, hany ka nisy miaramila anisan’ny mpiambina pretoriana an’ny Emperora nahare ny hafatra ny amin’ilay Fanjakana ary nisy koa aza avy tamin’ny “ankohonan’i Kaisara” lasa kristiana. — Filipiana 1:12, 13 (ambany pejy); 4:22.

Matetika ny Baiboly no manonona fanao sy lalàna ary fitsipika nanan-kery tao amin’ny Empira romana. Voalaza ao izao ny didin’i Aogosto nanery an’i Josefa sy Maria hankany Betlehema, izay nahaterahan’i Jesosy. Jesosy mihitsy no naneho fa nety ny nandoa ny hetra notakin’i Kaisara rody nanaiky ny fiandranan’i Kaisara ireo mpisorona jiosy mba hanaovana izay hahafaty an’i Jesosy. Farany, tamin’ny herin’ny lalàna romana no nampiakaran’ny apostoly Paoly ny raharaha nifanoherany tamin’ny Jiosy hankany amin’i Kaisara. — Lioka 2:1-6; 20:22-25; Jaona 19:12, 15; Asan’ny Apostoly 25:11, 12.

Noraisin’i Paoly ho ohatra ny fanamiana manontolon’ny miaramila romana: ny fiarovan-dohany, ny fiarovan-tratrany, ny ampingany, ny tongony tsara kiraro ary ny sabany, mba hanehoana fa ny fahamarinana sy ny fanantenana ny famonjena ary ny rariny sy ny finoana mbamin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny Tenin’Andriamanitra dia fiarovana avokoa izay hanampy antsika hifahatra tsara hanohitra an’ireo famelezan’i Satana (Efesiana 6:10-18; 1 Tesaloniana 5:8). Ny miaramila romana tsara fehy no tao an-tsain’i Paoly rehefa nampientana an’i Timoty mba ho “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy” izy. (2 Timoty 2:3, 4.) Ny ady nitoloman’ireo kristiana anefa tsy ara-nofo fa ara-panahy; izay no nandavan’ireo mpianatra voalohan’i Kristy tsy hirotsaka amin’ny tafika romana. Justina ilay Martiora (110-165) dia nanoratra hoe: “[Ny Kristianisma efa] nanova ny fiadianay — ny sabatray lasa fangadin’omby ary ny lefonay lasa fitaovam-pambolena.” Kristiana maro no namoy ny ainy satria tsy nety nanao raharaha miaramila.

Ry Kaisara

Teo ambanin-dry Kaisara no nahatakaran’i Roma fara tampon-keriny. Mety ho tsara àry ny mandinika toe-javatra sasantsasany mahakasika ny sasany amin’ireo andriamanjaka ireo izay nisy nifandraisany tamin’ny tantaran’ny Baiboly.

Ny taona 44 talohan’ny fanisan-taonantsika no maty novonoina Jolio Kaisara. Taorian’ny fifamadibadihan-javatra maro, dia Oktavio no sisa nijoro ho filoha tokan’ny tany. Noreseny Egypta tamin’ny taona 30 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary dia tarangana hatreo ny fanjakan-dry Ptolemay. Nafoin’i Grisia hatreo ny laharany ho herim-panjakana ngeza izay notanany telonjato taona nisesy hatramin’ny andron’i Aleksandro Lehibe b.

Lasa emperora Oktavio tamin’ny 27 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Noraisiny ny anaram-boninahitra hoe “Aogosto” izay midika ho “avo, voahasina”. Nampitondrany ny anarany ny volana iray teo amin’ny taona (aogositra) ka namindrany andro iray avy tamin’ny febroary, mba hampitovy tantana ny aogositra tamin’ny jolay izay nampitondraina ny anaran’i Jolio Kaisara. Aogosto no emperora rehefa teraka Jesosy ary mbola izy ihany hatramin’ny taona 14 tamin’ny fanisan-taonantsika. — Lioka 2:1.

Nisesy tanelanelan’ny 14 sy ny 37 amin’ny fanisan-taonantsika ny fanjakan’i Tiberio izay nandimby an’i Aogosto. Teo amin’ny taona faha-15 nanjakan’ilehio no nanombohan’i Jaona mpanao batisa nitory; dia natao batisa Jesosy ary nahavita ny fanompoany teto an-tany telo taona sy tapany, ka nanolotra ny tenany ho sorona. Faha-Tiberio koa ireo mpianatr’i Jesosy no nanomboka nampiely ny kristianisma teo amin’izao tontolo izao fahizay. — Lioka 3:1-3, 23.

Gaio, nitondra anaram-bositra hoe Kaligola no nanjaka tanelanelan’ny 37 sy ny 41. Nandimby azy Klaodio (41-54) izay nadroaka an’ireo Jiosy avy tao Roma, araka ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:1, 2. Nopoizinim-badiny izy tatỳ aoriana ka Nerona zanak’io lahy tanora no nandray ny fiandrianana. Nisy hain-trano nitatra namely an’i Roma tamin’ny jolay 64 ka nandrava tokony ho ny ampahefatry ny tanàna. Notantarain’i Tasitosy fa, mba hidifianana ny fiahiahiana azy ho fototr’io, dia nampangain’i Nerona ireo kristiana; vokatr’izany, hoy ilay mpanao tantara dia “maty noviravirain’ny amboa ireo”. Ireo “no narehitra hanazava ny alina, rehefa lasana ny andro. Natolotr’i Nerona ny zaridainany mba hanaovana izany fampisehoana izany”. Nandritra io fanenjehana io no nigadrana fanindroany an’i Paoly, izay efa nitory hatrany Espaina mihitsy aza. Tokony ho tamin’ny 66 izy no novonoina, araka ny baikon’i Nerona.

Anisan’ireo emperora romana hafa mety ho tsara raha fantatsika koa dia azo tononina Vespasiana (69-79) izay nanjaka rehefa noravan’i Titosy Jerosalema, ary koa ny tenan’i Titosy (79-81) sy ny rahalahiny Domitsiano (81-96) izay nitarika indray fanenjehana ofisialy an’ireo kristiana. Raha azo inoana ny lovantsofina dia tamin’izay fanenjehana izay no nanaovana sesitany an’i Jaona apostoly efa antitra tao amin’ny nosy famaizana Patmo. Tao izy no nahazo fahitana manaitra mikasika ny fahataperan’ny fandehan-javatr’olombelona voamariky ny faharatsiana mbamin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay fitondrana handimby an’io; nataony an-tsoratra tao amin’ny bokin’ny Apokalypsy io fahitana io. (Apokalypsy 1:9). Toa novotsorana Jaona faha-Nerva (96-98) izay nandimby an’i Domitsiano. Notanterahiny ny fanoratana ny filazantsarany sy ny epistiliny telo, rehefa nanomboka nanjaka Traiano (98-117).

Ny fitotongan’ny Empira romana

Tamin’ny taonjato fahefatra, ny emperora Konstantino dia nanapa-kevitra ny hampiray ny vahoakany amin’ny alalana fivavahana “katolika” na mahafao-drehetra. Nampitondraina anarana “kristiana” ireo fomba sy fankalazana jentilisa, kanefa tsy nampitsahatra ny fiainana tsy hihasimba. Tamin’ny taona 325, Konstantino izay nitari-draharaha teo amin’ny konsilin’ny Nisea no nanapaka ny handraisana ny fampianarana ny Trinite. Tsy tena kristiana velively anefa izy satria taorian’izay no nampamonoany am-badiny Fausta sy ny zanany lahimatoa, Krispo.

Nafindran’i Konstantino ny fitondram-panjakany hankany Byzansa izay novainy anarana ho Roma Vao aloha, ary avy teo dia ho Konstantinopoly (tanànan’i Konstantino). Io tanàna io, miorina amoron’ny Bosiforo, fihaonan’i Eoropa sy Asia no naharitra ho renivohitry ny Empira romana tatsinanana taonjato 11 naninjitra. Tonga ambany fahefan’ireo Tiorka izy tamin’ny 1453.

Ny empira (romana) Tandrefana kosa dia rava tamin’ny 476. Ny mpanjaka Odoakra, jeneraly germanika fiaviana, no nanaisotra ny emperora ka namela ny fiandrianany tsy hisy mpitana. Taonjato maro tatỳ aoriana Charlemagne no nanao izay hanorenana indray ny empira Tandrefana ka nankamasinin’ny papa Léon III ho emperora tamin’ny taona 800. Ary tamin’ny 962 ny papa Jean XII no nampisatro-boninahitra an’i Otton I: teraka hatreo ny Empira Masina romana germanika; nanjaka hatramin’ny 1806 io.

Tamin’izay fotoana izay no nipongatra ny herim-panjakana fahafito farany eo amin’ny tanteran’ny Baiboly. Hanjavona koa anefa io, araka ireo faminaniana; hisolo azy ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay hampihatra ny fiandrianany tsy hisy farany. — Apokalypsy 17:10; Daniela 2:44.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo “Toute Écriture est inspirée de Dieu et utile”, p. 335.

b Noho izany, teo amin’ny fotoana nanjakan’i Roma, ilay anjelin’ny Apokalypsy dia afaka nilaza mikasika an’ireo herim-panjakana ireo hoe: “Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy [Egypta sy Asyria sy Babylona sy Empira media-persiana ary Grisia], fa ny iray mbola eo ihany [Roma] ary ny iray koa [ny Ngeza anglo-amerikana] mbola tsy tonga.” — Apokalypsy 17:10.

[Sarintany, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

Velaran’ny Empira romana.

Oseana atlantika

BRITANIA

GAOLIA

ESPAINA

ITALIA

Roma

GRISIA

Ranomasina mediteranea

Ranomasina mainty

Ranomasina kaspiana

EGYPTA

Jerosalema

Tigrisy

Eofrata

[Sary, pejy 28]

Ny Araben’i Apio izay nodiavin’i Paoly rehefa nankany Roma izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara