Tsy mahafoy an’ireo mpanompony Jehovah
Tantarain’i Matsue Ishii
EFA tokony ho herintaona aho izao no nahitsoka anaty tranomaizina japoney tao Sendai, irery anaty fonja tery sy maharikoriko sady feno parasy. Nandritra izany fotoana rehetra izany aho tsy navela handalo fisaihana na handro mihitsy. Nanjakan’ny kongona ny nofoko ferena. Tsy afaka nipetraka aho na nijoro, noho ny rohana nampangotsokotsoka ahy. Tsy nisy intsony afa-tsy hoditra nandrakotra ny taolako ary latsaka ny 30 kilao ny lanjako. Nadiva ho tonga izao ny fahafatesana.
Fa inona no nitondra ahy tao? Nahoana ny polisy no nandondòna tao am-baravarako, ny 21 jona 1939 maraina, mba hisambotra ahy? Inona no nataoko? Ratsy ny toe-javatra tany Japon, dimampolo taona lasa izay. Fa etsy ange ianareo hanazavako ny niseho sy izay nahatonga ahy hankao amin’io tranomaizina izay mbola nivoahako velona io ihany e.
Ny hatanorako
Tamin’ny 1909 aho no teraka tao Kure, tanàna tokony ho 25 kilaometatra avy ao Hiroshima. Mpivaro-bary ny ray aman-dreniko sady nitana mangazaina kimonos. Sivy taona aho fony namely ny manodidina anay ny gripa espaniola; mbola tadidiko ihany ireo vatam-paty niavosa nanodidina ny fandoroam-paty. Nifindran’io aretina io izahay sy ny zokiko vavy; tsy nisy herinandro dia lasana ny rahavaviko. Vaka aho tamin’io fahafatesana tampoka io: “Nahoana ny olona no maty? Lasa maninona ny maty?’
Satria ny raiko bodista nafana fo, dia nitety tempoly bodista aho mba hahazo valiny. Nanontaniako ireo relijiozy: “Inona no mahafaty ny olona?”
“Aza misaintsaina zavatra toy izany, hoy ny navaliny ahy. Raha atokisanao hatrany Bodà ka ataonao tsianjery ireo mantranao, dia matokia fa ho takatrao ny nirvāna ka ho tonga any am-paradisa ianao.”
Reko, rehefa 17 taona aho, fa nisy izany boky hoe Baiboly. Nividy Baiboly àry aho, kanjo tsy nisy azoko izay novakiko tao. Taorian’izay aho dia namonjy Eglizy “kristiana” tao Kure. Rehefa nohazavaina tamiko fa noho ny fahotan’i Adama no ahafatesan’ny olona, dia azoko ny fanazavana ara-panjohin-kevitra, ary dia lasa mpivavaka tao amin’io Eglizy io aho.
Fandre matetika tany ambanivohitra tamin’izany fotoana izany ny teny hoe: “Hanimba ny tanintsika ny fivavahana yaso [kristiana].” Noho izaho voalohany lasa “kristiana” mpivavaka teo amin’ny manodidina, dia voaendrikendriky ny mponina ho nanala baraka ny tanàna aho ka saika noroahiny. Tsy hita intsony ny fahasosoran’ny ray aman-dreniko tamiko.
Ianarako ny fahamarinan’ny Baiboly
Mba hanalana ahy amin’ny finoako dia nataon-draiko ho adidiny ny hampanambady ahy an’i Jizo Ishii, bodista nahatoky izay tsy fantatro velively. Pretra anisan’ny lehibe tao amina tempoly bodika ny zokiny lahy. Na dia tsy kristiana aza izy, hoy rizareo tamiko, dia hazava saina Jizo. Koa dia nankany Osaka àry aho, rehefa 19 taona, mba hanambady an’i Jizo, izay mpanjaitra ny asany. Nifanipaka tamin’ny voalazan-draiko anefa fa tsy namela ahy hiangona Jizo.
Tao Osaka, na ny marimarina kokoa, tao Tojo-cho izay nonenanay, dia nisy trano tao am-badikay izay nahitana soratra hoe: “Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly — sampana Osaka”. Koa satria nataoko fa fiarahana kristiana io, dia lasa aho nankao.
“Mino ny fahatongavan’ny Tompo fanindroany ve ianareo?” hoy aho tamin’ilay zazalahy tonga namoha varavarana. “Tamin’ny 1914 Kristy no tonga fanindroany”, hoy ny valin-teniny.
Nivanàka terỳ aho ka nilaza fa tsy nety izany. “Tokony hovakinao ity boky ity”, hoy izy, sady natolony ahy ny La Harpe de Dieu.
Mba tsy hahitam-badiko azy, dia nafeniko anaty sobika mololo misy arina ilay boky mba hataoko famaky rehefa nety. Toy ny nilatsaham-baratra aho, isaky ny fanazavana novakiko. Hay! 144 000 monja no hankany an-danitra; Kristy izany tsy anisana Trinite fa zanaka lahitokan’i Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha; efa velona amin’ny andro farany isika izao; ilay gripa espaniola nahafaty an-drahavaviko izany anisan’ny fahatanterahana faminaniana ao amin’ny Baiboly. Tena azoko toky fa ilay fahamarinana nokarohiko tokoa izao no hitako.
Kanjo indray andro saron’ny vadiko ihany aho teo am-pamakiana boky kristiana. Nefa noho ny fifikirako mafy tamin’ny finoako, dia lasa vinany izy sao mba nisy zava-dehibe ihany tao, ka dia nanomboka namaky koa La Harpe de Dieu. Natao batisa aho ny taona nanaraka, dia ny 23 martsa 1929, ary tsy ela taorian’izay dia natao izany koa izy.
Lasa mpitety (colporteurs) izahay
Nakatonay ny trano fanjairanay ary nalefanay ireo mpiasa. Henika ny hafaliana ny fonay raha nanomboka nitory nitety trano tao Osaka. Tamin’ny septambra 1929 aho no tonga mpitety faharoa tao Japon (fa toy izany no fiantso ny mpanompo manontolo andro, fahizay). Nanomboka izany koa ny vadiko tsy dia ela loatra taorian’izay. Niarahanay nitety ny telo ampahefatry ny faritany japoney, indrindra fa Osaka, Kyoto, Nagoya, Tokyo, Sendai, Sapporo, Okayama ary ny nosy Shikoku. Enim-bolana teo ho eo no faharitray isan-tanàna, izay nanofanay efitrano ka nampielezanay zavatra vita an-tsoratra.
Nampiasainay izay boky nisy tamin’ny fiteny japoney toy ny La Harpe de Dieu, Délivrance, Création, Réconciliation sy Gouvernement mbamin’ireo gazety L’Age d’Or (Réveillez-vous! ankehitriny) sy Ny Tilikambo Fiambenana. Izahay mpitety moa dia nampiasa adiny 180 isam-bolana mba hitetezan-trano. Na teo aza ny havizanana, dia sambatra tokoa izahay.
Tsy mba nahazo fanonerana izay laninay izahay mpitety japoney, fahizay, fa dia ny antsasak’izay vola noraisinay rehefa nametraka zavatra vita an-tsoratra no nivelomanay. Tsy mora ny fiainana tamin’izany. Nisy izao mpitety tahaka anay matin’ny fivalanan-dra. Nifindran’aretina koa aho rehefa namangy azy, ka nampidirina hopitaly. Rehefa nipetraka tao Nagoya izahay dia may trano rizareo nifanila trano taminay. Ny hany namonjy anay dia ny nandositra tamin’ny tohatra ka tsy nisy fanananay tavela afa-tsy ny akanjo teny an-koditra. Lasan-ko setroka avokoa izay mba kely nanananay mbamin’ireo zavatra vita an-tsoratra natao haely. Tsy nisy tavela na dia variraiventy aza.
Tao Okayama ny vadiko dia nanavy mafy nandritra ny andro maro, ka raboka tamin’ny avokavoka no voalaza fa nahavoa azy. Matetika tamin’izany fotoana izany io aretina io no tsy namela raha tsy nahafaty. Koa rehefa hoe ho faty ihany àry izy, dia nirinay ny hankany Sapporo any Hokkaido, ilay nosy avaratra indrindra, mba hitory tany amin’izay tsy mbola nanaovana fanambarana mihitsy teo aloha.
Dia lasa nankany Hokkaido àry izahay tamin’ny septambra 1930 ary tany no noheveriko hahatapitra ny androm-badiko. Kanjo nadio tany ny rivotra sady mora vidy ny ronono sy ny ovy, hany ka nihatsara tsikelikely ny fahasalamany. Tsy nahafoy anay na oviana na oviana Jehovah fa namela anay kosa hahita fifaliana tsy hay lazaina teo amin’ny fanompoanay.
Ohatra, tamin’ny voalohany indrindra nitorianay tao Sendai, dia nanaiky hiresaka tamiko manokana Atoa Inoue, prezidàn’ny Oniversite Imperialin’i Tohoku. Noraisiny ireo boky teo amiko ary dia nateriny hatreo am-baravarana aho. Teny am-pitoriana isan-trano koa aho no tafahaona tamin’i Bansui Doi, ilay mpanoratra malaza izay nandika ny Iliade sy ny Odyssée an’i Homère. Noraisiny ny boky Création.
Anisan’ireo nihaino ka nandray ny hafatra nentinay ry Miura mianakavy tao Ishinomori. Vao 17 taona ravehivavy, Hagino, rehefa nanatona anay voalohany tany Sendai. Rehefa avy nifanakalo hevitra taminay ny amin’ny Baiboly ny alina manontolo izy dia niaiky fa tao aminay ny fahamarinana. Tsy ela rizareo mianakavy dia nifindra nankany Tokyo, ka tany ry Hagino sy Katsuo vadiny no lasa mpitety. Vavolombelona nahatoky mandra-pahafatiny Katsuo ary Hagino dia mbola manompo an’Andriamanitra hatrany ihany amim-pahatokiana. Efa an-taonany maro izao ny zanany lahy Tsutomu no mpandika teny ao amin’ny sampana japonein’ny Fikambanana Watch Tower.
Fanompoana niserana tao amin’ny Betela
Fanaonay mivady teo amin’ireo taona telopolo ny niasa volana vitsivitsy isan-taona tao amin’ny Betela izay tao Ogikubo, zanabohitr’i Tokyo. Tokony ho 20 ny olona tao tamin’izay. Nisy milina fanaovana pirinty roa be tabataba nanontana ny L’Age d’Or tao. Izahay sy Jizo moa niasa tao amin’ny fikarakarana fitafiana. Isaky ny fiovan’ny fizaran-taona tokoa mantsy dia fandefan’ireo mpitety hankao amin’ny Betela ny fitafiany mba hamboarina. Tsy maintsy nosasana ireo ary nozairina sy nopasohina talohan’ny hamerenana azy ho any amin’ny tompony. Nanjaitra mihitsy akanjo vaovao ho an’ireo mpitety aza izahay. Rehefa vita ny asanay mivady dia niverina ho mpitety indray izahay.
Anisan’ny fahatsiarovako sarobidy indrindra ny Betela ny niseho tamin’ny 1931, izay nifandray tamin’ilay fivoriambe malaza tao Columbus (Ohio) tany Etazonia. Nisy vata fandraisam-peo naharay onjam-peo fohy namboamboarin’ny iray tamin’ireo sakaiza, mba hahafahany nandray filazam-baovao avy tany ivelany. Nahodinkodinay indray andro sy alina maninjitra ny bokotra taminy sao mba nisy naharaisanay tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe. Tamin’ny farany, efa akaiky hamaton’alina no injay re nanakoako ny feon’i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Avy hatrany dia nisy taminay nandika teny. Toy izay no nandrenesanay ny fanapahan-kevitra nandraisana ny anarana vaovao hoe “Vavolombelon’i Jehovah” sy ny tehaka nanakoako nankasitrahana azy. Tao amin’ny Betelanay ambadiky ny bolan-tany izahay niara-nihoraka amim-pifaliana tamin’ireo rahalahinay tany Amerika. Tsy nisy minitra firy akory dia maty nangina ilay vata fandraisam-peo fa simba. Nefa dia navelan’i Jehovah izahay mba hahazo anjara tamin’io fotoan-tokana teo amin’ny Tantara io.
Vavolombelona na tao aza ny fanoherana
Nandritra ny fahasahiranana nandimby ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy rivo-panindrahindrana ny tanindrazana sy ny miaramila nifofofofo teto Japon. Ny emperora moa natao ho andriamanitra velona tokony hanehoan’ny Japoney tsy vaky volo fahatokiana. Izahay kosa moa nilaza tamin’ny olona hoe: “Tsy misy Andriamanitra afa-tsy tokana ihany.”
“Tianareo holazaina izany fa tsy Andriamanitra ny emperora?” hoy ny fanontaniany.
“Misy ho avy mampitolagaga miandry antsika, noho ny Fanjakan’Andriamanitra”, hoy ny fanazavanay.
“Tianareo ho hafa izany no hanapaka fa tsy ny emperora? Hoy indray rizareo. Na inona na inona nolazainay dia naolany mba hanendrikendrehana anay ho mpivadi-belirano. Nohenjanin’ny fitondram-panjakana ny fitsikerana ny zavatra vita an-tsoratray ary nihamatetika no nisy polisy sivilina nanjohy anay.
Nahazatra anay ny nanao lahateny ampahibemaso indray mandeha isan-taona. Na dia 20 monja aza izahay no Vavolombelona tao Tokyo, dia olona 500 no nihaino ny lahateny “Miongana ny riba (haifomba) kristiana”, tao amin’ny tranom-pokonolona Yodobashi. Voahodidina polisy ny mpandahateny teo ambony lampihazo ary raha vao nisy teny tsy azoazon’ireo dia nihoraka ny iray hoe: “Aoka!” Malina ilay mpandahateny ka dia nanokatra fotsiny andininy tao amin’ny Baiboly izay novakiny. Koa satria tsy voarara ny Baiboly, dia navela izy hanohy.
Voasambotra sy voagadra
Efa mpitety saika ho folo taona izahay mivady no nanomboka nanao sambo-belona ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ny manam-pahefana japoney. Ny andro ratsy 21 jona 1939 aho no nindaosina hankao amin’ny biraon’ny polisin’Ishinomaki ary notanana tao anaty efitrano maizimaizina nitete molaly. Tsy ela avy teo aho no nafindra hankany Sendai ary nahitsoka ho irery am-ponja. Voasambotra tamin’izay koa ny vadiko ka tsy nisy hifandraisanay intsony mandra-pahatapitry ny ady.
Efa ho herintaona aho no nihosina tao anatin’io fonja naharikoriko saika nahafaty ahy io. Reko tatỳ aoriana fa ny polisy tamin’izany dia teo am-panaovana famotopotorana ny amin’i Junzo Akashi, izay mpiandraikitra ny sampana tany Japon. Nanomboka àry ny fanadinadinana ahy, tamin’ny farany. “Akifiho amin’ny tany ny Baiboly ka hoseo”, hoy ny baikon’izato mpanao famotorana tsy valahara. Dia nasehony ahy ny antontan-taratasin’ny famotopotorana ny amin’i Akashi, izay nataoko ho fitaka raha vao nanomboka.
“Mino an’i Akashi ve ianao?” hoy ny nanontaniany ahy.
“Olombelona tsilavorary fotsiny Akashi, hoy aho. Raha mbola nanaraka ireo aingam-pitsipiky ny Baiboly Akashi dia nampiasaina ho mpanompon’Andriamanitra. Fa satria efa nihataka avy tamin’ny Baiboly ny teniny dia tsy ranadahiko intsony izy.” Indrisy tokoa mantsy fa efa nandao ny fahamarinana Akashi!
Navoaka ny didim-pitsarana, ary dia nohidiana tao an-tranomaizim-behivavin’i Sendai aho, ka nahitsoka indray ho irery am-ponja. Nisy ihany sakafo nozaraina fa tsy dia nisy inona loatra. Isa-maraina aho dia navela hitsangatsangana 30 minitra ambany fiambenana mpiambina vavy. Hoy ny mpiambina ahy, indray andro: “Raha mba tsaratsara kokoa manko ny fotoana dia ho afaka nampianatra anay ianao. Fa satria andro sarotra izao, dia mbà miaritra re, aza fady.” Nampahery ahy tokoa ireo teny ireo.
Nandritra izay moa Japon no niditra niady tamin’i Etazonia ka nanahiran-tsaina an’izao tontolo izao izany. Tokotokony hifarana ny 1944 no votsotra aho, dimy taona sy tapany taorian’ny nisamborana ahy. Tamin’ny aogositra 1945 no nanjerana bomba atomika Hiroshima sy Nagasaki ka dia resy Japon.
Avy tao amin’ny haizim-pito ho amin’ny mazava
Nody tany Kure izahay mivady ary asa fanjairana no nivelombelomanay tao anatin’ny korontan’ny ampitson’ady. Efa niparitaka daholo ireo sakaizanay kristiana talohan’ny ady ka very izay rehetra fomba ho azonay ifandraisana taminy. Renay anefa, rehefa tapitra tokony ho efa-taona ny ady, fa nisy misionera tonga avy tany Etazonia ka dia hitohy indray teto Japon ny asan’ilay Fanjakana.
Nentin’ny vadiko ny zanakay lahy enin-taona natsanganay taorian’ny ady, mba hanatrika ny fivoriambe voalohany nandimby ny ady tao Tarumi anilan’i Kobe. Ny andro farany indrindran’ny 1949 io no nanomboka ary nifarana tamin’ny fiandohan’ny 1950. Tao anatin’ny ‘fotoan’ny haizina’ tokoa ny fitoriana teto Japon hatramin’ny 1939 kanefa izao, injay fa niherina taminay ihany ny mazava!
Nampahafantarina anay fa tokony hamangy an’i Japon ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, Nathan Knorr, tamin’ny 1951 fa tsy tena fantatra loatra hoe rahoviana. Ny 27 aprily 1951, raha mbola teo am-panjairana ihany izahay nisasaka alina no renay ny fampielezam-peo nilaza ny vaovao farany tamin’ny andro iny. “Atoa Nathan Knorr, prezidàn’ny Watch Tower dia ho tonga eto Japon ka hanao lahateny ao amin’ny efitrano Kyoritsu”, hoy ny mpamaky vaovao. Ny ampitson’iny aho no nandray ny fiarandalamby nankany Tokyo mba hanao ny dia 900 kilaometatra tao anatin’ny fahoriana sy ny korontan’ny ampitson’ady. Ny 29 aprily aho dia tafatombina tsara teo amin’ny sezako mba hihaino an-dranadahy Knorr.
Ontsa ny foko tamin’ny filazana ny fanontam-pirinty voalohany Ny Tilikambo Fiambenana indray taorian’ny ady. Nofihiniko ny laharan’ny 1 may 1951 rehefa nody. Raha tsy diso fitadidy aho, dia tsy mbola nisy nahatretrika ahy toy izany hatrizay niainako. “Hanomboka indray amin’ny fomba ofisialy eto Japon izany ny fitoriana, hoy aho anakampo, ary dia hitombo ny asan’i Jehovah, araka ny faminaniana, ka ny kely ho tonga arivo.”
Hatramin’izay dia hafalianay ny niraikitra akaiky tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Tonga tamin’ny aogositra 1951 ny anadahy Adrian Thompson mba hamangy anay voalohany amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nalamina ireo fivoriana ary dia notendrena hanketo Kure izy roa lahy mpitory maharitra manokana voalohany indrindra teto Japon. Nitombo tsikelikely ny kongregasiona; mpikarakara ny kongregasiona tao ny vadiko.
Inona moa no niafaran’ireo Vavolombelona 130 talohan’ny ady? Tena nitondra voka-dratsy teo amin’ny maro ny oha-dratsin’i Junzo Akashi, ilay mpiandraikitra ny sampana teo aloha. Nisy nanaraka azy ary nisy nihahaka fa toa nisy koa matin’ny fanenjehana. Tokony ho roa ambin’ny folo no naharitra am-perinasa tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ka ny sasany amin’ireo mbola avelan’ny fahasalamany hijoro ho mpanompo mazoto hatrany.
Rehefa nihatsara ny fahasalamako dia afaka nitory maharitra mandavantaona aho taona vitsivitsy. 71 taona ny vadiko rehefa nandoa ra be dia be indray andro. Nentina faingana nankany amin’ny hopitaly izy ary soa ihany fa nanaja ny fandavany tsy hampidiran-dra ireo dokotera tao. Na dia somary nihatsara kely aza izy, dia maty rehefa afaka enim-bolana. Kozo, ilay zanakalahy natsanganay, dia nanao mpitory maharitra manokana an-taonany maro; loholona izy izao.
Rehefa mitadidy ny lasa sy ireo sakaizanay talohan’ny ady aho, dia toa heveriko fa, rehefa voageja mafy, dia toa nandao ny fandaminan’i Jehovah ny ankamaroan’ireo nanam-pahaizana sy kinga saina kokoa. Angamba ireny natoky loatra ny fahaizany. Ireo izay naharitra ho nahatoky kosa dia tsy nanam-pahaizana manokana loatra na anisan’ny nisehoseho. Hita amin’izany àry fa isika rehetra dia tokony hatoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra ary amin’ny fotoana rehetra. — Ohabolana 3:5.
Tsy misy hambahamba fa tsy maintsy ho tonga izao ny “fahoriana lehibe” (Matio 24:21). Mety ho mbola ratsy famely lavitra noho izay efa nandalovana aza ny fisedrana amin’izay. Angamba izany tsy ho mora hiaretana, araka izay iheverantsika azy. Kanefa raha tena mametraka toky amin’i Jehovah tokoa isika sady tena tia azy tokoa ka mangataka ny fanampiany amin’ny fo rehetra, dia toy ny tsy namoizany ahy no tsy hamoizany koa an’ireo mpanompony izay milofo mba hanompo azy amim-pahatokiana. — Salamo 37:25.
[Sary, pejy 23]
Nivady izahay sy Jizo Ishii, izay tsy fantatro velively.
[Sary, pejy 25]
Rehefa nandalo teto Japon ny anadahy Knorr tamin’ny 1951, dia namporisika an’ireo misionera ary nitsidika an’ireo fivoriambe tao Tokyo sy Nagoya ary Kobe (io ambony io).