Asaina ianao ho tonga ao amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra”
MANOME antsika amim-pahalalahan-tanana ny zavatra rehetra Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika tia! Eny, marina tokoa fa avy aminy “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” (Jakoba 1:17). Rariny ny ampiasan’ny Salamo 136 in-26 ny fitenenana hoe: “Fa mandrakizay ny famindrampony [hatsaram-pony, MN ].”
Tamin’ireo fandaharana ara-panahy maro nomanin’i Jehovah taloha ho an’ny olony, dia tao ny andro firavoravoana telo fanao isan-taona: ny Paska sy ny andro firavoravoana fihinanana ny Mofo tsy misy masirasira; ny andro firavoravoana amin’ireo Herinandro, na Pentekosta; ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny Trano rantsan-kazo na andro firavoravoana amin’ny Fijinjana. Ireny andro firavoravoana ireny, izay fotoana fampandrosoana ara-panahy sy nitondra fifaliana lehibe, dia tsy andry izay hahatongavany. — Levitikosy 23:40-43.
Amin’izao androntsika izao, amin’izany fomba izany koa, dia nataon’i Jehovah Andriamanitra tao am-pon’ireo mpanompony hevitra hoe hivory intelo isan-taona: amin’ny andro fivoriambe manokana, amin’ny roa andro amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany ary mandritra ny telo na efatra andro amin’ny fivoriamben’ny distrika. Fotoana fampandrosoana ara-panahy ihaonana ao anatin’ny fifaliana koa izany. Araka ny tatitra voaray hatramin’izao, ny fivoriambe hoe “Matokia an’i Jehovah”, izy nanomboka tamin’ny jona 1987, dia nahavory olona 6128388 ary nanamarika batisa 85091. Tsy andrin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra izay hanatrehana ny fivoriambe “Ny fahamarinan’Andriamanitra” amin’ity taona ity.
“Ny fahamarinan’Andriamanitra”! Foto-kevitra sady mendrika no ambony sy lehibe tokoa izany! Na dia ny olona tsy tanteraka aza dia miaiky, amin’ny teny fara faharatsiny, ny tena hasarobidin’ny rariny. Izany no nanosika, 200 taona lasa izay, ireo mpanao ny Lalàm-panorenan’i Etazonia, hanome ho an’ilay firenena, tsy mpampihatra sy mpanao lalàna fotsiny, fa mpitsara natao hiantoka ny rariny koa. Taonjato maro talohan’izay anefa Jehovah dia efa nizara ny fahefana ho telo ka samy ao aminy daholo ireo. Izany no antony ahazoantsika mamaky toy izao ao amin’ny Isaia 33:22: “Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika.”
Lazaina fa ny zava-kendren’ny fanjakana iray ambony indrindra dia ny fanorenana sy ny fanohanana ny rariny. Na dia fantatry ny olona tia tena sy tsy tanteraka aza anefa ny hasarobidin’io fotopoto-pitsipika tsara dia tsara io, dia tsy afaka nampihatra izany velively izy ireo. Manaporofo aoka izany ny tsy firaharahana ny rariny ny fanavakavaham-pirazanana sy firenena ary fivavahana amin’ny endriny maro karazana. Toy izany koa ny fanamparam-pahefana isan-karazany, ataon’ireo fitondram-panjakana, fikambanana, fihetsiketsehana ara-pivavahana na ataon’ny isam-batan’olona.
Tsy isalasalana fa velom-pankasitrahana tokoa isika satria manana antoka, noho ny Tenin’Andriamanitra, fa handresy ny rariny amin’ny farany, satria Andriamanitry ny rariny Jehovah, alohan’ny zavatra rehetra. Izano antony nihiran’i Mosesy izao manaraka izao ny amin’i Jehovah: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalàny rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4). Mampiseho fanajana ny rariny toy izany Jehovah Andriamanitra, hany ka nomeny ho sorona ny Zanany lahitokana mba hahafahana manome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò (Romana 3:25, 26). Ara-drariny ny ankasitrahany an’ireo tia ny rariny araka ny vakintsika toy izao ao amin’ny Salamo 11:7: “Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.”
Ny fivoriamben’ny distrikantsika hoe “Ny fahamarinan’Andriamanitra” dia hanamafy ny fitokisantsika ny fandresen’ny rariny amin’ny farany. Izany dia hanamafy koa ny fahavononantsika hankatò amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra miseho rehetra, ny baiko “hanao ny marina” voarakitra ao amin’ny Mika 6:8. Tena tsy mora akory izany rehefa heverina ny fironantsika raikitra ho tia tena sy ireo fakam-panahy atolotr’izao tontolo izao tia tena manodidina antsika.
Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia hanomboka ny alakamisy tolakandro ny fivoriambe. Ny andro tsirairay avy dia hapetraka eo ambany foto-kevitra samy hafa. Ny ho foto-kevitra amin’ny andro voalohany dia hoe “Sambatra izay mitandrina ny mahitsy”, araka ny Salamo 106:3 (MN ). Hasehon’ny lahateny fototra ny hoe ahoana no ihariharian’ny rariny amin’ny lalan’Andriamanitra rehetra, ka hanaraka izany ny tatitra hataona mpanompo manontolo andro izay, toy ny misionera avy any an-tany hafa, dia miezaka hanana fiainana mahitsy.
“Raiso ny fifehezana mampahahendry” (Ohabolana 1:3, MN ), izany no foto-kevitry ny zoma. Ao anatin’io andro io, dia hisy fitohitohizan-dahateny roa hampisongadina ny maha-zava-dehibe ny fifehezana sy hampiseho fa ilaina ny manaiky izany. Ny tantara araka ny Baiboly iray araka ny andro ankehitriny manana ny foto-kevitra hoe “Voamarika mba ho tafita velona” dia hanamafy ny ilàna hanao izay hahafantarana ny tena ho mpanompon’i Jehovah. Hifarana amin’ny torohevitra tsara dia tsara vitsivitsy hampirisika ‘hitodika any amin’i Jehovah mba hampahahendry’ ny andro.
Mampahery ny foto-kevitra amin’ny andro fahatelo, ny asabotsy: “Marina sy mahitsy ny fitsarana ataony”, araka ny Apokalypsy 19:2. Ny maraina no hanaovana ny lahateny mitondra ny lohateny hoe “Hitondra vokatra tsara ho anao amin’ny fitsarana ny batisa”. Ny tolakandro dia hanomboka amin’ny fitohitohizan-dahateny izay hamporisika ireo loholona ‘hanompo amin’ny rariny mihitsy’. Izany dia harahin’ny fitohitohizan-dahateny hafa izay, araka ny foto-kevitra hoe “Akaiky ny fotoana voafetra”, dia hivaofy faminaniana ao amin’ny Soratra grika kristiana izay manambara ny fandresen’ny rariny.
Ny alahady, andro fahefatra sady farany amin’ny fivoriambe, dia hanana foto-kevitra hoe “Ny marina dia marina no harahinao”. (Deoteronomia 16:20.) Ny fampisehoana tantara araka ny Baiboly velombelona sy handraisam-pianarana be dia be mitondra lohateny hoe “Ny didim-pitsaran’i Jehovah manohitra ny olona mpankahatra lalàna” dia fotoan-dehibe amin’ny maraina. Ny lahateny ampahibemasoa nomanina ho amin’ny tolakandro, ary manana ny foto-kevitra hoe “Ny rariny ho an’ny rehetra noho ilay Mpitsara voatendrin’Andriamanitra”, dia mirakitra hafatra tena mampahery ho an’izay rehetra tia ny rariny. Ny tsirairay avy dia handray soa bebe kokoa amin’io lahateny io amin’ny fifankazarana mialoha amin’ny toko faha-17 amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly. Amin’ny fotoana mety, ny lahateny famaranana dia hamporisika ny mpihaino rehetra ‘hanohy hanaraka ny rariny raha mbola manatona ny farany’.
Tena fanasana ara-panahy no miandry izay rehetra hanatrika ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra”. Tongava àry ao amin’io fivoriambe io, miaraka amin’ny fahazotoan-komana ara-panahy mafy ary mahatsapa amin’ny fomba feno izay ilainao ara-panahy. Manehoa fankasitrahana ny latabatr’i Jehovah toy ny amin’ireo fivorian’ny kongregasionanao amin’ny fisehoanao ivelany, amin’ny fahatongavana aloha elan’ny hanombohan’ireo fotoam-pivoriana sy amin’ny fijanonana isan’andro hatreo amin’ny vavaka famaranana. Mihainoa tsara foana ny fizarana tsirairay avy amin’ny fandaharana. Makà fitadidiana an-tsoratra; tsy vitan’ny hoe hahatonga anao ho afaka hitadidy ireo hevitra amin’ny fivoriambe izany, fa hanampy anao koa hifantoka amin’izay holazaina.
Aoka tsy hohadinointsika koa ity fotopoto-pitsipika nambaran’i Jesosy voalaza ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:35 ity: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Ataovy àry ny anjaranao mba hahatonga ny fivoriambe hatao tsy hisy sampona sy ao anatin’ny toe-javatra tsara indrindra. Aoka ianao ho vonona mandrakariva ny hanararaotra ireo fahafahana hanao fanambarana. Eritrereto izany, satria tsy misy mihitsy fotoana voaomana handehanana hitory ao anatin’ny fivoriambe. Amin’ny fiahiana ny amin’ireo zavatra rehetra ireo, dia ho azonao atao ny hampiseho fa anisan’ireo tena mitandrina ny marina tokoa ianao.
Hahafaly ny Mpianatra ny Baiboly ny hanondro aminao ny fivoriambe akaiky anao indrindra.